Ho an'ny Hery indrindra indrindra

1. toriteny ( 14/04/2014 06:54)
Inona moa ry Hery no tena antony tsy hanambadian'ny mompera? Tena tsy mety mihitsy v raha avela hanambady am zay ny mompera e. Normalement tsin tsitako izay tokony ho sakana tsy hahafahan'izany. Tsy misy mitsy ao amin'ny baiboly manakana sy mandrara ny tsy hanambadian'izy ireny.


Raha ny fahalalako azy manko ny mompera dia manao asan'ny mpisorona be tany amin'ny Testamenta TAloha, mpanelanelana eo amin'ny Mpino sy Andriamanitra, manolotra ny fahotan'ny olona eo amin'Andriamanitrra. Fa ny mpisoronabe aza anie tany amin'ny Testamenta Taloha nanam-bady e.
novalian'i bor2lais ny 16/04/2014 06:56
2. hery ( 14/04/2014 07:36)
Hanao mompera angaha toriteny? :-)

Raha averiko aminao hoe maninona nefa raha tsy manambady izy? Inona no olana? Ry zareo aza tsy mitaky an'izany ka tsy hitako izay olana.

Izay foana no olana matetika, ny olona tena miaina ilay izy tsy mahita olana fa ny olona ety ivelany no toa gaga.

Ny mompera tsy manambady dia mahafantatra tsara ny antony tsy hanambadiany ary hitany hoe mety aminy izany matoa izy tsy mbola mitaky ny hanambady.

Ny katolika koa tsy mbola nanao fitakiana hoe avelao hanambady ny mompera... ary tsy hitako izay hitakiany an'izany raha tsy hoe mijaly ry zareo fa tsy ampy intsony ny lehilahy nefa tsy avela hanambady hafa finoana.
3. toriteny ( 14/04/2014 07:50)
Ka ny olana anie dia be dia be ny mompera no tsy mahatanty fankam-panahy ry Hery é. Fa raha matoitra fankam-panahy izy tsy hitako izay olana ny tsy hanambadiany. Za tsy miteny hoe tsy misy an fa tsy hitanao ve hoe vitsy kokoa ny pasitera FJKM na anglikana (za tsy miresaka pasteur secte izay tsy hay hoe taiza no nahazo diplaoma pasteur sy indraindray to fomba ao amin'ilay secte mitsy no miara mandry amin'ny ankizivavy kely ) manao izany noho ny mompera?

Nefa anie dia mahavaha solution ilay mompera manambady e ary mitondra zavatra en plus aza. Ny pasteur nay zao rehefa mitoriteny izy na mampianatra dia matetika dia nyzavatra hiainany amin'ny zanany sy ny zafikeliny foana matetika no hanaovany ohatra. Sady mahalala kokoa ny approche mety hahazoana ny tanora izy amin'izay noho ny olona izay tsy nisedra niaraka tamin'ny ados akory.


4. hery ( 14/04/2014 08:33)
Tsy base handravàna ny celibat-n'ny mompera mihitsy ny fisian'ny vitsivitsy (tena vitsy mihitsy) tsy mahatohitra fakam-panahy ka. Na ianao angamba mahalala hoe firy isanjaton'ny lehilahy manambady no mampirafy (na tsy mahatohitra fakam-panahy) kanefa tsy izany akory no handravana ny hasin'ny mariazy, na koa hoe hanaovana lalàna vaovao hoe tokony avela hanambady bediabe ny lehilahy fa misy tsy mahatohitra fakam-panahy. Ianao ihany dia hiteny hoe aleo vahaolana hafa no tadiavina... na dia hoe mety hitondra zavatra en plus ihany koa aza ny manambady maro.

