VITSY NY TENA MPIVAVAKA

21. RBNIR ( 29/09/2014 14:00)
nilex:

Izaho rehefa miresaka fivavahana amin'olona dia izao,matetika ny olona na dia mpivavaka aza no tsy mahazaka resaka mahintsy.Nefa amiko rehefa mivaka izany dia izay voalazan'ny tenin'Atra ihany no marina fa tsy misy "kanefa" na "mais" hoy ny vazaha fa ny marina dia iray ihany.Rehefa eny dia eny na tsia dia tsia hoy ny Tompo.Ka matetika ny olona no tsy mahazaka rehefa mbola tsy tafiditra loatra fa lazainy fa mpitsara ny olona iray raha miteny.Fifandresendahatra sy fifanampiana no atao eto fa tsy hoe manenjika be fahatany.
Ohatra misy olona iray ao ampiangonana tena mpanao afera maloto ary fantatry ny mpiangona rehetra izany.Ka raha misy olona iray sahy mijoro miteny ve dia lazaina fa mitsaratsara foana.Izay no maha mpiara-mivavaka,tsy mijery arina an-tava.Satria iaraha-mahalala fa tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra kosa izany e.

Tena marina dia marina ny voalazanao , misy koa tsy mahay mandray : ny TOMPO tsy mba MANERY NY OLONA IZANY fa izao fotsiny no ambarany "IZAY AFAFIN NY OLONA NO HOJINJAINY.
MANOME SAFIDY MALALAKA TSARA IZY NEFA DIA MILA VONONA ISIKA HITATY IZAY HO VOKANY RAHA TOA KA ANY AMIN NY TSY IZY NO MANDEHA (OHATRA FOTSINY I ADAMA SY EVA E)
OLONA NIFAMPIRESAKA TAMIN ANDRIAMANITRA ANGE IZY IREO NEFA TSY TONGA ANDRIAMANITRA AVY DIA NIDINA NA NANAKANA FA NITENY FOTSINY IZY DIA ANJARANAO NY SISA E!

MANANATRA NO ATAONY REHEFA SAROTRA ANARINA DIA AKORY ATAO?.....

ANDRIAMANITRA DIA LEHIBE! NOHO IZANY TOKONY HAJAINA! MANANA NY SITRAPONY IZY KA TOKONY TANTERAHANA.

TSY MANERY ANEFA IZY! SAINGY MANANATRA HOE IZAY AFAFIN-TSIKA KOSA NO HOJINJAINTSIKA.

MIFIDY OLONA ATAONY VAVOLOMBELONA IZY! IRENY NO POROFO FA AZO TANTERAHANA TSARA NY SITRAPON ANDRIAMANITRA!

ASAKASAK IZAY TSY HANDROSO?......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA.....IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA.....

SAMIA HO TAHIN NY TOMPO NAMANA...
22. bor2lais ( 30/09/2014 07:48)
[size=8]Tsy voatery tezitra na mikiakiaka (mampiasa maziskila) ange rehefa maneho hevitra amin'itony sehatra itony e ! :-)[/size]
:-)
23. RBNIR ( 30/09/2014 10:48)

bor2lais:

[size=8]Tsy voatery tezitra na mikiakiaka (mampiasa maziskila) ange rehefa maneho hevitra amin'itony sehatra itony e ! :-)[/size]
:-)

[size=8]Tsy tezitra fa mikiakiaka kosa ; "tsy tadidinao angah IZY nitory tamin'ny olona anarivony (tsy nisy micro tsy nisy fanamafisampeo, rehefa entanin'ny FITIAVANA dia mikiaka mafy e, « [Filazana ny loza hanjo, sy fiantsoana ny olona hibebaka] Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany, » (Joe.2:1)
Efa fomban'Andriamanitra hatrain'izay io rehefa mampibebaka ny olony IZY[/size]

Samia ho tahin'ny Tompo namana malala
24. vahiny2004 ( 30/09/2014 11:48)

bor2lais:

