Niova lalana

1. Tefigasy ( 27/11/2014 07:23)
Nisy tovovavy iray, andeha atao hoe bozy ny anarany fa ndrao hanahirana raha sendra misy mahafantatra, notaizana tao amin'ny fivavahana kristianina: nampianarina sekoly alahady, niroso tamin'ny fianarana katekomena, nandray ny fanasan'ny Tompo, niditra tao amin'ny sampana antokom-pihiram-piangonana ary tena anisany nalaza tamin'ny fihirana gospel song ireny mihitsy.
Ny zavatra nanahirana anefa na teo aza izany rehetra izany dia nanana ny toetrany manokana izy: tsy tia hanarina sy hahitsy amin'izay tsy mifanaraka amin'ny toe-tsainy sy ny zava-misy na dia tsy miendrika ny filazan-tsara aza. Nisy tovolahy iray izay efa manam-bady aman-janaka nifanadala taminy tao am-piangonana, iray chorale aminy ihany koa moa. Nihafina niaraka zareo, saingy nisy nahita sy nahalala ihany, ary dia tsy nandraharaha sy tsy nihafikafina intsony avy eo. Netina teo anivon'ny fiangonana ilay tranga , niezaka ny nananatra azy ireo ingahy pasitera nefa dia i pasitera indray no nahazo vava mahatsiravina toa ny hoe ianao indray ve no hanakana ny fifankatiavanay nefa Jeso mihitsy aza no niteny hoe mifankatiava, tsy maharaka ny zava-misy ianao fa taraiky, ...... Rehefa tsy nety nanarina toa izay izy ireo dia niala tao anatin'ny chorale, niala tao anatin'ny fiangonana, nisaraka tamin'ny vadiny ilay tovolahy. Nandeha teny ny andro sy ny volana, nitombo nanaraka izany ihany koa ny ditra (izay tsy mifanaraka amin'ny filazan-tsara) nataon'i Bozy: mifoka, miodina .... ingahy pasy sy ny fiangonana ihany koa moa efa tsy teo intsony hananatra. Nijanona tamin'ny fianarana izay nataony i Bozy fa tsy naharaka intsony ary dia nivari-lavo tamin'ny rendrarendra.

Hajanoko hatreo ny tantarany aloha, fa mitodika aminao indray aho, raha sanatria manana tantara mitovitovy amin'ny an'i Bozy ianao, ondry kely iray niala tao anaty vala, nezahina ny mba handray ny famonjena, nefa nandalo sy niserana teo anoloany fotsiny izany, fombafomba sy andrakandrana fa tsy voaray hatrany anaty. Ny olona toa izany mihitsy no nidinan'i Jeso teto an-tany, mba hamonjy sy hitondra anao ho amin'ny fiainana fa tsy fahafatesana. Hoy ny Tompo aminao hoe raha hiverina ianao , dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao ; ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao , dia ho solom-bavako ; Hanatona anao indray ireny ; Fa tsy ianao no hanatona azy,

Ho anao efa kristianina kosa indray, mety ho mpitondra fiangonana ianao mamaky ity hafatra ity, mety mpitarika sampana na laika tsotra fotsiny ihany aza: raiso hatrany ny andraikitra fa aza manipy gant. Misy tenin'ny Tompo izay hoe fahano ary ny ondriko,andraso ary ny ondriko . Mba andraikitra nampanaovin'ny Tompo ho anao izany ka vitao hatramin'ny farany. Nirahina mba hamahana sy hiandry ianao fa tsy nirahina mba haka ny hofak'ondry mba hatao akanjo mafana, na hivarotra ny ondry ho amin'ny amboadia fa kosa tena hitandrina ny ondry tsy ho rambosan'ny fahavalo. Matoky anao ny Tompo
novalian'i rhaj0 ny 01/12/2014 17:08
2. bor2lais ( 27/11/2014 13:40)
Misaotra anao amin'ny fizarana !

[size=8]Tongo-bakivaky araka ny fitenenana izy ity ka sady maharary no mahamenatra.[/size]

"Fahano ary ny ondriko, andraso ary ny ondriko"

Amiko rehefa mamaky ny tantara lazainao dia toa ny lafiny fiandrasana (fananarana) no misongadina fa ny fanontaniana manitikitika dia ny hoe : mba nofahanana (lafiny fitaizana ara-panahy) araka ny tokony ho izy ve ilay ondry ? Ny isan'ambaratonga (fianakaviana, Fiangonana, fiaraha-monina) no voakasik'io amiko fa tsy ny Mpitandrina irery !

Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! :-)
3. rhaj0 ( 27/11/2014 14:06)
Azonao zaraina fohifohy eto ve hoe, inona izany "lafiny fitaizana ara-panahy" tokony natao, raha ny @ io tranga io : sipakely nahodin'i bainina kely, ary dia tafiditry ny tournant ka any an-kady no niafarany ?