Koa averiko indray, tsy olana ho an'ny pretra katolika mihitsy ilay tsy manambady. Nanambady anie ny pretra taloha e, izany hoe fantatry ny Fiangonana tsara hoe inona no mety kokoa ho an'ny pretra katolika. Ary na ireo izay lazainao fa tsy mahatohitra fakam-panahy aza rehefa tena anontaniana dia tsy mangataka ny hoe fanambadian'ny pretra... fa mba latsaka fotsiny izy ireny. Ireo izay tena tsy mahatanty dia mahasahy mangataka ny hiala fa tsy hoe mitaky ny hanambadian'ny pretra.

5. toriteny ( 14/04/2014 10:00)
Ka lehilahy efa manam-bady aza ry Hery mbola volage ihany maika fa hoe tsy manana? Sady misy teny izay ao amin'ny Baiboly manao hoe: " Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe : tsy tsara raha irery ralehilahy ; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy ." Gen2:18. Sady lasa mahatonga pensées impies anie ilay tsy manam-bady e, ka mety tsy mi-passer à l'acte izy fa mandefa fiheritreretana mankany nefa haintsika loatra ny voalazan'ny baiboly MAt 5:28"Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady"

Sady tsy vitsy kosa ny mompera manao izany é. Za koa tsy miteny hoe izy rehetra fa hoy aho hoe be dia be loatra ka tsy azo tolérer na intsony (Sa hiandry pourcentage hiakatra vao handray andraikitra). Ilay actes anie mety ho pardonnable ihany e fa ilay fiantraikany any amin'ny mino mihitsy no olana, lasa voahozongozona ny finoan'ny fiangonana nefa ny mpitondra no manao ny ataony
6. hery ( 14/04/2014 10:37)
toriteny> Fa efa nanao mompera angaha i toriteny no mieritreritra an'izany hoe tsy vitan'ny mompera izany ? :-)

Misy ary betsaka ny olona tsy manam-bady nefa tsy voatery manana pensées impies ka. Tsy ny mompera ihany no tsy manambady kanefa mahavita mifehy tena. MIsy na olon-tsotra aza, na avy amin'ny finoana hafa aza, mifidy ny tsy hanambady sy hiaina fiainana tsy misy vady nefa mandeha tsara ny fiainany fa tsy misy pensées impies.

Raha ny resaka hoe "Tsy tsara raha irery ny lehilahy" indray dia discutable. Ilay lehilahy namboarin'Andriamanitra no nolazainy hoe tsy tsara raha irery satria dia ho tapitra tarangana teo ny olona. Fa izy tsy niteny hoe ny lehilahy rehetra dia tsy tsara raha irery.

Aza miteny hoe tsy vitsy ny mompera manao izany raha tsy manana statistika marina. Izaho koa mahalala fa misy ny mompera latsaka amin'izany fahotana goavana izany, ny mivavaka ho azy ireny no atao... toa ny mivavaka ho an'ny mpanota rehetra.

Ny fahotana rehetra dia misy fiantraikany amin'ny mpino hafa (na mompera na tsia no manao azy). Fa aza manahy, ny tena Kristianina dia tsy voahozongozon'ny finoan'ny mpitondra mpanota. (asa aloha ny Kristianina any aminareo). Ny tena Kristianina dia mitondra am-bavaka ny Kristianina namany na mpitondra io na tsia.
7. bor2lais ( 14/04/2014 10:58)
H.S
Sarotra ihany kosa ange ry toriteny ny miantso azy hoe "mompera" raha manana vady aman-janaka ilay olona e ! Izao izy an'ny rehetra ! :-)
Tapitsa ny H.S
:-)
8. rhaj0 ( 14/04/2014 11:00)
Raha ny rereko na koa izay novakiako teny ho eny, izay tsy hitako intsony ny reference fa mila mitsikaraka google dia ho ampitaiko rahefa hitako, raha ny rereko dia :

- taloha (fony tsy nipataloha) dia afaka manana vady (aman-janaka) tokoany i mopera; koa na ny Papa aza... manana sipa (boky mitantara an-dry Borgia ireny, asa ireny na historique nefany aloha na fotsiny tantara)

