Azo atao Microcred ve ny Fiangonana Katolika? Ny aty amin'ny Paroasinay izao efa misy manao Micrcred ny Fiangonana, dia ny Pretra manaiky soamantsara!!!
Tsara anefa ny manamarika ry namana fa isaky ny manangana fiangonana katolika iray ianao, na misy fikambanana relijiosy manangana toby iray na hopitaly na sekoly, dia vola ny MACRO cred avy any Vatikanina ireny. Vola tsy omena fotsiny akory fa tsy maintsy averina miaraka amin'ny zanany. Ka anjaran'ireo mpiandraikitra ny fikambanana sy ny diosezy no manao izay amerenana an'io vola nosamborina io amin'ny ampahan'ny rakitra sy ny vokatra ary ny saram-pianarana na ny saran'ny hopitaly alohan'ny isam-batan'olona na tokatrano mampiasa ireo foto-drafitrasa ireo.