AKANY FAMPIANTRANOANA NY VEHIVAVY TE HISINTAKA

1. vonynive ( 12/09/2014 13:36)
Vokatry ny fikaonan-doha nataon'ireo mpikambana ato amin'ny tambazotra TIHAVA izay nanadihady ny tombontsoa sy ny sakana sedrain'ny vehivavy iharan'ny herisetra te-hisitraka ny "Zo hisintaka " , ny akany TSARAMONINA izay sehatra iray ao anatin'ny asa sahanin'ny APVC (Action et Prévention contre la Violence conjuguale) tetikasan'i ENDA OI Madagasikara vatsian'ny Vondrona Eropeana sy ny Provictimes ara-bola : toerana iray natao hampiantranoana ireo vehivavy iharan'ny herisetra ao an-tokantrano rehefa "hisintaka" izy.

Ny tanjon'ny AKANY dia ny hamonjy ireo vehivavy tandindomin-doza noho ny herisetra mandritra ny fotoana, ary manolotra azy ireo toerana milamina manamora ny fandraisany fanapahan-kevitra tsy misy teritery

ny lalàna malagasy dia manome alalanany vehivavy hisintaka ny tokantranony mandritra ny 2 volana raha toa ka misy " antony lehibe " tsy hahafahany miara-miaina amin'ny vadiny ka any amin'ny fianakaviana na olona mahatoky na akany no toerana andehanany amin'izany

novalian'i vonynive ny 16/09/2014 05:28
2. mirananirina ( 13/09/2014 16:51)
Tsara be kosa izany, mba omeo source na izay ahafahana mahita io TIHAVA io, fa vonona ny hanampy aho na ara-bola sns....
3. Vony501 ( 15/09/2014 07:25)
Miarahaba!
Azafady mba avoahy eto ilay lalàna malagasy mifehy ny fanambadiana raha azo atao, fa ny fahalalako azy dia any amin'ny fianakaviana (raiamandreny) ihany ny vehivavy no mahazo mandeha misintaka, sinon, azon'ilay lehilahy enjehina pour abandon de foyer indray izy raha vao mandeha any an-toeran-kafa
4. vonynive ( 15/09/2014 11:30)

Vony501:

Miarahaba!
Azafady mba avoahy eto ilay lalàna malagasy mifehy ny fanambadiana raha azo atao, fa ny fahalalako azy dia any amin'ny fianakaviana (raiamandreny) ihany ny vehivavy no mahazo mandeha misintaka, sinon, azon'ilay lehilahy enjehina pour abandon de foyer indray izy raha vao mandeha any an-toeran-kafa

miarahaba vony501
misaotra @ fanamarihana
marina ny filazanao fa ny lalàna malagasy tokoa dia milaza fa tokony ho any @ fianakaviny ny vehivavy rehefa hisintaka, araka io voalazako io dia natao ho an ireo vehivavy tsy manana fianakaviana na manana antony manokana tsy hahafahany mankany @ fianakavina io fampiantranoana ny vehivavy misintaka io ao @ AKANY TSARAMONINA, manana fandaminana momba izany ny akany ka mmila mandalo any @ fokontany na ny polisy aloha ny vehivavy hisintaka na mankany @ ireo centre misahana ny ady atao @ herisetra mahazo ny vehivavy mba hahamora ny fampiantranoana azy ao @ akany, izany hoe efa araka ny lalàna ny fampiantranoana , raha toa moa ka miaraka @ zanany izy dia misy hatrany ny taratasy ara-dalàna @ izany
5. vonynive ( 15/09/2014 11:32)

mirananirina:

Tsara be kosa izany, mba omeo source na izay ahafahana mahita io TIHAVA io, fa vonona ny hanampy aho na ara-bola sns....

miarahaba miranirina
ankasitrahana ny fitiavana ny mpiara belona
inty ny mail azonao iresahana amiko
lovaniarivo@gmail.com
misaotra tokoa e
6. vonynive ( 15/09/2014 11:43)
ireto ny tambazotra miady @ herisetra mianjady @ vehivavy azo atonina :
- ny fokontany
- ny polisy
- Trano AROZO Andohatapenaka
- MIRAZO ACAT Anosizato
- CECI MIFOHAZA Ankadifotsy
- APVC ENDA OI 67 ha akaikin'ny akanin-jaza LOVASOA
- SPDTS Soamanandrariny
7. Vony501 ( 15/09/2014 12:46)

vonynive:

miarahaba vony501
misaotra @ fanamarihana
marina ny filazanao fa ny lalàna malagasy tokoa dia milaza fa tokony ho any @ fianakaviny ny vehivavy rehefa hisintaka, araka io voalazako io dia natao ho an ireo vehivavy tsy manana fianakaviana na manana antony manokana tsy hahafahany mankany @ fianakavina io fampiantranoana ny vehivavy misintaka io ao @ AKANY TSARAMONINA, manana fandaminana momba izany ny akany ka mmila mandalo any @ fokontany na ny polisy aloha ny vehivavy hisintaka na mankany @ ireo centre misahana ny ady atao @ herisetra mahazo ny vehivavy mba hahamora ny fampiantranoana azy ao @ akany, izany hoe efa araka ny lalàna ny fampiantranoana , raha toa moa ka miaraka @ zanany izy dia misy hatrany ny taratasy ara-dalàna @ izany
[/quote]
Misaotra betsaka! Mazava tsara! Misaotra ihany koa @ fitsinjovana ny maha-olona. Tokony ezahina malaky ny fanaparitahana azy manerana ny Nosy, satria maro ny vehivavy mandeha lavitra manaraka ny vadiny no iharan'ny herisetra kanefa tsy mahita aleha
8. vonynive ( 16/09/2014 05:28)

tsy misy tokony hisaorana, ilaina tokoa ny fanapariahana itony akany itony satria voafetra ny isan'ireo vehivavy azo ampiantranoana ao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2214