[size=8]Tsy voatery tezitra na mikiakiaka (mampiasa maziskila) ange rehefa maneho hevitra amin'itony sehatra itony e ! :-)[/size]
:-)

RBNIR:

Mba mila manaja ny hafa ihany na resy lahatra aza ianao fa tokony hitory e . Lalàna fototra @ fifanajàna eto @ forum anie ny tsy manoratra majuscule e
25. bor2lais ( 30/09/2014 12:17)
Hitako fa mifono zava-dalina (mba tsy ilazako hoe fahamarinana) tokoa ity voalazan'ny namana "deafed" ity a :
deafed:

"Ce qui se perd sur le fond se rattrape sur la forme"
Sao dia ilay fototra mihitsy no tsy ao? dia mila mandresy lahatra be sy mandrirotra fahamarinana ho an'ny tena.

:-)
26. RBNIR ( 30/09/2014 13:00)
vahiny2004:

bor2lais:

[size=8]Tsy voatery tezitra na mikiakiaka (mampiasa maziskila) ange rehefa maneho hevitra amin'itony sehatra itony e ! :-)[/size]
:-)

RBNIR:

[size=8]Tsy tezitra fa mikiakiaka kosa ; "tsy tadidinao angah IZY nitory tamin'ny olona anarivony (tsy nisy micro tsy nisy fanamafisampeo, rehefa entanin'ny FITIAVANA dia mikiaka mafy e, « [Filazana ny loza hanjo, sy fiantsoana ny olona hibebaka] Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany, » (Joe.2:1)
Efa fomban'Andriamanitra hatrain'izay io rehefa mampibebaka ny olony IZY[/size]

Samia ho tahin'ny Tompo namana malala

Mba mila manaja ny hafa ihany na resy lahatra aza ianao fa tokony hitory e . Lalàna fototra @ fifanajàna eto @ forum anie ny tsy manoratra majuscule e

Vakio tsara fa tsy misy na dia kely aza endrika tsy fanajàna ny fitenenana namana, HEVITRA TIANA HISONGANDINA NO MISY,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
27. gasy1zay ( 30/09/2014 13:24)
Diso angamba ilay sujet nosoratanao fa tena mivavaka ireo gasy ireo saingy tsy mahafoy ny fahotany sy ny fahalemeny fotsiny, maro tokoa ireo kristianina maniry ny handova ny lanitra nefa te hiaina toy ny olon'izao tontolo izao koa : mijangajanga, misotro toaka, manao kolikoly, etc...
Raha ny sujet tokony hosoratana zany dia tokony hoe :" maro ny mivavaka fa vitsy no tena tsy manota intsony na tena mibebala marina"
28. rhaj0 ( 30/09/2014 13:28)
SitrapoNY daholo izany...
Ao anaty planiNY...
29. nilex ( 01/10/2014 05:29)
Amin'i Gasy1 izany dia ny miditra ampiangonana no atao hoe mivavaka.Raha izay aloha dia tena betsaka tokoa e.Eto no tena mampalahelo fa tsy voazavan'ny tompon'andraikitra ara-pivavaha tsara ny tena sitrapon'Andriamanitra na ny olona koa no minia mikipy.Betsaka ny tenin'Andriamanitra manamafy izany fa omeko santionany fotsiny ianao.

21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.

MATIO 7 21 - 21

Tsy ny seho ivelany izany no tena jeren'ny Tompo fa ny ao anaty.
Ny tena marina nge tsy misy mahalala izay ao ampon'ny olona afatsy ny Tompo fa misy kosa tena hita mivantana loatra amin'ny maha olombelona .
Tsy maintsy atao foana ny fanentanana satrai adidy napetrak'Andriamanitra amin'ny tsirairay avy izany.
30. vahiny2004 ( 01/10/2014 08:21)

Tsy mety azoko hatreto hoe maninona ianao no mivazizotra mitsara ny olona ? Nahoana ianao no milaza fa ny anao sy ny vitsivitsy lazainao ihany no marina.

