DISO ny (mpandika) Baiboly

21. endriny ( 18/06/2014 18:55)
Ny tena mampihomehy ahy amin'ity Baiboly ity ry rhaj0 dia toa ny boky nesorina tsy nekena ho baiboly no betsaka noho ireo narafitra ho baiboly. Izany hoe ny olona taty aoriana izany no nanivana sy nitsara ny nosoratan'ny mpanoratra tany aloha. Ka dia izay mba ahazoana tombontsoa amin'izany fivavahana izany fotsiny no tena narafitra ho baiboly. Fa tsy hoe izay marina rehetra momba ny Atr'i Abrahama akory.
22. mamonjy1 ( 19/06/2014 09:54)
Mamonjy1
tefigasy:
Aza misalasala manambara ampahibe-maso eto izay nolazaiko teto ary fa toa izay

ENY ARY , MANAIKY IANAO ETO KA ALEO AVERIKO AMIMAO KELY NY SOMBINTSOMBINY ZAY NOMENAO AHO.Fa indro tena voky hatrany antendako,ka aleoko handoa kely aloha.
mamonjy1:

Rehefa nilaza aho hoe An/tra no namorona zava-drehetra de nilaza ianao hoe:Iza no nanamboatra An'Andriamanitra????


Ty moa Dinika ka ,zao ee,mba hamaly zay nosoratanao koa aho,araka izay voasoratra.
Rehefa namaly anao aho t@io fanontanianao io namana de nilaza ianao ,fa diso aho.
Ka tsy ataoko lava loatra moa ny resaka momba io fa,ny teny izay nolazainao ihany no namandrika ny tenanao @io teninao manaraka io.vakio indray mandeha tsara io,de izao no amaliako azy...

tefigasy:
Nametrahako fanontaniana tsara ianao tamin'io hoe inona aminao ny hoe "REHETRA". Saingy tsy novalianao io fanontaniako io fa nahodinao taty amiko indray. Ny fehiny dia izao: diso ianao fa tsy ny REHETRA no nisy namboatra, fa ny voahary ihany no nisy namboatra. Andriamanitra dia tafiditra ao amin'ilay REHETRA, na ny zavatra REHETRA misy manerana ny tontolo, nefa tsy nisy nanamboatra Izy,


TIAKO Ny Hanambara @Nao,fa tsy Izaho Velively akory Ny olona Voalohany Nitany hoe:Nisy Nanamboatra Ny Zavatra REHETRA.
FAMERENANAN-TENY NO NATAOKO T@IO,KANEFA,NY OLONA REHEFA TSY MAHITA TOKO SY ANDININY DE VERY IZY.
Izaho anie efa nolazaiko hatriny fony ela,fa tsy miantehitra @tenako ee.
Fa zava-poana ny fahedreny zao tontolo zao hoy izy ny mpitoriteny...(tsy izaho,fa mpitoriteny no nanoratra an'io)
Matetika ahodiko kely ny resako de tsy asiko baiboly ny lohahevitra de very ny olona.
Nefa cadre izay misy antsika ty anie de FIVAVAHANA ,FINOANA.Mazava ary fa tokony hiafara @io foana ny tanjona @lohahevitra aroso eto.Na masturbation,Na politika,Na resaka hafa,Satria zavatra azo Ampitahaina @finoana daholo
VAKIO NY Isaia 40:26"Asandrato ny masonareo ka mijere,iza no nahary an'ireny?izy no mamoaka ireny araka ny antokony sy ny isany,ary miantso azy ireo araka ny anarany avy nohony haben'ny heriny sy vonibahiny..........."
Mariho io teny io,Fa tsy tonga de Nilaza hoe:Andriamanitra akory izy teo.Fa haintsika ny tiany holazainy fa Andriamanitra no nahary.
RAHA NILAZA IANAO FA DISO AHO NY @NILAZAKO HOE NISY NANAO NY ZAVATRA ,REHETRA.
DE NOLAVINAO,ARY NITENY IANAO FA IZA NO NANAMBOTRA ANDRIAMANITRA?
Midika izany,fa tsy manaiky zay voasoratra ianao,na dia milaza tena ho kristianina.
Efa Voalaza fa Andriamanitra Nahary zavatra rehetra de tsy ekenao.
NITADY ,HAMANDRIKA SY HITIFITRA AN'AHA IANAO FA BAL PERDU Le izy.

tefigasy:
ary nekenao fa mpahary Izy fa tsy nohariana. Noeritreretiko fa mba mahay manitsy tena ihany ianao ka izany no tsy nanambarako azy hatrizay , nefa kay moa ....

