Ireo pretra (sasany) nanolana ankizy (2)

1. rhaj0 ( 08/05/2014 02:25)
Mitohy ny tantara noresahina tatsy.

Vaovao farany io izany dia, ohatra avy eto, dia hoe :
The Vatican revealed Tuesday that over the past decade, it has defrocked 848 priests who raped or molested children and sanctioned another 2,572 with lesser penalties, providing the first ever breakdown of how it handled the more than 3,400 cases of abuse reported to the Holy See since 2004.

na @ teny frantsay

Le Vatican a révélé mardi cours de la dernière décennie, il a défroqué prêtres qui ont violé ou molestés 848 enfants et 2572 avec un autre sanctionnées des peines moins lourdes, fournissant la première jamais la ventilation de la façon dont il a traité plus de 3400 cas signalés de sévices au Saint-Siège depuis 2004.


Ny totalibeny izany dia efa ho 3420 no isan'ny MOpera sy Frera voarohirohy... Ka nalefa teny @ Fitsarana daholo ve ireo, sa namen'ny Papa ny tsipindy, dia tonga dia efa afaka heloka daholo izao ?

Averina indray: totalibe = 3420 tao anatin'ny 10 taona ? Misy zaza efa ho 342 isan-taona izany, na in-1 any ho any isan'andro, potikin-dry Mopera sy Frera, ary ireto anefa dia toa mbola tsy atsipin'ny Vatican eny @ Fitsarana akoriny daholo ????!!!!!!!

novalian'i andrywui ny 12/05/2014 14:26
2. dadasy ( 08/05/2014 04:37)
Salama Rhaj0.

Tsy haiko izay tena tanjonao amin'ilay lohahevitra mikasika ny native indians. Raha te hahafantatra lalindalina kokoa ianao dia tsara raha manatona ireo mety hahalala bebe kokoa dia afaka manao fanadihadiana. Izaho, Dadasy, dia afaka manome fanazavana bebe kokoa ho anao mikasika ireo native indians ireo raha mila fanazavana ianao. Pretra aho, mipetraka eto ottawa, Canada ary ny malagasy rehetra eto ottawa dia mahafantatra ahy. Raha misalasala ianao dia afaka manontany any @ ambasady. Hasina no anarako, mpianatra lalan'ny fiangonana aho, eo ampanoratana ny these de doctorat amin'izany ankehitriny. Miasa any amin'ny native indians aho, mitety ny indian reserves eto ontario, quebec sy New Brunswick, hatrany any halifax sy vancouver aho. Tsy de mba miditra eto aho, ary tsy dia mba mamaky hafatra matetika ato. hitako lavabe ilay resaka momba ity ka dia izay no nanoratako.

Dadasy
3. andrywui ( 08/05/2014 05:53)
Manao Dadasy Pretra ,
Raha te hamaly ny dinika sy hevitra avoakan'ny rehetra eto i Dadasy (fa tsy i rhajo irery) de alefaso eto no hamalianao azy fa tsy sarotsaronana any amn message privé any fa mba tehamaly sy ahafantatra ny vahoaka rehetra !!
Merci Me le Prêtre
4. rhaj0 ( 08/05/2014 10:30)
manahoana Hasina. izaho indray I Haja, eto Ottawa koa. Mifankafantatra isika ary afaka miresaka mivantana tsara tokoany rahefa misy fihaonan'ny Malagasy ety.

Ny @ ireo amerindiana, dia fony tany Montreal aho no nahare tantarabe, ary ontsa tanteraka. Fa mbola tsy vita moa ny tantara, ary dia io arahiko @ internet sy tv io, ary zaraiko @ namana eto. Ny raharaha orphelins de Duplessis no miharihary apongatro io. Fa @ ankapobeny dia ... maha-ontsa foana ny manjo ireto amerindian
5. dadasy ( 08/05/2014 12:18)
Misaotra an' i Haja.