Sombitsombiny @ fiainan'ireo olona ireo no fantatrao fa tsy ny fiainany manontolo, tsy afaka ny hitsara azy ianao , ianao no milaza fa ny tsy ny seho ety ivelany no jeren'ny Tompo fa ny ao anaty , dia aleo ny Tompo no mijery izay ao anatiny izany .
31. gasy1zay ( 01/10/2014 13:25)
Raha ny fahitako azy rehefa tena poritra ny olona dia tena mivavaka tokoa fa refa novalian'Andriamanitra ny vavaka nataony ary rehefa manomboka milamina ny fiainana dia ohatrany mbola miverina @ fanao taloha. Ny olana goavana dia isika kristianina matetika mora tohana raha vao anarina fa maika ny hanamaritena foana, ohatra raisiko fotsiny raha miteny @ vehivavy kristianina ianao hoe "hoy ny baiboly hoe ianareo vehivavy maneke ny vadinareo" dia efa miala any argument maro ka izy tsy manome vola, mampirafy, etc...
Ny lehilahy raha resahina hoe aza misotro toaka na mifoka sigara dia efa tonga ny hoe aiza ao @ baiboly no milaza an'zany? nga t@ andron'i Jesoa nisy sigara zany ? dia ohatr'izay foana matetika no mitranga, mora @ kristianina ny miaky fa tsy azo atao ny mamono olona fa raha vao ilay fahazarandratsy mikasika azy dia mitady fanamarinantena foana.
Ny fibebahana marina anefa dia tokony fiovana tanteraka ary fialana @ izay rehetra tsy sitrak'Andriamanitra
32. rhaj0 ( 01/10/2014 15:27)
gasy1zay:
... rehefa tena poritra ny olona dia tena mivavaka...

Izany hoe rahefa marefo (fragile) izany ny olona dia mivavaka... Izay izany?

Fa rahefa TSY marefo izy, fa mahajoro mampiasa ny maha-vory saina sy vory nofo azy, ka "milamina ny fiainana", dia manao ny "fanaony" izy ...

Ny fanafodiny izany dia ...
- "aza mba marefo ihany...", sa
- "reseo lahatra ny tenanao fa marefo foana ianao"...
33. gasy1zay ( 01/10/2014 16:09)
Tsy ny mahatsiaro tena ho malemy ihany no mivavaka fa ohatra ilazaiko iny hoe tena sincère ireo olona nivavaka satria nila famonjena izy t@ fotoana iray teo @ fiainany, fa misy koa olona mivavaka misaotra an'Andriamanitra, misy mivavaka satria mino sy mahatsapa fa tsinotsinona izy ary ny fahasoavan'Andriamanitra no mahatoy izao azy.
34. rhaj0 ( 01/10/2014 17:57)
[size=9]Fa rehefa malemy marefo mahantra izy dia "tena" mivavaka, "tena" sincere izany, hozy i Gasy1zay....

Dia nefa "vitsy" ihany zareo "tena mpivavaka" ireo, hozy i Nilex, fanefa indray nefa dia tena betsaka no mahantra/malemy/marefo..

Ka tsy "tena" miavavaka izany ireo olo-maro ireo matoa tsisy valiny ilay vavakany, ary dia mijanona mijaly mahantra/malemy/marefo ao ny olona..

Toa lasa kiboribory vetaveta ilay izy izany raha izany :
mahantra/malemy/marefo => mivavaka => tsy mivaly ny vavaka => mahantra/malemy/marefo => ...

