Mbola ilaina ve Ravalomanana

1. hery ( 13/05/2014 08:02)
Tafiditra tanteraka ao anatin'ny fitondran'i Hery Rajaonarimampianina isika amin'izao fotoana izao, ny zavatra nolazainy tamin'ny zoma dia hoe izao amin'izay izy vao tena hiasa satria izay vao tena mitsangana ny governemanta. Tsy tratrany aloha izany ny fanampy tamin'ny propagandy hoe telo volana (90 andro) dia tsy hisy delestage intsony satria tsy nifanarahana hoe telo volana aorian'ny governemanta-ny akory no nifanarahana. Adalàny rahateo ny tsy te hifidy governemanta avy hatrany tamin'izy lany.

Fa ny momba ireto Mouvance Ravalomanana izay tsy hita be ihany ny toerana misy azy ireto no hafahafa. Toa lasa tsy mpanohitra izany ny Mouvance Ravalomanana? Azo atao tsara anie ny manarina ny firenena na dia manohitra aza e. Ary ilain'ny mpitondra ny mpanohitra mba hanitsy azy.

Ka raha hijanona ho mpanohana fitondrana tahaka izao ataony izao ny mouvance Ravalo dia toa tsy ilaina intsony ny hiverenan-dRavalomanana. Hiverina haninona? Ny nantenaina taminy dia ny mba hampisy ny fifandanjan-kery hampatahotra ny eo amin'ny fitondrana hoe raha vao mibolila ianareo dia lasako io. Fa raha toa ka vao maika hanampy ny efa eo amin'ny fitondrana dia aleo ihany tsy misy.
novalian'i endriny ny 07/06/2014 05:51
2. 5laody ( 13/05/2014 13:38)

hery:

Raha fijeriko manokana dia olona tokony samy manana programa ny mpitondra sy mpanohitra. Ary ny fifanoheran'ireo programa no tokony ahitana misongadina hoe iza no mpanohitra ary inona no ho ataony?

Vao kabary aloha izay fa tokony ho mpanohitra daholo ny olona raha vao hita hoe tsy mandeha amin'ny laoniny ny asa ka dia aleo aloha hanomboka fa ela izay niandrasana izay.
Amin'izao fotoana izao efa voarakitra eto amin'ny daholo izay voalaza ka tokony afaka hitaky.

Marina ny voalazanao teo ambony hoe raha tsy misy manohitra toa ho lasa kisarisary na tena didy jadona. Amin'ireto mpanao politikantsika nefa toa mifangaro ilay hoe mifanohitra sy mifamingana.

Raha ny fanarenana ny fiainam-bahoaka ,toe-karem-pirenena, ny fandriam-pahalemana sy ny fiandrianam-panjakana angamba tsy ahahitana olona amin'izao hilaza hoe "an an an ,izahay tsy mila an'izany".

Tsy maintsy arahi-maso kosa anefa ataony amin'ny fomba ahoana ny fanatanterahana. Ilay fanarenana toe-karena ve ohatra mbola ivarotana tanindrazana sy vahoaka indray? vonona sy entanim-po hanao izany fanaraha-maso izany ve i Ra-8 na Rajoelina?

Ary Ra-8 ve raha miverina eo dia ho azonao antoka fa tsy ho voasazy hitsidika marary adiny 4 isan-kerinandro ohatran'ilay rangahy izay?

Manaraka izany, tokony ho atsahatra amin'izay angamba ity manaranaraka olona amin'ny Pôlitika ity satria n'inona n'inona ve izany ataon'ilay olona eo dia ho ekena daholo. (movansa RAVALOMANANA, Miaraka amin'ny Prezida Andry Rajoelina sns...)

Aleo ry lerony ho any fa rehefa manana zavatra matotra sy atokisana omena ny malagasy ary te hanao pôlitika am-pahamendrehana amin'izay izy dia ho eken'ny olona eo ihany.

3. rhaj0 ( 13/05/2014 20:35)
Efa tany @ 2005 aho no nampiresaka (teto)...

fa raha ny fijeriko manokana izao, dia mbola tsisy mijoro amina "principe" ny olona, ka dia io "manaranaraka olona" io araka ny filazan'i 5laody azy. Ka rahefa izany ihany, dia, raha hamaly an'i Hery aho, dia hoy aho hoe "eny, ilaina i Ra8". Amiko dia izy dia "symbole"-na petra-kevitra maromaro, ary izany dia (tokony) "inspiration" (indrindra ho an'ny tanora) :
- tsy miankina na misavika na mandohalika no trotroina na misolelaka na ... @ frantsay
- mahasahy manao zavatra mihoatra ny "fomba-tsy-hita-izay-maharatsy-azy"
- nahavita indositra (fa tsy mpanera na mpivarotra harem-pirenena fotsiny), ary mijanona na koa indrindra, mi-re-investir hatrany ao dago
- manaiky ny "liberalisme economique"-ny, ny fanosehany ny hamboarana ny lalàna, ny fiaingana manodidina ny PIC, ...

