Atodin'Omby

1. hafahafa ( 01/10/2014 08:04)
Miarahaba daolo o!
Za ry zareo tena efa atraminy mbola kely no naheno an'ty Atodin'Omby ity ka mba liana za ny hafatatra ny tena marina aminy le izy.
Zavatra tena misy ve izy io sa anarana entina ilazana any ireny vato sarobidy ireny a!
2. menalamba ( 01/10/2014 08:33)
Ny antsoina hoe "Atodin'omby" dia karazana volo mifamatopatotra lasa boribory , sahala amin'ireny fatim-bolo miala manaraka ny fihogo ireny. Mivoaka avy any anatin'ny kibon'ny ombivavy ilay izy rehefa avy niteraka ny omby. Mety ho volo niongotra avy amin'ilay zanak'omby tao an-kibo ilay izy , dia niodinkodina tao dia lasa boribory . Tsy hitako aloha izay hitovizany @ atodim-borona na akoho , fa dia volovolon-javatra be mifandringotra fotsiny .
Tany ambany vohitra be aho no nisy olona nanana ilay zavatra nampiseo ahy ilay izy satria mba liana toa anao koa aho dia nanontany . Raha ny finoan-dry zareo any ambanivohitra any , dia toa hoe maha-mpanan-karena hono ny manana azy sy ny mitahiry ity zavatra . Kanefa ilay olona nampiseho ahy ilay izy toa tsy dia izay loatra .
Asa raha ampy anao ny fanazavako izay kely fantatro na tsia , fa apetraho ihany izay manitikitika anao , dia hovaliako @ izay kely fantatro .
3. hery ( 01/10/2014 09:07)
Misaotra fa izay koa aho vao nahalala an'izany
4. hafahafa ( 01/10/2014 09:26)

menalamba:

Ny antsoina hoe "Atodin'omby" dia karazana volo mifamatopatotra lasa boribory , sahala amin'ireny fatim-bolo miala manaraka ny fihogo ireny. Mivoaka avy any anatin'ny kibon'ny ombivavy ilay izy rehefa avy niteraka ny omby. Mety ho volo niongotra avy amin'ilay zanak'omby tao an-kibo ilay izy , dia niodinkodina tao dia lasa boribory . Tsy hitako aloha izay hitovizany @ atodim-borona na akoho , fa dia volovolon-javatra be mifandringotra fotsiny .
Tany ambany vohitra be aho no nisy olona nanana ilay zavatra nampiseo ahy ilay izy satria mba liana toa anao koa aho dia nanontany . Raha ny finoan-dry zareo any ambanivohitra any , dia toa hoe maha-mpanan-karena hono ny manana azy sy ny mitahiry ity zavatra . Kanefa ilay olona nampiseho ahy ilay izy toa tsy dia izay loatra .
Asa raha ampy anao ny fanazavako izay kely fantatro na tsia , fa apetraho ihany izay manitikitika anao , dia hovaliako @ izay kely fantatro .


Misaotra namana aminy fanazavana a,
Ny tsy aritro fotsiny dia ny hoe sarobidy le izy ary misy mividy lafo mihitsy; eny aminy serasera ndry zalahy le pivarotra vato reny de misy mitady anizy io, In no mety ifandraisan'izy io aminy serasera vato sarobidy ireny?
5. Maningana ( 08/10/2014 05:16)
zah koa alou mbol tsy nahita an izany e fa efa nandre tokoa oe raha mahita izany dia maha-panakarena, ary dia raha amidy oun ilay izy dia tena lafo be tokoa ny vidiny, ka sao dia manan karena ilay olona lazainao f mitahiry azy io fa mety hoe olona tsy tia sehoseho na tsy tia deradera, iaraha mahalala ihany n resak securité @zao fotoan andro izao e
menalamba:

Ny antsoina hoe "Atodin'omby" dia karazana volo mifamatopatotra lasa boribory , sahala amin'ireny fatim-bolo miala manaraka ny fihogo ireny. Mivoaka avy any anatin'ny kibon'ny ombivavy ilay izy rehefa avy niteraka ny omby. Mety ho volo niongotra avy amin'ilay zanak'omby tao an-kibo ilay izy , dia niodinkodina tao dia lasa boribory . Tsy hitako aloha izay hitovizany @ atodim-borona na akoho , fa dia volovolon-javatra be mifandringotra fotsiny .
Tany ambany vohitra be aho no nisy olona nanana ilay zavatra nampiseo ahy ilay izy satria mba liana toa anao koa aho dia nanontany . Raha ny finoan-dry zareo any ambanivohitra any , dia toa hoe maha-mpanan-karena hono ny manana azy sy ny mitahiry ity zavatra . Kanefa ilay olona nampiseho ahy ilay izy toa tsy dia izay loatra .
Asa raha ampy anao ny fanazavako izay kely fantatro na tsia , fa apetraho ihany izay manitikitika anao , dia hovaliako @ izay kely fantatro .

6. ombelline ( 08/10/2014 08:55)

hafahafa:



Misaotra namana aminy fanazavana a,
Ny tsy aritro fotsiny dia ny hoe sarobidy le izy ary misy mividy lafo mihitsy; eny aminy serasera ndry zalahy le pivarotra vato reny de misy mitady anizy io, In no mety ifandraisan'izy io aminy serasera vato sarobidy ireny?



Ka mety ilay izy amidy lafo no maha mpanakarena ilay olona izany :-)
Raha ohatry ny volo izy io dia mety maharitra ve sa mety simba ihany koa ?
7. mpisotrtoaka ( 16/10/2014 09:51)
Tena misy tompoko ny atodin'omby ! Zavatra miaina sy velona avoakan'ny ombilahy rehefa mikohaka ts ampoizina izy io ! Misotro ronono sy tantely izy ! Malaza ho misy vato sarobidy ao anatiny ary mitondra vintana tsara avo 100000% heny izy eo am fiainana !
8. hafahafa ( 16/10/2014 10:31)

mpisotrtoaka:

Tena misy tompoko ny atodin'omby ! Zavatra miaina sy velona avoakan'ny ombilahy rehefa mikohaka ts ampoizina izy io ! Misotro ronono sy tantely izy ! Malaza ho misy vato sarobidy ao anatiny ary mitondra vintana tsara avo 100000% heny izy eo am fiainana !

Amantaonany ko zany ny omby ry namana vo mikohaka e! hi!hi!hi!
9. Ranyah ( 07/01/2015 16:30)
Raha mba misy mividy atodin'omby dia mba contacter-vo za azafady, le atodin'omby dia mbola any antsirabe vo latsaka vo haingana. merci 0343 7 9 4 5 42
10. andry 1000 ( 13/04/2015 06:02)
hihihi!! hahaha!! de mihomehy aho ry zareo amin'ity finoanoampoana ity ka!! raha mampanankarena ve de mbola amidy ihany fa tsy tehirizina e! kitapo latsaka aza misy maka koa mainka fa harena efa eo an-tanana. Aiza re no misy scientifique hanazava an'io atodin'omby io e!? Aza manaiky fitahana de mba atoroy ny namana sy havana fa ny fikezahana ihany no mampanankarena e! misaotra tompoko
11. mpisotrtoaka ( 03/09/2020 19:41)

hafahafa:


mpisotrtoaka:

Tena misy tompoko ny atodin'omby ! Zavatra miaina sy velona avoakan'ny ombilahy rehefa mikohaka ts ampoizina izy io ! Misotro ronono sy tantely izy ! Malaza ho misy vato sarobidy ao anatiny ary mitondra vintana tsara avo 100000% heny izy eo am fiainana !

Amantaonany ko zany ny omby ry namana vo mikohaka e! hi!hi!hi!


EKA a, aman-taonany to aizao namaliako anao izao hihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3539