An'isany MPAMINANY SANDOKA VE I SOEUR FABIOLA?? RAHA BAIBOLY NO JERENA?
1. mamonjy1
(
18/06/2014 13:03)
Mankalaza ny Tompo be voninahitra aho.
Miarahaba isika rehetra.
MARO NY ZAVATEA HITA ETO @FIRENENA MALAGASY AN'ISANY ZANY NY FILAZANY RAMATOA FABIOLA ,ITY VAO GOAVANA ITY, MAHAKASIKA NY FILOHAM-PIRENENA ITY,KA TENA MAHAVARIANA,FA LALINA BE ILAY IZY,SATRIA MIFANDRAY @ IZAY VOASORATRA MIHITSY NY ZAVATRA LAZAINY MATETIKA.
HESORIN'ANDRIAMANITRA HOY IZY NY FILOHA,KA HO ISY KORONTANA ETO MADAGASIKARA.
SANDOKA VE IO,SA TSIA?

novalian'i mamonjy1 ny 05/07/2014 20:16
3. rhaj0
(
18/06/2014 13:54)
Ianao indray raha mbola @ ilay etat d'esprit hoe tonga dia "mino", fa tsy hoe "manadihady/mamakafaka/mi-critique", dia mbola hivaralila ao foana e...
4. mamonjy1
(
18/06/2014 16:23)
bor2lais:
Ary toa lasa niditra politika lainga indray mamonjy1 ? :-)
Tsy miditra politika velively aho Fa Lohahevitra io ,indrindra fa hoan'olona kristianina de tsara ny mamantatra ny voa,fa tsy avy de manaiky isika.
Voalazany baiboly manko ,fa hoe:maro ny ho avy @anarako.
De iarahantsika midika eto ny momba azy,ary arahina toromarika @baiboly ilay izy,Zany no Nanindriko hoe:Raha baiboly no jerena.
5. mamonjy1
(
19/06/2014 10:07)
Tsy sahy mihitsy ve isika kristianina momba ity Ramatoa ity,nefa dia efa nisy tsaho maro be hitako voasoratra any ho any ,ka mba tsara raha miseho eto koa,samy mamoaka ny heviny daholo.
6. mamonjy1
(
02/07/2014 20:01)
Eny ary fa resaka moa ity,ary dinika indrindra indrindra,de aleo hotohizako ny momba ity,fa Lohahevitra napetrako.
Maro ny zava-misy,eto an-tany @ izao vanimpotoana izao,araka ny asan'apostoly 2 :17-18 moa de manindry sy manamafy hoe @andro farany no handatsahany jehova ny fanahiny @nofo rehetra.
Ary iaraha-mahalala fa @zao fotoana zao mihitsy izany.satria efa tanteraka daholo ny famantarana ny andro farany.kanefa efanampitandrina ny baiboly momba mpaminany sandoka.
hoe:maro ny ho avy @anarako.
tsy midika anefa izany fa ny sandoka ihany no ho hisy,fa tsy maintsy misy ihany koa ny marina.
Ekeko,fa voalaza hoe :ary maro ny ho voafitany,manao fitafian'ondry koa izy,hoy ny baiboly..
Maro ankehitriny ny karazan'olona milaza fa avy maty ,na nahita fahitana,na eto an-toerana,na any ivelany..Marina aloha fa fantarina @voany ny hazo,ary tsy tokony hino ny teny rehetra ihany koa isika,kanefa voalazany baiboly ihany koa fa tokony hanao toy ny zaza kely,ka ateraka indray ny olona.zany hoe :tsy mafy hatoka..
Ahoana ary ny hazahoana famonjena,raha toa ka mafy hatoka isika kristianina?
Tonga de manda avy hatrany fa tsy mba zahana toetra aloha ny fanahy.
Raha jerena fotsiny,ny zavatra taloha,de aloka ny zavatra ho avy,
Ary tsy misy zava-baovao akory ,fa ny teo ihany no miverina hoy izy ny mpitoroteny.
