Iza avy ireo fianakaviana taranak'i Jesosy

1. endriny ( 04/12/2014 05:51)
Maro ireo fianakaviana Frantsay sy Espaniola mitonona fa taranak'i Jesosy. Fa ahoana no maha tarak'i Jesosy azy ireo?
novalian'i endriny ny 13/01/2015 07:50
2. leea ( 04/12/2014 08:14)
sao de taranak'i Mr Bernard Léon de l'enfant Jésus ?
3. gasy1zay ( 04/12/2014 14:16)
Misy koa gasy mitonona ho taranaka Jiosy
4. endriny ( 06/12/2014 05:24)
Ary rahoviana ny Malagasy no hisy hiteny hoe taranak'i Jesosy?
5. gasy1zay ( 06/12/2014 16:53)
endriny > aram-panahy ny kristianina izay nandray an"i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy rehetra dia zanak'Andriamanitra na gasy io na hafa firenena
6. endriny ( 08/12/2014 06:34)
Hihihihihi... Iza moa no rahalahiko sy anabaviko? Izay manao ny sitrapon'ny Raiko.... fa tsy hoe izay manaraka ahy sy mabnompo ahy... Na mamorona fingonanana amin'ny anarako... Mila midna miverina ianao
7. bichette ( 08/12/2014 16:18)
déjà aloha pour repondre, izay nateraka indray di anomeny hery ho tonga zanak'Atra, lasa zanaka adopter isika izany !
8. Fiffi ( 08/12/2014 16:26)

gasy1zay:

aram-panahy ny kristianina izay nandray an"i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy rehetra dia zanak'Andriamanitra na gasy io na hafa firenena


tena marina io nolazainao io......
9. rhaj0 ( 08/12/2014 16:56)
Ianao anie raha te-ho zanany dia ... zanany izany e.. Iza moa no hi-contredire anao @ izany.. TSY izaho aloha e...

Fa izaho kosa aloha nahita fa h-ihomehezan'ireo (mihevitra fa) "tena zanany", toa ny Jiosy, ianao.
10. gasy1zay ( 08/12/2014 19:24)

endriny:

Hihihihihi... Iza moa no rahalahiko sy anabaviko? Izay manao ny sitrapon'ny Raiko.... fa tsy hoe izay manaraka ahy sy mabnompo ahy... Na mamorona fingonanana amin'ny anarako... Mila midna miverina ianao


Galatiana 3:26 "Fa hianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy"
11. rhaj0 ( 08/12/2014 20:06)
Hay va re "samy zanak'A.tra ao @ finoana" e... Ka dia "ekena-tsisy-porofo" io izany...

Dia mbola mahazo mifanambady koa izany :-)
12. gasy1zay ( 09/12/2014 14:11)

rhaj0:

Hay va re "samy zanak'A.tra ao @ finoana" e... Ka dia "ekena-tsisy-porofo" io izany...

Dia mbola mahazo mifanambady koa izany :-)


Ka izay anie no hanamasinana ny fanambadiana e! ary izay no antony hoe fijangajangana ny firaisana ivelan'ny fanambadiana
13. endriny ( 13/01/2015 07:50)
Any andafy toa tsy misy mpanambady hamasinina izany intsony koa, toa miverina amin'ny fomban-drazana Malagasy daholo ihany no iafarany....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3277