Tandremo ! tandremo !

1. Noue ( 15/07/2014 10:21)
>>>>


Tandremo mihinana ireny masikita hitanareo ho entina eny andalana ireny fa aliaka avokoa izy ireny..

Tetsy amin'ny parking ambatonakanga ity sary ity..

Olona maromaro mamoly aliaka ary mitetika izany..



Toe-javatra mampalaelo tokoa izy ity fa isika no mila mitandrina amin'ny hanina ho anintsika..
novalian'i andrywui ny 26/07/2014 23:16
2. andrywui ( 16/07/2014 08:15)
slt nouuuuee,,elaela a , tena nalaelo anlah less za noue ,,
-- ok aleo valiako alou le resak'alika ary e--) ka rehefa tonga eny amn tribunal anie de " TSISY LALANA " manameloka ny mpampihinana alika e " votsotra daolo ze tonga eny , ny sinoa aza ane zao efa tena miroborobo b ny fihinana alika ee ,, matsiro be hono . ..hohuhohu
---menu anjoany:
---cotelette d'alika
---henan'alika sy voanjobory
--alika sauce au poivron rouge mmiiammm
--anana amin'alika hohoho

3. hery ( 16/07/2014 08:28)
Misy lalàna maromaro hahafahana manenjika an'ireny ka:

- Nolazainy mazava ve fa henan'alika ilay izy. Raha tsia dia arnaque => azo enjehina.
- Alika voakarakara ara-pahasalamana ve no novonoina? Vita vakisiny, ahoana ny fomba famoanoana azy, sns. Jereo fa na ny omby aza dia misy fitomboky ny fanjakana vao azo amidy eny antsena. => azo enjehina
- Nanahoana ny nitehirizana ilay hena? Oviana no novonoina, nojerena ve sao misy aretina sns => azo enjehina
- Mandoa taxes na ticket ve ilay mpivarotra alika? :-) => Azo enjehina

sns..
4. andrywui ( 16/07/2014 10:29)

hery:

Misy lalàna maromaro hahafahana manenjika an'ireny ka:

- Nolazainy mazava ve fa henan'alika ilay izy. Raha tsia dia arnaque => azo enjehina.
- Alika voakarakara ara-pahasalamana ve no novonoina? Vita vakisiny, ahoana ny fomba famoanoana azy, sns. Jereo fa na ny omby aza dia misy fitomboky ny fanjakana vao azo amidy eny antsena. => azo enjehina
- Nanahoana ny nitehirizana ilay hena? Oviana no novonoina, nojerena ve sao misy aretina sns => azo enjehina
- Mandoa taxes na ticket ve ilay mpivarotra alika? :-) => Azo enjehina

sns..

Ok ary zany fa atao vakisiny izy atao madio ny fikarakarana azy ,andoavana ticket sy haba izy ,,,de aona ?raikitra zan ny beftaikachien ?
Efa nisy tratra ne teo andravoahangy tsena efa ela zay fa votsotra soamatsara e ,,nihomehezana tao amn tribunal hatramn mpitsara aza nihome kou ,,fa tsisy lalana amzany oe voaheloka zay nihinana n'a napihinana alika ,,,satri vo makany amn taninn chinois sy ny sinoa rehetr isika d voky alika"madio" zay e
5. hery ( 16/07/2014 10:35)
Ka ilay mpitory no tsy nahay nitory e. Na ny fitsaràna no vongany. Raha ohatra ka ireo nolazaiko ireo no atao "chef d'inculpation" dia tsy maintsy mihinana kely ilay voatory.

Sarotra be mihitsy izany hikarakara ara-dalàna henan'alika izany. Ny henan'omby aza mbola misy tsy manara-dalàna.

