Ho lasa paradisa ve ny tany ?
1. Tefigasy
(
01/07/2014 05:40)
Nisy filazana manjo tamin'ny gazety midi-madagasikara ny 14 jona teo afaka jerenao ato:
http://www.midi-madagasikara.mg/necrologie/2014/06/14/necrologie-du-14-juin-2014/
Ny tiako tsindriana ao anatiny dia ito teny ito hoe "Manantena izahay fa hihaona aminy rehefa hatsangana amin'ny maty izy ka ho lasa paradisa ny tany."
Any am-pamaranan'ilay filazana manjo dia napetrak'izy ireo fa avy ao amin'ny tilikambo fiambenana no fototra nihaviany.
Ny fanontaniana apetraka ary , raha ny baiboly no hiangana dia hoe
- ho lasa paradisa tokoa ve ity tany ity ?
- Miandry sy miankina amin'ny fitsanganan'ny maty ve vao hahita izany paradisa izany ?
Avy amin'ireo fanontaniana ireo no hanatsoahintsika ny toerana misy izany paradisa izany sy ny lalan-kalehan'ny olona aorian'ny fahafatesana .
Manasa anao handray anjara ary aho aloha !

novalian'i rhaj0 ny 07/07/2014 15:06
2. endriny
(
02/07/2014 09:40)
Ny vavaka nampianarin'ilay kristy angamba dia efa mahavaly an'io koa... Ety an-tany tahaka ny any an-danitra... Izany hoe efa paradisa ny tany...
3. rhaj0
(
02/07/2014 17:39)
Genesisy 1:28:
... ary manjakà amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ ny tany.
Dia noraisin'ny ... kristiana (tandrefana) ara-baki-teny tokoa moa ny Didy ary dia .. io "manjaka" (sa manjakazaka) io zareo; ary dia io no niafaran'ny eto an-tany : resaofema klimatika..
Ny aty zamerika izao, ireo droite religieuse, dia milaza fa tsisy izany resaofema klimatika izany, fa io izay mahasoa nataon'A/tra io no misy, ary efa nameny alalana hanjaka eto raolona...
Ka tsy ho lasa paradisa ny tany re fa ho lasa ... "helo" e... io efa miha-mafana io..
Nefa ny amerindiana ohatra tena manaja ny tontolo.. Ny ampianariko an-janako izao dia hoe, manaova toa ny amerindiana, aza mamela trace @ nandalovanao fa hajao ny nandalovanao (fa TSY hoe anjakao na anjakazakao). Ohatra hoe, rahefa mibalady any an'ala izao, dia tsy anjakazakana (dakadakana sy itsakitsahana...) daholo izao lalovana... na hoe "anjakana", ka izay tiana dia alaina..
4. Tefigasy
(
04/07/2014 14:01)
Isaorako ianareo nandray anjara, nitondra fomba fijery hafa, ary mbola mamporisika ny hafa ihany koa. Alohan'ny hitondrako ny valin'ilay lohahevitra naroso - raha ny baiboly no anontaniana tsara - ary dia aleo aloha hanisy fehezan-teny fohy mikasika ireto aho :
Rehefa mihaino na mijery fehezan-teny ianao dia arahina tsara hoe aiza moa io teny io no tokony mitapaka na mifarana fa lasa diso tanteraka ny heviny raha eny amin'izay tiana hanapahana azy no tapahina ilay fehezan-teny.
Eto dia izao no voasoratra ao amin'ny Mat.6:10 "Hatao anie ny sitra-ponao eto an-tany tahaka ny any an-danitra"
Ny sitrapon'Andriamanitra no "sujet" ary ny toerana fanaovana izany no faritan'ny hoe eto an-tany tahaka ny any an-danitra. Ny tahaka dia tsy midika mihitsy hoe "mira". Raha miteny aho izao hoe "baolina boribory tahaka ny voatavo" dia hiteny ve ianao hoe voatavo ny baolina ?
Ka hoy aho hoe, tsy dia mitondra any amin'ilay fijery ny paradisa sy ny mombamomba azy loatra ilay "texte" lazain'ity vavaka eto ity.
