ILES EPARSES DE MADAGASCAR

1. vonynive ( 02/05/2014 07:03)
miarahaba ny mpisera
mahate hidera ny hetsika na asa na resaka na fanehoan-kevitra momba ireo nosy misandrahaka manodidina ny nosintsika ataon'ireo rantsamangaika ankehitriny, na ny mpitondra fanjakana na ireo mpampianatra mpikaroka na ireo mpisera na ireo fiarahamonim-pirenena sy ny sisa...

Fa ankoatran'ny fifanakalozan-kevitra mafana momba azy io dia irina ny hisian'ny fikaonandoha hataon'ireo voakasika mivantana, ireo mpandroso hevitra, ny teknisianina isan-tsokajiny mba hamahana ity olana ity mba tsy ho lasa torapo sy lasan-ko vavany fotsiny tahaka izay efa nahazatra hatrizay, ary tsy tokony hadinoina ny fampitam-baovao ho an'ny vahoaka .
novalian'i vonynive ny 16/05/2014 12:04
2. endriny ( 03/05/2014 20:47)
Ny eto an-toerana aza tsy voafehintsika fa anjakan'ny karana sy ny taim-bazaha koa izay any lavitra any indray moa no andeha atao akory. Sa kosa hanao saobakaka...
3. rhaj0 ( 15/05/2014 20:40)
samy "antsika" daholo na ny "eto an-toerana" na ny "any lavitra any", ary raha ny eto efa "anjakan'ny karana sy ny taim-bazaha", hoy ianao, dia ny "any" koa tena efa anjakany koa...
(ohatra, efa nasainy nandoa droit d'exploration taminy, Lafrantsa, ilay kompania nitady petrole ao)..

Ka sao dia bakaka ao ianao, zonao sy anjaranao amenao baojy @ Lafrantsa... Rahefa tsy vitaNAO ny mikolikoly azy, dia hiadio ary tazomy ihany fa ny taranaka no hanohy izany.. ngo ho'a ho fohazin'ny taranaka any afara ianao ao am-pasanao ao rahatrizay..
4. vonynive ( 16/05/2014 12:04)
marina, ary tsy lavina fa nisy ny lesoka t@ ireo zavatra nitranga t@ ireo fananana teto an-toerana kanefa tsy tokony hampiraviravy tanana antsika izany.
fandraisan'andraikitry ny tsirairay no tadiavina, tsy ny mpitondra fanjakana irery na ny fokonolona ifotony irery fa isika rehetra no mila miara-mientana, na akaiky na lavitra ilay zavatra
tokony ho saro-piaro @ hoe antsika isika, fa tsy hoe antsika dia midika hoe tokony tsy hohajaina sy hopotehana sy tsy harahimaso
ny maha "fananana iombonana" ny zavatra iray mihitsy no tokony hikoloantsika azy fa ireny no lovan'ny taranaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1256