144000?

1. endriny ( 23/08/2014 06:17)
Ny 144 = 12x12 dikany fahatanterahana eo amin'ny foko 12 Israelita.

1000 midika fahafenoana na famaranana eo amin'ny Ziona Israelita. Midika koa hoe faraandro...

Fa tsy hoe isan'ny olona milahatra na hiditra ny lanitra akory. Aza dia manaiky rebirebena loatra isika... Atsangako ny sainako...
novalian'i endriny ny 26/08/2014 05:18
2. rhaj0 ( 23/08/2014 14:31)
Izao indray azany e...

12 x 12 x 10 x 10 x 10 = 144.000

1 ganagana mody x 1 ganagana mody x 1 atody x 1 atody x 1 atody

:-)
3. moustaraf ( 24/08/2014 07:10)
Salama namana,
ka ny tsy fahalalana no bedb amn ireo mpampianatra tsinona,
Maro no mihevitra foana fa tsy ilaina ny fahalalana fa izany fitarihan'ny fanahy izany dia izay. Tsy tsara raha mahantra fahalalana isika.

Ilay mihizingizina hoe 144.000 monja ny voavonjy amn fokom pirenena israely dia avy amn fampianarana romana izay milaza fa nifindra any aminy ny fifidianana ka lasany ny teny fikasana.

Aoka isika tsy ho latsaka ho isan'ireo Antisemite na mpirafy na mpankahala ny hebreo fa hoy ny faminaniana: "eny ho levona sy hangaihay izay rehetra tezitra sy miady aminao, ho tsinontsinona izy, ho lavenona ka tsy ho hitanao"

Ho anao ihany koa izany faminaniana izany ry Malarh gash, satria ianao tokoa ilay zanaka vavin'izay naely, ka mila miverina amn'ilay nivavahan'i Avraham, Itshak ary Yaakov raibenao, mba hanomezany anao an'ilay fanekena vaovao izay nentin' Yeshu'a zanaka lahy tokan'i El Elyon El Shaday Elohym melekh haolam.
4. endriny ( 26/08/2014 05:18)
Ka atao Ra-Moustaraf, fa ry zareo eraopeanina tsinona no nitondra ny baiboly teto a. Izay tiany ahitsy sy ampidirina ao an-tsaintsika fotsiny. Soloy anjely mainty ny jironareo, dia soloina. Aza asiana 6 mihintsy ny isa fa an'ny demonia io, kanefa ny an'ny sasany mizara boky 6 fotsiny ny baiboly, na dia boky 24 aza izy ho an'ny jodeanina. Mbola tsy ao ny hoe faminaniana ankehitriny amin'io a.

Ny anay Kristianina mantsy dia efa hoe tsy misy faminaniana intsony fa efa tanteraka ny famonjena e... Ahahahhahah
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6314