Tsara tokoa ny hiresahana itony lohahevitra itony @ fihaonantsika mba tsy ho tompontrano mihono isika. Amin'ny 15 Jona misy fihaonana manaraka any Fort Coulonge, na antsoy mivantana aho dia afaka mireska sy manome ny antsipirihany an' i Haja aho.

Mirary soa.

Hasina
rhaj0:

manahoana Hasina. izaho indray I Haja, eto Ottawa koa. Mifankafantatra isika ary afaka miresaka mivantana tsara tokoany rahefa misy fihaonan'ny Malagasy ety.

Ny @ ireo amerindiana, dia fony tany Montreal aho no nahare tantarabe, ary ontsa tanteraka. Fa mbola tsy vita moa ny tantara, ary dia io arahiko @ internet sy tv io, ary zaraiko @ namana eto. Ny raharaha orphelins de Duplessis no miharihary apongatro io. Fa @ ankapobeny dia ... maha-ontsa foana ny manjo ireto amerindian
6. andrywui ( 08/05/2014 15:11)
Ka tsy itako ane ry zareo zany no anokafana anle dinika eto ra vitainareo amn phone le resaka e zahay ko anefa mba te ahafantatra anle resaka armendianina de nefa lasa kitranoatrano any fotsiny ,,i hery kou ao zao efa miandry anle dinika kou
7. rhaj0 ( 08/05/2014 15:19)
Aza miala k'lou ry andrywui a... Ezahiko ho tanteriko eto foana izay hitako sy reko sy izay fahatsapako azy.. zaraina aminareo mba hanitsiako na hampazava ny eritreritro koa..

Dia manantitra (lava) ny fisaorana manokana eto an'i Hery sy ny (namana rehetra eto @) serasera mamela ny fifanakalozan-kevitra misokatra am-pifanajana (sy am-pitiavana) hatrany...
8. rhaj0 ( 08/05/2014 17:27)
Ahitsiko kely ny isa mivoaka :
The data showed that since 2004, the Vatican had received some 3,400 cases, had defrocked 848 priests and sanctioned another 2,572 to lesser penalties. (...) There are over 410,000 Catholic priests around the world, according to the Catholic News Service.

Efa ho 10 taona izany izao, dia t@ ireo fitarainana 3400:
- dia eo @ 1/4 ihany no "meloka" arak'i Vatican, ka dia bedy be, ary norarany tsy ho pretra. Eo @ 2 isaka ny pretra 1000, nandritra izay 10 taona izay, no nanimba ny ankizy, nanarao-pahefana.
- fa ny 3/4 dia tsy tena namely angaha izany dia nahazo ... tsipindy (???)

Ka nalefa tany @ Fitsarana ve ireo Mopera/Frera ananki-848 ireo ???


Only in 2010 did the Vatican explicitly tell bishops and superiors to also report credible cases to police where local reporting laws require them to. (...) Prior to 2010, these lesser sanctions were only handed out to about 100 or so priests each year.

Asa k'lou raha hitanareo rariny sy hitsiny izao (n)ataon'i Vatican izao.
- Raha ny fahazoako azy izany, dia talohan'ny 2010, dia mahazo tsipindy ny mpanolana-ankizy, dia akisa-toerana fotsiny; efa ho 100 isan-taona, na 2.4 isaka ny pretra 10,000.
- Raha ny fahazoako azy, dia "voasivan'ny lehibe" ny raharaha maloto: ireo no manapaka raha mila alefa any @ police ny raharaha na tsia. Mazava ho azy fa raha miangatra ilay lehibe ao, dia mangana ny madinika.


Ka aminao manokana : "vitsy" ilay isa sa "tsy vitsy" ? ireo pretra 2 mpanolana isaka ny pretra 1000 (dia narovan'i Vatican) tao, izay 10 taona lasa izay ??
(ny talohan'izay, dia mino aho fa avo 2 sa 10 heny, satria jereo tsara, fa hoe "local reporting laws require them to", izany hoe raha ohatra ka angatahain'ny lalAna eo an-toerana fa tsy maintsy lazaina @ polisy ny fanolanan-jaza... Io izao dia tena mino marin-drano aho fa ny aty @ tany mandroso ihany no hisy an'izany fa ny mahantra hotry ny antsika dia anjakan-dreo ao.. ka dia tena avo 10 heny no fanitarako azy e : pretra 1 isaka ny 50 no mpanolana)


Amiko manokana, dia ireo zaza potika (ara-batana sy ara-tsaina) miisa 100 isan-taona no mankarary ny foko.