Efa novalianao moa izany hoe tsy ho lasa paradisa ny tany, fa midika koa ve anefa izany fa ho lasa helo ny tany ?
[/quote]
Ohatran'ny manahy ihany aho, ary alaim-panahy hiteny hoe : toa lasa ataonao sampy ireto amerindiana ireto ny farany raha izao no mitohy, sa efa izany mihitsy ? (HS kely iny)
endriny:
Ny vavaka nampianarin'ilay kristy angamba dia efa mahavaly an'io koa... Ety an-tany tahaka ny any an-danitra... Izany hoe efa paradisa ny tany...
Rehefa mihaino na mijery fehezan-teny ianao dia arahina tsara hoe aiza moa io teny io no tokony mitapaka na mifarana fa lasa diso tanteraka ny heviny raha eny amin'izay tiana hanapahana azy no tapahina ilay fehezan-teny.
Eto dia izao no voasoratra ao amin'ny Mat.6:10 "Hatao anie ny sitra-ponao eto an-tany tahaka ny any an-danitra"
Ny sitrapon'Andriamanitra no "sujet" ary ny toerana fanaovana izany no faritan'ny hoe eto an-tany tahaka ny any an-danitra. Ny tahaka dia tsy midika mihitsy hoe "mira". Raha miteny aho izao hoe "baolina boribory tahaka ny voatavo" dia hiteny ve ianao hoe voatavo ny baolina ?
Ka hoy aho hoe, tsy dia mitondra any amin'ilay fijery ny paradisa sy ny mombamomba azy loatra ilay "texte" lazain'ity vavaka eto ity.
rhaj0:
Ka tsy ho lasa paradisa ny tany re fa ho lasa ... "helo" e... io efa miha-mafana io..
Efa novalianao moa izany hoe tsy ho lasa paradisa ny tany, fa midika koa ve anefa izany fa ho lasa helo ny tany ?
[/quote]
rhaj0:
Nefa ny amerindiana ohatra tena manaja ny tontolo.. Ny ampianariko an-janako izao dia hoe, manaova toa ny amerindiana, aza mamela trace @ nandalovanao fa hajao ny nandalovanao (fa TSY hoe anjakao na anjakazakao).
Ohatran'ny manahy ihany aho, ary alaim-panahy hiteny hoe : toa lasa ataonao sampy ireto amerindiana ireto ny farany raha izao no mitohy, sa efa izany mihitsy ? (HS kely iny)
5. rhaj0
(
04/07/2014 14:53)
Inona no hoe "sampy" ? Aza miala @ Rakibolan'i Hery
[size=10]1 a.: Tany am-boalohany, fanafody nofonosina tapa-damba dia nasiana tady randrana lavalava mba hahazoana "misampina" azy, ka ny nikendren'ny ntaolo azy tamin'izany dia ny hiaro amin'ny valan'aretina toy ny sery, kohaka, aretin'andoha. - Taty aoriana, zavatra (tapakazo) natao fitokiana sy hianteherana ka nivavahana: Ikelimalaza no nalaza indrindra tamin'ireo sampin'andriana.[/size]
Ka inona re ry Tefigasy no hidiran'ny "toe-tsaina lalina" eo @ Amerindiana manaja ny tontolo sy io famaritana io ??

6. Tefigasy
(
07/07/2014 06:11)
rhaj0:
Ka inona re ry Tefigasy no hidiran'ny "toe-tsaina lalina" eo @ Amerindiana manaja ny tontolo sy io famaritana io ??
Mahafinaritra rehefa tsy raisinao ho sampy ilay izy fa na izany aza misy fampitandremana kely ihany ito : Kol.2:8 "Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao , fa tsy araka an'i Kristy ."
Fa hiverenako amin'izay ny lohahevitra:
- ho lasa paradisa tokoa ve ity tany ity ?
