SAO HISY MARO ANY...........

1. RBNIR ( 15/08/2014 15:31)
FALY MISERA NAMANA ISANY....



« Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao. » (Hos.4:6)

Olon'Andriamanitra tokoa isika (tsy azo lavina izany) io ny tenin'Andriamanitra manambara izany,

Saingy saino fa hoy Jesosy indray andro.......
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21).

MILA MANAO NY SITRAPON'ILAY RAIN'I JESOSY IZAY MITOETRA ANY AN-DANITRA ANY ISIKA NAMANA ISANY

Araho ny fandaharana VITAO NY ASAN NY FAHAMARINANA AO AMIN NY KOLO TV isa-maraina amin ny 5 ora sasany (alatsinainy ka hatramin ny zoma). FANDAHARANA hanoro sy hampianatra anao ireo sitrapon Andriamanitra takiany amin-tsika olony rehetra. Ho anao any amin ny Faritany dia fantaro fa efa afaka manaraka ny fandaharana amin ny canal + (canal sat) ianao.



IANAO KOA MBOLA TSY TARA NAMANA.......

Samia ho tahin ny Tompo daholo
novalian'i RBNIR ny 22/09/2014 11:53
2. rhaj0 ( 15/08/2014 17:57)
Variana aho fa toa manao voaly daholo ireto viavy.. (nefa tsy masera?)... sa izaho no tara fa vendrana ? Dia toa vazaha-la-mofo daholo no ao @ clip-n'lery ?

Inty azany misy youtube koa e... manao voaly sy vazaha-la-mofo... mba hihomehezana fotsiny e... (nareo toa hotry ny be sento sentimantaly loatrany kouh... ny fiainana efa sarotra...)




[size=8](tsy hotran'i Hery ve ilay tary farany teo io :)[/size]
3. RBNIR ( 15/08/2014 19:40)
rhaj0:

Variana aho fa toa manao voaly daholo ireto viavy.. (nefa tsy masera?)... sa izaho no tara fa vendrana ? Dia toa vazaha-la-mofo daholo no ao @ clip-n'lery ?

« Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany. » (1 Kori.11:4)
« Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy. » (1 Kor.11:5)

:) raha ny soratra masina anie ry namana tsy ny masera ihany no tokony manao voaly ao ampiangonana fa izay mahatsapa tena ho vehivavy e,

Na any amin ny katolika aza ngeh dia tsy ny masera ihany fa tena misy vehivavy mafantatra an io fahamarinana iray io dia manantateraka e,

Samia ho tahin ny Tompo namana
4. RBNIR ( 15/08/2014 20:24)
dia tsy tokony ho diso fandray koa ".....raha mivavaka na maminany..... hoy ny teny (raha adika dia rehefa eo ambany fanatrehan'Andriamanitra).
Ny an ny masera normal ihany raha tsy miala eny andohany iny satria 90% ny andrompiainany fivavahana avokoa.

Dia aza hihomehezana intsony rehefa misy vehivavy mihazakazaka aingana lasa maka sarindoha rehefa antsoinao hiaraka hivavaka izy .......

TSY FOMBAFOMBA fa tafiditra ao anatin ny fampianarana tsy misy kilema izany namana satria mbola isan ireo fampianarana niainana tamin ny andron ny apostoly taloha.

Samia ho tahin ny Tompo e,
5. moustaraf ( 16/08/2014 10:35)
Tsy inona izany ry namana isany fa fomba hebreo a! izay mbola nohamafisin'ny apostoly e!
6. rhaj0 ( 18/08/2014 13:18)
Afaka zarainareo ve hoe aiza ho aiza izany fampianarana izany ao anaty Baiboly? (toko/andininy?)

Manalasala ihany mantsy ity voaly ity, fa rahefa ny moslimo no manitatra @ niqab sy ny burqa dia voaelingelina daholo ny maso aman-tsaina, ary dia manjary ny hijab aby koa no toa mandreraka ny sain'olona (tsy moslimo); nefany ny foulard-n'i maman sy ny voalin'i masera izany toa ekena foana ihany anefany...