MIfandraika @ resako tatsy ihany hoe, tena TSY takatro ho'a izany resakareo "ara-panahy" izany, ka dia mitady "ohatra" mivaingana aho io..

Ny ahy izao ny fahitako an'io tantara io dia ... efa misy ny lalAna velona, ka raha mandrebireby zaza tsy ampy taona i bainina kely, dia any am-ponja avy hatrany ny tohiny. Raha efa ampy taona, majeure et vaccinEe moa ikalakely, dia safidiny any izany, ary adultes consentantes ireo, h@ ilay vady voafitaka.. Ny hany fampianarana tokony amena, dia ny fampahafantarana ny lalAna (sy ny antony sy ny vokany...) sy ny ... fahendrena malagasy: "tsongoy fon'olona, tsongoy fo-tena"...

4. bor2lais ( 27/11/2014 17:42)
rhaj0:

Azonao zaraina fohifohy eto ve hoe, inona izany "lafiny fitaizana ara-panahy" tokony natao, raha ny @ io tranga io : sipakely nahodin'i bainina kely, ary dia tafiditry ny tournant ka any an-kady no niafarany ?

[size=8]Tena tsy haiko fa azafady indrindra ! :-)[/size]
Lafiny fitaizana ara-panahy ...

Eritrereto hoe zanakao sy/na taizanao ireo olona ireo ! Dia averiko aminao ny fanontanianao ! :-)
rhaj0:

Ny hany fampianarana tokony amena, dia ny fampahafantarana ny lalAna (sy ny antony sy ny vokany...)

Dia tahaka izay koa ny fampianarana atao any am-piangonana saingy ny lafiny ara-panahy no (tena) taizana. Ny lalàna ara-panahy (amiko) dia voafehy ao amin'ny antsoinay hoe sitrapon'Andriamanitra ! :-)

rhaj0:

sy ny ... fahendrena malagasy: "tsongoy fon'olona, tsongoy fo-tena"...

Dia ampio hoe "Aza ny lohasaha mangina no jerena fa ..." dia manomboka efa ho takatrao ny resaka ara-panahy ! :-)

Fomba fijeriko ihany anefa izay nozaraiko izay fa eo ny namana hafa hanitsy na hanampy izay voalaza ! :-)
5. rhaj0 ( 27/11/2014 17:56)
[size=8]hotry ny mihodikodina tsy mahasahy miroboka koa ry Bor2lais izany, fa tsy tonga dia ny voamasony no potsirina... hoe inona izany "panahy" "panahy" izany[/size]

Raha azoko izany dia, ilay hoe "fitaizana ara-panahy", dia ny fampianarana ireo didy amam-pitsipika ao anaty Baiboly.

Ary raha ampifandraisako @ resako (azoko) tatsy, dia :
"volena" na "fahanana" (hozy Bor2lais) ao @ "imagination"-ny tsirairay ao, ilay ao @ "imagination collectif".

Ka izay izany.

Dia io izany no tsy vita, TSY voavoly, na TSY voafahana, hozy Bor2lais izay, hany ka nibolisatra nisolafaka razazavavy (sy i bainina kely)

(Mety) Tena izay izany ???
6. bor2lais ( 28/11/2014 09:35)
rhaj0:

hotry ny mihodikodina tsy mahasahy miroboka koa ry Bor2lais izany, fa tsy tonga dia ny voamasony no potsirina... hoe inona izany "panahy" "panahy" izany

Ka aleoko niainga avy amin'izay "takatrao" aloha kou ! :-)

Eny ary ...

Mikasika ilay hoe "imagination collectif" na "imagination"-ny tsirairay lazainao ...

Tsy fantatro ny fahamarinan'io famaritana nalainao tao @ aterineto io fa ny ahy dia ny famaritana Malagasy ihany no tiako : "Ny fanahy no maha-olona" ! :-)

Izany hoe io fanahy io no mampiavaka amin'ny biby raha tsorina ! :-)

Olona : vatana, saina, fanahy (3 rihana ouzy le mpanompon'Andriamanitra izay !)
Biby : vatana, saina (2 rihana)

Io rihana fahatelo io no mila "fahanana" na kolokoloina : io no tokony hibaiko ireo rihana 2 ambany (vatana, saina) ! :-)

Matoa tsy tsapa ny asan'ny fanahy dia (mety) mitsimbadika izay ny asan'ny rihana ka ilay fahatelo (fanahy) indray no lasa voabaiko na tototry ny rihany roa ambany (vatana sy saina) !

