Hira fiderana tinareo indrindra

1. toriteny ( 16/04/2014 11:19)
Ny ahy tsy haiko ny mihira izy ito fa mahafinaritra b ahy na ny tonony na ny hirany

Indray andro any hiriko indrindra Jeso
Ho isan'ireo raisinao
ary amin'izay, hitsangana avy amin'ny vovoka
Ny anjely no hampiarina ahy
Ary handray ny tanako

Ny masoko hahita Anao Jeso
Hipetraka eo amin'ny rahona
Hamirapiratra fatratra, hotronin'ny anjely
Sy feo-trompetra no injay
Manaitra ireo izay mino Anao

Tsy andriko izay hiaraka Aminao Jeso
Hitety an'io lanitra io
Ireo kintana holalovako, feno zava-baovao
Ho tsenain'ireo mponina ao
Ka hiditra ao Jerosaleman vaovao

Hitety ny ranomasina
fitaratra manganohano
Miandry Anao aho Jeso
novalian'i Tefigasy ny 02/05/2014 07:20
2. Tatchy ( 16/04/2014 11:49)

[quote=toriteny]
Ny ahy tsy haiko ny mihira izy ito fa mahafinaritra b ahy na ny tonony na ny hirany

Indray andro any hiriko indrindra Jeso
Ho isan'ireo raisinao
ary amin'izay, hitsangana avy amin'ny vovoka
Ny anjely no hampiarina ahy
Ary handray ny tanako

Ny masoko hahita Anao Jeso
Hipetraka eo amin'ny rahona
Hamirapiratra fatratra, hotronin'ny anjely
Sy feo-trompetra no injay
Manaitra ireo izay mino Anao

Tsy andriko izay hiaraka Aminao Jeso
Hitety an'io lanitra io
Ireo kintana holalovako, feno zava-baovao
Ho tsenain'ireo mponina ao
Ka hiditra ao Jerosaleman vaovao

Hitety ny ranomasina
fitaratra manganohano
Miandry Anao aho Jeso LALAO mihira azy "Indray andro any"
3. toriteny ( 16/04/2014 12:31)

Tatchy:

LALAO mihira azy "Indray andro any"



Misaotra anao. Ilay hira ato tsisy mpihira azy nefa tiako b mitsy. Efa namoaka album azo vidina ve io LAlao io?
4. toriteny ( 16/04/2014 12:47)
Hay ilay Lalao mihira Tompo ô v? Efa reko matetika koa iny Tompo ô iny fa tsy haiko ny mpihira azy. Fa tiko b kou. Misaotra an'i Tatchy
5. bor2lais ( 18/04/2014 09:29)
Zomà masina anio !

"Hangina aho ry Tompo
Hangina tokoa
Fa mamolivoly ny fo
Tsy haiko lazaina
Tsy tratry ny saiko
Izay niaretanao ho fanavotana ahy
Ho takatry ny saiko ve ny haben'ny Fitiavanao
Ka nitondranao mafy tahaka izao ?
Ho haiko tantaraina ve ny fomba namonoana Anao
Ka nentinao tany Kalvary ?
Hangina aho ry Tompo
Hangina tokoa
Ho rakitra ato am-poko ny Fitiavanao !"
(A. Raoeliarijaona)
6. hevitra ( 30/04/2014 09:59)
Misaotra anao. Ilay hira ato tsisy mpihira azy nefa tiako b mitsy. Efa namoaka album azo vidina ve io LAlao io?
[/quote]

Ato misy azo hihainoana ny hirany sasantsasany

http://parolyric.blogspot.com/2014/04/lalao-playlist.html
7. Tefigasy ( 02/05/2014 07:20)
Ity hira ity ny ahy no hira nosafidin'i Dada, nomeny ahy mba hizarako sy hianarako mitendry clavier tamin'izaho mbola kely. Tsy dia nanaitra ahy loatra izy tamin'izany fa ny mba hahaizana mitendry clavier no tao an-tsaiko. Ary dia ity hira ity no hira haiko nitendry voalohany ankoatran'ny "tia zaza" tamin'ny clavier (synth).
Rehefa nandray an'i Kristy ho Tompoko sy mpanjakako teo amin'ny fiainako aho tamin'ny taona 2000 dia ity hira ity no hiram-bavaka notendreko voalohany ho Azy tao am-piangonanay tamin'izany :

1. Mamin'ny foko, ry Jeso ô !
Ny famonjena izay vitanao;
Ny hadisoako navelanao
Tena afaka aho mandrakizay.

Jeso malala ô !
Mpamonjy soa!
Indro ny aiko raiso ho Anao ;
Velon-kanompo,
velon-kanoa,
Vonon-kanao izay sitrakao.

2. Tano ny foko, ry Jeso tia!
Zaza tsy mahasaraka Anao;
Mbola malemy mora mania,
Tano hifikitra ao aminao.

3. Aoka ny foko sy ny fonao
Hiara-mitepo tena iray;
Aoka ny saiko sy ny sainao
Hiray safidy mandrakizay.
(FFPM : 480)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1355