Fa misy koa nefa ny toatoa izao :
matanjaka/vory saina/vory nofo => tsy mivavaka => manao ny fanaony => manan-karena => matanjaka/vory saina/vory nofo => ...[/size]
35. gasy1zay ( 01/10/2014 18:41)

rhaj0:

Tsy haiko na izaho no tsy mahay manazava na i Mr rhaj0 no efa misy hevitra tiany hiaviana loll, tsy maninona fa averiko ilay izy raha tsy azonao, misy ireo tena mivavaka satria mila famonjena na manana olana eo @ fiainana ireo zay lazainao fa marefo na fragile izany eto, fa ny mampalahelo anefa rehefa nahazo valimbavaka izy ireny mety manadino an'Andriamanitra ka izay ilay antony mahatonga ilay sujet hoe Vitsy ny tena mpivavaka, izay nahitsiko hoe tena nivavaka izy fa mety tsy tena nibebaka, satria raha tena nibebaka izy dia tena nialany ny zavatra hitany fa tsy sitrak'Andriamanitra taloha ohatra hoe tsy nakany ampiangonana intsony na mety niverina nanao ny fanao talohan'ilay niovana fo na nivavahana marina(sincère).

Mikasika ny hoe rehefa manana sy matanjaka ve zany dia tsy mivavaka, tsia ny valiny, Efa nolazaiko hoe misy olona tena manana ny mahaizy azy eo @ fiaramonina, matanjaka, etc... mivavaka satria tsapany hoe matoa izy manana ny ampy eo @ fiainana dia fanambinan'Andriamanitra. Ary ny tena marina ireny nahatsapa ny fahasoavan'Andriamanitra eo @ fiainany ireny matetika no tena mijoro ho kristianina hatr@ farany.

Matoa ireo kristianina tsy nahazo valimbavaka dia mety mbola misy efitra manakana ny fahasoavan'Andriamanitra hirotsaka eo @ fiainany izy dia ny fahotany izany, tokony ialana zany ny fahotana raha te hahazo valimbavaka ianao, na koa anefa mety tsy mahasoa azy ny zavatra nangatahiny fa mety hanasaraka azy @ Andriamanitra ohatra : mangataka asa ho lasa mpiasampanjakana ianao nefa raha azonao ilay asa mety lasa manao kolikoly ianao dia tsy mahasoa anao izany iny dia tsy omen'ny Tompo anao, na mety misy mahasoa anao lavitra noho iny, ohatra hoe ianao mivavaka ho lasa receptionniste, raha voaray teo ianao dia tsy nitady asa tsony fa tsy voaray ianao dia nipostule foana kanjo voaray ho assistante de Direction, raha mason'olombelona mijery dia hoe tsy nivaly ny vavaka fa tsy voaray receptioniste fa Andriamanitra mahalala ny mahasoa anao miteny hoe tsy iny no mahasoa anao fa ilay poste Assistante de Direction.
tadidio ry namako fa Andriamanitra, Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina , dia mahay ny zavadrehetra, izy mahalala ny lalana mahasoa antsika fa ankino aminy ny fiainantsika dia ho hitantsika ny voninahiny.

rhaj0 > fa ianao ve aloha kristianina curieux sa ireo misalasala na tsy mino mihintsy ny herin'Andriamanitra ?

36. rhaj0 ( 01/10/2014 20:34)
[size=8]Ao, ary tao, ary mbola ho ao anaty "questionnement" (foana) kah... mbola "vory saina" tsinona kou... Hors-sujet, fa ny ahy izao dia hotry ny hoe, rahatrizay antitra (efa tsy "vory saina" be intsony @io) dia mety mba hanandrana daina kely @ izay... why not... izao aloha dia ampiasaina @ heriny rehetra ilay saina, ary tsy lemena @ daina na opium e...[/size]
37. vahiny2004 ( 02/10/2014 12:03)
gasy1zay:

Raha ny fahitako azy rehefa tena poritra ny olona dia tena mivavaka tokoa fa refa novalian'Andriamanitra ny vavaka nataony ary rehefa manomboka milamina ny fiainana dia ohatrany mbola miverina @ fanao taloha.

Inona ny olana raha ny Tompo aza tsy sarotiny ? Affaire personnelle be ny resaka vavaka, tsy hainao mihintsy izay relation n'ilay olona @ Tompo

38. gasy1zay ( 02/10/2014 13:25)
rhaj0 > sao dia mba tara loatra e!isika anie na matanjaka toy ny inona aza, na manankarena toy ny inona aza tsy misy mahalala ny ampitso e, tsy misy mahalala ny fotoana ialantsika ety.
Sao dia mba ity post @ forum ity no toriteny farany ho henonao, sanatriavina anie izany fa mino aho fa raha olona mafana fo ohatranao io no tafahoana @ ny Tompo mety hahavita asa lehibe @ fitoriana.

