Ataon'ny olona ho iza moa Aho ? - ataon'ny olona ho iza moa ianao ? - ataonao ho iza moa ianao ?

1. Tefigasy ( 17/04/2014 04:49)
Mahafaly ahy indray ny manolotra ho anao ireo fanontaniana mampieritreritra napetraky ny Tompo amin'izao fotoana manakaiky indray ilay andro napetraka hahatsiarovana ilay fahafatesana, ilay nijaliana, ilay nandresen'i kristy izao, dia ny andro paska.
Nisy fanontaniana napetrany ho an'ny mpianany indray andro hoe : ataon'ny olona ho iza moa Aho ? (Mar.8:27;Lio.9:18) . Toa azo heverina fa manao analyse Izy ny amin'izay fomba fahitan'ny olona Azy, ny zavatra nataony teo amin'ny olona, satria tena mbola ao anatin'ilay mission notanterahiny tety an-tany Izy.
Maromaro ny valinteny azony tamin'izay satria maro ny nahatsapa, betsaka ny talanjona tamin'ny zavatra rehetra netin'ity Jesoa ity tety an-tany (Mark.1:27; Mark.2:12; Mark.5:20, .....) tsy nisy olona nahita sy nahalala ka tsy nanaiky ny maha ngezalahy Azy, ary izay minia mikipy ihany no mandà sy manamaivana izany. Izany rehetra izany dia nahatonga ny olona hilaza fa i Jesoa dia mpaminany lehibe, i Elia niverina ety an-tany, mpitondra hafatr'Andriamanitra (Lio.9:19), ....
Raha nahare ireny valinteny ireny ny Tompo dia nametraka fanontaniana hafa indray hoe : fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ?
Efa mba nametrahan'ny olona fanontaniana mivantana mikasika ny finoanao ve ianao?; Toa ny ahoana re ny fieritreretanao an'izany Jesoa izany e ? Raha mijery ireo lohahevitra maro dia maro nisy nametraka tato aho izao tamin'ity volana ity dia toa ilay manodidina an'ilay famonjena sy fampanantenana ho an'ny mino no toa maharisika ny olona ny milaza azy (tokana ve ny varavarana sa marobe, ny vokatr'ilay feo mafy, ny fiangonana mahatonga any an-danitra, karazana bibidia, ny mikasika ny pretra sy ny tantaram-piangonana,....) fa ilay Jesoa toa andalana kely fotsiny ao anatin'ireny lohahevitra marobe ireny no maneho ny momba Azy.
Ny mitranga metetika dia toa tsy tonga ao antsain'ny olona akory ny hametraka izany fanontaniana izany amintsika. Mety tsy mampaninona ve izany hoy ianao ? Tena mampanahy tokoa satria toa midika fa mitovy amin'ny fomba fiainan'ny tsy mpino ihany ny fomba hiainan'ny kristianina ka tsy mahaliana ny hafa akory ny mba hanadihady izany. Jakoba dia efa nampitandrina mafy hoe inona moa no soa azo ry rahalahiko raha misy milaza fa manam-pinoana izy nefa tsy manana asa? (Jak.2:14) Raha hitan'ny olona mazava tsara eo amin'ny fiainanao i Jesoa sy ny voninahitr'Andriamanitra dia tsy hisalasala izy hanontany anao hoe "fa iza moa izao Jesoa hivavahanao izao e ? "
i Petera no nafana fo voalohany indrindra ka namaly ny Tompo hoe "Ianao no Kristy" . Tsy diso akory izany, saingy noraran'i Jesoa ny mpianatra tsy hilaza izany maha-Kristy Azy izany amin'olona. Fa nahoana ary ?
Maro ny azo hamaliana izany saingy ny valiny mavesatra indrindra dia satria na i Petera izay nilaza Azy ho Kristy aza dia diso hevitra ny amin'izay ataony hoe Kristy, diso vina ny amin'izay eritreretiny hoe Mesia, diso fandray ny amin'Andriamanitra.
Vanimpotoanan'ny paska isika izao, famerimberin'i Jesoa amin'ny mpianany hatrany fa hampijaliana Izy, ho vonoina Izy, ho lavin'ny olona Izy, ho faty ary hitsangana indray amin'ny andro fahatelo. Nanohina an'i Petera izany ka sahy nitsangana teo anatrehan'ny Tompo izy fa tsy hahazo sy havelany hanjo Azy velively izany. Petera indray izany eto no mitsangana hiaro ny Tompo fa tsy ny Tompo no miaro sy avelany hiahy azy. Tsy eken'i Petera mihitsy fa izany Kristy izany anie ka ho tsinotsiniavina, izany Kristy izany anie ka hangina tsy hiloa-bava akory eo anatrehan'ny zava-boahary izay nataony, ... ary tsy i Petera ihany fa ireo izay efa milaza azy ho kristianina aza indraindray dia manome tsiny an'Andriamanitra noho io fahanginany io: nahoana no navelan'Andriamanitra ho haolan'ny mopera ny zazakely, nahoana no ambinina ny mpanao meloka, nahoana no....misy ve izao Andriamanitra izao sa tsy misy e, raha misy dia aiza no nalehany, sns.... , ary betsaka ny tsy mety manaiky io hazofijalian'i Kristy io fa mamolavola Andriamanitra mpanome harena, mamorona Andriamanitra mpanome sakafo sy fiadanana fotsiny ihany, mieritreritra ilay Andriamanitra tsara petrapetraka any ambony tsy taza-maso any fotsiny,... Dia apetraka ny fanontaniana hoe iza ilay tena Andriamanitra tompoinao io ary? Ilay Andriamanitry ny filazantsara ve sa ilay Andriamanitra novolavolain'ny saintsika fotsiny ihany. Ilay Andriamanitra nanaiky ny hazofijaliana ve sa ilay Andriamanitry ny faniriantsika sy ny filantsika? Betsaka ny tsy manaiky ilay Andriamanitra nampisotroana kapoaka mangidy ary maro tamin'ny mpianatra no niodina sy nivily lalana raha nahita an'i Kristy nifantsika teo amin'ny hazofijaliana satria tsy izay ilay Andriamanitra nandrandrainy sy noeritreretiny ho ataony mpanjaka.
