Natory tao Ampasana ve ilay zanak'Andriamanitra rehefa naty.
1. mamonjy1
(
13/05/2014 17:51)
Faly miarahaba anareo indray aho @zao fotoana izao?
Samy ho tahiny Tompo Avy isika.
Efa hatr'aminy ela ny olona sasany no nilaza fa rehefa naty ny Tompo,de mbola natory tao ampasana aloha Ary nitsangan-kovelona t@ andro fahatelo..
Amiko aloha de tsy natory tao mihitsy izy,ary tsary naty mihitsy raha ny tena marina.
Ahoana ny hevitrareo??

novalian'i bichette ny 02/06/2014 11:49
2. bor2lais
(
14/05/2014 12:00)
mamonjy1:
Amiko aloha de tsy natory tao mihitsy izy,ary tsary naty mihitsy raha ny tena marina.
Io indray aloha ry mamonjy 1 dia arakaraky ny finoanao ihany. Aminay ohatra dia misy ny fanekem-pinoana apostolika izay milaza fa "... maty (Izy) ka nalevina ..." fa ny anareo izany no hafa !
Ary tsy mino ny fitsanganaNY tamin'ny maty koa ianareo izany ... raha zohina dia tsy Kristiana akory kay ve i mamonjy1 e ! Izay vao mazava amiko ilay resaka atsy ambadika atsy ! :-)
Izay no isan'ny mahafinaritra ahy amin' itony sehatra itony : ahitana raha ! :-)
3. toriteny
(
14/05/2014 13:31)
mamonjy1:
Efa hatr'aminy ela ny olona sasany no nilaza fa rehefa naty ny Tompo,de mbola natory tao ampasana aloha Ary nitsangan-kovelona t@ andro fahatelo..
Ho rey olona e. Eto amintsika ve mbola misy olona sahy hilaza an'izao ihany? Mba tsy hilazanao indray fa olona no nanambara Azy sy ny fanavotana nataony dia aleo ny baiboly mihitsy no omeko anao:
-Jereo ny Matio, Marka, Lioka, Jaona any amin'ny faramparany any fa misy ny fahafatesany sy ny fitsanganan'ny Tompo tamin'ny maty ao.
mamonjy1:
Amiko aloha de tsy natory tao mihitsy izy,ary tsary naty mihitsy raha ny tena marina.
Ahoana ny hevitrareo??
Hainao ny hiantsoana ny olona tsy mino fa i Kristy no Messia?
-1Jao2:22"Iza no mpandainga , afa-tsy ilay manda an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay manda ny Ray sy ny Zanaka . Izay rehetra manda ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa ; Izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray ."
5. mamonjy1
(
14/05/2014 22:20)
- list item
Efa fantako sahady,fa hitsara aho avy hatrany i namana toriteny.
Question:Natory tao ampasana ve jesosy rehefa naty?
Olona=vatana+fanahy.
Aleo hazavaiko misisy @zay ny hevitro fa miafina @nao ny fahitako azy.
Raha ny marina de ny nofony no naty.Ary maty=matory @An/tra.
@maha nofo azy,fa ny fanahiny tsy nandalo fahafatesana zany mihitsy,satria niteny t@jiolahy te ankavanany,Tompo fa hoe hihaona @ko ianao( anio) any amparadisa.
Ary mbola niteny koa izy hoe ray ô ..apetrako eo ampelatananao ny fanahiko.Matio27:50
Zany hoe niala aina jesosy,ary avy hatrany dia niakatra tany andanitra,namela lay vatany aranofo izy ary nitafy vatana arapanahy aveo.T@io andro nitenenany io ihany izy no nandeha,satria araka ny teny hoe:hihaona @ko anio any amparadisa anao.
Fa @maha olombelona isika fotsiny no ahitantsika hoe maty izy,fa tsy naty zany izy,fa nitohy avy hatrany ny fiainany,na dia tsy hitan'olona aza ny tompo ,velona izy.
Ary izany indrindra no nitenenany Anjely roa lahy t@Maria sy ny namany hoe:Nahoana ianareo no mitady ny velona aty @ maty?lioka.24:5.
Ary ahoana koa ilay hoe nitsanga @andro fahatelo?
kanefa de efa velona any an-danitra izy,inona koa ary zany?
Zany hoe mba hanatanteraka ny soratra masina de niverina @ vatana ara-nofo indray ny fanahiny ka nitsangana aranofo izy ary hitany mpianany idray.
Tanteraka ankehitriny ary ny teniny jesosy tompo manao hoe: tsy izao tsy fahafantaranareo ny hevitry ny soratra masina,sy ny hevitr'Andriamanitra izao va no maha very hevitry anareo marka12:24.
Tsy andriamanitry ny maty izy,fa an' ny velona koa diso indrindra hianareo marka 12:27.
Raha tompo lehibe sy mpanjaka be voninahitra de tsary naty mihitsy,fa olona nahatoky sady lavorary izy ,Ary fanahy izy taloha ka niverina @fanahy indray.Ny nofony ihany ary no naty fa tsy ny fanahiny.