- fa taty aoriana, dia nanapa-kevitra ny lohandohany fa tsy mahazo manambady intsony mopera. Dia hoe, ny antony, dia mba tsy ahazoan-dreo manan-janaka ka tsy handovan'ireo zanaka ireo ny ... fananam-be an'i Vatican... Fa tsy haiko aloha na vavan'ny mpanatsatso io na ahoana fa ato @ wikipedia aloha mitantara ny tantara... mba zarao izay hitanao..
9. hery ( 14/04/2014 11:02)
rhaj0> Tsy dogma ny fanambadiana na tsia an'ny pretra fa fitsipika anatiny. Noho izany ny antony dia antony anatiny izay azony ovaina araka izay tiana :-)

Fifanarahan'ny samy Katolika io ka mbola hitany fa mety aminy.
10. rhaj0 ( 14/04/2014 11:12)
Etoy dia tsotsotrin-drizareo ny resaka.. ohatra:
325-Council of Nicea: decreed that after ordination a priest could not marry. Proclaimed the Nicene Creed.

Fa ity no tsy aritro fa mampihomehy ahy.. hoz'izy hono:
401-St. Augustine wrote, ?Nothing is so powerful in drawing the spirit of a man downwards as the caresses of a woman.?

An an... tena tsy miombon-kevitra @ Masina Augustin aho ;)
11. bor2lais ( 14/04/2014 11:26)
Fanomezam-pahasoavana manokana io "célibat" io a ! Ka tanjemo ny misoloky ! :-)
12. toriteny ( 14/04/2014 11:50)

hery:

toriteny> Fa efa nanao mompera angaha i toriteny no mieritreritra an'izany hoe tsy vitan'ny mompera izany ? :-)

Zay ndray Hery sy tsy avelany kitikitihina ny fivavahany. Ilaina ihany anie indraindray ilay kihana constructive e!!

hery:

Misy ary betsaka ny olona tsy manam-bady nefa tsy voatery manana pensées impies ka. Tsy ny mompera ihany no tsy manambady kanefa mahavita mifehy tena. MIsy na olon-tsotra aza, na avy amin'ny finoana hafa aza, mifidy ny tsy hanambady sy hiaina fiainana tsy misy vady nefa mandeha tsara ny fiainany fa tsy misy pensées impies.


Ka zay indrindra. Ohatra misy olona tsy hatao hanam-bady mihitsy eo amin'ny fiaraha-monina, mety par choix fa mety izay mitsy no safidin'Andriamanitra ho azy. Fa handeha hatao hoe 2/50 ny olona eo an-tanana izay tsy manam-bady izay. Raha ohatra ve ireo 50 tokony hanam-bady ireo no forcer nareo hoe tsy manambady fotsiny izao dia ahoana re no mety ho fitrangany e? Ny tiako tenenina dia tsy fantatsika izay projet an'Andriamanitra ny olona tsirairay amin'ny fanambadiana. Tsy afaka forcé nao tsotra izao Andriamanitra hoe aza programmé nao hanambady mitsy reto 500 000 prêtres eran'izao tontolo izao ireo. Amin'ireo tsy hilaozan'ny au moins 10 mety tian'Andriamanitra hanompo Azy ao amin'ny fianakaviana. D raha tsy manaiky ve izany ny fiangonana d hiala izy? Maninona anefa raha omena choix e. Hoe afaka manambady izay pretra te hanambady, afaka mijanona célibat izay te hijanona. Ny Tenin'Andriamanitra efa manome hahalalana izay hanambady hanambady. 1Tim3:1-7:"Mahatoky izao teny izao: raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina [episkopo] (VF: Si quelqu'un aspire à la charge d'évêque) , dia maniry asa tsara izy. Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny , manam-bady tokana , mahonon-tena , hendry , tia filaminana , mampiantrano vahiny , mahay mampianatra ,..."

hery:

Raha ny resaka hoe "Tsy tsara raha irery ny lehilahy" indray dia discutable. Ilay lehilahy namboarin'Andriamanitra no nolazainy hoe tsy tsara raha irery satria dia ho tapitra tarangana teo ny olona. Fa izy tsy niteny hoe ny lehilahy rehetra dia tsy tsara raha irery.


