Kapoka & tsoran-kazo

41. gasy1zay ( 01/12/2014 18:18)
rhaj0 > entre parenthèse kely ho anao nanatrika atelier, dia ahoana ny tokony ho fihetsikin'ny R+R raha ny zanany vavy 12-13 taona no manao irony fitafy "mini-short" na "mini-jupe" irony ? Afaka mibedy ve za tsy mahazo miteny mintsy nareo?
42. rhaj0 ( 01/12/2014 18:36)
Izaho koa manan-janaka vavy ary manontanin-tena ny @ izany (sy zavatra hafa maro..)

Raha ny @ fitafy io indray aloha dia... ohatra in-1 mandeha aho nanatrika fampisehoan'i Jaojoby. Dia mipelipelika anie i Roseanne (?) sy ilay rahavaviny e... dia mitsipelipelika ny silipo.. Dia nijery an'i Eusebe aho... fa tsy nanisy olana izy. Hendry razokinibe eee....

Ny masonao na ny sainao no maloto fa zavatra tsisy olana io. F'angaha koa moa ny maillot de bain 2 pieces @ piesin'ny r-a-d-nao...

Fa raha ny anay manokana aloha, dia rahefa confortable izy dia izay izany.. lazaiko aminy ny hevitro sy izay fipetraky ny olana (raha ohatra ka olana izany) dia ... izy no manapa-kevitra.
43. gasy1zay ( 01/12/2014 19:08)
rhaj0 > tsy mitovy moa ny opportunité hoan'ny tanora eto Madagascar sy any @ tany mandroso, satria any Canada ohatra mety mahavelona ny SMIG ary mahavita mitokatrano fa saika mba hanontany aho hoe ahoana indray ny hevitrao ary ny tokony ho ataonao araky ny fitaizana eritreretinao fa mety sy manara-dalana raha ohatra ka:
1) tsy mety manohy fianarana ny zanakao nefa izy tonga @ ilay fotoana tsy "obligatoire" intsony ny fianarana,
2) ny ankizy handeha hitokantrano miaraka @ namany rehefa feno 18 taona

Tsy afaka manakana na miteny mintsy ve izany ny R+R fa tonga dia violence morale?
44. rhaj0 ( 01/12/2014 20:01)
RAha ny aty, dia rahefa feno 18 taona ny ankizy dia tsy manana obligation legale aminy intsony ny r-a-d. Raha mbola te-ho garant-ny moa ny r-a-d, ohatra hoe miantoka ny fianarany, na hoe miantoka ny hofan-tranony, dia soava tsara. Ny zaza gasy (sy immigrant) izao dia mihanta tokoany moa. Fa ny zaza kanadiana dia matetika dia lasa ny Ankizy, ary sady mianatra eny @ U no miasa (serveur-e na vendeur-e ets...).

Fa raha ny fahitako manokana dia tena "tsisy an-tery" io.. rahefa izay no safidiny dia izay izany.

fa rahefa napetraka efa ela ilay fifampitokisana, sy koa hoe, izy Ankizy no (efa zatra) manapa-kevitra @ fiainany, fa ny r-a-d dia manampy/manohana fotsiny (how can I help you), dia ... (enga anie) mety izay fanapahan-kevitry ny Ankizy ao.

Io anie ilay voatsinjon'ny mpandinika @ io sergent-major-nareo lava io e... priatinao mankatsy mankaroa izy fony kely, dia manaraka tokoany.. TSY mba manapa-kevitra @ fiainany mihintsy ilay Zaza fa raha tsy izay tenenin'i Bainina dia izay lazain'ny Baiboly.. F'aza lehibe eo angaha izaho, hoz'izy...

Dia io latsain'ny hira io ianao :
Dia Veloma ooooo...
Ry Sergent-Major aaaaa....
45. rhaj0 ( 01/12/2014 21:13)
Tohizako kely... ny zaza gasy aty izao dia ... matetika (izay gasy namako fantatro aloha) dia avelan'ny r-a-d-ny manapa-kevitra ny Ankiziny. Fa dia aleon'ny ankizy mihintsy mijanona ao an-trano, na dia ny namany rehetra azany mipetra-drery dia manao revibe. Satria hitany mazana izany manofa trano sns.. izany, ary dia manapa-kevitra izy ny hijanona.

