Indray andro hono (tena marina)

1. toriteny ( 10/04/2014 13:21)
Indray andro hono nisy mpivady tsy niteraka nefa efa samy lehibe izy mivady. Nefa dia nisy niteny azy ireo fa hanana taranaka tsy tamboisaina izy mivady. Dia hoy ravehivavy miteraha ianao amin'ny mpanampiko. Notanterahin-dralehilahy tokoa ary ny tenin'ilay vadiny ka niray tamin'ilay mpanompovavy rangahy dia niteraka zazalahy.

Rehefa taty aoriana anefa dia tonga ihany ilay taranaka nampanantenaina azy mivady ary niteraka izy mivady. Taty aoriana, noho ny fialonana dia lasa ratsy toetra ilay zokiny, ilay zanak'ilay rangahy tamin'ny mpanompo vavy satria tian-drainy bebe kokoa noho izy ilay zandriny. Izany fialonana izany dia niteraka toetra ratsy teo amin'ilay zokiny sy teo amin'ity reniny ka nahatonga ilay rangahy nandroaka azy mianaka.

Marihina aloha fa Egyptianina Hagara (satria tantarany no tiako velabelarina kely eto) mety hoe efa nanana ny finoany (dieux egyptiens) izy alohan'ny nanompo an'i Sarah. Nefa rehefa nandositra tany an-efitra izy rehefa nampahorian'i Sarah ao amin'ny Gen 16:13 dia niteny toy izao: "Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah , Izay niteny taminy hoe : ianao no Andriamanitra Izay mahita ; fa hoy izy : Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana?" Izany hoe fantany tsara fa Jehovah "

Izany hoe fantany tsara izany fa misy Andriamanitra tokana ary nino io Andriamanitra tokana izay ninoan'i Abrahama sy Sarah io koa izy.

Dia ny fanontaniako dia izao. Inona hoy ianareo, raha nino an'Andriamanitra HAgara, no mety nahatonga an'i Ismael ho rain'ny Musulman? Sa io fialonany sy tsy fitiavany an' Isaaka io no nahatonga azy ihany koa tsy ho tia ny Andriamanitr'i Abrahama? Ka nahatonga azy hamorona fivavahana hafa?

() kely. Voalaza ao amin'ny and10 an'io Gen16 io ny hoe "ataoko maro indrindra ny taranakao , ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany" ary tena maro b tokoa ny arabo sy ny musulmans. Ary ao am Gen16:12: "Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia ; ny tanany hamely ny olona rehetra , ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy ; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy"

Ny musulman ve izany tena hatao hiady amin'ny le reste du monde na plutôt hiady amin'ny kristianina. Nefa anie ka dada iray ihany izy sy Isaaka. I Jakoba aza reny 4 samihafa be izao no nipoiran'ny zanany 12 lahy, mety ihany. Koa maninona i Ismael no tsy nitazona ny finoan'ny reniny? Ny tamin'izany mety hoe inutile satria tsy taminy no niantefan'ny teny fikasana dia mety nanao pacte tamin'ny dieu hafa izy. Fa izao anie efa tsy voafetra eo amin'Israely intsony ny famonjena e. Koa maninona no tsy mba hanana ny anjara famonjeny koa ny Musulman nefa samy zanak'Abrahama daholo izao ihany.

Izany rehetra izany dia satria nisy Musulman niteny izay hoe tsy afaka ny hifandray mihitsy ny Musulmans sy ny Kristianina
novalian'i dydyh ny 17/04/2014 10:34
2. bor2lais ( 10/04/2014 15:08)
H.S kely
Ahatsiarovako vazivazy jiosy iray izay ity tantara omen'i toriteny ity : hoy ilay jiosy
"Tsy levon'ny vavoniko mihitsy aloha ny "erreur" nataon'i Abrahama e, tokony noroahany tany andrefana tany mihitsy izy mianaka (Hagara sy Ismael) fa tsy antsinanana : aiza ve rangaha izao lasany daholo ny pétrole !" :-)
Tapitsa ny H.S :-)

Miala tsiny @ izay mora tohina a ! :-)
3. hery ( 10/04/2014 17:30)
Raha ny fahitako azy dia tsy resaka olana arak'Andriamanitra mihitsy ny olan'ny silamo sy kristianina. Tsy mino aho hoe naka andriamanittra hafa i Ismael. Mbola Andriamanitr'i Abrahama ihany no ninoany. Izay no nilazaiko hoe tsy resaka Andriamanitra no olana fa ny resaka fanambaràna izay nanova ilay Andriamanitra ivavahana taty aoriana. Ny fandikàna (interpretation) vilana ny tenin'Andriamanitra tokoa anie ka manjary mampiova ilay Andriamanitra inoana e.