Tsy mijanona eo amin'ny Adama sy Eva fotsiny io ka. Fa amin'ny VF izy mazava b: "Il n'est pas bon que l'homme soit seul; je lui ferai une aide semblable à lui" Aide amin'ny fiainana andavan'andro mihitsy Eva ary mbola manan-kery amintsika izao io Teny io. Ary izao aza io vo tena miasa.


hery:

Aza miteny hoe tsy vitsy ny mompera manao izany raha tsy manana statistika marina. Izaho koa mahalala fa misy ny mompera latsaka amin'izany fahotana goavana izany, ny mivavaka ho azy ireny no atao... toa ny mivavaka ho an'ny mpanota rehetra.Ny fahotana rehetra dia misy fiantraikany amin'ny mpino hafa (na mompera na tsia no manao azy). Fa aza manahy, ny tena Kristianina dia tsy voahozongozon'ny finoan'ny mpitondra mpanota. (asa aloha ny Kristianina any aminareo). Ny tena Kristianina dia mitondra am-bavaka ny Kristianina namany na mpitondra io na tsia.

Marina ny teninao hoe tsy voahozongozona ny tena mpino fa mba firy moa ao anatin'ny Fiangonana iray no tena mino? Dia ahoana izany ny amin'ny ambiny? Avela hozongozonina ihany?
13. hery ( 14/04/2014 12:01)
toriteny:

Raha ohatra ve ireo 50 tokony hanam-bady ireo no forcer nareo hoe tsy manambady fotsiny izao dia ahoana re no mety ho fitrangany e?


Ilay resaka Forcer-na aloha tsy mipetraka. Libre ireo olona ireo hanao pretra miaraka amin'ny fepetra atao miaraka amin'izany. Misy olona afaka mitory sns nefa te hanambady dia tsy manao pretra fotsiny izy fa samy nomena ny talentany. Noho izany tsy misy mihitsy ny fanerena.

Raha toa ka te hanao baolina kitra ianao dia tokony manaiky ny fitsipika eny ambony terrain, fa raha tsy izany dia manao basket na manao hand-ball.

toriteny:

Ny Tenin'Andriamanitra efa manome hahalalana izay hanambady


Averiko indray, fitsipika anatiny io fa tsy Dogme. Nanambady ny pretra taloha, ary mety hanambady any aoriana any, fa amin'izao ny Kristianina Katolika sy ny Pretra dia samy mahita hoe mety ho an'ny Fiangonana ny pretra tsy manambady. Tsy misy ny mitaraina (afatsy ny tsy katolika)

toriteny:

Tsy mijanona eo amin'ny Adama sy Eva fotsiny io ka


Io ilay noteneniko hoe discutable, izany hoe samy manana ny fandraisany azy. Singulier ny homme nolazainy eto satria hitany fa irery nirenireny tao fotsiny izy. Ny pretra aty aoriana dia tsy irery fa misy mpanotrona maro be, miaina anaty communauté tahaka ny mpianatra voalohany, ka tsy azo lazaina hoe irery. Noho izany, tsy dia mila an'ilay "aide" manokana izy. Ary entina anatin'ny finoana io fa tsy dia asantanan'olombelona irery ka ny "aide" goavana dia ny Fanahy Masina. Aza manahy fa manampy ny Fanahy Masina rehefa mino.

toriteny:

Avela hozongozonina ihany?