Marina tokoa io teny io,rehefa tena dinihina.
JEHOVA mivantana aloha no niseho t@olona taloha,avy eo niseho t@alalany zanaka izy,Ary miseho @alalany fanahy masina kosa izy an-kehitriny.
Tanteraka ankehitriny ary ilay hoe:handatsaka ny fanahiny @nofo rehetra izy.
@IZA ANEFA IZANY?
@mpanompony mazava ho azy..
Hitan-tantsika ankehitriny ny fijoroana vavolombelona maro samihafa,ary an-karihary mihitsy fa tsy miafina.
Aleo mba lazaiko ary ny momba ny soeur fabiola Hoe:SANDOKA ,SA TSIA.
Ekeko fa efa tsy mora @zao fotoana izao ny mamantatra,kanefa raha io Ramatoa io no jerena de misy ifandraisany ny zavatra lazainy sy ny mpaminany hafa ary misy tsy itovizany ihany koa....
Milaza zao Apostoly Tsaratsara fa, 2017 dia farany zao tontolo zao(zany hoe ny fandehan-javatra ratsy mazava ho azy)
Milaza koa apostoly marc tatandraza fa tsy misy mahalala izany afa tsy Ray ihany.
Milaza koa i Soeur fabiola fa hajoro ny fanjakam-pisorona et Madagascar,satria firenena masina Malagasy sy voafidy.
Fa ny zavatra itovizan'izy telo toko de hoe:firenena masina sy voafidy madagascar,ary mila mibebaka ny malagasy..
Inona moa no maharatsy izany rehetra izany? Efa miezaka aza izy ireo manala olona @paraky,toaka,fijangajangana,loka,pataloha, sy ny maro karazany.
Marina fa misy lafi-ratsiny sy tsara ny zavatra rehetra,kanefa eto aloha aho de mandray ny tsara izay omen'izireo,ary manary ny ratsy.Na sandoka izy Na tsy sandoka Raisiko ny tsara ary ariako ny ratsy.
Fa rehefa mandeha ny fotoana de ho hita ny tena fahamarinana..Toy ny pastera maihlol ihany koa ,izay voaporofo ankehitriny fa tena nivadika.
Toy izany koa ireo milaza azy ho mpaminany na apostoly,tsy Afaka milaza aho fa Sandoka izy na tsia,Fa mino azy @tsara aho,ary mandositra @ratsy.Tsy ahy ny fitsarana.
Efa navela ny famantarana ka anjaran-tsika tsirairay no mandinika sy maka izay tandrify azy.

7. Tefigasy
(
03/07/2014 05:05)
mamonjy1:
Fa mino azy @tsara aho,ary mandositra @ratsy.
Izay ve ilay tena sitrapon'Andriamanitra asainy ataon'ny olona manoloana ireny rehetra ireny ?
Avereno vakiana ny baiboly fa ao ny valiny :
Satana raha naka fanahy ny olombelona dia zavatra tsara mirantiranty no netiny nangolena an'i Eva. Dia lasa ilay adalavavy nanaiky ny hihaino an'i satana, ary rehefa nihaino dia lasa nankatoa satria toa milaza zavatra tsara tokoa ilay ratsy, ary tsy vitan'izany fa tena nanao mihitsy ary notaominy ihany koa ilay adalalahy mba hiara-kanota aminy. Dia lasa ny tany avy eo no voaozona sy henoky ny fahotana tsy fidiny !
Satana raha naka fanahy an'i Jesoa dia mbola zavatra tsara sy mahasoa ary mbola tenin'Andriamanitra ihany koa no netiny nangolena an'i Jesoa.
Fa neken'i Jesoa ve izany, nohenoin'i Jesoa ve izany, nankatoavin'i Jesoa ve izany ? Ny hita dia toa noroahin'i Jesoa tamin'ny teny Directe indray mandeha fa nanelingelina Azy dia tsy sahy niverina intsony. hihihihihi ! Dia hoy aho hoe mandehana dia mba manaova toa izany koa !
