Avy taiza ny fisarasaraham-pinoana kristianina hita ankehitriny?Ary iza no ambadikan'izany?

1. mamonjy1 ( 11/07/2014 18:01)
VONINAHITRA HOAN'NY RAY SY NY ZANAKA ARY NY FANAHY MASINA.

Mbola faly indray miarahaba isika rehetra eto ny tenako,Ary mirary soa ihany koa.

Efa an'isany zavatra mampihemotra sy tsy mampivavaka olona maro mihitsy @zao fotoana izao ny fisarasarahana sy fitsotokotokonana misy ankehitriny...Ary tsy omena tsiny moa ry zareo fa mahavery hevitra ny fieritreretana izany..Ao ny mivavaka alahady,ao ny mivavaka Sabotsy , ao ny zoma..Ary na ny fomba fitafy sy fomba fivavahana ary ny zava-pady ary de tsy mitovy,
Nefa de samy milaza azy ho kristianina daholo..Ary baiboly koa dia iray ihany.(Miala tsiny fa ny kristianina ihany no resahiko eto aloha,na dia maro ny finoana eto an-tany)
Ka Rariny ve ny hanekena ny maha kristianina azy raha izany no fandehany.?

Somary hiverina kely @ tantara taloha aloha aho mba hafahako hilaza zay tiako ambara,Rehefa nandevozina ny Israely fahiny tany egipte de Nitaraina mafy izireo,ary Nalahelo azy Jehova ka Naniraka mosesy Hanafaka azy @fanandevozana.
Ary tanteraka izany.ka afaka izy.Kanefa mbola niodina ihany izireo Nandika lalana hany ka Tezitra jehova Ary nanafay sy nandringana azy..
Ary mbola Tsy nahafoy ihany koa Jehova fa nandamina fotoana hahaterahany ilay mesia hanafa ny olona indray t@fanandevozana..Fanandevozan'iza moa izany?Fanandevozan'ota Mazava ho azy.Avy taiza no naviany ota?Avy t@fandikana lalanan'Andriamanitra.
T@androny Adama sy eva dia 1ihany ny lalana nisy.Kanefa rehefa nanota ny olombelona dia Niova 10 ny didy.
Ary mbola manohy ny fahotana ihany isika kristianina ankehitriny hany ka mihatafiditra ny faharatsiana rehetra nohony habeny tsy fan-katoavandalana.
Ka noho zany dia Ny Fitaka aloha no mahalavo ny sasany Aveo ny Tsy Fankatoavana..
Efa nilaza mialoha jesosy hoe :izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay..Dia nataony sasany tsianjery maty fotsiny io teny io ,fa tsy nodinihiny tsara..kanefa iaraha-mahalala fa tsy finoana fotsiny no voalaza @io fa ny fanarahana sy fizorana @ilay lalana.Dia jesosy kristy.
IZA moa Jesosy?Jesosy=Tenin'Andriamanitra=Baiboly..Rehefa mitoetra ao am-ponao ny Tenin'andriamanitra dia tahaka ny hazo eo amorony rano velona ianao ka tsy mba malazo.
Rehefa miaradia @kristy ianao dia tsy anao intsony no velona fa kristy no velona ao anatinao.
Ka hiboiboika anatinao ny fanahin'ny fahamarinana=fanahy masina.
HITA ARAK'IREO TENY REO ARY FA, Ny Tsy Fankatoavan-dalana no nahatonga ny fisaram-bazana ankehitriny.Catholika ohatra de mirehareha hoe:izaho no fiangonana voalohany ka tsy misy marina izay aoriako...fa sekta daholo.
Ary maro koa izay nipoitra tafaran'ny catholika tsy hitanisa intsony aho..
IZA ARY NY AMBADIK'IREO FIVAVAHA MARO SAMIHAFA IZAY MAHAVERY HEVITRA IREO?MOA MBA MISY MARINA IHANY VE IZIREO?
Tiako ny hamerina ny teniny tompo aloha,ahafahako mamaly ireo..Efa nilaza mihitsy jesosy,t@fanoharana ny voa Nafafy..Namafy voa tsara ilay mpamafy,rehefa natory ny olona de Namafy tsimparifary koa ilay ratsy..Ary gaga izireo nony maraina,ka nanao hoe:moa tsy voa tsara va no nafafinao teo tompoko,nahoana no misy tsimparifary?hoy izy ny Tompony..fahavalo no namafy izany..
Hita Arakan'io Teny io, fa Namafy voa tsara i jesosy alohan'ny handeha..kanefa rehefa natory ny mpianatra(Naty ohatra) De tonga Devoly mba namafy ihany koa..
Ny tenin'Andriamanitra anefa tsy levona fa teo ihany..Fa sahala @hoe takona fotsiny..Araka ny teniny apokalipsy hoe,nafindra antany efitra ravehivavy mba hamonjena azy... rehefa nandoa riaka ilay dragona de namonjy an-dravehivavy ny tany ka nitelina ny riaka.
T@ Namonjena an-dravehivafy tany anefitra sy nanafenana azy de nipoitra ilay lehilahin'ota ka milaza ankehitriny ho fiangonana voalohany izy,kanefa nanararaotra fahalemena nisy izy ka nitsangana ary nanao azy ho Andriamanitra mihitsy ary mitaingina bibidia.
Ary izay nipoitra avy t@ny de nakanaka tahaka azy ka nanjary sektany.
Devoly ary no ambadikan'ireo zavatra ireo,izay namafy ny tsimparifary tao Roma t@fotoana androny..

