Mba nikarakara Visa ho any Frantsa izany ilay namako izay, antony mazava hoe hanatrika raharahan ilay namany any, 1 mois no nangatahana , manana asa TENA tsara eto Dago izy izay tsy sanatria hoe HIALANY velively, efa complet daholo ny antontattsy rehetra hatramin'ny vola ho ampiasaina any am-pita, nefa dia TSY NOMENA VISA handeha hankany Frantsa, dia izay no mahagaga satria izaho mahalala olona TSY ARA-DALANA fa ni-CLAND any frantsa any, resaka ilay RNS (fantanjahan-tena) no nandehanany tany dia tsy niverina izy fa nijanona nanao clandestin tany, dia rehefa nitady lalana tamin'ireo olom-patatra tany izy dia nanjary NAHITA FIKA HOE REFUGIE POLITIQUE dia ireto vady aman-janaka taty dago no nantsoiny nankany dia NAHAZO VISA soa aman-tsara, izany fomba MALOTO izany ve dia tsy mba hitan'ireto ao amin'ny ambasady frantsay fa ny olona mizotra amin'ny ara-dalàna indray no sakanany. Sa izay ilay tonga amin'ny fiteny hoe: NY RATSY TSY KELY LALANA.
tena marina io, tratran'izany koa ny vadiko,izahay tsy hiala eto dago satria ny asako tsy ahafahako miala eto,ny vadiko mba nasain'ny zokiny hiatrika mariazy any,ny zanakay mianatra aradalana eto,izaho nametraka taratasy fa ny vadiko tsy maintsy miverina eto, nefa dia ni'réfusé-na ny visa, ilay ramatoa malagasy ao mihintsy no tena miseho dadany ao fa tsy iza, tena nalahelo ny vadiko satria izy irery ny tao @ ny fianakaviany no tsy tany,dikany mety manao risoriso aty ambadika io ramatoa io
Ny tena mahagaga dia ireo mahafeno taratasy ara-dalàna no matetika tsy mahazo visa. Dia misy miteny hoe misy kolikoly be ao. Misy olona mi-contacter hono avy eo rehefa mivoaka hoe hanamboatra visa.
Fa malaza mihitsy izany ramatoa ao izany a.
Ie, izany ramatoa malagasy ao izany tokoa hono no tena grave be ao, fa lay namako izay ndray efa mpandeha any foana isan-taona manao vacance any amin'ny zandriny any, dia nony mba hoe nangataka visa ho an'ny zanany anakiroa izy hiaraka hanao vacance aminy any dia TSY NAHAZO VISA IRETO ANKIZY fa izy IRERY no ok ny visa, dia ohatran'ny mampametra-panontaniana tokoa hoe fa inona no tena critère ilaindry zareo ao amin'ny ambassade de france ao e? Ny hitako hafetsena anatin'ilay izy dia LAINGOSANY FOTSINY ILAY DROID DE VISA efa mitentina eo amin'ny 200 000 ariary latsaka kely, dia maninona izao raha mba averina ilay vola rehefa tsy ekena ilay visà, mihevitra ny tenany tsy mba hanao taratasy any amin'ny toeran-kafa angamba ilay ramtoa ao izao.
Nefa ny ahy ndray sendra ramatoa (mety hafa ngamba zay), tsara fanahy satria tokony une semaine fotsn ny visa nilaiko d nanotaniny a hoe une semaine v d ampy? sur enao fa vita ao anatin'une semaine ny antondianao any? d anatoko 10 jours le izy avy eo... takizay ary natao 1 mois mints...refa efa tonga tany vo nanenina...
izao no tsapako mikasika ireo ambasady ao ireo e: rehefa oe celibat na veuf(veuve)enw, na zaza mbol eo anivon RAD, na olona marié(e) fa tsy manana anton'asa mazava dia AZA MIERITRERITRA NY HAHAZO VISA ho any amin'ny territoire schengen, ny volanao fotsiny no tangosany eo fa tsy omeny visà izany ianao, sady TSY MISY FANAZAVANA MATOTRA OMENY ANAO AKORY rehefa manome ny fandàvany ilay fangatahanao akory izy, araka ny eritreritro dia matahotra angamba ry zareo hoe sao dia hanao clandestin any satria efa maro loatra no efa tonga any manao izany ary tsy arak'izy ireo intsony ny fijerena izany any dia aleony dieny aty dia sivaniny.
vazivazo> Indraindray dia sady manam-bady no manana asa ara-dalàna any Madagasikara sns nefa mbola tsy mahazo visa tsisy fanazavana ihany (jereo ilay hafatra faharoa ery ambony izao)
Ary sao dia mba tokony HILANJA PANCARTE eny Ambatomena ianareo mpangataka Visà ireo eeeee, tena mampalahelo kosa aloha ny faahalalana izany zava-miseho izany fa resaka resaka e