Io farany io (rihana mitsimbadika) no (matetika) mahatonga ny bolisatra sy solafaka ! :-)

Fomba fijeriko ihany anefa io a ! [size=8](copyright a)[/size] :-)

Miala tsiny be dia be amin'ny namana Tefigasy raha toa ka somary mivoana ny dinika atao ! :-)
7. rhaj0 ( 28/11/2014 11:23)
ok ok... Ka inona azany, ameo ohatra, ny "asan'ny fanahy", ohatra ny "asan'ny fanahy" n-ataon'i Bor2lais ?

Na mba tsy hoe ny fiainana manokan'i Bor2lais indray no rasarasaina eto, dia inona azany, ameo ohatra, ny "asa" nandalo teto @ serasera teto, na ao anatin'ny fifanakalozana ifanaovana eto, ka hoe tena "asan'ny fanahy" ilay izy izany...


Ny ahy ny hany hitako mandalo eto dia
- ny "asan'ny saina" mi-raisonne... ny biby koa mi-"raisonne" ihany
- ny "asan'ny fo" mitsetra... ny biby koa mitsetra ihany koa
- dia mety ampiako ny "instinct", izay toa hotry ny mandeha ho azy, tsy tena nilana ny "saina" sy ny "fo"... ny biby koa manana "instinct" ihany koa


[size=8]Raha ny @ lohahevitr'i Tefigasy... dia efa hoe "Niova lalana" izany ny resaka... k'inona indray... [/size]:-)

8. bor2lais ( 28/11/2014 14:51)
rhaj0:

ameo ohatra, ny "asa" nandalo teto @ serasera teto, na ao anatin'ny fifanakalozana ifanaovana eto, ka hoe tena "asan'ny fanahy" ilay izy izany...

:-)
Io indray ry rhaj0 tsy azo ferana ho toy izao na izao ny asan'ny Fanahy fa manana ny fomba fiasaNY amin'ny tsirairay Izy.

Mitady ohatra ianao nefa ny lazaiko hoe asan'ny Fanahy amiko mety tsy izy aminao ka izay no mahasarotra azy ! :-)

Fa ny afaka ambarako kosa aloha dia tsy tongatonga foana (amiko) izao finiavanao ahafantatra (na ahatakatra) momba ny asan'ny Fanahy izao ! ;-)

[size=8]Fomba fijeriko ihany anefa izay a ![/size] :-)
9. ombelline ( 28/11/2014 15:55)
Manontany tena aho hoe firy taona ary Rhaj0 ? Manao fanahy iniana ve ?

Ianao tia mi -google io dia zahavo ny atao hoe spiritualité e.

Normalement rehefa miha matotra ny olona dia tonga @ atao hoe "quête de spiritualité" , quête du sens de la vie ... ka izay no mahatonga ahy hanontany tena ny @ taonanao

Dia efa hialoavako ny fanontanianao manaraka hoe "ka izay no mahatonga ahy manontany anareo" ... saingy indrisy ny fahitako ny attitude nao tsy manontany mba te hahafantatra : misokatra @ valiny omen'ny kristiana, fa toa manontany mila kisa ka mety ho sarotra aminao ny hahita izay tadiavinao eto .

Asa na manao toy izao koa ianao @ tendances spirituelles hafa

Fantaro aloha ny tenanao, avy eo ho hitanao miandalana eny izay mety aminao, tsy ny christianisme ihany no miresaka ny spiritualité mantsy

Namaste
10. rhaj0 ( 28/11/2014 15:58)
an an... ka misy ve sa tsy misy e ??... Miala tsiny fa hotry ny mi-torturer an'i Bor2lais ... hamoaka ny marina aho :-)

Raha ny fahitako azy, dia

- toa rehefa mandeha ny raisonnement/logique, dia ... toa "tsy misy" ilay izy e...

- ary rahefa TSY mandeha ny raisonnement/logique, dia tonga dia atsipy hoe "panahy" ilay izy...


Fa tsy quoi izany raha izany no "mahasambatra" anareo eee... fa dia mahasoava ao azany eeee...
11. rhaj0 ( 28/11/2014 16:05)
ka dia nandeha ni-google tokoany azany aho ry Ombelline..

Spirituality
Traditionally spirituality has been defined as a process of personal transformation in accordance with religious ideals. Since the 19th century spirituality is often separated from religion, and has become more oriented on subjective experience and psychological growth. It may refer to almost any kind of meaningful activity or blissful (full of joy) experience, but without a single, widely-agreed definition.


Raha izany dia tena "spiritoihalitia" koa zany za... :-)


[size=8]Fa mampome anie fa rahefa manontany aho, satria nareo toa hotry ny tena ao anatiny, ka hoe mahalala, nefa toa tsy mahavaly, da manjary ny tena mba manontany indray no mahazo loza e... [/size]
12. rhaj0 ( 28/11/2014 17:32)
ombelline:
Manontany tena aho hoe firy taona ary Rhaj0 ?

