VITSY NY TENA MPIVAVAKA

41. rhaj0 ( 02/10/2014 17:12)
gasy1zay:
... rehefa tampidalakaleha matetika vao ...

@ ilay hoe "don't sweat the small stuff", rahefa "tapi-dala-kaleha", dia (mila mianatra) manaiky fa "tapi-dala-kaleha", dia ... miova "lala-kaleha". hi hi ... Resaka ka atao...

Fa rahefa mitaratra ny lazain'ny siantifika aho dia miaiky ny .. "fahendreny" : ny tsy-fahalalana, na ny tsy fahaizana manazava ny zava-misy, na ny ankehitrio na ny lasa, na ny ho avy, dia... izay indrindra no "mampifoha marina iasana" (fa tsy atao mampatahotra, na koa iantsampazana amina tsy-fantatra)
42. gasy1zay ( 02/10/2014 17:27)

rhaj0:

" iantsampazana amina tsy-fantatra"


Eny hoy aho fa saingy fantatro izay inoako ka, ary rehefa miaraka aminy aho dia tsy matahotra na hamaky lohasan'ny fahafatesana aza
43. rhaj0 ( 02/10/2014 18:33)
Ny tiako lazaina @ ilay "miantsampy @ tsy-fantatra" dia ilay hoe, rahefa "marefo" ny olona, dia tonga dia mora mino izay lazain'i Rabelazaina. "Tsy fantany" akory ny fototry ny resaka fa tonga dia "inoany", na iantsampazany, satria ilay olona ito dia (mahay) milaza ny tiany inoany.

Raha fantatrao ny ataonao, ary tsy matahotra ianao @ fiainana, dia tena tsarabe anie izany e.. Izany ny ahy no mba (isan'ny) tanjoko.. Fa ilay "fantatro ny ataoko" aloha mety samy hafa kely.. ohatra hoe, mety hoe "fantatro fa tsy mahafantatra aho"...
44. RBNIR ( 03/10/2014 02:48)
Faly misera namana,

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24)

Ny tena mpivavaka :
1- Tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy
2- Tsy maintsy mivavaka amin'ny fahamarinana

1- mivavaka amin'ny fanahy?

« Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lio.9:60)

Tsy hoe akory hoe maty no andeha hifandevina ny tian'i Jesosy ambara, fa nahita IZY fa nisy olona "maty fanahy"

Ahoana izany? Ahoana indray ny atao mba hahavelona ilay fanahy efa maty?

« aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony] » (Jao.3:7)

« Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. » (Jao.3:6)

Mila hateraka indray ny olona (ilay nofo teo aloha -----> fanahy) izay vao ho afaka mivavaka amin'ny fanahy.

2- mivavaka amin'ny fahamarinana?

Amin'ny fahamarinana no hanompoana an'Andriamanitra. Inona no marina? « Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

Izay nambaran'i Jesosy no marina = fampianarna tsy misy kilema noraisiny mivantana avy tamin'Andriamanitra ary nampitainy mivantana kosa tamin'ireo apostoly fahiny.

Mivavaka amin'ny fahamariana araka izany = mandeha araka ilay fampianarana tsy misy kilema

Tena mpivavaka araka izany dia olona efa nateraka indray (fanahy fa tsy nofo intsony) ka mahay mivavaka amin'ny fanahy + mandeha araka ny fahamarina dia tsy inona fa ilay fampianarana tsy misy kilema izay nampianarin'i Jesosy 2000 taona lasa izay .

Araho ny fandaharana Vitao ny Asan'ny Fahamarinana mandeha ao amin'ny KOLO TV isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany (alatsinainy ka hatramin'ny zoma) hampianatra anao ny zava-miafin'NY FIAINANA MANDRAKIZAY. Antsika any amin'ny faritany dia efa afaka manaraka izany fandaharana izany amin'ny canal Sat koa ianao.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4478