Ny antsoina hoe Finoana

1. naivokely7 ( 30/06/2014 07:54)
Ny finoana
Miverina in-244 ao anaty Baiboly ny teny hoe finoana. Maro ihany koa no mametra-panontaniana ny amin’ny antsoina hoe “ finoana”. Ara-tsoratra Masina ny antsoina hoe “finoana” dia:
« Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)

Ny tsotra indrindra hahazona ny atao hoe finoana an’ Andriamanitra dia Mino fa misy Izy ary mino izay lazainy ao anaty baiboly.
Mino fa misy Izy
« Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. » (Hebreo 11:6)

Misy fatra ny finoana
Misy ny kely finoana: Jesoa dia niteny mafy ireo mpianany matetika hoe ry kely finoana « Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. » (Matio 8:26)
Misy ny be finoana: ny finoan ilay miaramila manamboninahitra, tsy mbola nahita olona be finoana tahaka izany aho hoy Jesoa « 8 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hœ: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 9 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy. 10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hœ: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza. » (Matio 8:8-10)

Raha misy fatra ny finoana dia midika izany fa azo ampitomboina izy izany fa tsy tokony hijanona ho kely finoana foana.

Ahoana no hahazoana na mampitombo ny finoana?
« Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy. » (Romana 10:17)

Raha te hitombo finoana dia mila mihaino toriteny betsaka. Satria araka ny hahenoana toriteny no mapahatanjaka ny olona iray. Mila ihany koa mamaky ny tenin’Andriamanitra (Baiboly) isan’andro araka izay azo atao.
novalian'i rhaj0 ny 02/07/2014 18:04
2. bor2lais ( 01/07/2014 13:59)
naivokely7:

Raha misy fatra ny finoana dia midika izany fa azo ampitomboina izy izany fa tsy tokony hijanona ho kely finoana foana.

Ilay teny hoe "fatra" no mahasadaikatra kely ahy : afaka ahena (tahaka ny fatra rehetra) koa ve izany ny finoana ? :-)
3. bor2lais ( 02/07/2014 10:03)
Miala tsiny amin'ny mpanolotra ny lohateny raha toa ka mizara ity tantara kely izay efa mety fantatry ny maro amintsika ihany saingy misy ifandraisany ihany amin'ny finoana ! :-)

**************
extrait de "Sa Parole pour aujourd'hui"(Bob Gass).

« Le Seigneur lui demanda : qu'as-tu dans ta main ? » Exode 4.2

Nous comparer à d'autres et conclure que nous ne serons pas capables d'accomplir la volonté de Dieu, puisque nous ne disposons pas des mêmes talents qu'eux, est une grave erreur. Dieu demanda un jour à Moïse : « Qu'as-tu dans ta main ? » Et Moïse répliqua : « Un bâton » (Exode 4.2). Une simple canne, pas de quoi fouetter un chat ! Pourtant Dieu s'en servit pour assécher la Mer Rouge ! Comprenez bien ceci : Dieu peut se servir de quelque chose qui vous appartient et que vous avez toujours considéré comme vraiment insignifiant et accomplir de grands miracles. La seule condition indispensable, c'est de placer cette chose entre Ses mains et de Lui faire confiance.

Connaissez-vous l'histoire de ces deux religieuses, infirmières dans un hôpital de la région, qui tombèrent en panne sèche, un matin en se rendant à leur travail. Une station-service se trouvait non loin de là, mais elles n'avaient pas de bidon d'essence. L'une d'elles se souvint alors qu'un pot de chambre se trouvait dans le coffre de la voiture. Elles s'en servirent pour transporter de l'essence jusqu'à leur véhicule immobilisé sur le bas-côté. A ce moment deux hommes passèrent sur la route, ralentirent et ne purent s'empêcher de les observer, stupéfaits, en train de verser l'essence dans le réservoir. L'un d'eux s'écria : « Tu vois, Fred, c'est ce que j'appelle avoir de la foi ! » L'action des deux religieuses paraissait totalement absurde, car ces deux incrédules ignoraient la vérité ! Imaginez leur surprise quand la voiture des religieuses les dépassa, à vive allure, quelques minutes plus tard ! La Bible nous apprend que « sans la foi, il est impossible de plaire à Dieu » (Hébreux 11.6). Un peu de foi est nécessaire pour comprendre que des cannes et des pots de chambre peuvent devenir, entre Ses mains, les outils nécessaires aux miracles ! Si vous placez devant Lui ce que vous avez déjà entre vos mains, d'étranges évènements sont à même de se produire !

************
Mirary fialan-tsasatra finaritra ho antsika rehetra eo ambany fitahian'ny Tompo !
4. rhaj0 ( 02/07/2014 18:04)
[size=9]Rahefa afaka mizara tantara mampihomehy ihany... "mety" misy ifandraisany @ "finoana", dia inty ny ahy..
Manomboka H.S...

Nisy hono ranamana "mino" fa rahefa hakatona ny refrizeratera, dia maty io jiro ao anatiny io. Fa tsy nino ny akamany. Ary dia nasisin'ilehio tanaty refrizeratera ny lohany, ahitany tsara ny jiro, dia nakatony ny refrizeratera (na ny marina kokoa, nakapony t@ lohany ny varavarana)... Dia hoe : izany no alehany rahefa "tsy mino"...

...Tapitra H.S. :)[/size]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574