8. Tefigasy
(
03/07/2014 05:30)
2.Tim.3:5 "(...)manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra , nefa nandà ny heriny ; ireny koa dia halaviro."
9. rhaj0
(
03/07/2014 14:16)
Tefigasy:
...Dia lasa ilay adalavavy ...
Aoka ho'a... reniben'ny reniben'ny.... renibenao Tefigasy anie izy io ka dia ataonao hoe "adalavavy".. Dia i Adama koa izany "adalalahy" fa norebirebeny.. Mbo hajao kosany ny zokiolona sy ny razana e... mbo gasy ihany ny tena..
10. Tefigasy
(
04/07/2014 05:11)
rhaj0:
Tefigasy:
...Dia lasa ilay adalavavy ...
Aoka ho'a... reniben'ny reniben'ny.... renibenao Tefigasy anie izy io ka dia ataonao hoe "adalavavy".. Dia i Adama koa izany "adalalahy" fa norebirebeny.. Mbo hajao kosany ny zokiolona sy ny razana e... mbo gasy ihany ny tena..
Ary mba efa noheveriko fa efa nanomboka namaky baiboly ihany anie ianao io ? Fomba fiteny sy filaza ao anaty baiboly anie izany "adala" izany rehefa manaonao foana ilay olona na ilay firenena e , na ilay vahoaka, na ny fiangonana, na ny mpaminany, na iza na iza ?
Betsaka ao no lazaina hoe "ry adala, ry mpaminany adala, adala toa izany koa va ianareo, firenena adala, ilay zanaka adala, ....."
11. mamonjy1
(
04/07/2014 06:41)
Tefigasy:
Satana raha naka fanahy an'i Jesoa dia mbola zavatra tsara sy mahasoa ary mbola tenin'Andriamanitra ihany koa no netiny nangolena an'i Jesoa.
Fa neken'i Jesoa ve izany, nohenoin'i Jesoa ve izany, nankatoavin'i Jesoa ve izany ? Ny hita dia toa noroahin'i Jesoa tamin'ny teny Directe indray mandeha fa nanelingelina Azy dia tsy sahy niverina intsony. hihihihihi ! Dia hoy aho hoe mandehana dia mba manaova toa izany koa !
Dinika moa ity, ka io zany no eritreritrao mahatoa nosoratanao..
Kanefa aoka ho tsapanao fa Andriamanitra no nihaviany zavatra rehetra,Na ny tsara na ny ratsy..
Ary isika koa dia nisafidy ny hahalala ny tsara sy ny ratsy nefa tsy nahazaka ny vokany avy teo.
Ary tiako ho fantatrao fa tsy mitovy ny tsaran'olombelona..Ary ny fomba fijerin'Andriamanitra tsy fomba fijerin'olombelona..Izany no mahatonga fahaverezantsaina ankehitriny,satria tsy miantehitra @ilay nahary ny olom-belona,Fa mandeha araka ny heviny de mora voafitaka tahaka An'i Adama sy Eva ihany..
Ary aza faly ny hiteny fotsiny hoe tsy nekeny jesoa ny teniny satana,ny an'i jesosy efa vita,fa ny anao no tokony hodinihinao..Nandresy Zao tontolo zao ,Sy ny mpanjakany izy.Ary anao ve mba handresy?izany no tokony dinihintsika kristianina,ny mba handresy.. hoy ny baiboly,Raha manao ny marina ianareo de ny marina no hanafaka anareo..Aveo koa hoe mandosira ny ratsy de handositra anareo izy..Ka manaova ny marina isika fa omeny fanahy masina @ora sy andro izay ilan-tsika azy ,ahafan-tsika miatrika sy handresy ny fakam-panahy,na dia mampiasa tenin'Andriamanitra aza satana de voaaro foana ny mpanompon'Andriamanitra @alalany fahamarinana.Tsy anao intsony no velona fa kristy no velona ao anatinao..
Satria efa maro ny mpaminany sandoka tafiditra,Ka ilaina ny miantehitra @baiboly.