Ary tsara ho marihinao ry toroteny,fa hoy izy ny tompo:",izay mino aho de tsy handalo fahafatesana intsony.Zany hoe velona eo anatrehany Ray foana ny olona mahatoky.Fa ny olona mpanota ,na dia velona aza efa sahala maty @An/tra.lioka15:24.
zany hoe,velona foana ny fahitan'Andriamanitra ny tsy mivadika.(velona ara-panahy).
6. Tefigasy
(
15/05/2014 04:26)
mamonjy1:
..........
Fanontaniana no apetrako aminao manolotra lohahevitra, ary valio sy tohano arak'izay fomba entinao hamaliana azy na inona na inona loharanon-kevitra ampiasainao:
1 - Tsy mety maty ve ny fanahy ?
2 - Raha nolazain'Andriamanitra i Adama fa ho faty raha mihinana ilay zavatra nadrarana azy : maty ve izy sa tsy maty, sa ny ampahany kely aminy ihany no maty fa tsy izy manontolo ?
3 - Hamonjy ny nofo ho lasa vovoka sy ho levona ve Jesosy tonga teto amin'izao tontolo izao sa hamonjy fanahy ?
4 - Midika inona aminao ny hazofijalian'i Kristy ?
5 - Ahoana ny fijerinao ny fitsanganana amin'ny maty raha jerena teo amin'i Jesosy Kristy ?
6 - (mbola misy fanontaniana 4 ambiny fa aleo aloha ampiandrasina ny valinteninao)
Tsy fanadinana akory, fa mitondra any amin'ny fanazavana ny lohahevitra napetrakao ny famaliana ireo fanontaniana ireo. Efa manana ny valin'ireo fanontaniana ireo ny baiboly, ary ambarako eto izany rehefa avy mitondra ny fomba fijerinao ianao. Dia jerentsika hoe mitovy amin'ny fomba fijery bibika ve izany sa tsia .
8. toriteny
(
15/05/2014 06:51)
sitlo:
Hay ve ilay Matio, Marka, Lioka, Jaona tsy olona e.
Ireo no atao hoe boky ao amin'ny baiboly, baiboly izay amiko Teny avy amin'Andriamanitra ka inoako fa marina
Fa raha hiady hevitra amin'ny maha marina na tsia ny baiboly nosoratan'ny olona dia ato efa misy natomboka kely: http://forum.serasera.org/forum/message/m535c44ec14c9f
9. toriteny
(
15/05/2014 07:32)
mamonjy1:
Olona=vatana+fanahy.
Aleo hazavaiko misisy @zay ny hevitro fa miafina @nao ny fahitako azy.
Raha ny marina de ny nofony no naty.Ary maty=matory @An/tra.
-Apo 1:5:" ary avy amin'i Jesosy Kristy , Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny rany" (VF: et de la part de Jésus Christ, le témoin fidèle, le premier-né des morts, et le prince des rois de la terre! A celui qui nous aime, qui nous a délivrés de nos péchés par son sang,)
-1Kol18:"Ary Izy no lohan'ny tena, dia ny fiangonana ; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy ." (vf: Il est la tête du corps de l'Église; il est le commencement, le premier-né d'entre les morts, afin d'être en tout le premier.)
-1Pet3:18 :"Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota , ny Marina hamonjy ny tsy marina , mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra , ka novonoina tamin'ny nofo , fa novelomina tamin'ny fanahy ,"
TENA MATY JESOSY MBA HAHAFAHANY MISOLO ANTSIKA ANY AMIN'NY FAHAFATESANA. Satria io fahafatesana io sisa no fahavalo farany antsika mba hahazoantsika fiainana mandrakizay (1Kor15-26) Fa tsisy hafaka tamin'ny fahafatesana faharoa isiaka raha tsy Izy
mamonjy1:
@maha nofo azy,fa ny fanahiny tsy nandalo fahafatesana zany mihitsy,satria niteny t@jiolahy te ankavanany,Tompo fa hoe hihaona @ko ianao( anio) any amparadisa.
Misy Teny toy izao koa ao amin'ny 1Pet3:19: " izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-trano-maizna ,dia izay tsy nanaiky fahiny , fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa , raha mbola namboarina ny sambo-fiara , izay nidiran'ny olona vitsy , dia izy valo mianaka , ka dia namonjena azy ny rano.
Efe 4:8-9: "Koa izany no ilazany hoe :Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy , dia nitondra olona maro ho babo (vf: il a emmené des captifs) ka nanome fanomezana ho an'ny olona" (Sal. 68. 18).(ary ny amin'ny hoe 'niakatra ,' inona moa izany , afa-tsy ny efa nidina [nidina aloha] ho any ambanin'ny tany koa? Izay nidina , dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra , hamenoany ny zavatra rehetra.).
Io dia miteny fa nitory Teny tany amin'ny misy ny fanahin'ny olona tao amin'ny TT Izy nandritran'ny 2 andro nahafatesany. Fa 2 andro Izy no maty tety an-tany fa mety plus que 2 andro Izy no nitoriteny tany amin'ny fiainan-tsy hita fa moins de 1 jour Izy no absent raha tamin'Andriamanitra. Efa misy sujet mikasika ny fikonitana andron'Andriamanitra teto dia jereo fa any efa misy fanazavana fa tsy mitovy ny 1 jour eto an-tany sy ny 1 jour any amin'ny fiainantsy hita sy ny 1 jour ho an'Andriamanitra.