Fa tsaroako ny dadako fahiny, fony aho tena mbola kely, nilaza tamiko hoe, ny vehivavy, tokony atao tsy hita koa ny kihony sy ny lohalikany. Ka sao "fomba-tany" t@ fotoan'androny fotsiny no voatantara tao @ Baiboly fa tsisy "fampianarana" hoe, (tsy maintsy) izay no fiankanjon'i Madama, h@ andron'i Adama (tako-kenatra ihany dia ampy) mandalo @ andron'i Radama (salaka dia mety)...
7. RBNIR ( 19/08/2014 04:43)

rhaj0:

Afaka zarainareo ve hoe aiza ho aiza izany fampianarana izany ao anaty Baiboly? (toko/andininy?)

Faly miarahaba namana,
Ary dia tena tsy mamaky mihitsy ange ianareo izany namana e, efa ery ambony ery koa, (tsy maninona e, mahatsara ny teny miverimberina hoy ny soratra masina koa dia ity averiko eto ambany ity indray ary.

« Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany. » (1 Kori.11:4)
« Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy. » (1 Kor.11:5)

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
8. rhaj0 ( 19/08/2014 10:53)
Tena azafady raha nampamerina anao ny resakao. Fa koa, ny tena tiako ho fantatra koa dia izay ho tondroin'i Moustaraf.

Fa raha ao @ Kor izany ilay izy, dia miaraka (na azo ampiarahina) @ ilay soratra (tena tiako) manao hoe :

1 Korintiana 7:6 tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka. 7 Satriko aza manao tahaka ahy avokoa ny olona rehetra; nefa samy manana izay fanomezana manokana nomen'Andriamanitra azy avy moa, ka ny iray toy izao, ny iray kosa toy izany.


Koa dia raha ny any Dago re, raha mirandrana ny viavy, na koa mba vao avy nihety volo izy, dia mba iny no maha-kevoka azy, dia mba izay izany, fa "fanomezana namen'Izy an'azy" daholo izany e...


Izaho mieritreritra fa ny"fomba" iray, ohatra ny misarom-boaly, dia napetraky ny olombe (lehilahy) t@ fotoan'androny fotsiny, fa tsy hoe zavatra "absolu". Mety hoe ny mahita ny volon'ny viavy no maha ... dangidangitra azy, dia nasainy nafenina tanaty hijab; ny sasany indray ny vatan'ny viavy no nasainy nafenina tanaty niqab; ary ny tena loza dia ireo ... dangidangitra raha vao mahita fotsiny ny mason'ny vehivavy, ka dia nasainy nafenina tanaty burqa. Dia avy eo dia mody hoe... "tena izay ilay Didy". Dia izany ve dia ho raisinao ara-baki-teny tokoany @ izao taonjato izao ?

Fa ny vehivavy koa angaha moa tsy mba maolamaola rahefa mahita ny volon-drangahy (Travolta), na ny masony (Johnny), na ny vatany (Schwarzeneger) ? Sady resaka akanjo angaha moa tsy hoe lamaody, izay miovaova araka ny fotoana na dia ao anatin'ny sivilizationa iray fotsiny aza...
9. RBNIR ( 19/08/2014 11:45)

rhaj0:

Fa raha ao @ Kor izany ilay izy, dia miaraka (na azo ampiarahina) @ ilay soratra (tena tiako) manao hoe :

1 Korintiana 7:6 tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka. 7 Satriko aza manao tahaka ahy avokoa ny olona rehetra; nefa samy manana izay fanomezana manokana nomen'Andriamanitra azy avy moa, ka ny iray toy izao, ny iray kosa toy izany.

Aiza kosa e, mahaiza mandray teny namana a,

Ho tahin'ny Tompo anie ianao namana
10. rhaj0 ( 21/08/2014 19:45)
Jereo tsara azany ny tohin'ny andininy nofantenanao, dia mba ilazao hoe ahoana ny fandraisanao azy..

