iza no namorona ny anarana devoly, satana, losifera?

1. moustaraf ( 03/09/2014 12:43)
Salama,
Tsy hita ao amin'ny baiboly fototra koa manko ireo anarana ireo,
kanefa maro be ny fiangonana no miady sy mandroaka an'ireo isan'andro!!!
novalian'i moustaraf ny 14/09/2014 09:19
2. bichette ( 03/09/2014 15:19)
vakio tsara ny baibolinao fa misy mihitsy ao. Asa na baiboly inona nenao aloha fa raha ny baiboly kristiana aloha dia misy mihitsy ao.
3. moustaraf ( 03/09/2014 16:34)
salama namana,
Ny antsoina hoe baiboly fototra dia ny baiboly izay niaingana nanaovana dikan teny,
Raha mamaky ny pejy voalohany isika dia hita ao ny hoe "nadika avy tamn teny hebreo sy grika "; ka ny TT avy tamn hebreo.
Ny mpamaky sy mpandala ny teny hebreo anefa dia tsy mahita an'ireo anarana ireo, amn toko sy andininy ahitana an'ireo aty amn baiboly dikan teny (frantsay, aglisy, ....malagasy),
Nahoana no novana koa ireo???
4. endriny ( 03/09/2014 21:55)

bichette:

vakio tsara ny baibolinao fa misy mihitsy ao. Asa na baiboly inona nenao aloha fa raha ny baiboly kristiana aloha dia misy mihitsy ao.


satria ny baibolinao tsy tena baiboly fa baiboly sandoka, tsy miainga avy amin'ny baiboly hebreo.
5. rhaj0 ( 04/09/2014 02:37)
http://en.wikipedia.org/wiki/Devil
In mainstream Judaism there is no concept of a devil like in mainstream Christianity or Islam. (...) In Hebrew, the biblical word ha-satan (???????) means "the adversary"[6] or the obstacle, or even "the prosecutor" (recognizing that God is viewed as the ultimate Judge [citation needed]). As much as the Devil exists in any form of Judaism, his role is as an adversary and an accuser which is assigned rather than assumed...

Tsy azoko fa raha misy afaka manazava...
6. moustaraf ( 04/09/2014 13:53)
salama,
1. ny hoe ha-satana izay nadikan'ny arabo Shaytoan dia mpifaninana na mpifanandrina, no dikany, izay ampiasaina amn teny hebreo andavanandro, oh: mpifaninana amn fanatanjahantena, politika..... sns

2. tena misy anarana ilazana an'ilay ratsy ao amn baiboly fototra, fa tsy satana, devoly na losifera velively

3.Natao nohl izany ireo azany ireo anarana ireo mba hahadiso sy hahavery maina ny ezaka ataon'ny mpivavaka, satria mandroaka sy miady aminin'ny tsy misy,
Dia mikakakaka sy mivanitika ery ilay rain'ny lainga mijery ireto olo maro be diso adiresy! ka mba hino tanteraka ny olo fa izany tokoa no anarany dia somary manao fihetsiketsehana eo izy, ilazana fa mivoaka tokoa ny devoly sy satana.

Izahay dia tsy mitsahatra ny milaza hoe, misy hevi-dalina mifono ambadik'io fanovana anarana anaty baiboly io.
7. bor2lais ( 05/09/2014 12:35)
- devoly
- satana
- losifera
?
rhaj0:

[size=8]ny an'ny Bor2lais, na ny Kristiana, ve moa tsy ho 3 sy 1 foana ny baolina[/size]

:-)
8. rhaj0 ( 05/09/2014 13:37)
[size=8]mbola misy anarany iray farafaharatsiny : i Belzebota
dia miampy an'i Mammon sy Abaddon, ary ny Dragon sy ny Antichrist ary Demon == SIVY !!!! :)[/size]
9. rhaj0 ( 05/09/2014 13:59)
Dia mampihomehy anie ilay izy fa hoe, sary toa inona no azahoanao an-tsaina an'ireto devoly/satana/sns..

dia hoe:
- misy tandroka... dia naninona an-dreo azany ny chevre de monsieur seguin, hozy ny ankizy (izay no ahitan`ny kilonga azy mantsy)...
- misy rambo... dia toa biby an-tanety izany ity izy fa tsy hoe .. fa naninona tsy natao sahala an'iJimmy valala (Pinocchio) na pirina hozy ny ankizy koa e..
- misy elatra toa ny an'ny ramanavy.. Fa ny anjely toa ny an'ny voromailala na lolo.. dia naninona kosany azany ny ramanavy.. nefa io biby io no tena ilain'ny tontolo fa mampisy ny equilibre @ zava-boahary

sa moa tsy izay indray ilay izy fa toa Dragona (an'i Tristan sy Yseult).. sa sahala @ dinosaure ?


Rahefa atao tantara-angano @ ankizy ireo dia mamirapiratra sady mahatahotra ery ny fijeriny... Fa tsy azo tantaraina alina fa mampanofy ratsy an...
10. moustaraf ( 05/09/2014 16:54)
ka eo indrindra no mahazendana: nahoana no ahondinkodina foana, ary tsy tononina amn tena anarany izy io e???
losifera,devoly, belzeboba,satana, dragona,mamonaa, sns....
Sa mitovy ihany amn lay valimbotana mahazatra hoe, rehefa inoana ao antsaina fa io no anarany dia izay zany!!

