Misy mahafantatra ve ity ?

21. rhaj0 ( 17/06/2014 11:07)
Raha ny fahitako azy, toa ny tatsy @ hoe "namorona olombelona, evolution" ihany dia ... tia karokaroka/manadihady (siansa) raolona, fa rahefa tonga @ tsy hainy hihoharany, dia mijapy @ finoana (ny sasany). (solution facile).

Voan'ny sery ny zaza. Takatry ny sainy (sy ny siansa medikaly) io, ary dia manisin-delo no valiny
Marary ny tendany. Takatry ny sainy (sy ny siansa) io, ary dia sakamalao no valiny
Mikohaka izy. Takatry ny sainy (sy ny siansa) io, ary dia baume tigre no valiny
Fa toa manomboka mi-delire. TSY Takatry ny sainy hatreto, ary dia ... "demony" ny valiny.

Dia ilay zaza ve, mi-delire satria niakatra maripana, koa dia ampangatsiaho (hoy ny siansa medikaly), nefa ianao "nisafidy" ny finoana, dia etsy an-joro-trano ianao migonongonona sy mihira ???

Tompon'andraikitra ianao fa vonjeo ilay zaza...
22. toriteny ( 18/06/2014 10:16)
rhaj0:

Raha ny fahitako azy, toa ny tatsy @ hoe "namorona olombelona, evolution" ihany dia ... tia karokaroka/manadihady (siansa) raolona, fa rahefa tonga @ tsy hainy hihoharany, dia mijapy @ finoana (ny sasany). (solution facile).

Voan'ny sery ny zaza. Takatry ny sainy (sy ny siansa medikaly) io, ary dia manisin-delo no valiny
Marary ny tendany. Takatry ny sainy (sy ny siansa) io, ary dia sakamalao no valiny
Mikohaka izy. Takatry ny sainy (sy ny siansa) io, ary dia baume tigre no valiny
Fa toa manomboka mi-delire. TSY Takatry ny sainy hatreto, ary dia ... "demony" ny valiny.

Dia ilay zaza ve, mi-delire satria niakatra maripana, koa dia ampangatsiaho (hoy ny siansa medikaly), nefa ianao "nisafidy" ny finoana, dia etsy an-joro-trano ianao migonongonona sy mihira ???

Tompon'andraikitra ianao fa vonjeo ilay zaza...


Ito misy cas efa nitranga tamiko izay mi-résumer ny pratique ny finoana amin'ny fanasitranana ny marary mba tiako hijoroana vavolombelona kely.

Izaho rehefa marary andoha na marary vavony, sns dia miazakazaka haingana mametraka ny tananako eo amin'ny faritra marary ary mivavaka ny mba hanasitranan'i Jesosy ahy. Dia tena sitrana tokoa avy eo. Fa rehefa ny ankizy dia arahinay fotoam-pivavahana na fitolomana am-bavaka ny fametrahan-tanana rehefa marary ry zareo.

Nisy fotoana anefa aho narary valahana tena tsy nahaondrika, tsy afaka mivily miankavia sy miankavanana fa ny vatana iray manontolo mihitsy no miodina vao tafodina ary tena tsy matory mihitsy amin'ny alina. Dia nataoko teo amin'ny valahako ny tanako dia nanao toy ny mahazatra ahy aho nefa tsy sitrana ilay izy. Nisy zavatra nanahirana sy nahateritery ahy ara-potoana tamin'izay ka dia tsy nanana fotoana firy nanarahina ilay fametrahan-tanana tamin'ny vavaka aho. (Faute-ko 1 izay)Tokony ni-insiste ihany aho sy nitady fotoana na dia sempotra be aza, ny hitolomako am-bavaka. Fa niaretako teny ihany ilay izy

Dia niha tsy tanty ilay marary fa na dia poketra aza ts yzakako. Dia nihinana efferalgan , maraina atoandro sy hariva. Tsy nihera tamin'ny Tompo aho an fa za fotsiny no tonga dia nihinana.

Fa adiny 2 aorian'ny nihinanako izany fotsiny no tsy marary fa avy eo dia manaintaina be. Niandrasana 5 andro tsisy fiovany ihany dia efa fantako hoe misy zavatra angatahin'ny Tompo hataoko ao.