Ny niatombohan'ny olana indrindra dia ny nisian'ny Coran izay nolazaina fa teny notononin'Andriamanitra. Koa satria ninoan'ny silamo fa i Allah tokoa no nanoratra io boky io, nefa ny zavatra voalazany dia tsy mitovy amin'ny principe kristianina sy ny toetran'ilay Andriamanitra fitiavana Kristianina, dia ny fehiny hoe tsy mitovy izany ny Andriamanitry ny kristianina sy i Allah. Ny silamo tsy hanaiky mihitsy hoe tsy notononin'i Allah tamin'i Mahomet ny Coran. Ka tsy hanaiky mihitsy izy hoe Andriamanitra iray ihany ireo.

Tandremo koa anefa fa tsy nijanona teo amin'ny silamo sy ny kristianina io zavatra io fa mitohy amin'ny samy kristianina. Ka raha izao fidrikinan'ny samy kristianina momba ny baiboly izao no mitohy dia farany samy hiteny hoe angamba tsy mitovy ny Andriamanitsika.
4. rhaj0 ( 10/04/2014 20:49)
Avy @ wikipedia no mamintina ireo Fivavahana izay iraisana avy @ i Abraham (ampiany ny tsy nidina avy t@ Abraham koa):
The unifying characteristic of Abrahamic religions is that all accept the tradition that God revealed himself to the patriarch Abraham. All are monotheistic, and conceive God to be a transcendent Creator-figure and the source of moral law, and their sacred narratives feature many of the same figures, histories, and places in each, although they often present them with different roles, perspectives, and meanings.

Koa raha ny fahazoako azy, raha miolotra @ non-Abrahamic religions, dia IRAY ihany ny God ho an'ny Kristiana sy Moslimo ary Jiosy. Dia eto azany, dia ireo Fivavahana non-Abrahamic ireo (Hindus sy Sikhs ohatra) dia mitady hisary zoro hoe, mitovy ihany anie ny God fa ny anarany fotsiny no samy hafa (araka ny jeogirafia nisy ny nanoratra ny Bokibe-ny avy)

Fa avy eo moa samy manana ny fandikany azy manokana (interpretation personnelle)..
5. toriteny ( 11/04/2014 06:45)

hery:

Ny fandikàna (interpretation) vilana ny tenin'Andriamanitra tokoa anie ka manjary mampiova ilay Andriamanitra inoana e.


Azo hoeritreretina koa izay. Satria tena tsy ni-s'adresser taminy sy Hagara intsony avy eo Andriamanitra dia mety ni s'estemper ny finoany. Nefa ve dia au point mitsy hoe hivadika Allah mitsy Andriamanitra? Za miheritreritra hoe tamin'izy mianaka nandeha tany an'efitra no nihaona tamin'ny mponina efa nanana andriamanitra hafa izy mianaka. Satria ahoana ary no nahafahany nivelona tany raha tsy au moins nisy fatsakana nataon'olona tany? Sady tsy hoe mba tao ihany ilay base fa ny détails no niova fa tena niova hatramin'ilay base mihitsy aza.

Fa tena marina mihitsy aloha no lazainao va rehefa tsy miresaka sy hiresahinao Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahiny sy ny vavaka dia tena hiova tanteraka ny interprétation an(io Baiboly io.

Ito misy zavatra iray ihany koa. I Esao dia nanome firenena lehibe iray dia Edom ohatran'ny hoe Israely ho an'ny JAcoba. I Edom nefa HONO no ancêtre ny romain. Romain izay nanana ny andriamaniny ihany koa dia ny dieux romains izany (nefa Esao nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny rainy ihany koa tamin'ny voalohany) ny romana izay nanombo an'i Jesosy (izay Jiosy. Considence v?), ny romana koa anefa izay nimpoiran'ny fivavahana kristianina voalohany. Dia izao indray ary ny fanontaniako. Ny romana aza nanana ny andriamaniny taloha afaka niova ihany taty aoriana, maninona ny Musulmans tsy afaka manao izany?
6. andrywui ( 11/04/2014 10:17)
Sarotra valiana sy iadiankevitra be ny Tenin'Andriamanitra fa Minoa fotsiny ihany hoy i dada !!!