Vahiny2004 > tsy anjarako ny mitsara fa mananatra fotsiny hoe sao dia mba rehefa ianao tafasaraka @ ny Tompo iny no tonga ny fotoana ialanao ety? ho azonao antoka ve ny satroboninahitrao ? tsy ho voatery extreme be ohatrizay anefa fa hoe matoa ianao mahatsiaro reraka na feno olana eo @ fiainanao na mahatsiaro ianao fa tsy mba mirotsaka aminao mintsy ny fahasoavan'ny Tompo dia tokony handinitena hoe sao dia mbola misy fahotana tsy afaka? misy fahazarandratsy tsy mety nialana. Fa marina ny anao hoe Andriamanitra tsy mba manda izay manantona azy sy mibebaka @ fahotany.
39. rhaj0 ( 02/10/2014 13:51)
gasy1zay:
... sao dia mba tara loatra e!..

Misaotra manaitra, f'izany hoe izaho tsy "te-ho tai(tai)tra"...
Izaho izao tato ho ato mamaky ilay hoe "don't sweat the small stuff" (jereo ohatra eto). Ary ny resaka isan'ny mba azoko avy ao, dia hoe, aza mikarapaka amin-javatra fa tsisy tena antony ikarapahana daholo izany e...

Ny tanjona(ko) dia ny iainana favy ity fiainana ity :
- tsy manao depression = mamisavisa (lava na negativement) ny lasa
- tsy manao anxieux = mamisavisa (lava na negativement) ny ho avy
- fa revena(ko) manja, manao izay mety sy tsara araka izay azo(ko) atao, raha ny ankehitrio

Mihantona eo @ "questionnement"-ko aho izao, ary dia
- tsy mamato-tena, tsy manidi-saina @ lasa, sy
- tsy matahotra ny ho avy.

Izany aloha izao no heveriko mampetimety ny baoliko ato ... asa ny ana(re)o...
Ary ho an'ny eto @ lohahevitra Finoana/Fivavahana, dia ampiako @ ilay hoe... dia "Izay AtaoNY dia AtaoNY" e... (satria zavatra tsy controler-ko dia tsy ataoko ampikarapaka ahy)
40. gasy1zay ( 02/10/2014 15:07)
rhaj0 > azoko ny tianao ambara, tsy hitanao ny antony hivavahanao satria anatin'ny herinao ianao, tsy manahy ny hoavy sns, mampatsiahy ahy toroteny iray tokoa, hoy ilay pasitera hoe isika olombelona rehefa manana olana dia ny ataontsika voalohany dia mitsabo tena na mitady vahaolana samy irery, rehefa tsy sitrana na tsy voavaha ny olana dia makany @ Dokotera ary rehefa tsy tafavoaka dia manontany olompatantatra ary rehefa tampidalakaleha matetika vao mitady an'Andriamanitra. Mbola tsy tonga t@ izay ora nilaina an'Andriamanitra teo @ fiainana izay ngamba ianao fa voavahanao samy irery foana ny olana teo @ fiainanao, fa marina tokoa fa sarotra ny mino ny herin'Andriamanitra raha tsy efa nanao fahagagana teo @ fiainanao izy, Andriamanitra namela ny olombelona hanantsafidy hatrany @ saha Edena, ka hatr@ izao andro iainantsika izao, misy ny mihaino ny teniny misy ny tsy manaiky, misy ny mino misy ny tsy mino, misy ny manaiky an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy misy ny mihevitra azy ho toy ny mpaminany rehetra na toy ny olontsotra mintsy aza fa tadidio fotsiny rehefa sendra ny sarotra ianao dia mbola maindry anao hiverindalana izy ary ny teniko dia hoe : andramo ka izahao fa tsara Jehovah.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1432