Betsaka ireo fanontaniana goavana tokony hiarahana midinika amin'ny mpino, izay resaka foto-pinoana tokoa. Raha ireny no vita ny fiaraha-midinika dia milamina ny rafi-pinoana, tsy hipetraka akory ny zavatra madinika tahaka itony.
14. andrywui ( 14/04/2014 12:22)
Trangampiainana andavan'andro ty ary resahan'ny olona,rehetra fa ....
Vao maita madame bebe entana ry mompera 80% n'y eo mintsy io aty dago à,, de misiontsiona ry lerony sady mandrimandry maso be,, de ho gaga ve enao raha vitandry zareo tsikelikely ny masera,??normal ihany anefa nendry zareo satria olombelona ihany izy ka mba tonga filàna ko e ,,,
15. toriteny ( 14/04/2014 12:37)
hery:

Ilay resaka Forcer-na aloha tsy mipetraka. Libre ireo olona ireo hanao pretra miaraka amin'ny fepetra atao miaraka amin'izany. Misy olona afaka mitory sns nefa te hanambady dia tsy manao pretra fotsiny izy fa samy nomena ny talentany. Noho izany tsy misy mihitsy ny fanerena. Raha toa ka te hanao baolina kitra ianao dia tokony manaiky ny fitsipika eny ambony terrain, fa raha tsy izany dia manao basket na manao hand-ball.

Fa maninona no hoe tsy manao pretra fotsiny ze te hanambady? Ilay fitsipika eny amin'ny terrain hovainareo mitsy anie ny problème e. Matoa ny Tenin'Andriamanitra mametraka io 1Tim3:1-7 io misy asa takian'Andriamanitra an'ny Eveka na ny pretra ao izay en tant que père de famille no en tant que olon'Andriamanitra. Fa izao zao ilay mission rattachée amin'ny père de famille tokony ataon'ny eveka na ny pretra tsisy tanteraka.

hery:

Io ilay noteneniko hoe discutable, izany hoe samy manana ny fandraisany azy. Singulier ny homme nolazainy eto satria hitany fa irery nirenireny tao fotsiny izy.

Ao am Gen 3:19 zao Andriamanitra niteny tamin'i Adama hoe Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandrapiverinao any amin'ny tany dia dikan'izay ve au singulier koa io fa tsy miantefa amintsika intsony?

Mbola toriteny amin'ny mariage sy amin'ny fiofanana alohan'ny mariage mihitsy io Teny io: ny andraikitry ny vehivavy eo amin'ny tokan-trano amin'ny maha "aide" azy, vehivavy iray natokan'Andriamanitra ho anjaran'ny lehilahy tsirairay.

hery:

Ny pretra aty aoriana dia tsy irery fa misy mpanotrona maro be, miaina anaty communauté tahaka ny mpianatra voalohany, ka tsy azo lazaina hoe irery. Noho izany, tsy dia mila an'ilay "aide" manokana izy. Ary entina anatin'ny finoana io fa tsy dia asantanan'olombelona irery ka ny "aide" goavana dia ny Fanahy Masina. Aza manahy fa manampy ny Fanahy Masina rehefa mino.


Dia fantikana ohatran'izao ihany no mahatonga ny homosexuel hivady amin'ny farany.
16. rhaj0 ( 14/04/2014 13:09)
Tsy an-tery marina ilay manao pretra. Ohatra ihany avy eto:
385-Pope Siricius left his wife in order to become pope.

Fa mampihomehy ho'a i Masina Augustin
401-St. Augustine wrote, ?Nothing is so powerful in drawing the spirit of a man downwards as the caresses of a woman.?
Hoe ny safosafon-dramatoa no mampikidingy ny fanahin-drangahy; nefa io indrindra ho mampakatra any an-danitra (faha-7) ;)

Soa fa namoaka ny heviny (interpretation) ny Papa Pius X1:
1930-Pope Pius XI: sex can be good and holy.

Fa ilay hoe tsy manambady (aman-janaka) ny pretra @izay tsy olana ny fandovana, dia kay izany toa izao:
580-Pope Pelagius II: his policy was not to bother married priests as long as they did not hand over church property to wives or children.