[size=11]1 Corinthiens 11.7 L'homme ne doit pas se couvrir la tête, puisqu'il est l'image et la gloire de Dieu, tandis que la femme est la gloire de l'homme. 8 En effet, l'homme n'a pas été tiré de la femme, mais la femme a été tirée de l'homme; 9 et l'homme n'a pas été créé à cause de la femme, mais la femme a été créée à cause de l'homme. 10 C'est pourquoi la femme, à cause des anges, doit avoir sur la tête une marque de l'autorité dont elle dépend.
1 Korintiana 11.7 Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’ Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy. 8 Fa tsy ny vehivavy no nihavian’ ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian’ ny vehivavy. 9 Fa tsy ny lehilahy no natao ho an’ ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an’ ny lehilahy. 10 Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha [Gr. hanana fahefana eo amin’ ny lohany] noho ny amin’ ny anjely.
[/size]


Raha ny kely "fahaizako mandray teny", dia rahefa mamaky io aho, dia tsy gaga intsony raha misy ny niqab sy ny burqa, izay mifandraika tsara ny @ fandraisan'ireo lehilahy sasany (moslimo toa an-dry Taliban) ny @ (statut-n'ny) vehivavy...

Dia ny anareo izany mody voaly fotsiny, fa ny hevitra laliny ao dia, raha ny fahatakarako azy aloha, dia mitovy ihany (fa tsy sahala?). Asa raha takatr'i RBNIR izany (tiako tenenina izany)..
11. endriny ( 22/08/2014 04:38)
Io izany no mahatonga ilay hoe rehefa manambady ny vehivavy dia tokony tsy ampiseho ny endriny ho amin'ny lehilahy hafa intsony fa efa manan-tompo. Dia tsy mahazo mampiseho ranjo sy tarehy intsony afa tsy amin'ny vadiny ihany...

Tokony ampiharina marina tokoa io a...
12. RBNIR ( 22/08/2014 08:02)
rhaj0:

Jereo tsara azany ny tohin'ny andininy nofantenanao, dia mba ilazao hoe ahoana ny fandraisanao azy..

[size=11]1 Corinthiens 11.7 L'homme ne doit pas se couvrir la tête, puisqu'il est l'image et la gloire de Dieu, tandis que la femme est la gloire de l'homme. 8 En effet, l'homme n'a pas été tiré de la femme, mais la femme a été tirée de l'homme; 9 et l'homme n'a pas été créé à cause de la femme, mais la femme a été créée à cause de l'homme. 10 C'est pourquoi la femme, à cause des anges, doit avoir sur la tête une marque de l'autorité dont elle dépend.
1 Korintiana 11.7 Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’ Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy. 8 Fa tsy ny vehivavy no nihavian’ ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian’ ny vehivavy. 9 Fa tsy ny lehilahy no natao ho an’ ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an’ ny lehilahy. 10 Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha [Gr. hanana fahefana eo amin’ ny lohany] noho ny amin’ ny anjely.
[/size]


Raha ny kely "fahaizako mandray teny", dia rahefa mamaky io aho, dia tsy gaga intsony raha misy ny niqab sy ny burqa, izay mifandraika tsara ny @ fandraisan'ireo lehilahy sasany (moslimo toa an-dry Taliban) ny @ (statut-n'ny) vehivavy...

Dia ny anareo izany mody voaly fotsiny, fa ny hevitra laliny ao dia, raha ny fahatakarako azy aloha, dia mitovy ihany (fa tsy sahala?). Asa raha takatr'i RBNIR izany (tiako tenenina izany)..



Faly misera hatrany e,
Mety ho tato ngamba no nangalanao ilay dikateny frantsay nalainao:
http://bible.catholique.org/1ere-epitre-de-saint-paul-apotre-aux/3371-chapitre-11

Vakio hatrany ambony (andininy faha 5 sy faha 6) fa tena voaly (sarondoha) ihany ilay marika resahina ety ambany amin'ny andininy faha 10 io :
5 Toute femme qui prie ou qui prophétise la tête non voilée, déshonore sa tête: elle est comme celle qui est rasée.
6 Si une femme ne se voile pas la tête, qu'elle se coupe aussi les cheveux. Or, s'il est honteux à une femme d'avoir les cheveux coupés ou la tête rasée, qu'elle se voile.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
13. RBNIR ( 22/08/2014 08:49)
Azo azavaina ihany anefa ny tiany ambara amin'ity teny izay notsiphihinao ity ry namana:
"doit avoir sur la tête une marque de l'autorité dont elle dépend".

Ny fisaronan-doha dia marika fanajan'ny vavy ny lahy no tena marina (une marque de l'autorité dont elle dépend) eto dia ny lahy= autorité dont elle dépend.

