Fanafody homéopathique sy ny finoana

1. Charoumeni ( 16/09/2014 10:36)
Miarahaba ny namana rehetra eto amin'ny serasera.org

Misy pretra indiana iray izay milaza fa tsy azo ampiasaina ny fanafody homéopathique fa misy demony hono. Ahoana ny hevitsika amin'izany?
novalian'i rhaj0 ny 29/09/2014 18:10
2. rhaj0 ( 16/09/2014 13:09)
Raha ny hevitro, dia hadihadio ny lafiny siantifikan'ny homeopathie.
Ohatra eto: http://fr.wikipedia.org/wiki/Hom%C3%A9opathie

Fa ilay izy mantsy, raha ny fahitako azy:
- rahefa TSY takatry ny saina, na sarotra loatrany, ny resaka iray,
- rahefa marefo (fragile) ianao satria misy filAna/tsy ampy (besoin/manque)
dia mora lasa mivarina @ "finoana" = manaiky tsy mila porofo.

Ary dia eo no tonga ny manipulateur sy mpanararaotra isan-karazany, ary dia roboka sy rava ao ianao...
3. booboo ( 16/09/2014 13:20)
ouh là ! tokony hihinana kely Arsenicum Album 15 CH izany pretra izany fa miteny² foana an !
4. sitlo ( 16/09/2014 14:21)
Dia raisina amin'ny maha-pretra azy ve izy sa raisina amin'ny hoe heviny manokana izany? Ny pretra mantsy rehefa manaonao foana dia lasa olo-tsotra fa tsy ilay mitazona na mamela heloka intsony.
Tsy haiko hoe didy fahafiry izany fa izay hono ny fandehany.
5. rhaj0 ( 16/09/2014 14:35)
Ilay "manipulateur" sy mpanararaotra tsy voatery hoe vola foana na resaka materialy.

Mety hoe :

- ego fotsiny, na hoe feel-good fotsiny, izany hoe lasa VIP izy izany fa mino na mihaino sy manaraka izay lazainy ianao.

- hanamafisany ny finoany azy manokana ao fotsiny koa. Izy no roboka (sy voafandrika tao) dia ianao koa no ampidiriny sy asesiny ao.


Fa @ ankapobeny fotsiny @ fiainana, raha mba ny hevitro no anontanianao, dia raha vao "manaiky-tsisy-porofo" ny resaka, dia mailo mila mailo... Dia makA recul, ary dia vahabahao ara-siantifika ny resaka.
6. Noue ( 16/09/2014 14:49)

Charoumeni:


Misy pretra indiana iray izay milaza fa tsy azo ampiasaina ny fanafody homéopathique fa misy demony hono. Ahoana ny hevitsika amin'izany?


sao dia izy no demony ???

sa milaza izy fa ny fanantonana azy @ maha pretra azy dia hivavahana sy hiresahana ny haretina dia ho sitrana ho azy ????
7. rabaradaka ( 28/09/2014 08:51)
rehefa zavaboarin'Andriamanitra dia azo ampiasaina amin'ny fitsaboana avokoa
8. rhaj0 ( 29/09/2014 18:10)
F'angaha moa tsy nohariaNY daholo ny eto @ ity tany ity... na noharian'ny nohariaNY..


Fa marina fa mampisalasala ary mila fandanjalanjana hatrany rahefa mampiasa zavatra iray ho fanafody :

- raha zava-maniry no ampiasaina, dia hozy ny sasany hoe, trandremo ihany fa misy composant sasany ao anie ka manome effets secondaires mety giravy noho ny fahasitranana "inoanao". Raha tsy diso ny fitadidiko, enga anie ka diso, dia ny "tambavy" ohatra hono dia tsara ka tsara, fanefa kosany, toa tsy dia tsara ho an'ny rein.. Ganga ianao aoriana rahefa voan'ny renal failure..

- raha fanafody simika indray dia ... ekena fa mety madio (tokana) ilay composant, ary dia efa nanaovana fanandramana ary voaporofo ny asan'io composant io. Fanefa indray, raha ny fahitako azy aloha, dia tena hotry ny milalao aina mihintsy ireo biochimiste indraidray. Raha marary ohatra ny lamosinao, satria poritra ilay nerf-be fa potika ny vertebres, dia mety hoe, ilay "fanafody" kay tsy ahasitrana ny vertebre/nerf-nao, fa kosa, hamono ny fahatsapanao marary.

Fa @ ireo moa, dia tsy lazaina intsony koa ny olona (na kompania) te-hivarotra raha anao... Ka vola io koa. Ianao desespa...


Raha izaho manokana aloha dia TSY te-hirotsaka @ izany, na zava-maniry na fanafody simika, raha mbola azo atao ihany. Ary tsikaritro fa manao toatoa izany koa ny dokotera aty. Marary ianao, dia hoz'izy: normal izany. Dia alefany ianao tsy ameny fanafody. Ka zareo aty koa toa mahatahotra ny voahenjika eny @ Fitsarna raha manomeme tsy izy eo, dia hotry ny hoe, avelany ny vatanao hiady @ izay maharary anao ao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2057