Fa fanontaniana ho an'i Hery. Hoe "tsy dogma" ny celibacy.. Nefa hotry ny didy/fanapaha-kevitry Vatican ny fahazoako azy.
325-Council of Nicea: decreed that after ordination a priest could not marry. Proclaimed the Nicene Creed.

Dia ahoana ohatra ny didy/fanapaha-kevitra hafa toa ito:
1869-First Vatican Council; infallibility of pope.

Ny fahazoako an'ireo rehetra ireo dia "dogma" (principe incontestable). Sa diso aho?
17. hery ( 14/04/2014 13:14)
toriteny:

Ilay fitsipika eny amin'ny terrain hovainareo mitsy anie ny problème e.


Tena tsy azoko ny olan'i toriteny amin'io. Tsy hitako mihitsy ilay olana. Azo atao tsara mihitsy ny olon'Andriamanitra no sady père de famille. Ny pretra katolika sy ny père de famille no tsy compatible amin'izao fa ny ankoatra an'izay compatible tsara ka.


Ao am Gen 3:19 zao Andriamanitra niteny tamin'i Adama hoe Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandrapiverinao any amin'ny tany


Eny, ho an'i Adama io teny io. Misy amin'izay ny olona manome dika io teny io ho an'ny tenany manokana... izany mihitsy no tena fandraisana ny tenin'Andriamanitra. Fa izany akory tsy midika hoe ny olona rehetra dia tokony hiasa vatana (sy ho tsemboka) vao hihinan-kanina. Misy ny miasa saina, misy ny mibaikobaiko fotsiny eo :-)


ny andraikitry ny vehivavy eo amin'ny tokan-trano amin'ny maha "aide" azy


Raha itarina dia "aide" fotsiny izany arak'Andriamanitra ny vehivavy? Hitanao fa tsy tena mifanaraka ilay izy?


Dia fantikana ohatran'izao ihany no mahatonga ny homosexuel hivady amin'ny farany.


Ah! Satria ve en plus "aide sexuelle" fotsiny koa ilay "aide" lazaina etsy ambony? Noheveriko fa hoe fifanohanana toy ny nataon'ny apostoly tany aloha ihany koa dia efa fifanampiana. Raha tsy hoe homosexuel koa ny apostoly tany am-boalohany.

Hatramin'izao aho mbola tsy mahazo ny anton'ilay fanontaniana.

Ohatra hoe samy ao antranony isika dia misy mijery etsy ambaravaran-kely dia mahita ny mpifanolobodirindrina aminy mihinana amin'ny fourchette fa tsy amin'ny sotro dia miantsoantso hoe fa maninona ianareo no tsy mihinana amin'ny sotro sy INDRINDRA HOE tsy mety ilay mihinana amin'ny fourchette. Raha nijanona tamin'ilay hoe "fa maninona" fotsiny dia mety azo leferina ihany satria mety ho namaly ilay tao amin'ilay trano hoe izao no antony ara-tantara sns...
Fa olona tsy ao an-tranonao akory fa hitanao avy eny ambaravarana dia teneninao hoe tsy izao no fomba?

Ka tsy hoe tsy avelako kitikitihina ny fivavahako, fa tsy fitiavana hahalàla ilay an'i toriteny fa tonga dia miaraka amin'ny hoe "tsy mety izany". Ato an-tokan-tranoko aho ka izaho mahalala ny antony nahatonga azy ary izahay REHETRA dia mbola mahita hoe mety ilay izy. Ka tsy ny olona any ivelany izay tsy mahalala indray no hiteny hoe tsy mety amiko ilay izy :-)

18. toriteny ( 14/04/2014 13:37)

hery:


Ny pretra katolika sy ny père de famille no tsy compatible amin'izao fa ny ankoatra an'izay compatible tsara ka.