Na dia nomanin'Andriamanitra hifaneraserany sy hiarahany amin''ny olombelona izay noforoniny aza ity tany ity, rehefa lavo tao anatin'ny fahotana sy ny fanoherana Azy izany olombelona izany dia simba ilay tontolo mahafinaritra izay nataony: tonga i rafahafatesana sy i rafahalovana vokatr'i rafahotana. Ambaran'ny baiboly any amin'ny fanekena taloha fa nisy tanana maromaro tena nopotehin'Andriamanitra mivantana mihitsy noho io fahotan-draolombelona io ihany (toetra ratsy tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra, fijangajangana, firaisan'ny samy lahy sy ny samy vavy, ...). Ary hamafisin'i Jesoa Kristy izany aty amin'ny fanekena vaovao fa tsy maintsy ho levona ity tany sy lanitra izay hitantsika ankehitriny ity ( Mat.24:35, Mat.13:31, Lio.21:33 )
Jesoa Kristy raha nidina tety an-tany, dia ny hanamboatra ilay fahariana vaovao indray no tanjony satria tafiditry ny fahotana ilay fahariana voalohany. Tsy hoe nidina tety an-tany Izy mba hanao "reparation" an'izay simba sy tsy metimety tety fotsiny, tsia, fa ny hibata anao hiala amin'io tontolo misy anao io no tanjony, mba hahazoanao miaina ilay fianana mandrakizay izay ao aminy ary nampanantenainy ny mpianany fa ho azony manontolo rahatr'izay tonga any amin'ilay toerana atao hoe paradisa izy ireo.
Ilay jiolahy, mpanota nombohina niaraka taminy teo amin'ny hazofijaliana dia tena nampanatenainy tokoa fa hihaona Aminy any amin'ny paradisa izay tamin'io andro io ihany. Midika izany fa tsy eto amin'ity tany ity intsony ilay paradisa fa any amin'ny toerana hafa mihitsy, ary tsy lavitra koa anefa satria Jesoa dia niteny tamin'ilay jiolahy hoe "anio no hionanao amiko any paradisa". Ny hoe anio eto dia mbola tena ao anatin'ny faritry ny fanisan'andron'olombelona tanteraka. Izany hoe rehefa miala eto an-tany izany ny olombelona iray dia tsy miandry elabe vao tonga any amin'ny paradisa fa amin'iny andro iny ihany dia afaka ny ho tonga any izy raha mahita varavarana.
Ajanoko hatreo aloha fa jerentsika amin'ny manaraka ny lalana mankany amin'io paradisa io, ny toerana misy an'ioparadisa io, ny fiainana ao amin'io paradisa io ary ny hamaranana azy dia ny lalan-kalehan'ny olona aorian'ny fahafatesana !
7. rhaj0
(
07/07/2014 12:51)
Tefigasy:
Kol.2:8 "Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao , fa tsy araka an'i Kristy ."
wow... dia tena akatonareo ny varavaran(-tsaina) anareo ao izany. Io izany ilay raisin'ny sasany ara-baki-teny ary dia TSY ekeny bontolo tsotra izao,
- na ny fampianaran'ny Bodista ohatra (nefa ny Bodista tena mahay miaina ary mahay ny ho "zen" be, fa ry kristiana sasany efa mipapapabe nefa mbola tsy mety "zen" ihany)
- na ny "abidim-pianarana" an'ny Siansa sy ny fitsaboana ohatra
Io ho'a ry Tefigasy dia nety raha ohatra ka mbola samy nikatona tao @ vohitrakeliny tao raolona, ary dia izay lazain'ny olombe sy ny Boky dia inoana daholo. Izao efa misy ny interinety, ary voazara sy takatry raolona daholo ny "filozofia sy abidim-pampianaran'izao tontolo izao" izay tena mahatsara ny fiainana (fa tsy takatry ny kristiana tao middle east tamin'ny fotoan'androny)...
Fa nijereko indray ny The Bible re ry Tefigasy, dia mba jereo anie e... fa dia ho araky ny hiran'i Henri Ratsimbazafy foana izy ity, dia hoe
"Iza... Iza no Tianao... ny The Bible sa ny Baiboly"
Kolosiana 2.8 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, fa tsy araka an’ i Kristy.