Ny namalian'i Jesoa an'i Petera dia hoe "tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona ihany" . Matetika dia tsy araka izay andrasantsika no fomba isehoan'Andriamanitra. Andriamanitra dia miasa sy mampiseho ny heriny sy ny voninahiny amin'ny fahanginana ary miafina ao anatin'ny zava-boahary matetika. Tiako be mihitsy ity filazan'i Paoly ity hoe "zava-miafina voahafina hatry ny fahagola" nefa ao anatin'izany fihafenany izany no ampaherezany sy hamonjeny ny mino (Rom.16:25), tamin'ny alalan'ny fahafatesany teo amin'ny hazofijaliana no nanehoany ny fandreseny an'i satana sy ny firongony rehetra (ny fatotry ny lalàna sy ny fahotana, ireo aloka sy tandindona nipetraka hatramin'izay teo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona) ary hananatsika ny fanantenana ny amin'ny farany.
Koa meteza ary ianao ankehitriny, ahitsano hiala amin'ny fiainanao ny jesoa tsiparifary hafa rehetra izay manakana ny fiainanao tsy hilonjehatra voa tsara. Raha mipetraka aminao ny fanontaniana hoe ataonao ho iza moa i Jesoa dia Ilay Jesoa kristy ambaran'i Jesoa kristy no tazominao sy hifaharanao manomboka anio, dia ilay Jesoa Kristy voahombo tamin'ny hazofijaliana izany, ilay Jesoa izay nilaza fa hiaritra fahafatesana sy fijaliana ary fangirifiriana, ilay Jesoa nitsangana tamin'ny maty. Hoy hatrany i Paoly milaza izany hoe "ninia tsy hahafantatra zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazofijaliana" (2.kor.2:3).
Dia ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !
novalian'i Tefigasy ny 18/04/2014 06:11
2. Tefigasy ( 17/04/2014 06:42)
...... Rehefa avy nanambara ny hazofijaliana ho an'ny tenany i Jesoa, dia nanambara ny hazofijaliana ho an'ny mpanaraka Azy koa: "raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliny ka hanaraka Ahy".
Eto dia mameno ny fanontaniana roa efa napetrany tetsy aloha ny Tompo. Mipetraka ny fanontaniana fahatelo hoe "ataonareo ho iza moa ianareo ?" inona no hevitry ny fiainanareo, ataonareo inona ny fiainanareo, ianareo ve ilay olona miandry fiadanana sy filaminana fotsiny, tolorana harena be sy rakofana voninahitra, ianareo ve ilay olona mibaiko an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka mandidy maro samihafa ka rehefa tsy mivaly izany dia midongy sy manozongozona ny finoan'ny hafa, (...) ataonareo ho iza moa ianareo ?
Jesoa Kristy dia nanaiky ny hazofijaliana izay natao ho Azy, nefa natao ho antsika koa, raha nambarany fa porofon'ny fitiavana lehibe nitiavany atsika ny nanolorany ny ainy teo amin'ny hazofijaliana dia lazainy koa fa anjara natao ho antsika koa izany.
Hatramin’izao dia manaraka an’i Jesoa ianao, dia Jesoa izay manome ny hanina sahaza anao isan’andro, dia Jesoa izay manasitrana ny aretinao, dia Jesoa izay manala ny fahasahirananao rehetra. Fa vonona ve ianao hanaraka Azy hatramin’ny farany ? Hatramin’ny fandavana ny tena ? Hatramin’ny fitondrana ny HazoFijaliana ? Hatramin’ny fanolorana ny aina ? “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany !” Izany, no lalana ambaran’ny Tompo hanarahana Azy, ka vonona ve ianao hanao sorona ny tenanao, ny fiainanao sy ny aminao rehetra, mba hitiavana Azy ? Diniho tsara ary ataovy an-tsaina, hatraiza no fetra ahafahanao mitia, dia tsy ho sarotra aminao ny hamaly ilay hoe ataonao ho iza moa ianao ?
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, hoy Jesoa, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany
Ho an'Andriamanitra ihany ny voninahitra !
3. toriteny ( 17/04/2014 07:35)
Misaotra an'i Tefigasy nametraka ilay dinika. Handray anjara kely raha mety. Raha ny fandinihako io fanontanian'i Jesosy io sy ny antony nandraràny tsy hilazan'ny Petera izany amin'ny olona indray anefa dia izao.