4. ravatorano ( 15/05/2014 14:57)
raha ny fijeriko azy aloha dia aleo izy hilamina any afrika atsimo any satria manahy aho fa "amboarindry zalah par silaka' iny raha tonga eto satria tsy hisy fitsarana hatokisan olona koa eto hany ka izay didy havoakany mety hanohitohina ny filaminam bahoaka !Na dia manana zo hody eto antanindrazana aza izy amin ny maha malagasy azy fa tsy maintsy hisy fitsarana hatao aminy mba hahafantarana bebe kokoa ny tena marina momba iny 7 febroary iny koa eh !
Fa izao kosa aleo ny vady aman janany hikarakara ny groupe Tiko hanarina sy hanamboatra azy io fa mba reharehatsika malagasy mihitsy ny fisian io ! sady ilay menaka nampanantenaina hidina 2500 ariary tami tetezamitatra nifarana iny ihany dia tsy nisy toy ny frigo sy ny 4L ihany eh !
5. andrywui ( 15/05/2014 15:00)
HERY A , aza mivadibadika lela mou refa miresaka e , tena ilaina de tena ilaina tokoa i dada !!!
aleo izy hiverina mba hampataoatra an'i hvm fa aza ozonina hilentika any amin'ny tanin'ny be sipa any izy e , aleo izy mody fa tena ilaina izy , na de hampisakafo ronono ny ankizy sy ny be antitra fotsn aza !!
--- faharoa aiza ko no hisy oe i Hery rajaonarimampianina irery tsisy tamingan'iza mbola voafidy de izy zany no hiakatra am poto hametaka ny fils hanenana ny delestazy satria efa zay no tenenina ?? o leretsy a ny Gvt no tena fanjakana , donc mitsangana aradalana 3volana alou le Gvt vao hita eo ny momba anzany delestazy oe aona no anaovana azy fa tany mena ko ve hirehetra hanesorana ny delestazy raha mbola ts azo le vola ampanantenain'ny olona eee !!! miandry alo de tsy manakiakiana fa elabe zay aza nahandry ka olona vao eo no migadona eo atokonana defa takina bonbon
6. rabaradaka ( 30/05/2014 11:31)
Saika tsy hanoratra eto aho fa dia nohetsehin'ny aingam-panahy dia manoratra. Raha ny logique sy ny fizotran'ny toe-draharaha dia tsy ilaina intsony i Ravalomanana raha eo amin'ny sehatra politika sy fitondrana, fa ilaina kosa izy raha hampandroso ny sehatra toekarena sy ny momba an'izany. Manahy aho fa ity Rolland Ravatockricket ity ho lasa HVM, tena mba marina e, olona kely saina sy tia vola ary voninahitra loatra mantsy io ranamana io
7. endriny ( 31/05/2014 05:52)
Tsy misy olona tsy ilaina aloha e. Na dia handrotsa-bato fotisny aza dia efa zava-dehibe eo amin'ny politika izay.

Maika moa fa efa filoha izy teo aloha. Izay no nahavoa ny mpitondra teto, manao tsinotsinona ny hafa: "vato iray ve de mba ho aiza". Nefa io arakaraky ny toerana nisy ilay vato iray teo amin'ny rafitra.
8. andrywui ( 31/05/2014 06:03)

endriny:

Tsy misy olona tsy ilaina aloha e. Na dia handrotsa-bato fotisny aza dia efa zava-dehibe eo amin'ny politika izay.

Maika moa fa efa filoha izy teo aloha. Izay no nahavoa ny mpitondra teto, manao tsinotsinona ny hafa: "vato iray ve de mba ho aiza". Nefa io arakaraky ny toerana nisy ilay vato iray teo amin'ny rafitra.

Ka tsy Rajoelina tsony mintsy ane no fahitako azy zao no olandRavalo dada fa ny AV7 sy vahoaka na ny famille nireo olona be dia be nitory azy reo e ,
De any amin Fitsarana ny afera , de nefa tsy azo adaboka fotsn amzao zany fa tsy maintdy arahana . De io izy rahonandry zalah sy ny mpitsara io oe vao miditra eo enao de Tsiafahy + Tribunal
9. endriny ( 03/06/2014 03:23)

andrywui:

Ka tsy Rajoelina tsony mintsy ane no fahitako azy zao no olandRavalo dada fa ny AV7 sy vahoaka na ny famille nireo olona be dia be nitory azy reo e ,
De any amin Fitsarana ny afera , de nefa tsy azo adaboka fotsn amzao zany fa tsy maintdy arahana . De io izy rahonandry zalah sy ny mpitsara io oe vao miditra eo enao de Tsiafahy + Tribunal

Raha izany no marina dia tokony any La Haie i. Ravalomanana no tsaraina. Izy ve no matahotra miditra eto sa ilay mpanao Notam no matahotra ny hiverenany eto?
10. Fitokisana ( 04/06/2014 12:29)
Samy manana ny strategie ahazahoany seza io. Possible hoe rehefa azon'i Ravalo ilay seza volamena de hovainy ny fomba hitondrana ny firenena!

Dommage aloha le tsisy mpanohitra e! Na dia izany aza ilaina foana ny ankilany sitranay na de hoe mba misy concurrence sy mety hitondra fiovana eto amin'ny firenena(?).

11. endriny ( 07/06/2014 05:51)
Tsy hoe tsy misy mpanohitra fa rahonana izay mitady hanohitra... Fanjakana mafia e... Ahy fa tsy an'la hoy ry zalahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3471