12. Tefigasy
(
04/07/2014 11:07)
mamonjy1:
Dinika moa ity, ka io zany no eritreritrao mahatoa nosoratanao..
Tsy eritreritr'io ka, afaka mamaky ny Genesisy sy ny Matio, Mark, Liok, Jaona ianao fa hitanao ao daholo ireo nosoratako ireo, ankoatran'ny ao amin'i Timoty izay efa navahako tsara eo ambany.
mamonjy1:
Kanefa aoka ho tsapanao fa Andriamanitra no nihaviany zavatra rehetra,Na ny tsara na ny ratsy..
Dia sahinao ve ny milaza fa avy amin'Andriamanitra ny fahafatesana sy ny fahotana ?
13. rhaj0
(
04/07/2014 14:19)
Tefigasy:
Fomba fiteny sy filaza ao anaty baiboly anie izany "adala" izany rehefa manaonao foana ...
Dia tena nandeha nijery ny rakibolan'i Hery aho ary inty, jereo eto :
Rakibolana:
1 a.: Enti-milaza olona very sain, simba na marary sain ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala. ¶ M.h.: adala vatana, adala vendrais, adala raikitra, adala lefaka, adala lefy, very sains, foka, adala manondrana, mivadika atidoha, mivadika lakoraika, mivadika ondrana, manary lamba, manenjika alika, mihomehy rindrim-baky. ? h.o.: tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin'ireo uauentiuenty novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory. ? Tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka. ? Sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) na raha miteny (vava): Mboia adala voua ity zaza ity. Raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny. ? Matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan'adin'akoholahy ny zanako lahy aiuo. ? Teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin'ny tena, Izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian'ny adala holazaina tamin'ireo teny ireo. i t,i.f•: adalaina, voadala/ manadala, fanadala, mpanadala/anadalana, fanadalana / miadaladala / iadaladalana, fiadaladalana / mihadala I mahadala I adaladala. ~ f.-p.: Manao adala matanjaka: enti-milaza olona manao an-kery, am-borivory. // Adala manara-bolana: rahefa tsinana ny volana no mihetsika ny hadalany. Ohab.: Ady amin'adala: ny manam-panahy no mandefitra: tsy tokony hiala-bara-tena sy handany andro foana hiady amin'ny kely sains ny olon-kendry, fa hihataka amim-pandeferana. // Adala nomen-tanan'ondry: na hosoloana hofany aza tsy mety: enti-milaza ireo miraikitra amin'ny tiany na ny heviny ka tsy azo ahodin-doha na zavatra tsara sy marina aza no atolotra azy. // Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body: entimilaza ireo manambady vehivavy fatra-piroborobo ka na mitahiry sy manangona ohatrinona aza, lany tsisY mijanona ny vidin-kasasarana.
Dia nandeha nijery ny baiboly malagasy online koa, dia inty hono ohatra ampiasaina ny teny hoe "adala". Ary rahefa nampitahaiko t@ The Bible sy ny La Bible, dia jereo tsara azany :
Baiboly - Bible - Bible:
Genesisy 31 : 28 sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala hianao.
GENESIS 31 : 28 You didn’t even let me kiss my grandchildren and my daughters goodbye. You have done a foolish thing.
Genesis 31.28 Tu ne m'as pas permis d'embrasser mes fils et mes filles! C'est en insensé que tu as agi.
Ka dia ahoana izany io ry Tefigasy... mety ve ilay fandikan-teny ho "adala" ny hoe "foolish" sy ny "insensé" ?
Jereo kely azany ny diksionera
Dictionary - Dictionnaire:
Foolish
1. resulting from or showing a lack of sense; ill-considered; unwise: a foolish action, a foolish speech.
2. lacking forethought or caution.
3. trifling, insignificant, or paltry.
insensé
1. qui n'a pas de sens, fou, insane
2. qui est contraire au bon sens, absurde, extravagant, bizarre
3. excessif, extraordinaire, étonnant
Ka dia ts'haiko e.... dia ts'haiko...