Lioka sy MArka samy mitatitra an'io fanontanian'i Jesosy io avokoa. FA ny an'ny Lioka vao nizara ilay mofo 5 sy hazandrano 7 Izy tonga dia nametraka io fanontaniana io fa ny an'i Marka 8:1-27 izy mazava b. Toy izao ny zava-nitranga tao ao amin'ny Marka:

1)namahana ilay olona be dia be Izy

2)And10 niondrana sambo tany Dalmanota Izy sy ny mpianany. Nisy Fariseo tao nangataka signe tamin'i Jesosy. Dia mario tsara ny valin-tenin'i Jesosy fa important sy mifandray amin'ilay fanontanian'ny mpianany ilay valiteniny teto:" 12:Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe : Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity". MArihiko eto fa mbola niaraka tamin'ny mpianany Jesosy teto

3)niondrana an-tsambo indray Jesosy sy ny mpianany dia nimonomonona ny mpianany satria mofo 1 sisa ny tao an-tsambo ka saika hihinana mofon'ny Fariseo ry zareo fa tsy navelan'i Jesosy ary bedin'i jesosy ry zareo(ohatran'ny hoe tsy misy hifandraisany Amiko sy ny FAriseoTadidio koa io fa important b): And 17"Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo ?Mana-maso , fa tsy mahita va ianareo ? ary manan-tsofina , fa tsy mandre va ianareo ? ary tsy mahatadidy va ianareo. Misy hifandraisany amin'ilay fanontanian'i Jesosy ihany koa ireo zavatra notenenin'i Jesosy ireo

4)Naniratany ilay jamba tao Betsaida. Tsy niteny ny mpianany, tsy niteny mitsy koa Jesosy

5)Teny amin'ny tanin'ny kaisaria-filipo amin'izay. Jesosy tonga dia nanontany fa ny mpianany tsy sahy niteny intsony. Fantatsika ny namalian'ny Apostoly Azy rehefa nanontany Jesosy hoe nataon'i olona ho iza moa Aho ?Nanontany indray Izy hoe ary ianareo? ataonareo ho Iza aho? suite n'ireo zavatra évènement entre temps ireo Nambara moa Petera hoe ianao no Kristy ary nasain'i Jesosy tsy hilaza izany izy. Fa maninona ary? Nefa tena Izy mihitsy no Kristy.

