Indray andro hono (tena marina)

21. andrywui ( 14/04/2014 11:59)
Ka zay nanao ny action ihany no meloka fa madio tanana ny tsy nihosondrà !!

Ry Capsat sy ry Charles no hozonin'ny oul fangah i Rajoelina sy ry Ratsirahonana voakitikitika ?
22. toriteny ( 14/04/2014 12:17)

hery:

Ilaina ihany ny fahaizana tantara (na farafaharatsiny aza manaparitaka tantara fantatra fa diso)
- Tsy ny Romana no nanenjika an'i Jesoa fa ny Jiosy ihany. Ny Romana dia mpitondra fanjakana fotsiny izay fa tsy nahalala akory ny momba an'i Jesoa. Ny Fariseo sy ny namany no nanenjika an'i Jesoa sy nangataka famantsihana tamin'ny hazofijaliana.

Jiosy no nanenjika an'i Jesosy fa I Pilato no nanao ny procès, ny miaramila romana no nikapoka, nampijaly, nanombo ny fony sy nizara ny akanjony dia tao Golgota izay toerana fampijaliana Romana fotsiny izy no nombohina, dia mbola miaramila romana koa no niambina ny fasany rehefa notenenin'ny FAriseo Pilato fa hitsangana amin'ny andro faha3 Jesosy.

hery:

- Tsy ny Romana no nipoiran'ny fivavahana kristianina voalohany (aiza ary izany???). Ny mpianatr'i Jesoa voalohany dia tsy Romana (fa Jiosy Galiléana). Efa taty aoriana vao nitoriana koa ny Romana (mbola taorian'ny nitoriana tamin'ny jentilisa).

Romana no nipoiran'ny fivavahana kristianina voalohany ka (za tsy miresaka ny Apôstolin'i Jesosy fa ny premiers chrétiens). Ary tao Roma no nisy fanenjehana be indrindra ireo kristianina ireo fa ny tany firenen-kafa efa lefilefy izany fanenjehana zany vao tonga tany ny Apostoly nitory. Izay koa angamba no mahatonga ny Romana iray manontolo ho fankaherezana fotsiny.
23. andrywui ( 14/04/2014 12:19)
Toriteny --) merci nanome jiro tena mazava !!
24. bor2lais ( 14/04/2014 13:57)
H.S
Antiokia = ? Romana !!!
Nisy zava-nitranga nandritra ny fanjanahan-tany : lazaina ve fa ny frantsay no nipoirany ? ;-)
Tapitsa ny H.S
25. endriny ( 14/04/2014 17:38)
Marina ny an'i Hery e...
Ny Romanina aza no nanampy tosika ny fanaparitahana ny fivavahana Kristianina hatrany Irland... Izay no nahatonga ny mpianatra maro nandeha tany Roma nitoriteny fa tsy nijanona tany Israely na nandeha niantsinanana tany Mesopotamia. Rehefa nahita ry zareo Romanina fa politika tsara ny nataon'i Jesoa nilaza tao amin'ny Sinagoga hoe: "Omeo an'i Sezara izay an'i Sezara, fa an'Atra izay an'Atra". Niampy ny filazan'i Jesoa ny tsy hiadiavana amin'ny fahavalo Romanina: "Aza mamaly faty ny fahavalonao (Romanina io fahavalo io tamin'izany). Dia io no tsy tian'i Jiosy satria toa momba ny mpanjanaka I Jesoa, mivarotra tanindrazana. Talohan'ny voalaza fa namantsihana azy aza dia mbola niaraka nisakafo I Pilato sy Jesoa, ary izy no nanome ilay trano nanaovana ny sakafo farany niaraka tamin'ny mpianatra.
26. endriny ( 14/04/2014 17:38)

27. toriteny ( 15/04/2014 03:37)

bor2lais:

H.S
Antiokia = ? Romana !!!
Nisy zava-nitranga nandritra ny fanjanahan-tany : lazaina ve fa ny frantsay no nipoirany ? ;-)
Tapitsa ny H.S

Antiokia = ? Jiosy ???
géographiquement parlant Antioka dia ville (fa tsy pays) teo amin'ny sisin'i Syrie. Tao tokoa no nahazo anarana hoe premiers chrétiens ny mpanara-dia an'i Jesosy nefa tsy ireo akory no chrétiens voalohany fa tamin'ny vao nahazo ny Fanahy MAsina ny mpianatra dia efa nitory tamin'ny Jiosy teo amin'ny kianjan'ny Tempoly ary betsaka no nino tamin'ireo jiosy ireo (Dimy arivo ny isan'ny lehilahy hoy ny Asa4:4). Ary nanorona fiangonana tany Jodia sy Galilia ary
ny Samaria koa ny Apostoly vao nankany Antiokia (Asa9:31). Ka rehefa nahazo ny anarana hoe kristianina ny mpanara-dia ny Tompo tao Antioka dia tsy ry zareo tao ihany no natao hoe kristianina fa na hatramin'ireo fiangonana nino an'i Jesosy tany Jerosalema, erak'i Jodia, Galilia sy SAmaria taloha ireo koa aza dia natao hoe kristianina ihany koa, izany hoe mety atao hoe Jiosy ihany ny premiers chrétiens