Teny Besarety tamin'ny fotoan'androny efa nanaovan'ny BMH be midina satria nisy nitory ny mpivaro-kena hoe nivarotra hena tsy nisy fitomboka. Fa nisy nandoa lamandy maro mihitsy.
6. andrywui ( 16/07/2014 10:47)
Raha karakaraindry lerony tsy hita any ane le izy de ny nofony ihany no endahany (tsy de misy risque ny nofony (ozy ah ..)huhu) de mbo mandrimandry ratsy ny saina e. ,atao aona ary e ,,,sur fa efa nihinana daolo alou isika satria diso hevitra isika ireny hotely salatsalany ireny de tena be mintsy no "maka entana" amindry zalah reo e
7. andrywui ( 16/07/2014 10:50)
Rehefa misy opération famonoana alika ataon'ny commune de jereo fa midina 2.500fmg ny plat amn henomby ritra amin hotely .....
8. hery ( 17/07/2014 09:18)
Ny alika anie azo hanina e... fa ilay fikarakarana azy ho'a no olana.
Ny olona ao Madagasikara mahandro alika izany dia te hahazo tombony be. Ka tsy izy mihitsy no handany vola amin'ny pitsopitsony indray... satria lafo kokoa noho ny mikarakara omby indray izany dia tsisy dikany.
9. andrywui ( 17/07/2014 20:30)

hery:

Ny alika anie azo hanina e... fa ilay fikarakarana azy ho'a no olana.
Ny olona ao Madagasikara mahandro alika izany dia te hahazo tombony be. Ka tsy izy mihitsy no handany vola amin'ny pitsopitsony indray... satria lafo kokoa noho ny mikarakara omby indray izany dia tsisy dikany.


Fa maninn toko ary ranga ty no oe ts azo hanina le alika à ? Sa misy aretina ve sa maloto ? Nefa ra loto no tenennn misy otran kisoa ve ? Fa n kisoa aza toa minana tay mitsy à ,,sa le anarany oe alika mitsy no fady ? Fa ny vatany anefa de otran osy sy ny ondry iany à ,,,
10. andrywui ( 17/07/2014 20:34)
Noue à ,,antso avo ho anlah !!!
Inona tokou mo lesy no hanaporofoinlah fa maloto fady ratsy tsy fihinana ny alika ??? Satri zahay sy hery zao mahita oe ra tsara karakara kosa v le henany maninn mou !!! Fa ny kisoa mbola maloto X100 amin alika à ....
11. Noue ( 18/07/2014 12:39)
ilay izy anié eto tsy resaka hoe fihinana na tsia ny alika eee

ilay fomba antsokotsoko fikarakarana ary, sady maloto, no mba ara-dalana ve zao kosa eee no tiana lazaina.

famitahan'olona satria baranahana be ilay fikarakarana azy kooo

na izany aza , dia mba rariny kosa ve zao hita @ say zao hoe andeha hanao masikita dia hamidy etsy sy eroa zao?
12. andrywui ( 18/07/2014 19:54)

Noue:

ilay izy anié eto tsy resaka hoe fihinana na tsia ny alika eee

ilay fomba antsokotsoko fikarakarana ary, sady maloto, no mba ara-dalana ve zao kosa eee no tiana lazaina.

famitahan'olona satria baranahana be ilay fikarakarana azy kooo

na izany aza , dia mba rariny kosa ve zao hita @ say zao hoe andeha hanao masikita dia hamidy etsy sy eroa zao?


Mba vazivazy ny ah io fa tena ts fihinana mihits n alika surtt amtsika malagasy tena otran oe mihinana tay mihitsy no fiheverana azy. Ka ho andry zalah mamoly amboa reo de tonga de amboarina fa ts entina amn polisy no mety amreo ,,,rehefa manohatra zavatra ratsy be na maharikoriko ny malagasy de ny alika no anoharany azy. ,ao amn baiboly ko misy hoe any ivelany ny alika hoy ny voasoratra ,,,
Ka tena fady fady fady ioataondry le alikamaty reo mamoly alika efa maty reo fa mbola ho tratra reo de itany eo ny tainalikan i jules ,,
13. Ratoa ( 19/07/2014 20:14)
Any Cameroundia fihinana ny alika. Tsy ny alika rehetra akory fa misy karazany. Ompiana tahaky ny ondry izy fa tsy mandehandeha. Dia alatsa-dra tahaky ny kisoa. Votsirana ny odinY. Ahantona amin'ny tongony aoriana dia kapohana amina branches d'épices isan-karazany.Dia izay vao handroina.
Tsara hono hoy ry zareo tompon-tany fa izaho tsy mbola nihinana.
Ny saka koa fihinan'ny olona sasantsasany, indrindra ny sinoa. Tsy saka mandehandeha koa fa saka ompiana.
Ny renibeko efa nihinana tsy satry.
Nony lany hono ny sakafo vao nanontany ny tompon-trano hoe tianareo ve? tsara hoy ry zareo! Zay ny tompon-trano vao nivaky hoe saka iny. Tahaky ny bitro hoy ny renibeko.
Dia naseho andry zareo ny fiompiana. Teto Madagasikara no niseho ny tantaran'ity saka
14. mpisotrtoaka ( 24/07/2014 10:54)
Ny resaka toa lasa ifamalianareo fotsiny ! Ts any amle hoe fihinana ny alika na tsia fa am Malagasy re tompoko d "TSY FIHINANANA NY ALIKA" na madio na maloto ! Fomba efa hatramin'izay io fa eto an-tany moa ts ilaozan'izay manaotao foana ! Raha mety aminareo sasany ny fomban'ny sinoa homana azy d hano fa aza mamitaka olona hafa kosa ! Any Inde izao mis foko homana diky satri tena mahantra dia ihinanana anzany koa ve isika sanatri SATRI hoe misy homana ! Samia mandinika e
15. Ratoa ( 24/07/2014 13:56)