Henjana be anie zany teninao zany hoe,noeritreretiko fa mahay manitsy tena ianao.
SAHIKO ny milaza @nao eto ,fa mahatoa napetrak'Andriamanitra ny teniny,de mahasoa mba ho fampianarana,hanitsiana zay diso ,ho fandresendahatra,ho fitaizana araka ny fahamarinana.2timoty3:16.
Tsy misy olombelona mahahitsy tena izany,na ianao io aza...
Toa manda ilay nahary mihitsy anie anao t@io valinteninao io ee.sao de tsy fantatrao...

.
tefigasy:
Ny olona zatra mitsara sy manameloka matetika dia tratran'ny otr'izao hatrany fa tsy mba mandinika tsara ny tena fandehany.

SOA IHANY FA TSAPANAO IZANY TENY IZANY hiiihiihiii,FA IANAO MIHITSY NO EFA MITSARA AHO IO AMBONY IO HOE:DISO Ianao.Mbola tsy maina akory ny rora izao.De efa Namosa tena ianao.
Tsy mbola niteny anao Ampahabeso hoe diso anao aho,fa ianao efa nanao.
Isaorako anao moa izany..faaa atao ahoana ee.Ty moa soratra ,ary mitoetra mandrakizay,ka samy mitadidy isika fa mbola ho avy ny fanadinana momba izao indray andro any...


tefigasy:
Mba mijeré sy mampiasà ihany fitaratra tsindraindray e ! Ny ahy hitako foana ny tsilo mahazo ahy rehefa misy izany satria tsapako ny harariny, hitako foana ny tapa-kazo kely manoloana ny masoko satria manakona tsy hahitako ny eo anoloako izany, fa mba jereo ny andry mipetraka eo anoloan'ny masonao sy ny fantsika manindrona ny tongotrao tsindraindray e !

Eny ary, fa Atao ahoana moa zany,fa de tsara indrindra izanyeeee,anga misy tsara mihoatrany ny olona mahita tsilo eo @masony,sy tsy tafintohina mihitsy.
Raha olona efa mahatsapa fa tsy tafintohina mihitsy anie de tena olona lavorary,ary tsy diso mihitsyee
Ankasitrahiny eeee,tena fitaratra lehibe mihitsy ianao,raha izany no fandehany.
Fa ny ahy indray dia Jesosy no fitaratro fa tsy anao kaaa...
Ka hoy aho hoe:Mihavana isika kristianina,Mitambara ho andiany iray,aoka hitafy ny tsara ka hankahala ny ratsy,fa mandalo zao tontolo zao sy ny faniriany,fa zay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.


tefigasy:
Tsy hoe tsy mihavana akory rehefa mifanitsy sy manoro ny rahalahy mba handeha amin'ny tokony hizorany.
Miala tsiny amin'ny mpametraka lohahevitra aho eto fa hivilana tanteraka hitondra ireto hafatra ireto ho anao manokana izay nolazaiko ery ambony ery fa mivilana tanteraka sy nanitsiako anao hatrizay

Tsy mbola nanda ny fanitsianao aho ahy,fa ny zavatra hitako rahitrizay de tsy fanitsiany fa fitifirana,ka mampiasa sainao ianao,de forcenao aho hanaiky tsotra izao,izaho anie tsy de sarotra resena lahatra ry se,fa mba mitodiha @soratra masina ianao @maha KRISTIANINA Anao fa tsy ny sainao no ho entinao,Ary reseo lahatra araka ny soratra masina aho,fa ho hitanao,fa mety hahahitsy aho ianao.Ary ho hita koa @zay hatraiza ny finoanao,Fa Andriamanitra ilay nahary,dia tsy Andriamanitra ny fikorontana fa andriamanitra ny filaminana.

tefigasy:

NY POLITIKA=LAINGA.
Taiza ho aiza ao anaty baiboly ny milaza izany ? Ary aiza ho aiza ao amin'ny baiboly no miteny fa tsy tokony mahazo manao politika ny kristianina ?
Rehefa hahitsy amin'izany ianao dia valibraingina ve ny fandraisanao azy sa hoe valiteny araky ny nofo fa tsy araky ny fanahy ?

