hena baolina sinoa

1. mimi ( 30/06/2014 08:40)
sao dia mba misy afaka hanome ahy ny fomba fanamboarana henabaolina sinoa ireny ilay ohatrany hataony amin'ny rano fa tsy ilay endasina, eny e fa tsy maninona koa raha somary endasina kely dia misaotra mialoha e!
novalian'i bichette ny 10/06/2015 15:26
2. booboo ( 01/07/2014 13:50)
Ny ahy ny fanaovako azy, manao henabaolina tsotra (bozaka isa-karazany, sakamalaho voatoto; champignons noirs sns) klou. Dia na andrahoina à la vapeur, na endasina kely. Rehefa avy teo vao andrahoina miaraka @ sauce soja sucrée (marihitra izy), sauce aux huîtres, sauce yakitori, dia sauce wok. Afaka asianao ro (bouillon) koa raha tianao. Raha mandranoka loatra dia asio maïzena kely fotsiny amparihidrihitra azy. Izaho tsy manisy sira mihitsy fa efa masira aby ireo sauces ireo, dia mbola asiako épices hafa miaraka @ ilay sauce avy teo fa araka² izay tianao ihany.

Ny an'ilay namako sinoa, asiany siramamy mena miara-andrahoina @ ilay sauce.

Fa mety koa na sauce soja sy sauce aux huîtres fotsiny no ampiasaina.
3. ora ( 03/07/2014 12:18)
andramo izao lazaiko izao fa tsy fantatro rah toa izao ilay tena hanontanianao na hafa: mazava ho azy mila tanana madio satria miasa mafy ny tanana eto, ny toto-kena ampiasaina dia ilay tena faran'izay malemy (misy mantsy somary vaventy ny toto-kena), ny sira sy izay epice tianao afangaro aminy dia tonga dia ampifangarohy amin'ilay toto-kena malemy io, asio atody sy lafarinina arakarak izay hitanao fa mampiraikitra ilay izy, rehefa vita izany dia raiso amin'ny tananao ilany ilay fifangaroan'ireo totokena sns dia somary ohatran'ny potserina , amin'izay fotoana izay mipotsaka ery ambony eo anelanelan'ny ankihibenao sy ny fanondronao ilay izy, alaivo amin'ny sotro iny mipotsaka iny dia arotsahy amin'ny rano efa mangotraka eo am-patana (izany hoe efa mampangotraka rano amin'ny vilany saba ianao eo ambony fatana), izay voapotsitrao ami'ny tanana dia arotsaka anatin'ilay vilany saba. Mety na maromaro aza izy no ao antin'ilay vilany. Dia mazotoa ary mba antsoy zah hihinana raha tafa e
4. mimi ( 09/07/2014 07:37)
misaotra betsaka ry zareo fa dia samy fahandro tiako atao daholo ireo e na ilay natolotry booboo na ora misaotra e!
5. ora ( 09/07/2014 10:50)

[quote=mimi]
misaotra betsaka ry zareo fa dia samy fahandro tiako atao daholo ireo e na ilay natolotry booboo na ora misaotra e!

tsy vitan'ny fisaorana fotsiny kosa izany an, resaka sakafo io noho izany miandry lay invitation izahay mba hiaraka hanandrana ny tsirony, sa ahoana booboo??
6. booboo ( 15/07/2014 14:14)
eka ouz. Na alefaso ato hoe ny sarin'ilay motika vita ry Mimi ;-)
7. ora ( 17/07/2014 06:46)
toa mody tsy mamaly ndray mimi zany e, SAROTRA AN-KANINA KAY an
8. mimi ( 19/07/2014 08:34)
Tsy sarotra an-kanina izay fa mbola tsy dia mety ary ilay izy an!tsy haiko na fatrany lafarinina no tsy mapety azy an! aleo rehefa mijajika tsara dia asiako potiny kely eto e!
9. bichette ( 10/06/2015 15:26)
raha azo atao, aleo eviter-na ihany ny fampiasana ireny ingredient somary "artificiel" ireny fa tsy mahasoa ! aleo ny epice no atao betsaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3411