Dia nino ny Breziliana fa izy no handresy araka ny nosafidin'ilay sokatra

1. endriny ( 12/06/2014 22:57)
Dia nandresy tokoa izy. Hay tsy ny olom-belona ihany no maminany fa na ny biby ihany koa aza. Ary raha izao no mitohy dia hiverina hijery vinavina avy amin'ny biby indray ny olona. Tamin'ny 4 taona lasa, dia orita no nasaina naminavina ny ahazo ny modial, ary dia tanteraka tokoa io.

Ahoana ny fijerinao? Azo inoana ve ny fihetsiky ny biby?
novalian'i hery ny 14/07/2014 12:16
2. endriny ( 13/06/2014 16:54)
Taloha teo Anosy rehefa mitranga ny voay dia hisy loza ahazo ny fitondram-panjakana izay. Na dia nilaza fa tsy minomino foana aza ny vazaha, dia nataony haingana izay ahalefy laza an'Anosy. Nasiany anjely handroaka ny demonia ho solon'ilay toeram-pialokalofan'ny ambanilanitra indrindra ny mpanjaka. Dia nataony fitobian'ny ranomaloto Anosy.
Saingy ilay voay mbola tsy niala. Nisy fotoana taty aoriana, nasiana miaramila telo lahy manokana mihintsy asaina mifandimby mijery raha miseho ny voay na tsia. Tamin'ny 1989 izao no farany nahita io voay io teo Anosy.
Fa izao moa toa tsy mahare olona miresaka io voay tao Anosy io intsony aho.
3. endriny ( 17/06/2014 04:56)
Ny Malagasy dia nampidiran'ny indianina ny finoana ny fanano fitoloha. Ary dia misy mino tokoa io. Ary izaho aza mba gaga nahita bibilava nisy lohany telo. Fa tsy haiko aloha izay dikan'io a... Mbola andeha hanontany olona aho izao.
4. mpisotrtoaka ( 14/07/2014 12:03)
Tohizo le fampianarana sy le culture taloha fa ts arakay tanora amzao tsony zany ! Hay ve izany no antony nanaovana io anjely io eo anosy e !
5. hery ( 14/07/2014 12:16)
Izaho koa mba liana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1292