Satria diniho tsara anie ity e misy zavatra bizarre be ity !!
--rehefa avy namono an'i Abela i Kaina de lasa nande niala teo amin tany nametrahan'Andriamanitra azy mianakavy ( Adama, Eva, Kaina , Abela ) olona nataon'Atra voalohany !!
De lasa niala teo i Kaina de NANAMBADY tany amnle toerana nalehany tany ! DE IZA NDRAY ARY IREO OLONA NALEHAN'I KAINA IREO ?
7. rhaj0 ( 11/04/2014 12:28)
Ilay fandikana manokana (interpretation personelle) anie ry Andrywui ka

- tsy vitan'ny hoe fahatsapana (perception) na koa ny fahazoana (comprehension) no samy hafa (samy nahatsapa ny tandrifin'azy ireo jamba manodidina ilay elefanta), fa indrindra koa

- hoe, raisina ara-baki-teny ve, sa raisina ara-kisarisary izy ity e... ao no milaza fa mila apetraka @ zava-misy (contexte) nanoratan'ilay nametraka azy an-tsoratra ny Baiboly; alaivo sary an-tsaina ilay mpandalina-sekretera nandalina ireo taratasy tonta eo anatrehany, nefa priatin'ny sefobe-ny (ny Papa t@ fotoanany ohatra) ny hanoratra zavatra hafa... ny sasany indray milaza fa "poetique" mihintsy ny (sasany) ao @ Baiboly


Ka io no lazaiko hoe, ataovy sy raiso @izay mampetimety ny baolinanao ao re ilay izy dia aza dia misahiran-tsaina @izany e... Toa samy manao an'izany ihany ny lohandohany isan'isany.

Ka rahefa tsy hitan'ilay lozikanao (na lozikan'olombelona sy fiarahamonina ankehitrio) raha toa ka raisinao ara-baki-teny ilay resaka, dia raiso hoe kisarisary indray, ary dia ahitsio ho @ilay lozikanao ao... na koa passage hafa indray vohizina...

8. bor2lais ( 11/04/2014 14:46)
andrywui:

Sarotra valiana sy iadiankevitra be ny Tenin'Andriamanitra fa Minoa fotsiny ihany hoy i dada !!!

Ka i dada ve no inoana sa ny Tenin'Andriamanitra Ra-wui ? :-)
Tonga soa eto aloha ianao e ! :-)
Sao dia tokony ifanasa tongotra kely aloha isika fa manakaiky indray ity ny Paska ! :-)
H.S ny ahy iny a ! ;-)
9. andrywui ( 11/04/2014 14:55)

bor2lais:

andrywui:

Sarotra valiana sy iadiankevitra be ny Tenin'Andriamanitra fa Minoa fotsiny ihany hoy i dada !!!

Ka i dada ve no inoana sa ny Tenin'Andriamanitra Ra-wui ? :-)
Tonga soa eto aloha ianao e ! :-)
Sao dia tokony ifanasa tongotra kely aloha isika fa manakaiky indray ity ny Paska ! :-)
H.S ny ahy iny a ! ;-)