Dia rehefa nisy fotoana kely aho dia namoaka devoly amin'ny anaran'ny Tompo fa sao dia fanahy ratsy ilay izy na dia improbable aza satria za niambina ihany fa tsy hoe nangatsiaka akory. Mbola tsy afaka ihany, tsy mety sitrana ihany ilay izy.

Fantatro hatreo fa misy zavatra tiany ho fantako aminio aretiko io. Ary nangatahiko TAminy hoe ampahafantaro ahy Tompo ny tianao tenenina amiko amin'ito aretiko ito sy ny tokony ataoko fa ataoko izany.

Vao vita ilay vavako ohatra androany, en panne tany an-kodahoda lavitra be tany izahay ny ampitso. Tsy afaka niasa 2 andro, tsisy olona afaka namonjy, tsisy vola, ny fiara tsy afaka nande, tsy afaka notaritina akory ka hoe mba niantso olona avy aty Tana hitarika azy. Fa raha amin'ny maha olombelona anao dia tena hoe aty izahay mianakavy kely izany no maty. FA tena mission impossible ny namonjena anay tany!!!

Fa tena nitolona am-bavaka, nidera sy nisaotra Azy izahay ka nihaino Izy ary nanavotra anay ka tody soa aman-tsara taty Antananarivo ihany ny farany. Ary raha ianareo no nahita sy tantaraiko ny fomba nanavotany anay tany dia hoy ianareo hoe mandainga ianao. Fa tena lehibe ry ireto ny Tompo a.

Fa ny tena nahagaga, nanosika fiara izahay tany, izaho moa izany, nibata zavatra mavesatra, feno vovoka, tena reraka tsisy ohatran'izany fa tsy narary intsony anefa ilay lamosiko rehefa niverina taty Antananarivo izahay. Hay izay izany no tsy nahasitrana ahy hatrizay, tiany hahitsy aho amin'ilay tsy manana fotoana ho Azy rehefa sahirana, tiany aho hanana fotoana ho Azy foana, hivavahako Aminy na dia rempotra be amin'ny asa sy ny fiainam-pianakaviana aza.

Tokony efa ho fantako ihany ilay izy hoe mila miari-tory sy mitolona am-bavaka aho. Fa tsy norarahiko ilay izy dia nataony en panne izahay sy nijanona andro maro tany ankodahoda tany:
- hampisehoany fa Lehibe sy Mahagaga Izy ka tsy misy tsy hainy atao na dia manimpy gant aza ny science sy ny solution ny olombelona
-Tiany ho nanana fotoana ho Azy foana aho na dia rempotra be aza
-Ary tiany hijoroako vavolombelona io tranga teo amin'ny fiainako io ho anao Rhajo sy ho an'izay mbola misalasala ny fahaleibeazan'io Andriamanitra io.


Ny voninahitra ho Azy mandrakizay. Amen
23. toriteny ( 18/06/2014 10:32)
Aleo résumer ko ihany fa sao dia lava be ka tsy takatrao.

Ny firaisako amin'ny Tompo isaky ny misy zavatra manahirana, mahafaly sy ilaiko conseil dia miresaka Aminy foana aho. Fa tamin'izay tena hoe tototry ny asa aho efa plusieurs semaines dia juste hoe vavaka basique sisa (mifoha, avant/ après sakafo, rehefa hatory). Nisy problème aza aho tsy ni-consulté Azy.

Dia nataony narary ny lamosiko mba hahafahako mivavaka Aminy ho amin'iny lamosina iny. Nefa rehefa tsy sitran'ny fametrahan-tanana aho dia tsy nitohy tamin'ny tolona am-bavaka fa niaretako teny ihany

-Dia nataony niha grave be ilay izy mba tsy hametrahako tanana fotsiny fa hivavaka amin'izay angamba? Nefa efferalgan no nasetriko Azy

-Dia farany tsy maintsy nanao anay en panne Izy sady any an-kodahoda any amin'izay aho rehefa tsisy afaka mamonjy miverina any Aminy ihany. Ary rehefa niverina indray ny fifandraisanay sy Izy ( ny complicité) dia nositraniny amin'izay aho.

Tompo ô, misaotra. Misaotra satria na minia mandeha amin'ny tenany toy izany aza ity zanaka adalanao ity indraindray dia eo foana ianao mamerina ahy amin'ny lala-mahitsy. Mikapoka ianao, mananatra nefa fantatro Tompo fa fitiavana no hanaovanao izany.

