ILAY BIBI-DIA NIAKATRA AVY TAMIN'NY RANOMASINA

1. Maranatha ( 27/08/2014 09:46)
Salama daholo namana isany . Mba hahafahana manohy ny manaraka sy mba hahafahan'ny tsirairay mandinika tsara dia indro haveriko eto ity lohahevitra ity. ILAY BIBIDIA VOALOHANY sy ny hoe maneho an'iza io sary tandindona io.
« Ao amin’ny toko faha-13 andininy 1 – 10 dia misy bibidia hafa aseho “tahaka ny leopard” izay nomen’ny Dragona « ny heriny sy ny seza fiandrianany ary ny fahefana lehibe ». Io tandindona io, araka ny finoan’ny ankamaroan’ny Protestanta dia mampiseho ny fahefana papaly, izay nisolo toerana ny hery sy ny seza fiandrianana ary ny fahefana efa notanan’ny fanjakana Romana fahiny… » – Hery Mifanandrina, p. 452, 453. TSINDRIO ETO NY TOHINY
novalian'i RBNIR ny 28/08/2014 10:22
2. bor2lais ( 27/08/2014 10:16)
Averina eto indray angaha ity resaka bibidianareo sy ny namana RBNIR ity ? :-)
maranatha:

... araka ny finoan’ny ankamaroan’ny Protestanta dia mampiseho ny fahefana papaly ...

Zany an ! :-)

Mba azonao omena ohatra amin'ireo finoana ireo ve raha azo atao na % protestanta (miaraka amin'ny source a !) :-)
3. Tianymarina ( 27/08/2014 11:55)
io fahamarianana io d lavin ny fiangonana mivavaka alahady rehetra ,kanefa ny mpitarika azy milaza fa sabotsy ny fivavahana fa nangatahana ho avadika alahady,
fanontaniana mipetraka d ny oe Atra v d manaiky ny hanovana ny lalana napetrany,
ary mazava be ny ao amin'io daniela 7:25 io fa io bidy dia dia hiteny hanohitra ny Avo indrindra ary HITADY HANOVA FOTOANA SY LALANA?
ny fotoana : sabotsy lasa alahady, ary ny lalana ny sarinjavatra voasikotra nesorina satria manoina sy manelingelina ny fomba fivavahany
4. bor2lais ( 27/08/2014 12:27)
Tianymarina:

io fahamarianana io d lavin ny fiangonana mivavaka alahady rehetra ...

Asa na valinteny @ ilay fanontaniako ity nomenao ity na tsia fa izao no fandraisako azy raha izany :

1. Ny fiangonana protestanta mivavaka sabotsy izany no tian'ny namana maranatha lazaina fa maro an'isa eto ?
2. Amina(re)o izany tsy mba manana Ilay Fahamarinana ny mpivavaka alahady ?
Zany an ! :-)
5. rhaj0 ( 27/08/2014 12:52)
O ry Maranatha o... Iza @ ilay izy @ ireto sary ireto ilay "bibidia" ?
[size=8](ngo dia ny mampanofy ratsy ny Ankizy azany no tanjonao)[/size]

Sa kosany ilay bibidia dia @ ireto sary vao hitan'ny siantista ireo ?
[size=8](dia tao @ sambo fiara Noah koa ve izy rehetra ireo?)[/size]
6. endriny ( 27/08/2014 14:04)

Maranatha:

Io tandindona io, araka ny finoan’ny ankamaroan’ny Protestanta dia mampiseho ny fahefana papaly, izay nisolo toerana ny hery sy ny seza fiandrianana ary ny fahefana efa notanan’ny fanjakana Romana fahiny… »


Hay ve e... dia ny Protestanta izany zanaka bibidia ihany koa satria avy ao amin'ny Katolika izy no teraka...

Vorondolo tsy hiteraka voromanga, ary songosongo tsy hamoa voasary
7. RBNIR ( 27/08/2014 18:46)

bor2lais:

Averina eto indray angaha ity resaka bibidianareo sy ny namana RBNIR ity ? :-)
maranatha:

... araka ny finoan’ny ankamaroan’ny Protestanta dia mampiseho ny fahefana papaly ...

Zany an ! :-)

Mba azonao omena ohatra amin'ireo finoana ireo ve raha azo atao na % protestanta (miaraka amin'ny source a !) :-)

Faly miarahaba namana,
Ary mahatadidy lesona mihitsy ange ny namana bor2lais izany e :-) tsy maninona fa dia averintsika eto ary e,
http://forum.serasera.org/forum/message/m514aa208c1588

Samia ho tahin'ny Tompo e
8. bor2lais ( 28/08/2014 10:09)
RBNIR:

Ary mahatadidy lesona mihitsy ange ny namana bor2lais izany e

Tsy dia lesona loatra no tadidiko fa ny nandaminana ny "adinareo" sy ny namana maranatha ka ! Noheveriko mantsy fa efa nilamina nandritra ilay fihaonanareo "tête à tête" tany @ resto "Le Dragon" ity resaka "Bibidia" - nareo ity ! :-)
9. RBNIR ( 28/08/2014 10:22)

bor2lais:

RBNIR:

Ary mahatadidy lesona mihitsy ange ny namana bor2lais izany e

Tsy dia lesona loatra no tadidiko fa ny nandaminana ny "adinareo" sy ny namana maranatha ka ! Noheveriko mantsy fa efa nilamina nandritra ilay fihaonanareo "tête à tête" tany @ resto "Le Dragon" ity resaka "Bibidia" - nareo ity ! :-)

Faly misera namana,
Izany v? na dia izany aza dia manamafy aho hoe diniho ihany aloha ilay zavatra zaraina ao amin'ilay rohy aho e,
Ny Tompo anie hanazava ny sain'ny maro e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2541