Kapoka & tsoran-kazo

21. rhaj0 ( 24/11/2014 17:42)
Hafa anie ho'a ry Gasy1zay ny taloha, ka mihidy ao @ vohitrakely ao ny mpokona, dia izay atao ao (sy ampinoana) ao dia mety daholo e... Izao efa misokatra ny tany ary dia... ny Ankizy angaha afaka sakananao tsy ahalala ny (fivoarana) eran-tany ? (ary tsy aty Kanada fotsiny io fa eran'ny tany tandrefana)

Dia rahefa manao sonia ny droit de l'enfant (universel) koa ny fanjakana ao dia ... fotoana ampiharana azy fotsiny no taratara, fa dia ho avy ny "rian-dranon'ny fivoarana" e... raha "hanoha-riana" ao ve nefa moa ianao ...

Fa io nareo mbola "mino" lava ny fetezan'ny manao "parent-sergent" io aloha dia ahita angano ao ho'a ... rahatrizay antitra e... Kely eo ny Ankizy mety afaka priatinao, fa .. .tsy ho lehibe angaha izy.. Dia rahefa mi-revolte (@ i Sergent) ho'a ny Ankizy dia hotry ny ilay Ankizy indray no diso, na lazaina hoe "fombany" io... Nefa ny olona TSY manao "parent-Sergent" fa ilay "parent-ideal" (how can I help you) dia tsisy manana Ankizy mi-revolte izany.
Fa ao koa ilay "parent-laisse-faire"... resaka hafa indray izany.
22. gasy1zay ( 24/11/2014 17:56)
rhaj0 > io moa ry namana rehefa hoe mbola mety dia ohatrany hoe tsy diso mintsy, fa rehefa any aoriana rehefa tena 20-30 taona ny zanantsika vao hita ny tena vokatry ny fitaizana, any ngamba isika no tokony hifampiresaka hoe nety tokoa ve ny fitaizanao na ny fitaizako ry rhaj0, raha izao mety samy tsy manana olana goavana ilaina fandinihan-tena ka dia hajaiko ny safidinao dia hajainao ny safidiko.
23. rhaj0 ( 24/11/2014 18:12)
Zaho ve moa afaka hanery anao ao, fa mba milaza fotsiny aho hoe, efa mihazakazaka ny fivoarana, ary tsy ho ela dia midona any io...

Ny ahy izao ny Ankizy rahefa nampahalalaiko an'ireo karazana parent ireo, - sergent sy - ideal, ary - laisse-faire sy - helicopter, dia raha vao miadaladala aho dia .. ahitsiny.

Fa raha mandalo eto ny Ankizinao... dia ao ianao sy ny tranonao... (enga anie :-)
24. gasy1zay ( 24/11/2014 19:28)
rhaj0 >
Izaho aloha dia tsy mihambo hoe mpitaiza mahay fa dia ankiniko @ Andriamanitra ny fitaizana ny zanakay sy ny hoaviny manontolo, raha tafita ny zanakay dia tsy hoe noho izahay fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra. Izy koa anie mahay manome fahendrena toy ny nanomezany an'i Solomona e!
25. rhaj0 ( 24/11/2014 20:02)
... Io izany ilay hoe "Izay Mahasoa Ataon'A.tra".... sa tsy izany ?
hi hi hi... kay (mety) mitovy hevitra ihany izany isika raha atao ny kaonty :-)

Ka safidinao io izany ka dia mahasoava e...

