Ny olona sy ny biby

1. endriny ( 13/08/2014 12:26)
Ny Malagasy dia mino fa ny olona dia tsy misaraka amin'ny biby. Raha maty ny olona sasany dia tonga miverina ho velona indray amin'ireo biby eo amin'ny manodidina. Ao ireo lasa voay, lasa bado, fanano, androngo vato, na koa jiny.

Raha mba efa nahare tantara mikasika ireo ianao dia mba alefaso eto aza fady?
novalian'i endriny ny 25/08/2014 16:52
2. Maranatha ( 14/08/2014 05:15)

endriny:

Ny Malagasy dia mino fa ny olona dia tsy misaraka amin'ny biby. Raha maty ny olona sasany dia tonga miverina ho velona indray amin'ireo biby eo amin'ny manodidina. Ao ireo lasa voay, lasa bado, fanano, androngo vato, na koa jiny.

Raha mba efa nahare tantara mikasika ireo ianao dia mba alefaso eto aza fady?

Salama namana Endriny, ka ny eto anie namana ka fivavahana sy finoana @ mpamorona mifandraika @ baiboly sy (na) ny torah sns... fa tsy hoe eritreritra mandalo na takelaka mahaliana na kolontsaina tsy akory e!
3. rhaj0 ( 14/08/2014 16:30)
endriny:
Ny Malagasy dia mino fa ...

Resaka "finoana" no naroson'i Endriny, ka moa tsy ao anatin'ny loha-hevitra "Fivavahana, Finoana" izany ?

[size=8]i Maranatha izany anie, ka raha manana fahefana, ka tena mety handefa Fatwa mihintsy e... sa izaho no manitatra ?...[/size]
4. endriny ( 20/08/2014 13:39)
Any Anivorano Avaratra ohatra dia misy ireo voay, izay toa bory loha, toa tsy mitovy amin'ny voay rehetra eto Madagasikara. Ka nefa moa dia hoe mitovy espece daholo ihany ny voay rehetra eto.

Ara-tantara dia olona nipetraka tamin'io faritra io ireo voay ireo teo aloha, saingy nisy Azary nandalo ary nangataka rano teo. Nangetaheta mafy io Azary io ary nandondom-barvarana sy nangataka mba omena rano ho sotroina. Saingy tsy nomen'ny olona rano. Nalahelo ilay Azary ary dia niloa-bava fa hosaforany rano ny Tanana raha izay rano foana no tsy azo angatahina. Dia lasa safo-drano ny Tanana mandrake ankehitriny, izay lasa farihy.. ary ireo mponina tavela tao dia lasa voay avokoa...

Mandraka ankehitriny dia mbola fahanana hena sy anaovana fety iarahana amin'ireo fianakaviana mbola olombelona io toerana io. Raha sendra mankany Ankarana ianao, na Nosy Be, Ambilobe, Diego... dia mba mandalova eo Anivorano mihaino sy miaina ny tantara sy ny finoana Malagasy...
5. endriny ( 22/08/2014 04:54)
Ao Antananarivo dia misy Tanana iray izay niniana novaina mihintsy ny heviny ara-tantara raha mikasika ity razana lasa biby ity, saingy raha mankany ianao dia izao no ambaran'ilay mpiambinjiny: Ambohitrabiby na Ankotrokotroka taloha dia toeram-pandevenan'ny Vazimba. Ary nisy tamin'ireo razana no lasa fanano fitoloha ary nampitahotra ny mponina. I Ralambo izay hoe zanak' Habib dia nanao ny fomba rehetra nanalana ireo fanano ireo tao, saingy sahirana mafy tokoa, taty aoriana dia nanao ny afo tsy maty izy androahana ireo fanano ireo teo talohan'ny Alahamady. Saingy tsy niala ireto biby fa nifindra lasy nakeo atsimon-tanana fotsiny ihany. Raha ny filazan'ny olona eny dia ireo biby fanano fitoloha ireo no naha Ambohitrabiby an'Ambohitrabiby fa tsy ilay hoe I Habib tonga teny akory. Raha mankany ianao ka manontany hoe iza ilay atao hoe HAbib na Rabiby dia mihomehy fotsiny ny olona... Mandeha taxi brousse Talatan'ny Volonondry no mandeha mankany raha te ho any ianao.

Mbola misy toerana iray atahoran'ny olona fatratra fa hoe mbola misy zana-panano eo Antampon'Ambohitrabiby,

Ary aty Atsimo kosa dia misy lava-bato izay fady mandraka ankehitriny noho ny lolo sy ny ziny eo aminy. Ara tantara dia saika naorina teny ny Fiangonana Ambodifahitra mba androahana ireo hery ireo saingy tsy vita ilay izy, dia natao teo Antanana ihany ny Fiangonana.
6. endriny ( 25/08/2014 16:52)
Fa any Menarandra Manakara, izay tsy azo itondrana lamba miloko mena, dia misy voay iray izay voalaza fa ampanjaka nimaty ka lasa niova voay. Raha sendra mahita io voay io ianao dia fady ny manonona hoe "Iry misy voay", satria tsy voay io fa razan'olona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3397