Andeha hatory aloha satria aho mino fa ny torimaso no itoviako amin'ny mpanankarena

1. endriny ( 13/06/2014 17:16)
Zzzzzzzzzzzzzzz
novalian'i endriny ny 24/06/2014 17:02
2. toriteny ( 16/06/2014 07:39)
Raha mba niteny mantsy ianao hoe handeha hiari-tory aho hivavaka sy hanantona ny Tompo fa izay no itoviako amin'ny fiangonany, tena nisy fifaliam-be tsisy ohatran'izany any an-danitra.
3. rhaj0 ( 16/06/2014 13:36)
[size=8]hi hi hi... ny mi-se-matsirobe koa hitovizanao @ mpanankarena ry Endriny a... ary ho tonga ... any an-danitra ianao @ io...

ok ok... tena tsy aritro iny f'azafady e...[/size]
4. endriny ( 17/06/2014 04:24)
Hafa ihany ilay fandriana mafana koa... Mitondra hery vaovao isa-maraina...
5. endriny ( 17/06/2014 06:47)

toriteny:

Raha mba niteny mantsy ianao hoe handeha hiari-tory aho hivavaka sy hanantona ny Tompo fa izay no itoviako amin'ny fiangonany, tena nisy fifaliam-be tsisy ohatran'izany any an-danitra.


Izaho rehefa matory dia miakatra any amin'ny lanitra faha 7 foana a
6. toriteny ( 18/06/2014 08:20)

endriny:

Hafa ihany ilay fandriana mafana koa... Mitondra hery vaovao isa-maraina...



Ka raha tsy mifoha intsony ianao amin'iny torimasonao iny dia mankaiza?
7. endriny ( 20/06/2014 04:24)

toriteny:


endriny:

Hafa ihany ilay fandriana mafana koa... Mitondra hery vaovao isa-maraina...



Ka raha tsy mifoha intsony ianao amin'iny torimasonao iny dia mankaiza?


Dia tavela eo ambony fandriana fa ho aiza moa?
8. sahia ( 24/06/2014 08:52)
dia inona koa izao ny hidiran ilay torimasonao sy ilay lohahevitra nanoratanao izany, sao mba tokony mitsabo saina kous ary ianao io e, ohatran izay lohahevitra hanoratanao dia mifanipaka be amin'ny tokony ifampiresahana sy ifampidinihana foana no ataonao, sa fanaovana ilay toetra te-hanohitra izay lazain be sy ny maro foana, mis oul mants manana izany toetra izany mihitsy, ary azoko antsaina eto sahady ny endrikao sy ny momba anao manotolo fa ilay olona tsy dia manahoana ireny fa be dedaka fotsiny
9. endriny ( 24/06/2014 13:20)

sahia:

dia inona koa izao ny hidiran ilay torimasonao sy ilay lohahevitra nanoratanao izany, sao mba tokony mitsabo saina kous ary ianao io e, ohatran izay lohahevitra hanoratanao dia mifanipaka be amin'ny tokony ifampiresahana sy ifampidinihana foana no ataonao, sa fanaovana ilay toetra te-hanohitra izay lazain be sy ny maro foana

Finoana io "Mino aho fa ny torimaso no itoviako amin'ny mpanankarena", sa iay tenigasy mihintsy no mahirana?

Ilay hoe marary saina sy hoe mifanipaka amin'ny hevitry ny olona, ianao no mitsara izany. Sady tsy nisy niteny hoe tsy maintsy manaraka ny hevitry ny olona eto. Manome fanafody marary aza mbola misy "effet secondaire".

sahia:

mis oul mants manana izany toetra izany mihitsy, ary azoko antsaina eto sahady ny endrikao sy ny momba anao manotolo fa ilay olona tsy dia manahoana ireny fa be dedaka fotsiny.

Fa na manao ahoana aho na manao ahoana, eto hevitra no ampiadiana fa tsy hoe iza moa izaho. Fa rehefa tsy manana hevitra fotsiny dia tsy manana aho hoe. Rehefa tsy mahita soratana dia tsy voatery hanoratra.

Fa raha nandratra anao ilay nosoratako dia aza vakiana akory...
10. endriny ( 24/06/2014 17:02)

sahia:



Mita indray aloha ny baolina... Tsy omena tsy ry Sahia fa tsy ampy torimaso izy dia mivaralila...

Izaho koa tsy dia gaga loatra amin'ilay tsikera, fa ny olona hono rehefa tsy mahita alahatra amin'ny adihevitra dia fosa no ataony. Moa va tsy mampatsiahy antsika ilay adihevitra Prezida Zafy sy Ratsiraka... Rehefa tsy nahita nalahatra I Prezida Zafy dia hoy izy: "Jamba ianao... Vakio ary ity raha tsy jamba ianao". Fomban'ny olona very hevitra rehetra izany... Tsy hitany izay lazaina amin'i Ratoa Celine Ratsiraka dia ataony ny hira hoe: "Ny volon'i Celine ee...".

Ka raha miteny ianao hoe "tsy misy saina aho" dia hoy aho hoe ahahahahhahaha

Raha miteny ianao hoe "Tsy dia manahoana aho" dia hoy aho hoe ihihihiihihihhhi

Atao ahoana fa izay no mba takatrao amin'ilay dinika...e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6881