Satria ireo teny nataoko en gras eo ambony ireo no antony:
Ny Jiosy dia miandrandra Mesia ihany koa saingy Mesia be voninahitra no hiandrasany ( ary mbola miandry an'io Kristy mahery sy be voninahitra io ny Jiosy hatramin'izao) tsy i Jesosy no hiandrasany.
-izay no nahatonga ny Fariseo niandrandra signe hoe hampisehoy anay ny fahaleibiazanao fa Ianao tokoa no ilay Mesia endrasanay
-Izay no nisentoan'i Jesosy mafy am-panahy ka nitenenany hoe : Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity"
-Izay no nibedesan'i Jesosy ny mpianany saika hihinana mofon'ny Fariseo satria tsy misy hifandraisany Izy sy ny FAriseo

Ary raha mamaky ilay teny kely alohan'ny Marka 8 isiaka dia izao no voalaza ao: "Ny naneken'i Petera an'i Jesosy ho Kristy Zanak'Andriamanitra, ary ny nilazan'i Jesosy voalohany ny amin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany".
Teo Jesosy vao nilaza tamin'ireto mpianatra hoe hovonoina. Izany hoe ny mpianatra koa izany, satria teo vao nahalala hoe hovonoina Jesosy" mety anisan'ny niheritreritra sy nanana doute ny amin'ny maha Messia an'i Jesosy. Hoe Messia ilay hiandrasan'ny Jiosy ve i Jesosy io, ilay Messia be voninahitra sy matanjaka. Ka izay no antony nametrahan'i Jesosy ilay fanontaniana.

Raha fintinina izany io fanontanian'i Jesosy io dia ohatyran'ny milaza Jesosy hoe:"Ianareo koa ve miheritreritra Ahy ho ilay Messia hiandrasan'ny Jiosy?"
4. toriteny ( 17/04/2014 07:55)
Za mahita hoe mipetraka kokoa amintsika izay ataoko entre guillemet "manaraka fivavahana Jiosy " io fanontaniana io.
Moustaraf, Maranatha, RNBNIR, ataonareo ho Iza moa Jesosy?
5. bor2lais ( 17/04/2014 09:03)
Misaotra an'i Tefigasy nanokatra sy nizara @ alalan'izao lohateny izao. Ampahany amin'izany ny fampahatsiarovana indray ity fanontaniana tsy mety lany andro ity : "Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ?"

Ankehitriny tokoa dia mbola miantefa amiko, aminao, amintsika milaza mpanaraka Azy io fanontanian'ny Tompo io !

Ho an'izay mety ho liana dia efa nisy teto ny fifanakalozana mikasika io fanontaniana lazaiko io :
tsindrio eto :-)
6. toriteny ( 17/04/2014 13:36)

bor2lais:

Ankehitriny tokoa dia mbola miantefa amiko,

Satria mbola tsy fantatrao ve ny hamaliana ny Tompo hatrizao ? :-)
7. bor2lais ( 17/04/2014 15:01)
toriteny:

Satria mbola tsy fantatrao ve ny hamaliana ny Tompo hatrizao ?

Tsy amiko ihany hoy aho fa aminao ary amintsika ... :-)

Ny tsara eritreretina koa dia ny hoe : ankasitrahaNY (tahaka ny an'i Petera) ve ny valinteny ! Izany hoe valinteny avy amin'ny maha nofo aman-drà ve sa avy aiza ? :-)

Ao anatin'ny "fihavaozana" isan'andro izany ry toriteny a ! Tsarovy ny nolazaiNY an'i Petera fotoana fohy avy eo ! ;-)

Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! ;-)
8. Tefigasy ( 17/04/2014 17:18)
toriteny:

Raha fintinina izany io fanontanian'i Jesosy io dia ohatyran'ny milaza Jesosy hoe:"Ianareo koa ve miheritreritra Ahy ho ilay Messia hiandrasan'ny Jiosy?"

Afaka napetrany toa io mihitsy ilay fanontaniana saingy tsy izay no nataony. Tamin'ny valiteny azony tamin'ny olona ihany koa dia tsy nisy nametraka Azy ho mesia na kristy mihitsy ankoatr-i Petera
9. toriteny ( 18/04/2014 04:44)

bor2lais:

Ny tsara eritreretina koa dia ny hoe : ankasitrahaNY (tahaka ny an'i Petera) ve ny valinteny ! Izany hoe valinteny avy amin'ny maha nofo aman-drà ve sa avy aiza ? :-)


Andraso kosa aloha. Jesosy anie raha namaly Petera hoe "Ianao no Kristy". Izy tsy niteny mihitsy hoe "Diso izany valinteninao izany satria ianao manao Tompoko Tompoko fotsiny nefa handà Ahy in-3 raha tsy haneno akory ny akoho e! Tsy ny finoan'i Petera an'i Jesosy mitsy no en cause. Fa marina sy mifanaraka amin'ny tao am-pon'i Petera ny valiteniny matoa tsy nobedesiny toy ny nataony tamin'ny mpianany ao am Mar8:17-20 i Petera.