Nefa tsy Jiosy ihany koa anefa satria tamin'ny Apostoly tao Antioka satria araka ny Asa 11:19-21 dia nisy Jentilisa niova fo niaraka tamin-dry zareo tao na dia Jiosy ihany aza no nitoriany teny. Jentilisa izay tsy voafaritra hoe mponin'i Antioka 100% ve satria na ny mpitori-teny an'ireo Jentilisa ireo aza dia vahiny mponina ao Kyprosy sy Kyrena :"Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany Foinika sy Kyprosy ary Antiokia , nefa tsy nitori-teny tamin'ny olona izy , afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.Ary ny sasany tamin'ireny , dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia , dia niresaka tamin'ny jentilisa koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. Ary ny tànan'ny Tompo nomba azy ireo , ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo."

Fa ny hitambaran'ny Antioka, Syrie, Kyprosy, Kyrena, Jodia sy Galilia ary ny Samaria, Ny Jiosy sy ny Jentilisa dia samy teo ambany gouvernora romana (province romain ) daholo ireo firenena ireo.
28. toriteny ( 15/04/2014 04:19)
Tiako asiana resaka kely ihany ilay resaka miaramila Romana. Io anie tsy ny Jiosy sy ny miaramila Romana ihany no responsable ny fahafatesany e, izaho sy ianao responsable ny fahafatesany ihany koa satria raha tsy nanota izaho sy ianao tsy tonga tety an-tany akory Jesosy. I Jesosy ihany koa azo lazaina hoe responsable ny fahafatesany satria sitrapony sy nekeny ny hamonjena ahy sy anao ary tsy ni-défile mihitsy Izy teny an-dalana. Azony nataony tokoa ny nitsoaka nefa tsy nataony izany. Azo lazaina ihany koa hoe Andriamanitra no responsable ny fahafatesany satria Izy no nanome ny ZAnany Lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy.

Fa ireo rehetra ireo tsy tanteraka raha nandà hatramin'ny farany ny tsy hitsabaka i Pilato. Ny Jiosy efa tsy nanan pouvoir ny hamonoana Azy ( Jao18:31 Ary hoy Pilato taminy : Entonareo Izy , ka tsarao araka ny lalànareo . Hoy ny Jiosy taminy : Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona).

Mety tsy maty ihany koa Jesosy raha nihaino ny vadiny Pilato (MAt27:19) ka nanaiky ny tsy hitsara Azy

Ka na inona na inona tsy mahintsy fahatanterahan'ny prophétie mikasika ny fahafatesan'i Jesosy, na dia hoe ni-influencer 'ny Hebreo aza Pilato sy ny miaramila romana, azony natao tsara ny nandà nefa dia nataony ihany ilay izy.

Tsy haiko amin'ny lalàn'olombelona ve mety hisy hoe raha nisy olona A namporisihin'olona B hamono olona dia i B namporisika ihany ve no voasazy fa i A afaka sa miara voasazy sy tompon'andraikitra daholo izyireo.

Fa ny fantatra aloha dia mety tsy maty ihany koa Jesosy raha tsy namadika Azy Jodasy. Ary na dia nanenina aza izy taty aoriana dia Jodasy mpamadika foana no hahalalan'ny Baiboly azy.

29. bor2lais ( 15/04/2014 07:06)
Toriteny>> ilay hoe "Romana no nipoiran'ny fivavahana kristianina voalohany " ange no nanitikitika ahy ka nanaovako io fanamarihana ambony io e ! :-)
Manararaotra ihany koa manamarika fa feno jiosy zanaka ampielezana ange ny tanana rehetra tamin'izany raha ny fahazoako azy ! Ny andro pentekosta dia samy tonga tany Jerosalema izy ireo. Ary mety avy tamin'ireo no nipoiran'ny fitoriana ny Filazantsara tany amin'ny toerana nisy azy avy ! :-)

Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! ;-)

Mikasika ilay resaka "responsable" ny fahafatesaNY indray dia hevitrao manokana io satria raha zohina ilay izy (na tsy lazainao mivantana aza) dia aminao Andriamanitra no responsable tamin'ny fahalavoan'i Adama sy Eva e ! Inona fa tsy mitovy amin'ny fialana bala nataon'i Adama izany !
Ahatsiarovako dinika efa nandeha teto elaela izay ny resakao izay (ilay dinika) milaza fa tokony Jodasy, Pilato, romana, sns no isaoran'ny Kristiana satria raha tsy ireo dia tsy nisy ny Kristianisma ! :-)

