ILAY FEO MAFY SY ILAY FANOHERANA

1. Maranatha ( 06/10/2014 05:24)
… Mbola manana olona ao Babylona anefa Andriamanitra ; ka alohan’ny handatsahany ny fitsarany dia tsy maintsy antsoina hivoaka ireo , mba tsy handraisany anjara amin’ny fahotany ka tsy hahazo azy ireo loza hanjo azy . Izany no mahatonga ny fihetsikatsehana aseho ara-tandindona amin’ilay anjely avy any an-danitra , manazava ny tany amin’ny voninahiny , miantso mafy amin’ny feo mahery , ka manambara ny fahotan’i Babylona . Mifandray amin’io hafatra io ilay feo re manao hoe : “ Mialà aminy , ianareo ry oloko” . Ireo fanambarana ireo , miaraka amin’ny hafatry ny anjely faha telo , no fampitandremana farany hatao amin’ny mponina ety an-tany . Hery Mifanandrina p 630 ARAHO ATO
novalian'i rhaj0 ny 09/10/2014 17:37
2. rhaj0 ( 06/10/2014 10:40)
Hono ho'a kosa alongany e... sao atao fazahoana vola ny anao ao ry Maranatha sa tena... "tena izy"... Betsaka ihany mantsy no hitakitako fa dia tena natao fakam-bola avy @ credule (fa tsy croyant) fotsiny ny kabary be dia be...

Fa raha vola mantsy no tadiavinareo dia ... itoy hozy youtube e...

3. hafahafa ( 06/10/2014 10:47)

rhaj0:

Hono ho'a kosa alongany e... sao atao fazahoana vola ny anao ao ry Maranatha sa tena... "tena izy"... Betsaka ihany mantsy no hitakitako fa dia tena natao fakam-bola avy @ credule (fa tsy croyant) fotsiny ny kabary be dia be...

Fa raha vola mantsy no tadiavinareo dia ... itoy hozy youtube e...

hahaha, efa saina tonga an!
4. Maranatha ( 06/10/2014 10:48)
Iraka solon'i Kristy zahay ka tsy fitadiavam-bola na haka ny fananareo no hitorianay ny hafatra fa tena famonjena ny fanahinareo mba tsy hahavery anareo. Ho famonjena ireo fanahy izay ho faty sy ho fadiranovana no antony nampandrenesan'i Noa ny olona talohan'ny safo-drano toy izany koa no ataonay. Ny fitiavan'i Kristy no manery anay hanatanteraka ny asany na dia maro aza no tsy tia sy tsy mankasitraka.
5. hafahafa ( 06/10/2014 11:02)

Maranatha:

Iraka solon'i Kristy zahay ka tsy fitadiavam-bola na haka ny fananareo no hitorianay ny hafatra fa tena famonjena ny fanahinareo mba tsy hahavery anareo. Ho famonjena ireo fanahy izay ho faty sy ho fadiranovana no antony nampandrenesan'i Noa ny olona talohan'ny safo-drano toy izany koa no ataonay. Ny fitiavan'i Kristy no manery anay hanatanteraka ny asany na dia maro aza no tsy tia sy tsy mankasitraka.

Tsara ofatatra iany kosa alo ko, zahay alo na tsy mandray anjara aminy le resaka eto aza de mba mijery sy manaraka iany.
De misotra sy mampahery anareo rehetra aminy fanaovana ny asany Kristy.
6. rhaj0 ( 06/10/2014 14:07)
Azo anontaniana ve hoe "iza ianareo" ry Maranatha ?
(dia miera manontany aho k'lou, ngo dia hotry ny t@ nanontany an'i RBNIR; izy tsy te-hilaza nefany izaho @ io mi-insiste tsy mahalala fomba)

Dia efa eto ihany, dia miaraka an-dry RBNIR ve "ianareo" sa mifanipaka ?

Dia "ianareo" izany ve TSY mitady ilay ampahafolom-pananana, TSY mangataka "rakitra" ?
7. Maranatha ( 07/10/2014 05:28)

Moa ho tafaradalana va ny roa raha tsy efa nifanaiky ??? Tsy miaraka amin-dry RBNIR izahay fa samy mifanerasera eto fotsiny. Mety misy fototra ara-tsoratra masina mety hitovitovizana fa amin'ny anka-pobeany dia samy manana ny lalany izahay. tsy novakianao va io blog nasainao nosokafako io???