Tsy miteny aho "mihinàna" na "aza mihinana". Safidy io, ary ny marina eto, mety ho diso ary. Izaho koa tsy milaza hoe "mamitaha olona".
Amiko aloha dia ratsy ny fitaka, na dia voafitaka aza ny renibeko.
Tsy afaka hilaza mihitsy aho hoe "eto Madagasikara dia tsy fihinan'ny malagasy ny alika" na dia mbola tsy nahita maso aza aho. Miteny fotsiny aho angamba hoe "mbola tsy nahita aho".
Nizara kosa ny fantatro sy hitako aho.
Ny mihinana itsy sy iroa dia miankina amin'ny misy sy tsy misy anefa tia ho velona.
Araky ny fahalalana ankapobeny dia tsy mihinana olombelona ny vazaha (europeana sns) saingy nisy raopilanina nianjera tany Canada, efa ela, tsy nanan-kohanina intsony ireto olona sisa tsy naty ka dia ny fatin'olona teo izay voatahirin'ny la neige tsara no nohaniny.

Hoy ny vazaha hoe "ne dis pas: fontaine , je ne boirai pas de ton eau", "vérité en-deçà des Pyrennées, vérité au-delà des Pyrennées". Samia mandinika ê!
16. andrywui ( 24/07/2014 15:28)
Fa ra tena mena fify tsara sy metimety sira sy épice kosa alou angamb mety hitelindrora iany ny retra maita refa mivarotra ry zalah à miam miam miam
17. Noue ( 26/07/2014 20:55)
lasa resaka bitro , saka, kanibala, ondry, kisoa ilay dinika ee

io sary io no tiana lazaina, ny famitahana olona @ fivarotana masikita

ny loto etsy an-daniny, ao ao ambadimbadika ao, dia atao masikita eny amoron-dalana

tsy tahotra, tsy henatra fa dia hamitaka olona fotsiny no atao

hoy Hery, ny alika anie azo ho hanina e! ny malagasy ve ry Hery mihinana alika? mbola tsy nahita aloha aho hatramizay aa !

raha mihinana alika ny malagasy, nahoana no hatramizay no hanompana olona ny alika raha fihinan'ny malagasy?

lelika maty ty ohatra sns eee
18. Noue ( 26/07/2014 20:57)
o'lty wiwi aaa ! ny tél an'lah aza tsy mandeha akory

ka aleo aloha miresaka alika eto l'ty aaa

jereo zao io lazaiko io hoe aleo miresaka alika ahahaha ohatran'hafahafa zany eee
19. andrywui ( 26/07/2014 23:16)

Noue:

o'lty wiwi aaa ! ny tél an'lah aza tsy mandeha akory

ka aleo aloha miresaka alika eto l'ty aaa

jereo zao io lazaiko io hoe aleo miresaka alika ahahaha ohatran'hafahafa zany eee


Fa tsisy azo atao andry zalah reo afatsy ny daroka mafimafy oa fa ra entina amn polisy sy tribunal reo de 5% ny chance mampigadra andry zalah ..rah tsy oe avadika amnireo fikan'i Hery reo anga le fitoriana . Fa daroka mafy no rapide de ampilanjaina eran'ny tanana anle fatin alika atao eo andohany .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2709