Amiko tena tian'i Jesosy fantatra mitsy teto hoe ny mpianany koa ve miandrandra Messia be voninahitra satria ireo mpianany ireo ihany koa dia Jiosy. Ary rehefa nanome valin-teny marina Petera dia nasainy tsy nanambara an'izany(zavatra marina no hamparitaka) satria tiany Izy no hanakaiky sy hambabo ny Jiosy fa tsy préjugée no mialoha lalana Azy any amin'ny vahoaka. Sady mbola tsy fotoanan'ny Zanak'olona koa moa tamin'io.

Jereo fa raha nanontany Jesosy hoe hataon'ny olona ho Iza moa Aho(ilay olona nahita Azy nanao fahagagana nampitombo mofo sy hazan-drano)? Dia nanome valiny bdb ny mpianatra: Jaona, Elia, mpaminany. Fa tsy norarahian'i Jesosy ny valitenin'ireo (satria tsy nisy niteny ireo hoe Messia) Fa raha important ho Azy ny fahalalana ny anjaratoerana misy Azy eo amin'ny olona, mety nasiany commentaire ihany ireo valintenin'ny olona be dia be ireo.

Fa any amin'ilay Messia Jiosy sy tsy Jiosy mitsy no tiany hasiana resaka amin'io fanontaniany io fa tsy remise en question akory.


10. toriteny ( 18/04/2014 05:06)

Tefigasy:

Afaka napetrany toa io mihitsy ilay fanontaniana saingy tsy izay no nataony.


Ka lasa tsy test intsony ilay izy raha vao io mihitsy no question napetrany. Tadidio hoa fa mbola tsy fantatry ny mpianatra Izy teto hoe hovonoina sy hitsangana, tao aorian'ny valintenin'i Petera Jesosy vao niteny azy ireo hoe hovonoina Izy ary io mitsy aza no tonga d noteneniny juste après
11. Tefigasy ( 18/04/2014 06:11)
Hotohizana ihany ity lohahevitra ity: iza tsara ilay Jesoa maty ary midika inona moa izany hoe kristy maty teo ambony hazofijaliana izany ?
Araky ny efa nolazaina teny ambony dia teo no nandreseny an'i satana, nanafahany ny olona, nitondrany famonjena ho an'izao tontolo izao.
1- Jesoa Kristy maty: Ilay mpanafaka ny amin'ny lalàna (Rom.7 ; Rom.8) :
Rom.7:1-4
Miresaka ny momba ny fanambadiana izay misy lalàna mamatotra. Ny lehilahy no tena mifehy ny vehivavy ==> ny lalàna no mifehy ny olona. Raha mbola velona ny lehilahy dia tsy mahazo mivezivezy na mitady lehilahy hafa ny vehivavy fa rehefa maty ny lehilay dia afaka ilay vehivavy. Ny fahafatesan’ilay lehilahy no manafaka ilay vehivavy. Ny lalàna rehetra, ny didy folo sy ny fanazavana azy dia namatotra ny jiosy hatrizay. Io no namatorana azy tany amboalohany ary tsy afa-miala amin’io izy raha mbola velona foana io lalàna io NEFA io lalàna io dia haharitra mandrakizay. Tsy hesorina mihitsy ny lalàna fa haharitra mandrakizay . Ahoana ary ny fomba hanafahana amin’ny lalàna? Ny fahafatesan’ilay lehilahy no manafaka ilay vehivavy. Eto anefa ilay lehilahy, ilay lalàna dia tsy mety maty fa haharitra mandrakizay. Ny nataon’Andriamanitra di any namono ilay vehivavy satria ilay lehilahy , ilay lalàna dia tsy mety maty. Isika no natao maty fa ny lalàna mijanona eo amin’ny toerany. Ny olona izay niharan’ny lalàna no maty. Koa rehefa maty ilay vehivavy dia tsy manana anjara aminy intsony ilay lehilahy na dia matanjaka sy manana fahefana toy ny inona aza. Izay no asan’andriamanitra, isika dia natao maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’I Kristy. Kristy nombohina teo amin’ny hazo fijaliana dia niaraka tamin’ilay olona taloha. Tsy isika no miezaka ny ho faty na mitady lalana izay hahafatesana fa efa natao maty. Asan’andriamanitra izany no nahatonga antsika ho faty ao amin’I kristy. Koa rehefa maty ao amin’I Kristy isika dia afaka ny amin’ny lalàna.
Ny olona izay mbola te hiverina eo ambanin’ny lalàna dia manafoana tanteraka ny fahafatesan’I Jesoa kristy satria tao no nanafahana antsika tamin’ny herin’ny lalàna.