RAHA NY Fahitako,ny valinteninao de mbola boraingina hatreto aloha,ny ho avy any tsy fantatro..
Efa nilaza aho hoe:(AMIKO) NY POLITIKA=LAINGA.
KANEFA Nesorinao le hoe:"AMIKO" MBA Ahafahanao mitifitra aho.Angaha moa izity entre libre de sorti baranahina ka de manao araka ny sitraponao foana ianao de zay vao mamaly.
Dinika anie ty ry se e,mahatoa nofaritako hoe amiko de misy zavatra itokiako,fa tsy mandeha seul aho.fa inao manohitra de aveo tsy arosonao ny hevitrao, fa mitifitra fotsiny.Mahagaga mihitsy fa de tsy HIFANAKALO HEVITRA ZANY Ny anton-dianao eto fa hitifitra izay tianao tifirina fotsiny fotsiny....


mamonjy1:
Lohahevitra : Nisy nanamboatra ve ny olom-belona,sa niforona t@evolutiona.Raha nisy de Iza?Raha tsy nisy de ahoana?
Ny amiko manoka aloha,de nisy nanamboatra ny zavatra rehetra,Ary indrindra fa ny olombelona

tefigasy:
Iza no niteny anao fa nisy nanamboatra Andriamanitra ? Sa Andriamanitra aminao tsy ao anatin'ny REHETRA ? Ny dikany : na alanao ny rehetra; na diso tanteraka ny tianao ambara fa Andriamanitra dia tsy nisy namorona nefa dia tena ao anatin'ny REHETRA Izy

NY OLONA MANDINIKA TSARA SY MAMAKY TSARA DIA MAHAFANTRA FA INONA NO TENA TIANY ILAY ANDININTENY HO LAZAINA.
TSY AO Anatiny REHETRA VELIVELY Andriamanitra.INAO NY MILAZA IZANY ANKEHITRINY FA TSY AO ANATINY REHETRA MIHITSY IZY.ARY OMEO POROFO ARA-BAIBOLY AHO FA AO ANATINY REHETRA IZY??
IANAO anie no te hilalao sy hanodikodina baolina eto ee.Porofo koa no mba tadiaviko ,izao satria nolavinao zay voalazako..????
NISY NANAMBOATRA NY ZAVATRA REHETRA ,[INDINDRA FA NY OLOM-BELONA,] IZANY NO NOLAZAIKO,FA TSY HOE AN/TRA.


tefigasy:
Lohahevitra : 666,marikan' ilay bibidia.Inona ny dikany hoe mandray marika 666 ,ary efa misy ve io marika io sa mbola ho avy.
@mpanomponsampy de chiffre 6 no tsara @ary io no tokavana ny zavatra tsara rehetra, vola, fahavelomana sns....
Nahodikodinao hatrany ny famaliana ny fanontaniako tamin'io hoe aiza ao amin'ny baiboly ary no milaza izany. Omeo ny toko sy andininy. Tsy nomenao mihitsy io mandrak'ity ny androany; ka iza no miteniteny foana sy manao valiboraingina eto ?
Ny nasesikao hatrany dia ny Apok.13:18 nefa tsy manazava na manambara io resakao io mihitsy io andala-tsaoratra masina io na kely aza !


EFA NAMBARAKO ANAO TERY AMBONY ANIE RY TEFIGASY,MAMONJY AHO MITENY AMINAO IZAO.EKEKO FA TSY MANAM-PAHALALANA AHO,KANEFA MBA MISY IHANY IZAY NOMENANDRIAMANITRA AHO ARAKA IZAY,SAHAZA AHO.TY ZAVATRA VOASORATRA ANDROANY ITY ,ENY,NA IREO EFA HELA AZA DIA TSY HO VOAFAFA MIHITSY,FA HITAM-POKO ARY HITAMPIRENENA.MORA ANIE RY HAVAKO NY MITSARA OLONA,KANEFA NY FITSARANA DE TOKONY HIANTOMBOKA @TENANAO ,ZAY VAO MIANTEFA @HAFA.FA NY ANAO TOA MIFANOHITRA BE MIHITSY.
Efa nomeko andininy ianao,mahakasika ny 666,ary nohazavaiko avy eo.
Tsy araka ny hevitro aloha no nanazavako azy,fa araka ny soratra masina aloha.De narahiko OHATRA lay izy,t@ alalany fijoroako vavolombelona,kanefa niteny hianao fa tsy voasoratra ao anaty bainoly izany lazainao izany ka tsy inoako.Reference fotsiny ange no nataoko,averiko indray mandeha fa tsy hoe voasotra ao anty baiboly izany,kanefa mino aho fa efa voasoratra any andanitra izany,ahafahant tompo mitsara aho @fotoana androny.
TSY DE MAMPANINONA AHO IANAO NA TSY MINO,FA TOMBONY LEHIBE HO AHO NY FAHAFANTARAKO IO.
IANAO ANIE REHEFA MAMALY OLONA DE TSY MIJERY NY HO AVY AKORY EE.TY MISY TENY KOA IZAY NOSORATANAO,NOHON'NY FITIAVANTENA,KANEFA MAHAVALY FANONTANIANAO ITY,FA TSY IZAHO AKORY NY HAMALY AZY.
tefigasy:
Ny fisiany marika famantarana dia mampiseho sary,sy hevitra maro hoan'ny taranaka fara mandimby .....Ny zava-dehibe izany dia ny fahafantarana ny tenin'Andriamanitra izay voarakitra ao anatiny baiboly,ary mitondra izany eo @fiainana an-davan'Andro.... hiteny aminao koa aho izao hoe efa nitondra sarin'ilay bibidia izany ny firenena alemaina.........TSY HITANAO AO ANATY BAIBOLY IZANY SAINGY MANOME fepetra mahafeno izany ny baiboly de anjaranao ny mamantatra.

