Ny fivavahana dia paikady politika 2

1. endriny ( 11/07/2014 15:23)
http://classiques.uqac.ca/collection_documents/louis_XIV_roi_de_France/code_noir/code_noir.pdf

Santionany taty amin'ny andro aorianan'ny nahafatesan'i Jesosy, ary mbola hitantsika ny firotsahan'ny fiangonana amin'ireny savorovoro politika ankehitriny ireny.
novalian'i endriny ny 25/07/2014 05:23
2. rhaj0 ( 11/07/2014 15:46)
Sao indray hoe, ny Fivavahana (kristiana) dia "inspiration" ho @ ireo paikady politika ireo.

Satria toa ny "paikady" (sasany) ao anaty Baiboly ao ihany no averina ampiharin-dreo @ ataony ao.
3. endriny ( 12/07/2014 04:02)
Tsy maninona na hoe naka inspiraka aza ny fivavahana, fa ilay fivavahana hatramin'izay dia nentina nanasana ny lohan'ny olona mba hirona amin'ny fehikevitra politika iray. Ny Andriamanitry Mosesy izay nolazaina fa an'i Abrahama Rainy dia nentina nibaiko ny Jiosy hikomy tamin'ny Egiptianina, nentina namono ny filistina, nentina namono ilay Atra Baala. Dia nentina nandroba ny fanjakana tany amin'ireo lazaina fa fanjakan'ny helo sy ny fahamaizinana, ka an'isan'ireo I Afrika, Amerika, Oseania..
4. rhaj0 ( 12/07/2014 11:32)
Ekena..

Raha ny fahazoako azy ho'a, dia @ izao andro maoderina izao, na koa t@ izay arivo na roa arivo taona farany izay, dia fakana aingam-panahy ("inspiration") ny Baiboly @ ady, na ady politika io, na ady fanjanahana sy fanandevozana io, na koa @ adim-piainana ankapobeny io :

- nakana hevitra avy @ ireo ady voarakitra ao @ Baiboly, sy indrindrindrindra

- nakana herin-tsaina sy (namonoana) ny eritreritra ary nanamafisana ny fo ny soratra ao @ Baiboly. Rahefa maka recul ianao izao, dia ahoana moa no anekenao izao fa herisetra (violence, killings) no ekena fa vaha-olana (politika), ary ny Baiboly no entina manamafy izay fanapaha-kevitra (politika) izay (h@ fananjanahana sy fanandevozana ka h@ ady @ homosexoaly izao io)


Fa rahefa mamaky ireo ady voarakitra ao @ Baiboly, dia ahoana tokoany azany no aneken'ny eritreritra izao, fa ireo Ejiptiana ohatra, izy mianakavy h@ antitra sy ny zaza menavava, dia mendrika ny ho ringanina, ny ho faty...


T@ ireny mbola nafana faramparany ireny ny ady mangatsiaka, 20 sa 30 taona lasa izay, dia nihira I Sting :
" ... the Russians love their children too."


Ka io ho'a dia hoe... tena "tsisy asiana antra (sa a.tra)" mihintsy ve izy ity e ?...

Ireto misy fehezan-kevitra notsongoiko avy @ Sting io ho fampieritreretana...
- "feeling of hysteria Conditioned to respond to all the threats In the rhetorical speeches"
- "There is no monopoly in common sense..."
- "We share the same biology Regardless of ideology"


5. endriny ( 13/07/2014 04:21)
Isika sy ianao ihany moa no mifanjinja eto,

Fa izay ange no ilazako paik'ady politika ny Baiboly e. Io tsy hoe vao tao anatin'ny 2000 taona monja, fa eny fa na hatramin'ny 1000 talohan'ilay Kristy aza. Aza adino fa nisy ny testamenta taloha, izay mitantara ny hoe ahoana no nitondrana ny politika Jiosy na Jodeanina talohan'ilay Kritsy. Politika izay nifototra manokana tamin'ny fampanompoana ny vahoaka an'ilay Atr'i Abrahama, izay nentina nampitahorana ireo rehetra tsy manaja ny didy folo, na tsy Mankato izay lazain'ny mpanjaka toa an-dry Davida na Isalomena.

Efa taty aoriana, vao tonga saina ny olona fa diso mibaribary loatra ny fanerana ataon'ny fiangonana, indrindra ny Katolika, teo amin'ny politikam-pitantanana ny firenena ka nahatonga ilay Zezoita iray nanangana ny masaonika.
6. endriny ( 16/07/2014 06:26)
Raha eo amin'ny politika'ny fampianarana izao. Dia tsy manaiky ny hampianarana ny ankizy ny amin'ny evolution na fivoarana ny fianarana tantanan'ny Katolika. Dia tsy hitan'ny fanjakana ny atao...

Manerana an'Afrika, dia manda mafy ary manery mihintsy ny mpiangona ao aminy na ireo dokoterany ny Katolika mba tsy hampiasa kapaoty na hitarika olona hampiasa kapaoty. Satria hono ny kapaoty tsy mahaaro amin'ny aretina sida akory. Dia misy statistika lava be noforinina mihintsy mba hampino ny olona amin'ny tsy fampiasana kapaoty, fa ilay hoe tsy fijangajangana ihany no vahaolana.

Mora tenenina e
7. endriny ( 25/07/2014 05:23)
Ahoana no fomba nahazoan'i Davida ny fanjakana?
Ahoana no nahazoan'i Mosesy ny fahefana hitarika ny Israelita handosotra avy any Egipta? Raha tany koa ry zareo, satria dia sahirana mihintsy mantsy ankehitriny ireo mpikaroka mpanohana ny baiboly, mitady ireo rakitra manamarina fa tany marina ry zareo no nandevozina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2392