Colossians 2.8 See to it that no one takes you captive through hollow and deceptive philosophy, which depends on human tradition and the elemental spiritual forces of this world rather than on Christ.
Colossiens 2.8 Prenez garde que personne ne fasse de vous sa proie par la philosophie et par une vaine tromperie, s'appuyant sur la tradition des hommes, sur les rudiments du monde, et non sur Christ.
Aiza no itovizan'ny
- ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, sy ny
- elemental spiritual forces of this world
Ny an'ny Anglisy dia ny 'spiritual' IHANY. Ny anareo sy ny Frantsay dia hotry ny akapokareo ao daholo ao ny zava-drehetra..
Fa dia ianao irery ihany no hanakato-tena ao re ry Tefigasy fa ny hafa rehetra (indrindra ny tanora) dia .. ho lasa eee....
8. rhaj0
(
07/07/2014 13:04)
Dia io koa dia mba jereo tsara fa mba mitovy ve
- ny 'tradition des hommes' sy ny 'human tradition'
- ny 'fampianarana voatolotry ny razana'
'Fomba amam-panaon-draolona' no lazain'ny Anglisy sy Frantsay fa TSY 'fampianaran'ny razana'.
Tena hotry ny tonga dia mamely mafy ny 'Razana' ilay mpandika teny ho an'ny Malagasy satria ny Malagasy dia fatra-panaja ny Razana..
Dia tena ho arianao ve izany ry Tefigasy ny fomba sy fisainana Malagasy ?
[size=8](hi hi hi ... mety mila miova anarana ianao raha izany.. .Tefivazaha...)[/size]

9. Tefigasy
(
07/07/2014 13:08)
rhaj0:
Fa dia ianao irery ihany no hanakato-tena ao re ry Tefigasy fa ny hafa rehetra (indrindra ny tanora) dia .. ho lasa eee....
Dia ndana mandeha any ary e, izaho koa anie tsy manakana izay te handeha fa nomarihiko fotsiny hoe "ho fampitandremana"
10. rhaj0
(
07/07/2014 13:20)
Eka... dia tena ho ianao 'irery' marina izany no ho lasa any amin'ny ... 'paradisa' any.. tsisy any ny Razanao, tsisy any ny Zanakao...
11. Tefigasy
(
07/07/2014 13:21)
rhaj0:
Eka... dia tena ho ianao 'irery' marina izany no ho lasa any amin'ny ... 'paradisa' any.. tsisy any ny Razanao, tsisy any ny Zanakao...
Tsy ianao no mandahatra izany fa Kristy sy ny safidin'ny tsirairay !
12. Tefigasy
(
07/07/2014 13:24)
rhaj0:
Dia tena ho arianao ve izany ry Tefigasy ny fomba sy fisainana Malagasy ?
Tsy ny fomba fisainana Malagasy ihany no ariako fa ny filozofia maneran-tany izay tsy mifanaraka amin'ny drafitr'ilay Andriamanitro ! Tsy misy an'ilay hoe ity metimety amiko dia tazomiko, ity tsy metimety amiko dia ariako. Tsy toa izany ny atao hoe finoana an'i Kristy fa na dia ny zanaka nateraka aza no asain'Andriamanitra atao sorona (voir histo Abraham) dia atao izany satria izay no sitrapony. Tanimanga eo am-pelatanan'ny mpanefy aho ka tsy izaho tanimanga mihitsy no andeha hibaiko ny mpanefy hoe tsy tiako tiako izao hanaovanao ahy izao fa .......
Kristianina aho aloha vao malagasy ; fa tsy malagasy aloha vao kristianina. Saingy ilay anarana hoe Tefigasy dia pseudo otran'ny hoe babakoto na rajako fotsiny ihany iny fa tsy dia mitondra mankaiza akory izany na ataoko hoe voalavo ary ny anarana hoetiko eto. Zava-boahary nataon'Andriamanitra daholo izany ka tsy dia hitako loatra ny olana sady hitany ny hatsarany.