Ialako tsiny fa mety diso ny famakiko angamba a ! :-)
30. toriteny ( 15/04/2014 07:39)

bor2lais:

Toriteny>> ilay hoe "Romana no nipoiran'ny fivavahana kristianina voalohany " ange no nanitikitika ahy ka nanaovako io fanamarihana ambony io e ! :-)

Hay mou tsy ao anaty carte n'ny sy tsy azo considérer na ho Roma ny Etat sy ny province -ny? Tsy ohatran'ny La Réunion, France ihany fa département d'Outre Mer fotsiny no hilazana azy :-) Fa nanin kou ary ny Jiosy no niteny hoe"Fa niantso ireo hoe : Ento , ento , homboy amin'ny hazo fijaliana Izy ! Hoy Pilato taminy : Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo ? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe : Tsy manana mpanjaka afa-tsy kaisara izahay ."Jao19:15

bor2lais:

Manararaotra ihany koa manamarika fa feno jiosy zanaka ampielezana ange ny tanana rehetra tamin'izany raha ny fahazoako azy !

Fa angaha ny Jiosy rehefa Paques sy Pentekoty tsy miakatra ao J erosalema daholo? Sa tsy azoko no tianao tenenina? Ny présence ny Jiosy tany Antiokia sy SAmarie v? Ny fiangonana tany Judée, Galilia sy Samaria elaela ry zareo ny tany ary efa niroborobo ny fiangonana vao niala tany fa tsy hoe question ana 10 jours sy une semaine

bor2lais:

Mikasika ilay resaka "responsable" ny fahafatesaNY indray dia hevitrao manokana io satria raha zohina ilay izy (na tsy lazainao mivantana aza) dia aminao Andriamanitra no responsable tamin'ny fahalavoan'i Adama sy Eva e ! Inona fa tsy mitovy amin'ny fialana bala nataon'i Adama izany !

Fa maninona no hoe sitrapon'Andriamanitra ny nahasolafaka an'i Adama sy Eva? Satria nomeny choix ve ny olona? Ny choix any no nahatonga an'i Adama sy Eva nanota. Tahaka ny choix an'i Pilato sy ny miaramila romana ihany koa no nahatonga azy ireo hanota. Andriamanitra tsy mi-forcer olona izany na dia tokony ho fahatanterahan'ny prophétie aza e!!

bor2lais:

Ahatsiarovako dinika efa nandeha teto elaela izay ny resakao izay (ilay dinika) milaza fa tokony Jodasy, Pilato, romana, sns no isaoran'ny Kristiana satria raha tsy ireo dia tsy nisy ny Kristianisma ! :-)

Fa maninona ary no tsy nahazo seza fiandrianana Jodasy? Nefa tokony izy irery ihany anie izany no tokony hahazo an'io satria raha tsy izy tsy tanteraka ny famonjena é! Adala koa ilay baiboly miatso azy ho mpamadika. Tokony hoe Jodasy ilay nahatanteraka ny fanavotana e!!!
31. endriny ( 15/04/2014 07:59)

toriteny:

Nefa tsy Jiosy ihany koa anefa satria tamin'ny Apostoly tao Antioka satria araka ny Asa 11:19-21 dia nisy Jentilisa niova fo niaraka tamin-dry zareo tao na dia Jiosy ihany aza no nitoriany teny. Jentilisa izay tsy voafaritra hoe mponin'i Antioka 100% ve satria na ny mpitori-teny an'ireo Jentilisa ireo aza dia vahiny mponina ao Kyprosy sy Kyrena :"Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany Foinika sy Kyprosy ary Antiokia , nefa tsy nitori-teny tamin'ny olona izy , afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.Ary ny sasany tamin'ireny , dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia , dia niresaka tamin'ny jentilisa koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. Ary ny tànan'ny Tompo nomba azy ireo , ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo."

[/quote]

Hay ve ny Jentilisa hoe "Tsy jiosy eh". Nataoko fotsiny fa hoe ireo olona tsy nanaraka ny finoana ziona no atao hoe jentilisa, fa tsy hoe firazanana akory...
32. toriteny ( 15/04/2014 10:43)

endriny:

Hay ve ny Jentilisa hoe "Tsy jiosy eh". Nataoko fotsiny fa hoe ireo olona tsy nanaraka ny finoana ziona no atao hoe jentilisa, fa tsy hoe firazanana akory...

Izay hafa firenena amin'ny Jiosy no atao hoe Jentilisa.
33. dydyh ( 17/04/2014 10:34)
o ry hery a, tsy manaparitaka tantara diso aho fa tnga mo tsy kristianina ny katolika?, ary mbola tsy voavaly nge ilay fanontaniko e? dia sahy milaza izany ianao fa kristianina tsara ry Abrahama?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0509