Misaotra tamin'ny zavatra nataonao teo amin'ny fiainako, misaotra tamin'ny kapoka fa nahaendry Tompo ireny. Misaotra tamin'ny nifidiananao ity mpanomponao na dia tsy mendrika Anao aza indraindray, na dia madiditra aza indraindray. Ny voninahitra, ny dera, ny saotra ho Anao irery ihany satria ianao irery ihany no mendrika izany. Amen

24. rhaj0 ( 18/06/2014 11:10)
Raha marary lamosina ianao dia mandehana any @ physiotherapeuthe.
- ho jereny tsara ny fijoronao, ary avy @izay dia ho ezahina ahitsy izany
- misy exercices maromaro mitily ny hozatra hanitsiana ny fijoronao

Narary ny lamosinao satria nisy hozatra reraka na naratra noho io fijoronao tsy mety io (na koa nisy hetsika tsy nety natanao).

Ilay hozatra reraka/naratra dia afaka asiana fanafody hanalefaka azy. Afaka ampandalovina courant kely, hamelombelona azy ary hanasitrana (cicatriser) azy.

Fa raha tsisy physio any, tsisy fanafody, tsisy ilay electrode fampadalovina courant, dia mitandrina ianao hanao izay mety izao hozatra ao an-damosinao ao izao. Tsy voatery hoe matory lava, fa mila exercice malefaka. Asiana mafana na mangatsiaka mba hampa-azo aina azy koa.


Dia misy koa ny chiropraticien. Zareo indray dia milaza fa ny vertebre-nao sasany mihintsy no nikipily kely nivoaka t@ toerany, ary dia tailana ny fijoronao, ary dia mijaly/marary/maratra ny hoza-damosinao.


(fa raha mivavaka ianao, nefa mbola tailam-pijoro ao, sy tsy mitandrina ireo hozatrao, dia ... kely finoana aho ny ahita fa ho sitrana anao, na inona na inona herin'ny finoanao ao)
25. toriteny ( 18/06/2014 11:25)

rhaj0:

Narary ny lamosinao satria nisy hozatra reraka na naratra noho io fijoronao tsy mety io (na koa nisy hetsika tsy nety natanao).

Ilay hozatra reraka/naratra dia afaka asiana fanafody hanalefaka azy. Afaka ampandalovina courant kely, hamelombelona azy ary hanasitrana (cicatriser) azy.


Dia maninona ilay izy tsy niha grave rehefa nanosika ilay fiara tany an-kodahoda tany aho? ary tsy indray fa imbe dia be? Nisy fotoana aza nobataina ilay fiara dia nakisaka . Nefa teo aza poketra tsy nahazaka ? Na ny fibatana vato sy ny raharaha sy ny harerahana tany ihany aza, ny stress, ny tsy fahampiana torimaso tokony hiagraver an'ilay izy nefa dia sitrana ilay izy nony nitolona am-bavaka aho?

izay izany ny explication hitanao fa tsara fa tsy mahova ny finoako izany Rhajo a. Satria efa hitako ny fiasan'Andriamanitro eo amin'ny fiainako :) Izany koa anefa tsy midika hoe laviko ny fitsaboana ara médecine. Fa tsy nahasitrana ahy ny efferalgan tamin'io ary mino aho fa tsy nahasitrana ahy koa ny spécialiste na nankany aza aho.

26. rhaj0 ( 18/06/2014 12:58)
Izaho izao afaka ny hitantara aminao koa. Misy ampahany tena nitranga tamiko, misy ampahany ho-plagier-ko ny tantaranao.

In-1 maraina aho nifoha, dia hotry ny mangoro-vitsika iny tanako havanana iny. Tsy ilay mangoro-vitsika mahazatra fa hotry ny marary mangatsiaka hatrany anaty taolana. Rahefa tsy nety afaka afaka minitra vitsy, dia nasiana vegebom sy ny sisa. Fa toa afaka kely nefa miverina indray. Tsy hitako izay atao A/tra o .. fa dia mivalo aminao... Tsy nety sitrana ilay izy fa niverimberina foana. Dia hotry ny rahefa misy zavatra ataoko sasany dia mamely mafy tampoka ilay izy. Signe na inona re izany tianao ampitaina izany A/tra o... Satria ho'a rahefa mipetraka anaty tomobila aho ohatra dia tena mamely tampoka ary mamely mafy indray ilay izy. Na koa rahefa mipetraka eto @ ordi eto, ka manantsafa anareo... Ngo dia tsy Tianao hanatsafa azany aho... Farany aho nankany @ physio. Dia io nolazaiko anao io ambony io no izy. Kay aho t@ natory, dia tsy nahay natory fa nivilam-pandry, no koa ilay ondana tany @ tsy falehany. Ary dia "naratra" ny hoza-damosiko, ka tsy nahatana ny vertebre tsara tao, ary dia nokaikerin'ilay vertebre ny nerf mankany @ tanako havanana. Rahefa mipetraka anaty tomobila aho, na rehefa eto @ ordi eto, dia somary milatsaka ny fipetrako, dia vao maika voakaikitra ilay nerf mankany @ tanana.