13. rhaj0
(
07/07/2014 14:13)
Tefigasy:
Kristianina aho aloha vao malagasy...
wow... tena nivanaka aho in-1 mandeha rahefa naheno toatoa an'io tao Montreal am-polo taonany lasa izay. Ny voalaza tamin'izay azany dia toatoa ny hoe, tsisy resaka Gasy na Fihavanana ny ivoriana eto fa resaka Fiangonana/A.tra/Finoana... Kay izany efa tena 'normal' izany aminareo...
Tefigasy:
... na dia ny zanaka nateraka aza no asain'Andriamanitra atao sorona (voir histo Abraham) dia atao izany satria izay no sitrapony...
Dia koa hoe na ny zanakao (na ny reninao) izany ho lazaiNY (araka ny faharenesaNAO azy ao) ho atao 'sorona' dia ataonao...
Ilay itsy ambony moa safidinao, ka dia anao ao izany. Fa ity farany ity, raha misy maninona maninona ny zanakao (na reninao) ao re ry Tefixxxx, dia tena ho tazaomin'ny fiaraha-monina ho tompon'andraikitra (eo anatrehan'ny lalana velona) ianao... tandremo eee....
14. rhaj0
(
07/07/2014 14:23)
Tefigasy:
Tsy misy an'ilay hoe ity metimety amiko dia tazomiko, ity tsy metimety amiko dia ariako. Tsy toa izany ny atao hoe finoana an'i Kristy...
io indray aloha ry Tefigasy dia, raha ny fahazoako azy, dia tena hoe 'anao irery' ao izany, fandikana manokana (interpretation) ary safidiNAO manokana irery ao izany.
Izaho kosa dia mampirisika ny olona rehetra, fa aza mba fendrofendroin'ny hotr'io rey olona fa Izy anie ka tena comprehensif e...
Korintiana I 7:6 Tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka. 7 Satriko aza manao tahaka ahy avokoa ny olona rehetra; nefa samy manana izay fanomezana manokana nomen'Andriamanitra azy avy moa, ka ny iray toy izao, ny iray kosa toy izany.
15. Tefigasy
(
07/07/2014 14:25)
rhaj0:
Fa ity farany ity, raha misy maninona maninona ny zanakao (na reninao) ao re ry Tefixxxx, dia tena ho tazaomin'ny fiaraha-monina ho tompon'andraikitra (eo anatrehan'ny lalana velona) ianao... tandremo eee....
Jesoa Kristy niafara tamin'ny famatsian'izao tontolo izao Azy teny amin'ny hazofijaliana, ny apostoly niafara tamin'ny famonoana ho faty, ry rasalama niafara tamin'ny fandefonana, ry rafaralahy niafara tamin'ny fanipazana azy teny am-pamarinana, ry stefana niafara tamin'ny tora-bato, ...... tsy ampy ny page forum eto raha tanisaiko eto daholo ny fahoriana sy ny hazofijaliana netin'ny kristianina teto amin'ity tany ity. Efa tsy mahagaga anay intsony izany ka tsy hampihotsina ny tenako ihany koa na kely aza, sady efa nilazana mialoha ny amin'izany izahay fa aza manahy ianao!
Ary raha mikasika ny ankohonako indray dia efa an'i Kristy daholo izahay ka tsy hisy hifanipaka ankarona izany na iray aza fa rehefa izay no sitrapon'ilay nahary dia tsy misy an-tery fa manao sy manantanteraka izany antsitra-po tanteraka ihany koa! Taperiko eto ny ahy ny HS-ko fa mbola afaka manohy ianao, saingy tsy hamaly anao intsony aho raha tsy mikasika ny lohahevitra tiana ampitaina izany !
16. rhaj0
(
07/07/2014 15:06)
Ekena fa dia miandry azany aho e... arak'hoy Tselonina hoe "Aiza Izy Izayyy..."
Tefigasy:
...tsy eto amin'ity tany ity intsony ilay paradisa fa any amin'ny toerana hafa mihitsy, ary tsy lavitra koa anefa...