Fa amiko manokana aloha, misy fetrany ihany ilay hanaiky anjambany hotr'io, fa raha izaho manokana ho'a, raha misy zavatra mbola azoko controler-na, ny tenabeko tsy hanao sergent ohatra io, dia ataoko ihany kosa k'longany e... Efa fantatro ny (ho) vokan'ny fanaovana sergent ity, fa mampi-revolte.. koa maninona no mbola ho ataoko ?
26. gasy1zay ( 25/11/2014 16:39)

rhaj0:

Tsy haiko aloha raha expérience personnelle nao ilay révolte lazainao io fa raha ny fahitako azy maro ny malagasy notaizana tanatin'ny "discipline" sy fitaizana entitra tsy niborioka izany na efa lehibe aza, ary io tsy voalazan'ny baiboly ihany fa ny fitaizana Ntaolo malagasy dia efa nalaza ny hoe :"zanaka tiana tsy itsitsiana rotsakazo". Izahay izao dia nahatsapa hoe tena nahasoa anay ny fitaizana noraisinay ary dia aty aoriana rehefa hita hoe tafita @ fiainana dia tena mahatsiaro ireo R+R, mpampianatra sy mpanabe izay noeritreretina hoe nasiaka fahiny, fa zao vao tsapa hoe inona ny antony nanaovan'ireo izany. Fitaizana t@ sekoly relijiozy io lazaiko io ohatra.
Mitovy mintsy ny fijerintsika ry rhaj0 satria tamiko sy ny manodidina ahy dia nahasoa anay ilay fitaizana "sergent" dia tianay hampiarina @ zanakay, tsy nety taminao dia mitady zavatra hafa ianao fa izany tsy midika hoe tsy nety taminao dia hoe tsy nety t@ olona rehetra.

27. rhaj0 ( 25/11/2014 17:10)
workshop no natrehiko ary psy no namelabelatra.. dia mba zaraiko eto, sao mahasoa... ny Ankizy.

Fa tsara rahefa takatrao ilay karazany 4.. Ny zava-dehibe dia ny Ankizy..

Fa tsisy 100% ideal koa anie fa indraidray mba "laisse-faire", matetika "helicoptere" dia mahalana manao "sergent" e...

Fa ny "sergent" aloha dia ... raha izay no .. TSY nampalasa adala anao tao dia izay izany :-)
Fa raha aty Kanada sy any Eoropa sy Zamerika, dia mino tanterka aho fa efa "illegal" mihintsy izany izao fa dia...

.. hadinoy "izay voasoratra" e... mihatra tsara @ vala famaritana (domaine de definition), fotoana sy toerana hafa izany...

28. rhaj0 ( 26/11/2014 18:02)
gasy1zay:
...nahasoa anay ilay fitaizana "sergent"...

Mahavariana tokoany. Mety kolotora lalina hatrany anaty tsinaimainty mihintsy angamba ilay "fileferana-malagasy". Hoe malaza ny malagasy fa TSY tia "confrontation". Ary rahefa mitrena ny iray (ny r-a-d ohatra io, na i ramilitera sy ry jiolahimboto), dia miolankolana dia manaraka na koa "TSY-manaiky-fa-tsy-miteny" ao ramalagasy.. ets...

Fa taloha izany ry gasy1zay a... Izao ny Ankizy angaha voanao @ izany intsony ? Efa mahita ny revin'ny olona izy izao, ary dia m-hahatsapa fa tsy alehany ny an'i bainina :-(

Ka dia... tandremo ihany fa mihazakazaka ny fivoarana e... Izany Ankizy mitory ny r-a-d-ny eny @ Fitsarana izany efa mandeha tsara izao aty, fa kely sisa koa dia hidona any... na rahefa antitra ianao ry Gasy1zay vao tena handraingiraingy fa ho voany ao eeee....

Fa dia "hadinoy" ho'a ny ... revin'antitra (antsika)....

29. gasy1zay ( 28/11/2014 17:01)

Izany hoe ny fitaizana mahomby ve aminao hoe zanaka sahy mitory ny ray aman-dreniny? hitabataba rehefa misy zavatra tsy mahafaly? Tsy maninona fa aleoko ihany rabefandeferana na hitabataba amiko aza ny jiolahimboto, izaho hangina fa Jehovah no hiady ho ahy :)
30. rhaj0 ( 28/11/2014 18:06)
MItory ny r-a-d-ny ny Ankizy rahefa mandika ny lalAna velona (izay mitsinjo ny bien-etre ny olona rehetra) ny r-a-d.