2- Jesoa Kristy maty : nitondra ny fahotan'izao tontolo izao: Ny fahafatesan’i Jesoa dia tsy noho ny etraketrak’i pilato sy jodasy ka manjary jodasy no ankalazaina, ireny no niraikiraiky ka tratra nanatanteraka ilay asa fa efa hevitr’Andriamanitra. Ny soratra masina milaza mialoha fa tsy maintsy ho faty Jesoa kristy ary noho ny fahotantsika fa tsy noho i jodasy na i Pilato akory. Nataon’Andriamanitra ho tonga ota izy mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika. Io ota io no nombohina teo amin’ny hazo fijaliana. Fahafatesana fisoloan-toerana, ny olombelona mpanota no tokony ho faty. Tsy maty irery teo anefa i jeso fa maty niaraka taminy ihany koa isika rehetra ( IIKor.5:14 Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao ho hevitray : maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra. Izany hoe jeso ilay maty, izy ihany no taza-maso fa kosa nitondra antsika rehetra maty ihany koa. Rom.6:6 fa fantatsika fa ny toe-tsika taloha dia niaraka nombohana taminy hanimbana ny tenan’ny ota mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. Izay no fototry ny paska, kristy maty nisolo toerana, nitondra antsika mianakavy teo amin’ny fahafatesany, niara-maty taminy.

3- Jesoa kristy maty : mitondra any amin'ilay fahaterahana sy fiainam-baovao : Gen.3:22-24 : "Eny , noroahiny ny olona ; ary nampitoerany tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin'ny hazon'aina”. Nasiana sabatra miharo afo miambina ny saha edena izay tsy inona fa sarin’ny hazofijalian’i Kristy miambina ny lalana fiverenana mankany amin’ny fiainana. Izay te-hiverina any amin’ny hazon’aina dia tsy maintsy mandalo eo ambanin’ny hazo fijaliana, vonoina ho faty miaraka amin’i Kristy vao afaka miampita mankany amin’ilay hazon’aina, any amin’ny fianana mandrakizay.Ny fitsanganan’i Jesoa kristy tamin’ny maty dia milaza indrindra ny fahavelomana ao anatin’ny fahavelomana vaovao fa tsy mitovy amin’ilay fahavelomana teo aloha intsony. Fahavelomana tsy voafehin’ny lalàna ety ambany masoandro, na lalàna fizika, na siantifika, na lalam-pivavahana satria efa ao anaty fahavelomana vaovao hafa mihitsy. Velona tsy ho faty intsony, manome ny fiainana mandrakizay dia ny fiainan’Andriamanitra no omeny antsika, feno fitiavana tanteraka sy ny fahamarinana.
Ny kristianina dia mankalaza an’io paska io amin’ny andro voalohany amin’ny herin’andro - ny andro alahady satria tamin’izay fotoana izay no nitsanganan’i kristy tamin’ny maty, nanehoany ny fanombohan’ny fahariana vaovao, nanehoana ny fandresena ny zavatra rehetra, nisehoany ho mpanjaka mandrakizay.

4- Ny hazo fijaliana : manambara fampihavanana ny tany amin’ny lanitra, izay no hevitry ny hazo mitsangana. Tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra isika olombelona raha tsy mandalo ao amin’ny fahafatesan’i kristy. Ilay hazo mitsivalana kosa dia milaza ny fampihavanan’i kristy maty teo amin’ny hazo fijaliana teo amin’ny olona namany, ireo mpiray lova mifamono sy mifampitory.

5- Ny hazofijaliana: manala ny olona amin'ny fahalovana : Ny antony nahafaty ny Tompo teo amin'ny hazofijaliana dia ny mba tsy handalovanao amin'ny fahalovana. Raha mijery ilay jiolahy nifantsika niaraka tamin'ny Tompo teo ambony hazofijaliana dia nolazainy fa anio no hihaonany aminy any am-paradisa. Tsy hoe maty dia lo ao am-pasana ao. Raha izay dia maty foana ny Tompo. Ny antony nahafatesany sy nitsanganany tamin'ny maty dia mba hitsangananao hiala amin'ny vovoka.
(afaka tohizanao izay mbola manana hozaraina fa mbola betsaka ny hevitra fonosin'ilay hoe Jesoa maty teo amin'ny hazofijaliana)
Ho an'Andriamanitra ny voninahitra !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1176