Na handraso hanokafako sujet maokana eto amin'ny manaraka
10. mamonjy1
(
16/05/2014 07:43)
mamonjy1:
Olona=vatana+fanahy.
Aleo hazavaiko misisy @zay ny hevitro fa miafina @nao ny fahitako azy.
Raha ny marina de ny nofony no naty.Ary maty=matory @An/tra.
[quote=toriteny]
-Apo 1:5:" ary avy amin'i Jesosy Kristy , Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny rany"
[quote=mamonjy]
MNAMAFY NY HEVITRO IHANY ANIE IZANY,NY TENY VOALAZANAO.
NIJALY TOKOA IZY NOHONY FAHOTANTSIKA.ARY LAHIMATOA @MATY MARINA IZY,SATRIA IZY NO LOHANY FIANGONANA.italic text
??????-1Kol18:"Ary Izy no lohan'ny tena, dia ny fiangonana ; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy ."
-1Pet3:18 :"Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota , ny Marina hamonjy ny tsy marina , mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra , ka novonoina tamin'ny nofo , fa novelomina tamin'ny fanahy ," ????????
MARIHO IO ANDININY IO HOE:NOVONOINA T@NOFO,FA NOVELOMINA T@FANAHY,MBOLA MANAMAFY NY TENY ZAY VOALAZAKO IHANY KOA IO.
[quote=toriteny]
Efe 4:8-9: "Koa izany no ilazany hoe :Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy , dia nitondra olona maro ho babo (vf: il a emmené des captifs) ka nanome fanomezana ho an'ny olona" (Sal. 68. 18).(ary ny amin'ny hoe 'niakatra ,' inona moa izany , afa-tsy ny efa nidina [nidina aloha] ho any ambanin'ny tany koa? Izay nidina , dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra , hamenoany ny zavatra rehetra.).
Io dia miteny fa nitory Teny tany amin'ny misy ny fanahin'ny olona tao amin'ny TT Izy nandritran'ny 2 andro nahafatesany. Fa 2 andro Izy no maty tety an-tany fa mety plus que 2 andro Izy no nitoriteny tany amin'ny fiainan-tsy hita fa moins de 1 jour Izy no absent raha tamin'Andriamanitra. Efa misy sujet mikasika ny fikonitana andron'Andriamanitra teto dia jereo fa any efa misy fanazavana fa tsy mitovy ny 1 jour eto an-tany sy ny 1 jour any amin'ny fiainantsy hita sy ny 1 jour ho an'Andriamanitra.
Na handraso hanokafako sujet maokana eto amin'ny manaraka
[quote=mamonjy]
ENY,EFA MANAIKY INDRAY AHO NY @FANISANA ANDRO ANY ANKOATRA SY ETY ANTANY DE TSY MITOVY MIHITSY,SATRIA TSY MISY ALINA ANY.
FA RAHA HITONDRA SUJET MANOKANA IANAO DE AZONAO ENTINA IHANY.
11. toriteny
(
16/05/2014 08:40)
Vakio tsara ny zavatra nosoratanao fa hoy ianao :"Fa @maha olombelona isika fotsiny no ahitantsika hoe maty izy,fa tsy naty zany izy,fa nitohy avy hatrany ny fiainany,na dia tsy hitan'olona aza ny tompo ,velona izy." sy ny hoe " @maha nofo azy,fa ny fanahiny tsy nandalo fahafatesana zany mihitsy,satria niteny t@jiolahy te ankavanany,Tompo fa hoe hihaona @ko ianao( anio) any amparadisa"
Ny olona tany amin'ny Testamenta Taloha rehetra izay maty dia maty ihany koa tamin'ny fahafatesana faharoa na raha tianao dia tsy mbola nisy lanitra holovàna ry zareo fa natao tao amin'ny tranomaizina hoy ny 1Pet3:19
Rehefa maty Jesosy dia nandeha nitoriteny an'ireo tany amin'ny fiaina-tsy hita Izy. Izany hoe maty ohatran'ireo olona tany amin'ny Testamenta Taloha.
Ary tsy maintsy maty Izy misolo antsika izay tokony ho faty, fa raha tsy maty Izy dia mbola isiaka foana no maty. Fa tsy maintsy maty Izy hisolo toerana ny fahafatesantsika
Ary tsy maintsy natsdangana Izy hahazoantsika mandova ny fiainanana mandrakizay. Izay ilay hoe premier né des morts na Lahimatoan'ny maty. Tao amin'ny fahafatesana no natsangana Izy mba hahafahan'izay mino Azy hatsangana ihany koa ka ho velona mandrakizay

12. bichette
(
02/06/2014 11:49)
maty ary tao ampasana tokoa izy ! rhefa mankany israely dia azo jerena tokoa ilay fasana nisy azy