(tsy lazaina ireo tsy hita isa any @ tany mahantra ... mampalahelo fa helo eto an-tany no iainan'ny ankizy e... izany ve ho vitavitan'ny fombafomba sy vavabavaka fotsiny?? )


Fanamarihana: araka ny voatatitry ny gazety kanadiana no zaraiko aminareo ireo. Mety manana ny filzany koa i Vatican sy ny radio vatican (sy i Hery), fa dia zarao raha mahita ianao, hanaovana recoupement.
9. hery ( 09/05/2014 17:47)
Mitovitovy foana ihany ny valiteniko.

Ny resaka fanolanan-jaza dia resaka délit pénal. Na pretra na tsy pretra rehefa manolana zaza dia azo toriana sy faizin'ny lalàna. Tsy misy tokony hidiran'ny Fiangonana mihitsy amin'izany. Nanao ny adidiny ny Fiangonana tamin'ny sazy ara-piangonana satria tany amin'ny eveka izany ilay voakasika no nitory.

Naninona izy no tany amin'ny Eveka no nitory fa tsy tany amin'ny polisy? Olona miaina ao anaty fiaraha-monina ilay olona nolazaina fa nanao ratsy ka tokony any amin'ny manam-pahefana afaka mitsara izany izy no torina.

Raha olon-tsotra ve no nanao an'ilay délit dia ho any amin'ny rainy na raibeny ianao no hitory fa tsy any amin'ny polisy?

Koa raha hitanao fa tsy ampy ny famaizana omen'ny Fiangonana azy dia tokony any amin'izay afaka manafay azy araka ny tokony ho izy ianao no mitory.
10. andrywui ( 12/05/2014 14:26)

hery:

Mitovitovy foana ihany ny valiteniko.

Ny resaka fanolanan-jaza dia resaka délit pénal. Na pretra na tsy pretra rehefa manolana zaza dia azo toriana sy faizin'ny lalàna. Tsy misy tokony hidiran'ny Fiangonana mihitsy amin'izany. Nanao ny adidiny ny Fiangonana tamin'ny sazy ara-piangonana satria tany amin'ny eveka izany ilay voakasika no nitory.

Naninona izy no tany amin'ny Eveka no nitory fa tsy tany amin'ny polisy? Olona miaina ao anaty fiaraha-monina ilay olona nolazaina fa nanao ratsy ka tokony any amin'ny manam-pahefana afaka mitsara izany izy no torina.

Raha olon-tsotra ve no nanao an'ilay délit dia ho any amin'ny rainy na raibeny ianao no hitory fa tsy any amin'ny polisy?

Koa raha hitanao fa tsy ampy ny famaizana omen'ny Fiangonana azy dia tokony any amin'izay afaka manafay azy araka ny tokony ho izy ianao no mitory.


ka le izy ane hery tsy vitanze oe torio any amn polisy de gadrao any ze pretra nanao anzao na izao ,misy lalanany ny amin'ny fanalana baraka olona masina iray , satria resaka egliz matanjaka sy international be no voatonotononna amle resaka fampijaliana ny amerindianina sy le resaka fanolanana , gaga sady mitanaka ndray zah io zao ry hery mahita anle chiffres nle ankizy efa naolandry pretra ireo fa raha tsy fongorana haingana ireo de ho vitaindry zalah tsirairay ireo zaza tsy manantsiny eo ambany fahefany !
dadasy --)) mba alefaso oe ry dadasy le fanadihadiana itanao momba an'ireo zaza amanarivony efa hita porofo(ankoatra ireo mbola hitory ) sy ny resaka amerindianina sy ny katho fa mba liana zahay sy ry hery ato ! merci
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2622