Ny mampiavaka ny fivavahana kristianina amin'ny fivavahana jiosy: paska, pantekosta, ny lalàna, ny fahasoavana.

1. Tefigasy ( 16/05/2014 06:30)
Raha ny tokony ho izy dia ny paska sy ny pentekosta ary ny lalàna aloha no tokony naroso alohan'ilay fisoronana efa naroso tany amin'ny lohahevitra teo aloha. Saingy vao haingana ireo lohahevitra ireo no nazavaina teto, ary firesaka matetika mihitsy eto amin'ity tranokala ity ny mikasika ny lalàna sy ny manodidina azy rehetra ka dia tsy ilaina angamba ny mbola hamerina hitarika lohahevitra lava be mikasika ireo intsony.
Ny hamintinana azy fotsiny dia hoe :
- nisy ny paska tany Egypta sy ny fomba fanantanterahana izany (Eks.12)
- misy ny paska tany Kanana sy ny fomba fanantanterahana izany (Eks.12) izay natokana ho an'ny jiosy ary lalàna mandrakizay eo amin'izy ireo, nofaritana tsara ny fotoana, ny andro, ny fomba fitandremana izany.
- misy ny paska kristianina, tsy ny an'ny jiosy akory no nivadika ho an'ny kristianina sy asaina tandreman'ny jentilisa. Tsia, fa raha mijery isika ao amin'ny Jao.12:20-23 dia ny jentilisa mihitsy no tonga nitady an'i Jesoa Kristy ka nilazan'ny Tompo hoe Tonga ny fotoana hankalazana ny zanak'olona . Izao no voasoratra : Jao.12:20-23 : “ary nisy Grika sasany tamin’izay niakatra hivavaka tamin'ny andro firavoravoana, ary izy ireo nankany amin’i Filipo avy any Betraida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe : Tompoko, mba ta-hahita an’i Jesoa izahay . Dia lasa Filipo nilaza tamin’i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin’i Jesoa . Ary Jesoa namaly azy hoe : Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona . ”
Ny ankabeazan’ny asa nataon’i jeso dia teo anivon’ny jiosy foana nandritry ny telo taona. Eto kosa anefa dia ny jentilisa mihitsy no tonga mitady ary tena maniry ny hahita an’i Jesoa. Tsy tokony hadinoina fa vanipotoana paska jiosy io fotoana niakarana tany jerosalema io. Manomboka eto ny fivelaran’ny asan’i Jeso, tsy mijanona ho an’ny jiosy intsony. Io fotoana firavoravoan’ny jiosy io ihany no noraisin’Andriamanitra nentina nanantanteraka ny asa tao amin’i Jesoa kristy. Izany no antony ankalazan’ny kristianina ny andro paska. Tsy ilay andron’ny jiosy intsony fa ilay fotoanan’Andriamanitra hanaovany ilay asa ao amin’i Jesoa kristy. Ny fototra izay hiorenan’ny paska kristianina dia ny fahafatesan’i Jesoa, indrindra ny fitsanganany tamin’ny maty ho velona mandrakizay. 1.kor.15:3 : fa natolotro ho anareo isan’ny zavatra voalohany indrindra noraisiko dia izao : kristy maty noho ny fahotantsika.

Ny pentekosta dia efa nisy teo amin'ny jiosy Deo.16 ; tahaka ireo andro nasaina notandremana mba ho fahatsiarovana ny fanandevozana tany Egypta sy ny namoahan'Andriamanitra azy tany, ny fanaterana ny voaloham-bokatry ny tany ho an'i Jehovah Andriamanitra sy ny fanekena tao Sinay tamin'ny nanomezana ny diy folo.
Aty amin'ny kristianina kosa anefa raha mijery ny Asa.2 dia teo no niatombohan'ny pentekosta ho an'ny jentilisa iray manontolo sy ny jiosy sasantsasany ihany koa. Tamin’io fotoana io no nanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina ho an'ny nofo rehetra ka tanteraka ny faminaniana ao amin'ny Joel.3 . Tamin’io fotoana io no teraka ny fiangonana Kristianina voalohany indrindra. Tamin’io andro io no nanaterana ny voaloham-bokatra ho an’i Jehovah dia ny fahaterahan’ny fiangonana Kristianina.

Ny lalàna no nitaiza ny olona (jiosy) talohan'ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra dia ny Fanahy Masina izany. Fa rehefa tonga kosa ny Fanahy Masina tamin'ny andropentekosta, nidina sy nitoetra ho an'ireo izay efa mino sy nandray an'i Kristy ho Tompony sy Mpamonjiny dia miaina ao anatin'izay fahasoavana tanteraka izay ny kristianina fa tsy fehezin'ilay mpitaiza hatrizay intsony. Hamafisin'ny bokin'ny Rom sy ny Gal izany .

Araka ny efa nambarako teo aloha dia lohahevitra efa miverimberina eto foana ireo, saika tsy hapetrako intsony ary ito, saingy tsy azo dinganina ao anatin'ilay fihavahan'ny fivavahana kristianina amin'ny fivavahana jiosy dia napetraka ihany. Noho izany dia malalaka ny tsirairay amin'ny fizarana sy ny fanoheran-kevitra saingy hisafidy ny tsy hamaly azy ireny aho eto satria efa betsaka ny voalaza tany aloha tamin'ny lohahevitra maro samihafa manodidina ireo.

Ho etiko eto amin'ny manaraka indray kosa ny mikasika ny Fanasan'ny Tompo, izay tena mampiavaka ny fivavahana kristianina amin'ny fivavahana jiosy

Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra
novalian'i rhaj0 ny 17/05/2014 11:18
2. rabaradaka ( 16/05/2014 12:31)
Amen
3. rhaj0 ( 17/05/2014 11:18)
Ekena Tefigasy fa "miavaka" izany ny Fivavahana Kristiana sy ny Fivavahana Jiosy raha eo @ lafiny paska/pentekosta sy lalàna ary fahasoavana ...

Raha ny fahazoako azy, dia tsy hoe ireo "fombafomba" fotsiny no samy hafa, fa misy hevitra lalina, na koa aza, foto-kevitra (ijoroana) mihintsy no samy hafa.

Izay ve no tianao lazaina?

Dia inona no vokatr'izay faha-samy hafàna izay?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0075