27. rhaj0 ( 20/06/2014 15:17)

toriteny:
Dia maninona ilay izy tsy niha grave rehefa ...
izay izany ny explication hitanao fa tsara fa tsy mahova ny finoako izany ...

Ny Siansa dia tsy hary mahavaly izay fanontaniana rehetra. Izay efa voavaly dia hampiasaina sy hakana tombony. Ny tsy voavaly dia ... ekena fa tsy voavaly. Fa raha hiantsampy @ finoana moa ianao dia izay izany.

Fa miresaka lamosina... sao mahasoa anao ao ihany ireto :

- Ao izany ny physiotherapeuthe, mijery ny fijoronao, ary manitsy izany @ alalan'ny exercice, ary mi-cicatriser ny hozatro @ fikorian'ny herin'aratra kely @ ilay hozatra

- Ao izany ny Chiropraticien, mijery ny fijoronao, mijery ny firohizan'ny vertebres-nao, dia manitsy ny vertebre-nao @ alalan'ny kirakira

- Dia ao koa ny Massotherapeuthe, mijery ireo hozatra reraka/marary/maratra satria nitailam-pijoro ianao, na nanao hetsika tsy nety. Hevero hoe ny hozan-tsandrinao nitazoma mafibe vesatra : mibontsina toa ny vato izy rahefa eo foana. Torak'izay koa ny hoza-damosinao ao. Ary dia zahavina ireo noeuds ao an-damosinao ao, ary dia tsorina @ alalan'ny hotra. NIsy namana gasy iray specialiste @io. Dia hoz'izy hoe, ilay fanatsorana ilay hozatra marary, dia ametrahana tsindry malefaka eo aminy, ary dia andrasana elabe eo, fa farany mi-reagir ilay hozatra ary dia milefaka sy miverina @ hitsiny. Toa izany koa hoz'izy ny hanasitranana ireo ligament mioritra.

- Dia ao koa ny acupuncture izay ... tsy dia azoko loatra...


Fa araka ny hitanao ireo, dia mifameno ny siansa (medicaly), ary ireo azany mbola ampian'ny fanafody manalefaka ara-tsimika ireo hozatra, na manalefaka ny fanaintainana. Fa dia anjaranao ny mamahavaha ary mijery ny mifanandrify aminao. Raha ohatra moa ka tsy takatrao ny mamahavaha ho'a, arak'ireo fahalalana aroson'ny Siansa ireo, fa aleonao tonga dia miantsampy @ finoana, dia izay izany.

28. rhaj0 ( 23/06/2014 12:43)
Ankoatry ny Physi, Chiro, Accu, Masso dia mbola misy koa ny osteopath.. Narary valahana aho in-1 mandeha, ary dia hitan'ilay osteopath fa tailana ny tapako ambany ao hono, ary dia nahitsiny (sahala @ mitolona ireny mihintsy no nanitsiany azy).

Fa misy @ ireo fitsaboana ireo no toa mbola tsy eken'ny medecine occidentale (raha tsy hoe eo an-dalan'ny hanekena azy angaha). FA dia samia fotsiny mijery ny lozika dia mijery ny tandrifin'azy.


Fa ho an'i Toriteny, raha marary lamosina ianao, ka apetrakao @ Finoana ny fahasitranany, dia soa ho anao izany ary tano. Fa kosa, miverina @ lohahevitra eto aho, raha misy zaza marary lamosina, ka tsy entinao any @ mpitsabo fa arindrinao ao @ Finoanao ao, dia tompon'andraikitra ianao , raha sanatria maninona maninona ao io zaza io, na izy eo, na any aoriana, satria tsy voatsabo ny lamosiny.

Ary aza atsipy any amin'azy (zaza) na Izy ny tsy-fahasitranana.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6306