Mba alaivo sary antsaina kely hoe:
Mivoaka! mivoaka ny devoly! miala! miala ry satana a!!!
Na izy roahina aza mety gaga mijery hoe, fa iza ary izany roahina izany???
11. bor2lais ( 06/09/2014 13:35)
Ary maka ny toerany ange ra-mousta izany a ! :-)
12. moustaraf ( 06/09/2014 14:54)
tsy maka ny toerany fa zendana ihany amn fanodinkodinan dresaka momba an'ity baiboly ity,
Ovana avokoa izao anarana rehetra izao,
13. hafahafa ( 12/09/2014 07:18)

moustaraf:

tsy maka ny toerany fa zendana ihany amn fanodinkodinan dresaka momba an'ity baiboly ity,
Ovana avokoa izao anarana rehetra izao,

salama namana a!
mba tena otrany mahagaga be ana rangah zany oe tsy devoly na satana ny anaranireo.
Manin ra mba omenao eto ny anarany fiantsoanao azy e?
so de sanatri ka le oderainy olona ndray nenao fa tsy le roasina no devoly.
14. moustaraf ( 12/09/2014 17:30)
Ny anarana rehetra fototra dia nomena tamn teny hebreo avokoa, noho izany mailo avy hatrany isika raha vao mahita anaran javatra d'origine grika na romana

1. losifera
kintan'ny maraina no andikan'ny literatiora tranainy an'io,
izany hoe, anarana ambony indrindra niantsoana mpanjaka malaza sy tsara teo amn fanjakany,
ka nahoana ilay rain'ny lainga no antsoina hoe Losifera indray ankehitriny???

Izaho no kintan'ny maraina hoy Yeshua : "losifera"
Nangalarin'ilay ratsy io fiantsoana io, ka raha izy no tokony ho roahina dia...ilay kintan'ny maraina no atositosika!
15. rhaj0 ( 12/09/2014 21:03)
moustaraf:
Ny anarana rehetra fototra dia nomena tamn teny hebreo avokoa, noho izany mailo avy hatrany isika raha vao mahita anaran javatra d'origine grika na romana

Raha ny fahazoako an'i Moustaraf izany dia izay resaka (anaty Baiboly) TSY hebreo dia mila mailo fa (mety) fOsika.
Dia raha hitarina dia izay @ teny Gasy koa izany dia mila mailo fa (mety) dika vilana.

Dia ... izaho anefa TSY Hebreo...

Raha ny fahatakarako azy, toa ny efa nolazaiko tatsy, dia A.try ny Hebreo izany io A.tra ventesina lava io fa TSY A.try ny Grika sy Romana... ary koa, TSY A.try ny Gasy... Sa ahoana ?

Dia miverina ihany ny fanontaniana.. hoe "Gasy ve aloha izay vao xxx"... Ny Kristiana sasany izany Kristiana aloha izay vao Gasy; i Moustaraf izany (te-ho) Hebreo aloha izay vao Gasy koa ?

Sa moa no-spinner-nao hoe, ny Gasy dia Hebreo ?

Mety ho marina ny anao, fa raha ny fahatakarako azy aloha dia, i Moustaraf izany dia TSY ilay Gasy ... hotry ny ... Gasy hafa rehetra e...
16. moustaraf ( 14/09/2014 03:26)
Salama namana,
Ilay hoe "mivavaka" mihitsy no misy principes ifotorany.
Ilay mpamorona dia nifidy teny nanomezany ny didiny sy fitsipiny, ary nilazany ny anarany; teny hebreo io, araka ny lazain'ny baiboly,
Nt:
Taorian'ny fikororohana ny fitenenana tao amn bavel no nanomezany ny fanekeny an'i Avraham, noho izany; tsy misy anarana maro na teny maro fa tokana ihany no notazoniny dia ilay hebreo,

Antony roa ihany no mety nampiovaova ny anarana ao amn baiboly:
-niniana natao tsotra izao (satria alerjika hebreo)
-Tsy fahampiana fahalalana na tsy fahamatorana eo amn mpandika teny

Vanim potoana fandinihana izao ry namana isany, ampy izay ny mihinana am bolony lava izay, malalaka ny fianarana teny hebreo, ary mora ihany koa ny fahazahoana baiboly hebreo, na dia ahidin'ny mpampiely mafy aza ny fahazahoana an'izany eto dago
17. moustaraf ( 14/09/2014 03:29)
Salama namana,
Ilay hoe "mivavaka" mihitsy no misy principes ifotorany.
Ilay mpamorona dia nifidy teny nanomezany ny didiny sy fitsipiny, ary nilazany ny anarany; teny hebreo io, araka ny lazain'ny baiboly,
Nt:
Taorian'ny fikororohana ny fitenenana tao amn bavel no nanomezany ny fanekeny an'i Avraham, noho izany; tsy misy anarana maro na teny maro fa tokana ihany no notazoniny dia ilay hebreo,

Antony roa ihany no mety nampiovaova ny anarana ao amn baiboly:
-niniana natao tsotra izao (satria alerjika hebreo)
-Tsy fahampiana fahalalana na tsy fahamatorana eo amn mpandika teny

Vanim potoana fandinihana izao ry namana isany, ampy izay ny mihinana am bolony lava izay, malalaka ny fianarana teny hebreo, ary mora ihany koa ny fahazahoana baiboly hebreo, na dia ahidin'ny mpampiely mafy aza ny fahazahoana an'izany eto dago
18. endriny ( 14/09/2014 03:58)
Fa inona tokoa ilay hoe mivavaka e... Ny finoana sasany mantsy dia ohatran'ny manizingizina fa izy ihany no mpivavaka?
19. moustaraf ( 14/09/2014 09:19)
ilay nivavahan'i Avraham ve no ivavahana? Sa zavatra hafa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2321