Ohatra hoe, rahefa tsy mety hanao transfusion ry TJ, nefa ny zaza efa ambivitra, dia any aoriana, dia normal be raha toriana ilay r-a-d nikasa namono na nampitondra takaitra.

Sa ny ana(re)o rahefa TSY manaraka ny lalAna velona dia mbola kobonina ao ihany ? (sahala @ ireo pretra sasany nanolana ankizy.. izay r-a-d am-'panahy')...

Raha ny zanako no maditra, dia (mety) hitory azy any @ Fitsarana aho, na koa, manao temoin contre azy (f'izany no lalAna). Raha amiko aloha, dia mila mahatoky ny Fitsarana aho, fa io no mitsinjo ny soa ho an'ny rehetra.

Mandray (na ampandraisina) ny responsabilité-ny eo @ société ny olona, na zaza na r-a-d, rahefa TSY manaraka ny lalana velona...

Dia hozy Gasy1zay hoe : 'izaho hangina fa Jehovah no hiady ho ahy' na hoe ho 'azy' ? ohatra ireo zaza naolan'ny r-a-d am-panahy ???
31. booboo ( 28/11/2014 18:14)
Tsy haiko na mety na tsy mety a, fa hatreto klou ny zanako taizako ho sahy hiteny sy handà ny tsy mety, fa tsy hoe " kely " na " zanaka " dia tsy manana zo tsy maintsy miaritra ao. Tsy voatery mitaba² vao afaka maneho ny hevitra anie e ! tsy voatery haneho fihetsika jiolahimboto na lasa jiolahimboto raha manohitra ny rad. Firy² ny ankizy @ Terrible Two no lazaina fa maditra e, misy caractère (@ ilay dikany négatif) nefa ny rad no tsy mahalala hoe ilain'ny ankizy mandalo an'io phase io, ary hitovy² @ zay nitranga t@ Terrible Two no hitranga @ Deuxième Adolescence.
Raha olona hendry @ fihetsika ny rad-ny rehefa maneho hevitra tsy mitovy sns, dia izay fihetsika izay no arahin'ny zanaka. Rehefa tsy mety ny dia tsy mety fa tsy hoe satria rad olon-dehibe nametrahan'i Jesoa andraikitra goavam-be @ fitaizana dia tsy maintsy marina / mety foana foana. Soa fa afaka mitory ny ankizy raha tena tsy rariny sy tsy marina ny ataon'ny rad. Raha zanaka mahatsapa ho tiana dia afaka matoky ny rad-ny fa tsy hibolila mihitsy ny zanany, na raha sendra mibolila aza dia miverina @ tokony ho izy foana avy eo noho ilay Fitiavana. Izaho koa noho ny fahatsapako an'izay dia tsy any @ ilay fitaizana sergent-major no nofidiako fa plutôt éducation non-violente / bienveillante.

32. gasy1zay ( 28/11/2014 19:41)

[quote=rhaj0]
MItory ny r-a-d-ny ny Ankizy rahefa mandika ny lalAna velona (izay mitsinjo ny bien-etre ny olona rehetra) ny r-a-d.

Ito anie no resahintsika fa tsy resaka TJ na pretra nisy nanolana e! Ka ianao ve zany hoy aho hitanao hoe nahomby ny fitaizanao raha mitory anao ny zanakao fa nibedy azy ohatra, ka nibedy moa zany na violence verbale aza dia efa harcelement morale ? Izay ve ilay fitaizana modely hanaovana atelier miaraka @ psy? Sao dia mba manaraka tsy fidiny ilay fitaizana ianao fa matahotra ny higadra na hotorian'ny ankizy?
33. rhaj0 ( 29/11/2014 15:42)
Raha mitory ahy ny zanako, dia miara-mandinika (eny @ Fitsarana) ary dia mifona aho raha nandika ny lalAna velona, ary ho zakaiko ny vokany.

(dia raha ny zanako koa mandika lalAna dia....)