MAHAVALY FANONTANIANAO ANGAMBA IO TENINAO IO,REHEFA TSY EKENAO AHO.
FANTAKO MANKO ZAO FA TIA TENA IANAO,ARY TSARA ITY DINIKA ITY AHITANA TOETRAN'OLONA.REHEFA IANAO NO MITENY DE MAHAZO MANAO REFERENCE @FIAINANA,FA REFHEFA IZAHO TSY MAHAZO?.....? AZA TIA TENA...,FA ,MBA KRISTIANINA IANAO KA MADINIHA-TENA IHANY......
Tsy ny zavatra rehetra @fiainan-tsika ankehitriny ra havako no voasoratra ao anaty baiboly,fa indice fotsiny no omena ao,de anjarantsika no mamantatra azy...

tefigasy:
Ajanoko hatreo fa betsaka ny azo hahitsy amin'izay nozarainao raha ara-baiboly no hitondrana azy, fa dia hoy aho hoe, meteza ny hanaiky hahitsy ihany tsindraindray fa aza dia miziriziry na mihodikodina rehefa ....

KA HOY AHO HOE,MBA AZA BE MOKONDOHA FOTSINY ,REHEFA TEHANITSY OLONA,FA MITODIHA @ILAY NAHARY,ARY ANGATAHO AMINY ALOHA IZAY SAHAZA ANAO ,ALOHANY HANITSY OLONA,FA SAO DE MIERITRERITRA HANITSY ,KANEFA ENAO INDRAY NO VOAHITSY.
Misaotra Tompo o Amene.
23. Tefigasy ( 19/06/2014 10:29)
Tohizo fa tsara ary e. Samy mbola ho hadinina amin'ny asany isika ary homafimafy kokoa ny hahazo izay miseho azy ho mpampianatra sy ho mpitory nefa mivilana daholo ny zavatra lazainy any aoriana any. Tsato-kazo natao hampisaina ny ahy ireny ka rehefa tsy nampihotsina anao dia afaka tanteraka aminao aho fa miala tsiny.
24. rhaj0 ( 19/06/2014 13:35)
O zareo... dia m-if-anasoketa ho "borainginy" ao izany nareo roaroa ka dia... hoy aho (mpijery) hoe, tena DISO (na "borainginy") izany ny fandikan'ny andaniny SY/SA ny ankilany ny Baiboly.(dia tena Sitrapony ve ny hampifampi-"borainginy" ny zanany toa izao/h@ izao e...)


Fa dia antitranteriko foana ary ho mandrakizay ...
Hoy ny Baiboly sy La Bible:
Rahefa avy nametraka ny toro-lalana iray izay Izy, dia nametraka mazava
tao @ Korintiana I toko 7. 6, hoe :
"tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka."
Sy koa tao @ 1 Corinthiens 7.6 hoe :
"Je dis cela par condescendance, je n'en fais pas un ordre."

Eto izany Izy "mamela malalaka" an'izy roaroa Malagasy io ambony io, samy handray dia hilaza ny tiatiany (ary handray ka hilaza ny andaniny ho "borainginy").

Sa... DISO ve izany ?
25. mpisotrtoaka ( 02/07/2014 12:37)
- satria ireo olombe nanao ny fandikana ireo raki-tsoratra taloha dia ... olona ihany

Mahaiza ary mandray izay voalazany e ! Efa tsara tokoa araka ny tenin'i Hery hoe nandray Baiboly i Rhaj0. Manarak'izany ! Samy manana ny baiboliny koa io !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4995