AVY EO AMIN-NY TOLONA MANKEO AMIN-NY FANDRESENA

1. Maranatha ( 03/11/2014 07:08)
…. Mitalaho ny fiarovan’Andriamanitra ny vahoakany miely patrana , ny sasany any anaty ala , any an-tendrombohitra , ny sasany any an-tranomaizina , raha indreo manodidina azy ny fahavalo mirongo fiadiana , amporisihan’ny anjely ratsy , ka vonona hamita ilay fandringanana farany . Amin’io fotoana io , amin’ny ora farany indrindra , no hisalovanan’Andriamanitry ny Israely hanafaka ny olom-boafidiny . Hoy Jehovah : “ Ary ny hira ataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fanamasinana ny andro firavoravoana ; ary ny hafalian’ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha ho any an-tendrombohitr’i Jehovah , dia any amin’ny vatolampin’ny Israely . Ary Jehovah hanandratra ny feon’ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ny sandriny amin’ny firehetan’ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra , sy ny orana mifafy , ary ny havandra vaventy Isaia 30 : 29-30 . Hery Mifanandrina p 661 ARAHO ATO NY TOHINY
novalian'i rhaj0 ny 04/11/2014 15:11
2. rhaj0 ( 03/11/2014 13:39)
Maranatha:
[color=blue]…. ny sasany any an-tranomaizina ...

Dia inty tokoany ny statistika ny @ Kristiana ao Bekintana ao...
http://en.wikipedia.org/wiki/Religion_in_the_United_States :
The majority of Americans (73%) identify themselves as Christians and about 20% have no religious affiliation

Dia inty tokoany ny statistika ny @ Kristian any an-tranomaizina ao Bekintana ao...
http://www.holysmoke.org/icr-pri.htm
% in prison
Catholic 29267 39.164%
Protestant 26162 35.008%
Jewish 1325 1.773%
Church of Christ 1303 1.744%
Pentecostal 1093 1.463%
Jehovah Witness 665 0.890%
Adventist 621 0.831%
Orthodox 375 0.502%
Mormon 298 0.399%
Scientology 190 0.254%

-- tambatra 82.03%

Buddhist 882 1.180%
Atheist 156 0.209%
3. ombelline ( 04/11/2014 14:49)
rhaj0 >>> tsara ho fantatra hoe talohan'ny nidirana tao an-tranomaizina ireo olona ireo no kristiana sa efa tao vao niova ho Kristiana ?
4. rhaj0 ( 04/11/2014 15:11)
Raha ny fahazoako ny fitsapan-kevitr'olona (sondage) tao, dia nanontaniana izy hoe "inona ny Finoany" ao, dia io hita io, fa efa ho 82.03%-n'ny mpigadra no Kristiana (nefa 73%-ny amerikana no Kristiana).

Fa marina ny anao. Misy tokoany rahefa gadra ao dia niova fo (na finoana).. Fa ny tsikaritro dia matetika vao mainka lasa extremista, na koa lasa moslimo..


Fa ny Atheist, izay eo @ 10%-n'ny amerikana, dia io 0.2% io no any am-pigadrana (fa any @ Oniversitia kosany dia mihoatra ny 70% ny Atheista)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1854