Mikasika ny ampahafolon-karena dia ny soratra masina no nametraka iny mba ho hataon''izay mitady fitahiana fa tsy izahay. Afaka manao izy raha te hahazo fitahiana dia afaka tsy manao ihany koa. Ny lalan'iny fahafolon-karena iny no tsara ho fantatra fa tsy ilay fanaovana azy.
Ny membre izay resy lahatra ny amin'ny famitana ny asan'ny Tompo maika mba hiverenany haingana no tsy maintsy manao. fa ny interesse sy izay mbola tsy vonona tsy voatery hanao izany.
Ny ankamaroan'ireo fiangonana izay mampanao iny (rehefa mba mifanaraka amin'izay tiany ) satria isan'ny lalàna iny dia toa lasa maham-panan-karena ilay mpitondra fivavahana. Fa raha mijery ny tena izy isika dia tsy tokony ho lasa mpanan-karena velively ny mpitondra fivavahana. Hapetraka izay tokony ho sahaza ho azy (mifanaraka @ fivelomana sahaza ho azy toy ny ankamaroan'ny mpivavaka ao aminy) dia rehefa mihoatra indray izany dia manokatra saha hafa vaovao dia mampiditra mpiasan'ny filazantsara vaovao hamitana haingana ny asa. Tsy tokony ho mpanefoefo mihintsy ny mpitondra fivavahana raha tsy hoe fivavahana miaraka @ franç-macon.

Tsy mangataka rakitra hoy hianao?? tsy mangataka amin'iza na amin'iza afatsy amin'ny Tompo izahay satria ny zanany sy ny asan'ny tanany dia adidiny ihany.
8. rhaj0 ( 08/10/2014 17:01)
Izao izany ny fandraisako ny vali-tenin'i Maranatha

- "iza ianareo"
== "tsy novakianao va io blog" == Advantista

- miaraka an-dry RBNIR ve "ianareo" sa mifanipaka ?
== "Tsy miaraka amin-dry RBNIR"

- TSY mitady ilay ampahafolom-pananana?
- "Afaka manao izy raha te hahazo fitahiana dia afaka tsy manao ihany koa"

Ny fahazoako an'io farany io izany dia, ENY, mitady ilay ampahafolom-pananana ny Advantista, fa kosa, raha tohizako izany ny nolazain'i Maranatha, dia "afaka TSY manao izy... raha TSY te-hahazo fitahiana"

Mazava be fa misaotra.
9. Maranatha ( 09/10/2014 05:26)

International Missionnary Society Seven Day Adventiste Reform Mouvement, tsy miaraka @ ilay lazainareo fa Adventiste hita etsy sy eroa io izay anarana fotsiny io fa ny fony kosa lavitra an'A/tra.

Mikasika ny 1/10mpananana fa ampahafolon-karena no filaza azy. Ny fomba fakana io koa betsaka no tsy mahazo azy.

Izay efa fanananao taloha mbola tsy nahafantaranao an'A/tra dia tsy misy mikitika izany. Fa manomboka ny andro izay nahafantaranao ny Tompo ka naharesy lahatra anao hanao io 1/10 io dia ny karamanao na ny fitahiana nihiditra taminao no hakanao ny azy hanohananao ireo izay mivelona @ filazan-tsara hanaovany ny asan'i Tompo. Satria hianao maniry ny hiverenan'ny Tompo haingana. Fa tsy hampanan-karena olona iray na maromaro.

Fitahiana ho anao ny fanaovana azy. Malakia 3:10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Tsitoha , Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.11 Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Tsitoha , Tompon'ny maro. [Heb. mpandany]12 Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Tsitoha , Tompon'ny maro.
10. rhaj0 ( 09/10/2014 17:37)
Raha ny fandraisako (interpretation) an'io dia... t@ fotoan'androny sy tany @ ireo toerana jeogirafika ireo, dia ny mpitondra fivavahana tao no nitantana sy nanao raha ao @ fiaraha-monina tao. Ary dia nanangona impots izy e... 10%, dia nampanoratany tanaty Baiboly.

Na ataoko hoe izao indray azany e. Reny t@ Fanahy Masina fa izay 10% izay no ilainy raha hikarakara ny fiaraha-monina ao izy. Ka dia io napetraka an-tsoratra tanaty Baiboly io.

Fa raha @ izao taona 2000 izao moa ianao maharesy lahatra ny olonao ao, ka hoe, ampazahoy 10%, dia .. anareo ao izany izany ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.291