Majeur vita vaksiny (sy batisa) :-)

ombelline:
Normalement rehefa miha matotra ny olona dia tonga @ atao hoe "quête de spiritualité" , quête du sens de la vie ...

Ny 'sens de la vie' mety efa samy manan'ny azy fa tsy articule fotsiny.
Fa Ilay 'spiritualité' dia mila ampitoviana ny famaritana.

- raha hoe 'personal transformation in accordance with religious ideals', dia mazavabe amiko izany ny revy Kristiana : 'asan'ny fanahy' = cf Baiboly.
Fa ho an'izay TSY ao anatin'ny 'religious ideal' dia ... asa ho'a raha mba hi-click aminareo hoe, MISY anie olona TSY ao anatin'ny 'religious ideal' (mba tsy ilazako hoe TSY mahatakatra ilay 'imagination collective'-nareo ao io)

- raha hoe 'subjective experience and psychological growth', dia raisiko ho toa ny 'asan'ny saina' sy ny 'fo' ary 'instinct' izany... na 'mpino' na tsia dia samy manao an'io.

ombelline:
ny fahitako ny attitude nao tsy manontany mba te hahafantatra : misokatra @ valiny omen'ny kristiana, fa toa manontany mila kisa ka mety ho sarotra aminao ny hahita izay tadiavinao eto .

'misokatra' ny te-ahazo ny Kristiana tokoany aho. Fanontaniana sy resaka lavabe sy fampitaha ireny ve tsy milaza finiavana hi-comprendre ny Kristiana ?
Fa kosa, izaho (manokana) aloha, raha mbola ao anaty questionnement, dia ilay 'misokatra' dia TSY midika hoe 'handray' (tsisy adi-hevitra na famabahana) ny revy Kristiana.

ombelline:
Asa na manao toy izao koa ianao @ tendances spirituelles hafa

Nanana namana Jiosy aho ary dia nohatsafaiko toa izao koa izy. Nanana namana athee koa. Ary nanana namana Hindu..

ombelline:
Fantaro aloha ny tenanao..

Izaho indray aloha tsy hihambo hoe 'mahalala ny tenako' fa rahefa mivohy lakana eny dia manao izay mety... mety hiova hevitra... Fa efa nolazaiko teto ihany, fa ny hanomana ny hanome valin-teny ho an-janako no tena mampiresaka ahy eto koa.. Ary raha misy Ankizy mandalo eto, dia antenaiko fa manome hevitra azy izay ifanakalozana eto...

13. bor2lais ( 28/11/2014 18:46)
rhaj0:

an an... ka misy ve sa tsy misy e ??...

Dry ... mbola mila hanaovana sary ihany kosa ve ramose mpampianatra ? ... Fanazavana no nentiko ... ka anjaranao sisa no "manakatra" na tsia fa ny tohatra efa nomeko ! :-)

rhaj0:

Fa tsy quoi izany raha izany no "mahasambatra" anareo eee... fa dia mahasoava ao azany eeee...

Misaotra e dia mba mahasoava koa ny kely azo ... :-)
14. rhaj0 ( 28/11/2014 20:48)
rhaj0:
... ameo ohatra, ny "asa" nandalo teto @ serasera teto..
bor2lais:
Mitady ohatra ianao nefa ny...
rhaj0:
an an... ka misy ve sa tsy misy e ??..
bor2lais:
Dry ... mbola mila hanaovana sary

Ka dia nijery teny ambonimbony indray azany aho e..

bor2lais:
mba nofahanana (lafiny fitaizana ara-panahy) araka ny tokony ho izy ve ilay ondry

Hay va re... z'afady fa votsavotsa ny tegna e...

rehefa 'mamahana' eto kay rizareo, dia izay kay ilay 'asa ara-panahy'...


an an.. dia TSY @ kapoakako izany e...
15. rhaj0 ( 01/12/2014 17:08)
Saika hiverina kely @ ilay "misokatra @ valiny omen'ny kristiana" an'i Ombelline. Ny fahazoako ilay "misokatra" dia...
ouverture d'esprit: Qualifie l'attitude d'une personne faisant preuve d'une grande tolérance, manifestant de l'intérêt, de la curiosité et de la compréhension pour les idées qui différent en partie ou totalement des siennes


SAtria ny "misokatra" kosa amiko dia tsy hoe ... sanatriavin'ny vava ladian'ny lela, ka hoe, miveraka dia sesefan'ny olona eo, dia mandray tanteraka, dia miova revy..

TSY milaza mihintsy itsy famaritana fa (voatery) hitelina ilay hevitra hafa ny olona..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4335