MIAINA AO ANATIN’NY FANJAKAN’I RAY IZAY ANY ANDANITRA

1. Maranatha ( 21/11/2014 05:14)
Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe : Indro ny taberinakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona , ary Izy hitoetra eo aminy , ary ireo ho olony , ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy , dia ho Andriamaniny . Ary hofafany ny ranomaso rehetra eo amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony , na fanaintainana , fa efa lasa ny zavatra taloha . Ary hoy ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana : “Indro , havaoziko ny zavatra rehetra” . Ary hoy koa Izy ; “Soraty , fa mahatoky sy marina ireo teny ireo” . Apokalypsy 21 : 3-5 ARAHO ATO NY TOHINY
novalian'i rekinbelo ny 21/11/2014 16:38
2. moustaraf ( 21/11/2014 06:48)
Salama namana,
Tsy hiditra @ adihevitra aho fa hanao fanitsiana fotsiny ihany!
1. "ary Elohym no eo afovoany", fa tsy Atra:
Raha miova ny anarana oh: Maranathy , dia manondro olon-kafa izy izay
Atra= fatina mpanjaka (razana),
Ka ny fatina mpanjaka ve no ho eo afovoanareo sy hamafa ny ranomasonareo?

2. Ny orizinaly (hebreo) dia tsy misy an'ity "seza fiandrianana" ity velively:
Ny fiandrianana dia avy @ teny ANDRIANA ka ety an-tany no misy Andrina sy mpanompo fa tsy any an-danitra, araka ny fototra Hebreo! Aba Ray, Mpanjaka no El any an-danitra k a eo ambonin'ny "kiseh hagedolah" na seza lehibe no ipetrahany.

mahereza e!
3. rhaj0 ( 21/11/2014 13:56)
ilay "feo mahery" lava ity toa hotry ny mampivadi-po fa dia ... mba ataovy "feo malefaka" indray eee...

Sa io iilay resaka in-1 mandeha hoe,
- A.tra lehilahy io migobogoboka (sy guerrier sy cruel lava io) no tianareo, ary
- A.tra vehivavy ... no hotry ny tianay... henoina...

4. rekinbelo ( 21/11/2014 16:38)
Salama namana
Ny tiako ahitsy de zao oe isika tafiditra ao @ fanjakan'Atra fa tsy oe any andanitra akory.
Vakio tsara le andininteny eo azafady.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.15