Miarahaba daolo o!
Za ry zareo tena efa atraminy mbola kely no naheno an'ty Atodin'Omby ity ka mba liana za ny hafatatra ny tena marina aminy le izy.
Zavatra tena misy ve izy io sa anarana entina ilazana any ireny vato sarobidy ireny a!
Ny antsoina hoe "Atodin'omby" dia karazana volo mifamatopatotra lasa boribory , sahala amin'ireny fatim-bolo miala manaraka ny fihogo ireny. Mivoaka avy any anatin'ny kibon'ny ombivavy ilay izy rehefa avy niteraka ny omby. Mety ho volo niongotra avy amin'ilay zanak'omby tao an-kibo ilay izy , dia niodinkodina tao dia lasa boribory . Tsy hitako aloha izay hitovizany @ atodim-borona na akoho , fa dia volovolon-javatra be mifandringotra fotsiny .
Tany ambany vohitra be aho no nisy olona nanana ilay zavatra nampiseo ahy ilay izy satria mba liana toa anao koa aho dia nanontany . Raha ny finoan-dry zareo any ambanivohitra any , dia toa hoe maha-mpanan-karena hono ny manana azy sy ny mitahiry ity zavatra . Kanefa ilay olona nampiseho ahy ilay izy toa tsy dia izay loatra .
Asa raha ampy anao ny fanazavako izay kely fantatro na tsia , fa apetraho ihany izay manitikitika anao , dia hovaliako @ izay kely fantatro .
Misaotra namana aminy fanazavana a,
Ny tsy aritro fotsiny dia ny hoe sarobidy le izy ary misy mividy lafo mihitsy; eny aminy serasera ndry zalahy le pivarotra vato reny de misy mitady anizy io, In no mety ifandraisan'izy io aminy serasera vato sarobidy ireny?
zah koa alou mbol tsy nahita an izany e fa efa nandre tokoa oe raha mahita izany dia maha-panakarena, ary dia raha amidy oun ilay izy dia tena lafo be tokoa ny vidiny, ka sao dia manan karena ilay olona lazainao f mitahiry azy io fa mety hoe olona tsy tia sehoseho na tsy tia deradera, iaraha mahalala ihany n resak securité @zao fotoan andro izao e
hihihi!! hahaha!! de mihomehy aho ry zareo amin'ity finoanoampoana ity ka!! raha mampanankarena ve de mbola amidy ihany fa tsy tehirizina e! kitapo latsaka aza misy maka koa mainka fa harena efa eo an-tanana. Aiza re no misy scientifique hanazava an'io atodin'omby io e!? Aza manaiky fitahana de mba atoroy ny namana sy havana fa ny fikezahana ihany no mampanankarena e! misaotra tompoko