Io k'lou izany izao dia hita fa ilay t@ teny frantsay no nadika ho teny gasy (tsisy grand-children).
Dia... aleoko ihany indray kosa, @ ity indray mitoraka ity, ilay teny anglisy kah... ILay @ teny gasy izao, hoe " nanao adaladala hianao", hotry ny sao dia lasa double sens rahefa misy mandray (na mitsongoloka) an'io ara-baki-teny...
14. rhaj0
(
04/07/2014 14:24)
Fa (hitako) lalina ilay dikan-teny fa itarafana ny toe-tsaina lalin'ny Fiteny isan'isany an...
Jereo anie e:
- ny Anglisy dia ilay "thing" no "foolish"
- ny Frantsay dia ilay olona no (ni-agir en) "insensé"
- ny Gasy dia ... toa nanaraka ny Frantsay
Ts'hay ts'hay ihany izy 'ty kah...
Jereo anie e:
- ny Anglisy dia ilay "thing" no "foolish"
- ny Frantsay dia ilay olona no (ni-agir en) "insensé"
- ny Gasy dia ... toa nanaraka ny Frantsay
Ts'hay ts'hay ihany izy 'ty kah...
15. Tefigasy
(
04/07/2014 14:25)
Ka tsy mitovy mihitsy koa ny hoe "adaladala" sy ny hoe "adala" anie amin'ny teny gasy e !
16. rhaj0
(
04/07/2014 14:42)
Ekena azany mba tsy hifandirana.
Dia nahita iray indray azany aho, rakitra mampiasa ny teny "adala"
Izaho kosa aloha tsy d'accord raha ny razako no lazaina fa "adala" e... fa raha izany moa hoy ianao, hoe tena "adala = insensé = foolish" izany ilay reniben'ny reniben'ny...renibenao ry Tefigasy, dia ekena azany mba tsy hifandirana e...
(hey.. ary ilay dikan-teny etsy ambony lasa manome "dikany" samy hafa... mba ahoana?)
Dia nahita iray indray azany aho, rakitra mampiasa ny teny "adala"
Baiboly - Bible - Bible:
Deoteronomia 32 : 6 Ry firenena adala ka tsy hendry?
Deutéronome 32.6 Peuple insensé et dépourvu de sagesse?
Deuteronomy 32 : 6 you foolish and unwise people?
Izaho kosa aloha tsy d'accord raha ny razako no lazaina fa "adala" e... fa raha izany moa hoy ianao, hoe tena "adala = insensé = foolish" izany ilay reniben'ny reniben'ny...renibenao ry Tefigasy, dia ekena azany mba tsy hifandirana e...
(hey.. ary ilay dikan-teny etsy ambony lasa manome "dikany" samy hafa... mba ahoana?)
17. mamonjy1
(
05/07/2014 20:16)
tefigasy:
Dia sahinao ve ny milaza fa avy amin'Andriamanitra ny fahafatesana sy ny fahotana ?
Efa nolazaiko t@minao fa izany no eritreritrao..
Fa tsy izany no tiako holazaina @le hoe ratsy..Ny Tsara sy Ny Ratsy.Tsy ny fahafatesana sy ny fahotana koa no tiako hambara mivantana,fa resaka zava-boary.
Tsy itariko lavabe ny resaka,fa samy mahalala isika fa devoly de Andriamanitra no nanamboatra azy..Ary izy no antsoina hoe:ilay Ratsy aon@ baiboly.
Andriamanitra no nihaviany zavatra rehetra.....
OH:Rehefa misy orana avy,de milaza ny sasany fa ratsy ny andro.Kanefa misy milaza azy tsara,satria mpamboly izy ohatra..
Ny Devoly koa de misy manao azy tsara satria,Nahita fahasoavana taminy.
Ary Na Andriamanitra aza,misy manao azy ratsy satria tsy nahita fahasoavany.
Fomba fijerin'olona io.Eny fa na dia ny fahafatesana aza de tsy ratsy @mpamosavy..satria faly izy rehefa misy maty.