Ary tiako ny hilaza fa tsy ny ratsy ihany no misy Ankehitriny,na dia eo aza izany rehetra izany dia misy foana ny tena Marina..
ARY NY MARINA TSY MBA MATY..
AMENE.

novalian'i endriny ny 13/07/2014 04:33
2. endriny ( 12/07/2014 04:16)
Ho ahy izany dia tsy mahagaga ahy raha misaratsaraka ny finoana kristianina, satria ny fototra kristianina mihintsy aloha no efa tsy misy fa noforonina fotsiny. I Jesosy izay fototry ny filozofia kristianina mantsy dia tsy nampaniraka na nibaiko ny olona na ny mpianany hitory azy, fa naniraka kosa ny hitoriana ny fanjakan'Atra, izay hoe Rainy.
Noho izany amiko, ny finoana hoe kristianina dia efa tsy mitombina, satria izy tenany no efa niteny. Izy tsy niteny hoe mandehana tantarao eran'ny vazatany ny momba ahy kristy, fa hoe mandehana ka torio ny fanjakan'Atra.
Noho izany ary, dia tsy mahagaga raha misavoritaka ireo mpanaraka ity fotom-pinoana ity, satria fotom-pinoana tsy misy fototra marina izy ity, fa fotom-pinoana nentina nandaminana ny savorovoro tany eraopa nandritry ny arivo taona ihany.
Taty aoriana dia nisy ihany koa ny nahatsapa fa tsy ilay kristia akory no mila toriana ka dia niova hoe temoin de Jehovah ry zareo.
Ny olana indray anefa ankehitriny dia kay ilay teny hoe Jehovah ihany koa kay tsy midika hoe Atra, dia indreo indray ny rehetra fa mangataka amin'ny Silamo sy ny Ziona mba hampiasa ny anaran'ny Atr'ireo ny Kristianina sy ny Temoin.
Ny mahavariana dia rehefa mamaly ny fanontaniana ny namana hoe: "iza no nampisaraka ny fiangonana?" Dia ny valy nomeny hoe :"Devoly". Ny olombelona no manao ny ataony dia ilay Devoly mamitsaka tsara ary an-davaky ny haizina ary no tondroiny nanao ny hadisoany. Fa maninona raha nanonona hoe Luther, Mormon, sns
3. mamonjy1 ( 12/07/2014 12:53)
endriny:
Fa maninona raha nanonona hoe Luther, Mormon, sns