Compatible re ry Hery a. Io ny Tenin'Andriamanitra manaporofo azy. Fa izao anie dia lasa hevitr'olona (Fiangonana) no manjaka fa ilay hevitr'Andriamanitra lasa takona e.

hery:

Fa izany akory tsy midika hoe ny olona rehetra dia tokony hiasa vatana (sy ho tsemboka) vao hihinan-kanina. Misy ny miasa saina, misy ny mibaikobaiko fotsiny eo :-)

Izany mitsy no dikany kah, tsy maintsy ny hatsembohanao no tokony hihinananao . Izany no tokony tsy hanaovana PMU, ny afera maizina, ny loto, ny loka. Ny asa saina ao anatin'ny hisasarana sy maha tsemboka mety fa ireo notanisaiko ireo tsy mety.

hery:

Raha itarina dia "aide" fotsiny izany arak'Andriamanitra ny vehivavy? Hitanao fa tsy tena mifanaraka ilay izy?
Fa heritreretinao in koa ny vehivavy ankoatr'izay? Ny lehilahy no loham-pianakaviana dia ny vehivavy manampy azy. Mety manampy eo amin'ny fitadiavana, manampy ao an-tokan-trano fa mijanona ho mpanampy ny vehivavy fa tsy natao ho loham-pianakaviana.

hery:

Ah! Satria ve en plus "aide sexuelle" fotsiny koa ilay "aide" lazaina etsy ambony? Noheveriko fa hoe fifanohanana toy ny nataon'ny apostoly tany aloha ihany koa dia efa fifanampiana. Raha tsy hoe homosexuel koa ny apostoly tany am-boalohany.


Tsy hoe aide sexuelle fa ilay fandikanao ilay aide mitsy no hadikanao vilana. Ilay aide aza adino fa aide notsohahana tamin'ny taolan-tehezan-dralehilahy. Lehilahy iray promis amin'ny vehivavy iray. Fa tsy hoe n'importe quelle aide hoe rehefa misy olona miara-miaina aminy eo dia efa mahasolo ilay taolan-tehezana na hoe efa misy mpanampy be dia be eo dia tsy mila vady intsony, na tonga amin'ilay resaka homosexuel teo hoe rehefa misy n'importe quelle aide eo (na lahy na vavy) dia mety foana.

hery:

Hatramin'izao aho mbola tsy mahazo ny anton'ilay fanontaniana.

Izao ary ny fanontaniako haraviko e. Maninona no ferana ho tsy manambady ny pretra nefa afaka manam-bady? Mety hamaivanintsika ilay hoe manam-bady fa mission goavana be io an. Dia iza no hanefa ny mission an'ireo pretra ireo en tant que mari et père? Tsy haiko na azonao ny tiako hambara sy ny tiako hiaviana.

19. hery ( 14/04/2014 13:56)
Ilay fandravonana farany no hovaliako.


Maninona no ferana ho tsy manambady ny pretra nefa afaka manam-bady?


Mission goavana tokoa ny manambady sy niteraka ary mission goavana koa ny fisoronana (maha mpisorona). Ny Katolika dia NIFIDY ny hampisaraka ireo mission goavana roa ireo. Samy manana ny anjarany araka izay fahasoavana nomen'Andriamanitra azy. Tsy mila soloina ireo pretra ireo en tant que mari e père satria tsy manam-bady sy zanaka izy... Tsy misy manque de mission koa eto satria mbola betsaka ihany ireo olona izay manambady sy miteraka ary tsy lany taranaka ny olombelona... ary tsy misy fanaratsiana na fanambaniana ny fiainan'ny mpanambady mihitsy (porofo: Sakramenta ihany koa ny mariazy ho an'ny Katolika)

Safidin'ny Fiangonana Katolika io (lalàna anatiny) ary notarafina ihany koa avy amin'ilay tenin'i Paoly ao amin'ny I Kor 7 32-33

Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; fa ny lehilahy izay manam-bady kosa miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy.


Mission samihafa fotsiny fa tsy misy ratsy sy tsara na ambony sy ambany.

20. bor2lais ( 14/04/2014 15:02)
hery:

Mission samihafa fotsiny fa tsy misy ratsy sy tsara na ambony sy ambany.

:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0531