Ny "lalAna velona" dia eo ambonin'ny Fitaizana (sy ny Finoana, entre pa koa)
34. gasy1zay ( 30/11/2014 12:29)
Ny tenako tsy mamporisika olona handika lalana velona mihintsy ka, ny olona notaizana t@ fitaizana sergent nambaranao anie ka olona efa zatra miaina discipline sy manaraka ny soridalana napetraka e!
35. rhaj0 ( 01/12/2014 11:12)
Ka lalAna velona (sy ny zo aman-dalana internasionaly koa ohatra) sa ... lalAna ao @ Baiboly?
36. gasy1zay ( 01/12/2014 15:54)

rhaj0:

Ka lalAna velona (sy ny zo aman-dalana internasionaly koa ohatra) sa ... lalAna ao @ Baiboly?

Eto Madagasikara aloha ny mibedy ankizy (tsy mandratra) aloha tsy mbola voararan'ny lalana raha izay no tianao hiavina, hatreto aloha zany tsy mifanipaka velively ny lalana velona sy ny baiboly.
37. rhaj0 ( 01/12/2014 16:14)
Iiiiieeee... fa rahefa any aoriana, rahefa lasa "heloka" (toy ny aty) ny mikapoka zaza, ohatra, dia ho taitra ilay zanakao, fa kay "nanao heloka" sy "nandika lalAna" ity rainy...
38. gasy1zay ( 01/12/2014 17:03)

rhaj0:

Iiiiieeee... fa rahefa any aoriana, rahefa lasa "heloka" (toy ny aty) ny mikapoka zaza, ohatra, dia ho taitra ilay zanakao, fa kay "nanao heloka" sy "nandika lalAna" ity rainy...

Tsy fantatro hoe taiza ianao no notaizana ary fomba fitaizana ohatrany ahoana no azonao fa raha ny eto Madagasikara aloha dia mbola fitaizana ao @ ireo sekoly relijiozy Saint Michel, Saint Antoine, Maria Manjaka, Esca etc... no mbola hifandrombahan'ny R+R hampianarana ny zanany satria misy discipline "sergent" araky ny voalazanao ary maro hoy aho ny olomanga malagasy no nandalo t@ ireny fitaizana ireny ary tsy nisy nitsara ny R+R na ny mpanabe azy taty aoriana, ary maro amin'izy ireo no miaina any ampita ary mahalala izany fahalalahana @ fitaizana tandrefana izany ary tsy nisy nilaza hoe tena tsy nety kay ny nitaizana ahy.

Ary haveriko hoe tsy ny lalana velona any @ firenena tandrefana akory no tena filamatra raha resaka fitaizana, fa raha lalana mamelo ny olona hidoroka zavamahadomelina ankalalahana, ny pornographie, ny fahafahana miala @ fianarana rehefa tsy mazoto, sns sns no hitanao fa fitaizana mahomby dia tsy mbola eto Gasikara ato ho ato aloha izany.
39. rhaj0 ( 01/12/2014 17:35)
.. rahefa rahatrizay voasoratra mazava tsara ao @ Droit de l'Enfant miarka @ lalAna mampihatra azy io izay ianao vao hitelina izay tsy azonao telomina ao f'ataovy tsara eo ihany...
La portée des droits des enfants va de l’offre d’autonomie à la protection contre la violence physique, psychologique ou émotionnelle (la définition du terme « violence » demeure toutefois sujette à débat)
40. gasy1zay ( 01/12/2014 18:13)

Rehefa hitanao fa mety ny fitaizanao ny zanakao dia tsy maninona fa tohizo fa aleo ny gasy kely eto Madagasikara aloha hitaiza ny zanany araky ny fomba hitany fa mety fa raha hanao ny tsy mety ny zanany izahay ihany no hizaka ny vokany, raha tafita soa aman-tsara izy dia izahay no hahazo voninahitra dia torak'izay koa ny anao fa dia samy mi"assumer" ny safidim-pitaizana nosafidiany, averiko foana fa tsy izao no hitanao hoe nahomby ny fitaizana na tsia fa rehefa feno 20-30 taona mintsy ny ankizy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1125