Dia izao ary raha ny lehilahy aza hajain'ny vehivavy amin'ny alalan'ny fisaronandoha? Moa tsy tokony hanao toy izany koa ny vehivavy rehefa manoloana an'Andriamanitra?
Izay no mahatonga ireo teny ao amin'ny andiny faha 13 hoe 13 Jugez-en vous-mêmes: est-il bienséant qu'une femme prie Dieu sans être voilée? « Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy? » (1 Kor.11:13)


Izany hoe raha fitinina dia tokony hahatsapa ny vehivavy fa raha ny lehilahy aza hajainy dia rariny ary hitsiny raha Andriamanitra (izay lehibe lavitra noho ny lehilahy) raha hajainy koa ary homeny voninahitra lavitra amin'ny alalan'ny fisaronan-doha.

Eto moa dia hoy ny teny hoe "noho ny amin'ny anjely " Indraindray ny baiboly dia manondro an'Andriamanitra amin'ny teny hoe anjely ihany (mbola chapitre B koa izay fa aleo amin'ny manaraka e).

Samia ho tahin'ny Tompo namana.
14. RBNIR ( 22/08/2014 09:02)
Ho an-tsika tia mandalina ny epistily nosoratan'i Paoly, dia raiso ity teny ity « tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Pet.3:16)

Araho ilay fandaharana ry namana isany fa Jesosy dia efa tonga indray ary nifidy olona mba hampianarany ny marina rehetra ao anaty baiboly, indrindra ny bokin'ny apokalipsy,

Samia ho tahin'ny Tompo namana

15. RBNIR ( 22/08/2014 09:36)
Farany , raha mandinika tsara isika dia ilay volombehivavy mihitsy no tokony tsy haseho eo anatrehan'Andriamanitra (satria na takonana amin'ny voaly, na miaratra (manao coco rasé).
Izay antony? :) aza manontany ahy intsony fa araho ilay fandaharana e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
16. rhaj0 ( 22/08/2014 11:09)
Ekena azany mba tsy hifandirana... fa izao indray azany : hatramin'ny oviana no izay ilay Didy ? hatramin'ny t@ andron'i Abigail sa I Tsipora? I Jezabel sa I Bethsabee ?

Ny fotoana talohan'ilay Didy izany tsisy bedy ? toa t@ andron'i Agar ?

Ka sao dia ny fotoana lavitra aty aoriana, taorian'ny nametrahana ilay Didy, toa ny ankehitrio, tokony ho "tsisy bedy" koa izany ?
17. RBNIR ( 22/08/2014 11:30)
« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)
Izay vita tany dia vita tany, fa izay mahalala kosa didiny hanao e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
18. rhaj0 ( 22/08/2014 12:26)
Dia mbola ekena ihany mba tsy hifandirana.

Dia h@ oviana indray azany izany "andron'ny tsi-fahalalana" izany e.. afaka dinganina tsy vakiana intsony mantsy izany ny ao anaty Baiboly mitantara izany "andron'ny tsi-fahalalana" izany fa toa hotry ny mampifamaofao fotsiny... tsy hay intsony raha izay voasoratra ao dia "ohatra" tokony arahina, na "fampianarana" tokony ianarana, na resaka tokony hakana "aingam-panahy"... na tsia
19. RBNIR ( 22/08/2014 12:30)
Isam-batan'olona ny andron'ny tsi-fahalalana, izay mahare no tokony hanao, izay tsy mahare, dia izy aza tsy nahare koa,

Tsy mitovy araka izany misy zaza dia mandre ny antso, misy efa antitra vao tonga aminy ny teny sy antso,

Tsy haiko fa Andriamanitra no mahalala,

Fa ho an-tsika eto izao dia izay mahavaky dia efa mba nandre izay, enga anie ka mba tsy ho tany marivo......

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
20. rhaj0 ( 22/08/2014 14:04)
[size=8]an an... dia mihodikodina mahafanina ahy izany resakao izany ry RBNIR.. (moa tsy politisiana amina "gueule de bois"-ny...)[/size]

Ka "andininy" iza aby ao @ Baiboly azany no t@ andron'ny "tsi-fahalalana", ka dia tsy tokony hovakianay "marivo", fa manjary mampifamaofao anay fotsiny e...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4806