Tsara fipetraka mihitsy ny fanontanianao,kanefa zao ary..
Ilay Nahary dia Jehova araka ny teniny ao @baiboly,izany no Anarako hoy izy.
JEHOVA =Mahato ny fikasako,Raha adika ny heviny.
Hoy Jehova ,tsy hiverina @ko ny Teniko ,raha tsy efa mahatanteraka ny sitrapoko.
Teniny dia jesosy.Izany no nilazan'ny jesosy hoe,tsy ny mofo ihany no mahavelona fa ny teny Rehetra izay lazain'An/tra mahavelona avokoa.
TENY=JESOSY=JEHOVA NO MPAMOMJY ,Izany no heviny
Hatramin'ny voalohany ny Teny,Ary ny Teny teo @An/tra,Ary ny Teny dia An/tra.
Hita Arakan'io teny io Fa mazava ny Adiresy izay ivavahan'olombelona tsy misafotofoto mihitsy,fa ny mahavery hevitra ny maro dia ny tsy fahatakarana ny hevitrin'ny Teny.
Hitantsika fa mizara Telo lehibe ny fiainan'ny zanak'olombelona.
Ary ampianarina any an-dakilasy mihitsy izany hoe:ANKEHITRINY,TALOHA,ARY HO AVY.
AVY TAIZA NO NAHATONGA AN'IO??
Avy t@ ilay nahary..SATRIA IZY MIHITSY NO MILAZA ANY @APOKALIPSY HOE:IZAO NO LAZAINY ILAY MIPETRAKA EO AMBONINY SEZA FIANDRANANA ..ILAY TALOHA SY ANKEHITRINT ARY HO AVY.
Ka tsy mahagaga raha mizara telo ny fiainana.Ary miovaova ny Anarany,fa ny tenany tenany ihany.Misy fanontaniana navoakan'ny Temoin de jehova any manao hoe:An/tra ve jesosy kristy??
Eto Dia tiako ny hanambara ry havana Fa Andriamanitra tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay.
T@Anarany hoe:jehova no namonjena ny vahoakan'israely fahiny.Ary tononina mihitsy io anarana io mba ahazoana famonjena sy valimbavaka.
T@Anarany hoe Jesosy Kosa no Nahazoana famonjena t@androny apostoly sy ny ondry hafa,Ary mitohy Mankaty Amintsika izany @Alalany fanahy masina.Miseho @endrika telo ny famonjena JEHOVA(Taloha)JESOSY(Ankehitriny)FANAHY MASINA (Ho avy)Ary efa eo @ilay hoe ho avy isika zao,Satria mangataha @Anarako hoy jesosy fa Homeko anareo ny fanahy masina,Kanefa iza no manana fanahy masina afa-tsy An/tra .FA TSY MISY ANDRIAMANITRA TELO FA IRAY IHANY.FA MISEHO @ENDRIKA TELO IZY.IZANY NY NILAZAN'NY JESOSY HOE MAHAZO FAMELANKELOKA IZAY MITENY RATSY NY ANARAKO,FA TSY MAHAZO FAMELAN-KELOKA IZAY MANOTA @FANAHY MASINA..NAHOANA?SATRIA IO FANAHY IO NO IRAHINA FARANY @ZAO FOTOANA IZAO, ARAKA IZAY VOASORATRA HOE:@ANDRO FARANY NO HANDATSAHAHAKO NY FANAHIKO @NOFO REHETRA,KA HAHITA FAHITANA NY MAHITA FAHITANA ARY HANONOFY NY ZATOVONAREO ARY HAMINANY NY MAMINANY.EFA TANTERA AN-KEHITRINY IO TENY IO,ARY MARO NY MILAZA @ZAO FA TSY TOKONY HISY FAHAGAGANA @ZAO,TSY TOKONY HISY MPAMINANY,NA FAHITANA..FANGAHA MOA VOAFETRANAO NY HERIN'ANDRIAMANITRA,KA NY MAIZINA IHANY NO MANJAKA...MAHATOA MISY NY MAIZINA,MISY KOA NY MAZAVA,SANDOKA,TSY SANDOKA,TSIMPARIFARY,VARY.TSARA SY RATSY.RAHA ETO AN-TANY DIA TSY MAINTSY MISY REO.
EFA VITA NY MISSION'ANDRIAMANITRA TALOHA T@ANARANY HOE JEHOVA,DE NIOVA HO JESOSY KOA NY ANARANA AHAZOANA FAMONJENA,FA ILAY NAHARY IHANY NO AMBADIKAN'IO.
ARY BAIKONY IZANY.HOE MINOA AZY..ARY VOASORATRA AO @BAIBOLY MIHITSY FA TSY MISY ANARANA AHAZOANA FAMONJENA AFA-TSY NY ANARAN'NY JESOSY.
Ka mazava arak'izany ny atao hoe kristianina sy kristy ary ny fanjak'An/tra.
Jesosy no mpanjakan'ilay fanjakana Ankehitriny Any Andanitra,Ary izay te hanjakany de tsimaintsy manda zao tontolo zao,satria tsy anisan'ny ity tontolo ity ny fanjakany.
ka ny kristianina Ary de ireo olona Momba ny fanjakan'ny lanitra.zany hoe:jesosy No filoham-pirenena fidiny.
Izany No antony Nandehanany Jesosy teto an-tany,mba hanambara sy hanao propagandiny fitondrany sy ny fanjakany,ka Nandatsaka ny Rany mihitsy izy mba hamonjena izay mino sy izay te ho any @tontolony.

Ka hoy aho hoe aoka tsy ho mafy hatoka isika,ka hanaiky azy,satria efa nomena azy ny zavatra rehetra @zao fotoana izao ary ho azy izany.




4. endriny ( 13/07/2014 04:33)

mamonjy1:

Ary de ireo olona Momba ny fanjakan'ny lanitra.zany hoe:jesosy No filoham-pirenena fidiny.


Dia somary diso angamba aho hilaza aminao ry Mamonjy1, fa I Jesosy tsy nitsangana ho filoha ary tsy nilaza fa filoha, fa ho azy dia ilay Rainy, izay noheveriny fa any an-danitra no filoha sy tompom-pahefana, fa na izy Jesosy aza tsy mahalala ny andro farany.

Faharoa hoy izy hoe: Izaho no lalana sy fahamarianana ary fiainana, tsy misy mankany amin'ny ray raha tsy amin'ny alalako. MAzava be ny teniny, satria izy dia nilaza fa izy no mesia, ka hofaty izy mba andehanan'ny olona any amin'ny Rainy. Fa raha tsy maty teo izy dia tsy nisy afaka nandeha nankany.

Dia taiza ho aiza teo izy no niteny hoe izy no Filoha?

Dia avy taiza ny fisaraham-pinoana Kristianina ? Ary iza no tao ambadika?

Tsotra ny valiny, avy tao eraopa ary ny samy eraopeanina ihany no tao ambadika... Aza asiana safary hoe avy amin'ny DEMONIA na SATANA... fa nisy olona sy antokon'olona ary mpitondra tompon'andraikitra tao.

Maninona ny firenena aty eraopa atsimo rehetra no katolika, dia maninona ny tavaratra rehetra no protestanta, ary ny tatsinanana rehetra ortodokisa? Anjaranao no mamaly..

Fa ho ahy paikady politika daholo izany, fomba fifehezana ny ondry daholo izany...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1892