Fa ity misy lahatsoratra mety ampieritreritra antsika rehetra... Ny fitaizana sinoa.. (miresaka parent-sergent ihany izy io...)
http://online.wsj.com/article/SB10001424052748704111504576059713528698754.html


(Enga anie tsy ataonareo indray hoe HS ny resaka.. zava-dehibe loatra amiko ny fitaizana ny ankizy..)
46. booboo ( 01/12/2014 21:19)
Mba handray anjara kely aho

1) hitako hevitra tsara azoko avy @ namako sud-coréenne zay. Equivalent n'ny classe 1ère izy no nanapa-kevitra hijanona " tsy hianatra " = tsy ho any an-tsekoly. Dia nomen'ny rad choix izy na hanao année sabbatique na manao asa an-tselika ( moa no dikan'ny petit boulot ? ). Nanao année sabbatique izy, dia nitety an'i Europe no nataony, dia t@ izay no nifankahitanay tany UK. Niverina tany aminy izy tapitra ny taona, fa nampiova be azy ny éxpériences rehetra azony t@ tany notsidihany ( les voyages DEforment la jeunesse :-D :-D :-D). Raha ny zanako koa no toy izay, mety tsy hanohy ny fianarana any @ école traditionnelle izy tsy maninona fa amiko betsaka ny fomba ahafahana manohy ny " fianarany "... Dieny hatr@ izy zao mbola kely izao no taizako @ zany. Adi-hevitra be amiko sy ny rad-ko mihitsy io satria @ zareo tsisy afa-tsy ny manao loooooongues études universitaires, tsy maintsy manao école traditionnelle, fonctionnaire = ( CDI ihany, CDI hatrany ) vao hoe tafita. tsia...

2) Rehefa notaizana tanatin'ny fandraisana andraikitra sy fahatokisana ny ankizy, na à 18 ans aza izy mitokan-trano dia efa siora izay fa mahaleo tena @ lafiny be dia be ( mahay mamelon-tena mi-gérer budget / fotoana / sns). Hitovizako hevitra @ mpahay momba ny zaza / ankizy ny @ maha zava-dehibe ny tarazo (rite de passage ) @ étapes n'ny développement. Tsara asiana tarazo hanamarika azy fa dingana hafa sy tena lehibe no hatrehany avy teo @ zany mandeha mitokan-trano izany. Ohatra ny fomba² atao rehefa sakramenta, miomana sy mianatra klou, dia rehefa vita ny fanamasinana satria azo tsara sy ekena ny raha hatao dia fiainana vaovao @ indray. Miomana sy mianatra ny ho indépendant klou dia mandeha @ zay rehefa vonona.

(tapitra)
47. gasy1zay ( 02/12/2014 14:30)
Booboo & rhaj0 > tsy haiko hoe efa ela ve hianareo no nandao ny firenentsika fa tsapako hoe tsy dia mahafantatra ny zavatra hiainan'ny tanora gasy ankehitriny intsony ianareo, mapalaelo tokoa ry zareo fa ny tanora gasy tsy manana diplaoma izany dia tsy tafavoaka mintsy raha tsy hoe tena zanaky ny mpanana manefoefo angamba, betsaka ireo tanora efa nahavita fianarana 23-25 ans tsy mety mahita asa na dia be diplaoma aza, na miasa aza tsy ampy hahavitantena ( manofa trano-sakafo-fitafy-sns...) satria dia ny karama raisina raha Jeune sans expérience dia eo @ 200 000 -300 000 Ar eo matetika ( en moyenne) ary io raha eto Tana dia hofantrano fotsiny no vitany. Ka any ampitan-dranomasina mety afaka hanana indépendance ny ankizy rehefa feno 18 taona satria na manao asa antselika aza dia afaka mitokantrano na dia collocation aza, aty dia tsy afaka hanana indépendance financière mintsy ny tanora na dia efa miasa (birao fa tsy antselika aza), ka io ngamba no hitako hoe tsy hampitovy mintsy ny fomba fitaizana satria tsy mitovy ilay tontolo hiainan'ireo tanora ary ny opportunité tsy mitovy.
48. rhaj0 ( 02/12/2014 15:03)
Ekena.. mbola hitako sy niainako izany. Tsisy safidy afa-tsy ny mijanona ao an-trano raha te-hanohy fianarana. Nahita namana ihany aho tonga dia niasa (tsy) vita bacc.. fa tena mazana ary tsy lasa lavitra.

Na izany azany, raha "an-tery" ny itondranao ny zanakao ao, dia tsy hisy raharaha vanona. Manaiky fotsiny izy fa miandry irika sy mitady revanche foana eo.

Tena mila apetraka dieny fahazazany ilay fifampatokisana, fifanakalozan-dresaka misokatra (communication ouverte), ary fampandraisana andraikitra azy, sy indrindra, fiatahan'ny r-a-d hamela ilay zaza iaina ny fiainany. Ny anjara antsika r-a-d dia "unconditional love".. fitia tsisy tambiny. Tsy adala akory ny Ankizy ka tsy ahatakatra izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1809