Ka le sasa tongotra otran nataoni pape iny marikin'ny fanetretena iny (sa tsy zay ry hery???) Fa tsika sy enao nga mou miady ??!!!
-fa marina ne io resako eo io ry bor2lais e ,,,aiza ka oul 2 no nataon'Atra voalo ( adamaseva) de aveo niteraka ani Kaina sy Abela de nony maty i Abela de lasa voaroaka i Kaina de nanambady tany ,,,,( DE IZA NDRAY REO OLONA NOVADIANY TANY REO ?????)
10. endriny ( 13/04/2014 02:52)
Tantaran'israelita io fa tsy tantaran'izao tontolo izao. Dia ahoana no niovan'ny israelianina ho gena nipetraka taty aminay afrikanina?
11. dydyh ( 14/04/2014 10:14)
salama daholo ry namana
mba te hanontany aho hoe inona kay ny definition ny kristianina?
dia iza no rain'ny finoana?
12. dydyh ( 14/04/2014 10:24)
ny romana koa anefa izay nimpoiran'ny fivavahana kristianina voalohany. dia inona izany ny fivavahan'i Abrahama sy izay rehetra tao aorian'ny mandrapahatonga taty amin'Jesosy?
izay no mahagaga ahy , ny kristianina ve tsy taorian'ny jesosy, ary mazava tsara nefa fa hoe izay finoana netin'I Abrahama ihany no nentin'ny zanany na i Isaka io na i Ismael, ary samy nahazo tso-drano tamin'Andriamanitra daholo izy roalahy ireo.
13. hery ( 14/04/2014 10:43)
Ilaina ihany ny fahaizana tantara (na farafaharatsiny aza manaparitaka tantara fantatra fa diso)

- Tsy ny Romana no nanenjika an'i Jesoa fa ny Jiosy ihany. Ny Romana dia mpitondra fanjakana fotsiny izay fa tsy nahalala akory ny momba an'i Jesoa. Ny Fariseo sy ny namany no nanenjika an'i Jesoa sy nangataka famantsihana tamin'ny hazofijaliana.

- Tsy ny Romana no nipoiran'ny fivavahana kristianina voalohany (aiza ary izany???). Ny mpianatr'i Jesoa voalohany dia tsy Romana (fa Jiosy Galiléana). Efa taty aoriana vao nitoriana koa ny Romana (mbola taorian'ny nitoriana tamin'ny jentilisa).
14. andrywui ( 14/04/2014 10:56)

hery:

Ilaina ihany ny fahaizana tantara (na farafaharatsiny aza manaparitaka tantara fantatra fa diso)

- Tsy ny Romana no nanenjika an'i Jesoa fa ny Jiosy ihany. Ny Romana dia mpitondra fanjakana fotsiny izay fa tsy nahalala akory ny momba an'i Jesoa. Ny Fariseo sy ny namany no nanenjika an'i Jesoa sy nangataka famantsihana tamin'ny hazofijaliana.

- Tsy ny Romana no nipoiran'ny fivavahana kristianina voalohany (aiza ary izany???). Ny mpianatr'i Jesoa voalohany dia tsy Romana (fa Jiosy Galiléana). Efa taty aoriana vao nitoriana koa ny Romana (mbola taorian'ny nitoriana tamin'ny jentilisa).


Ny miaramila ROMANA tompoko no nanombo an'i jesosy sy nanolotra azy homboina ary namantsika Azy tamn hazofijaliana ,, homboy ,homboy ry zareo fa Hosana ,hosana hoy ny jiosy !!!

OTRANZAY NY DÉROULEMENT NLE TANTARA RAHA NY MARINA À

reo Romana ao Italy sy Vatican ao reo no fositra à
15. bor2lais ( 14/04/2014 11:04)
Andrywui:

Ny miaramila ROMANA tompoko no nanombo an'i jesosy sy nanolotra azy homboina ary namantsika Azy tamn hazofijaliana ,, homboy ,homboy ry zareo fa Hosana ,hosana hoy ny jiosy !!!

OTRANZAY NY DÉROULEMENT NLE TANTARA RAHA NY MARINA À

Siora an'izany kosa ve i Andrywui ?
:-)
16. hery ( 14/04/2014 11:05)
andrywui> Farafaharatsiny rehefa tsy dia tena afaka mamaky baiboly dia aleo mba mijery film :-p ohatra hoe Jesus de Nazareth.

Tsy nisy vahoaka Romana tany Jerosalema fa miaramila mpampandry tany no tany. Mpanjana-tany. Tsy ny miaramila no niteny hoe "Homboy! Homboy!" fa ireo Jiosy ihany na dia nisy tamin'izy ireo ara nanao hoe "Hozana! Hozana" andro vitsivitsy mialoha.

H.S. Ny Gasy ihany no nihoby an-dRavalo dia ny Gasy ihany koa no nanendaka an-dRavalo
17. bor2lais ( 14/04/2014 11:11)
hery:

H.S. Ny Gasy ihany no nihoby an-dRavalo dia ny Gasy ihany koa no nanendaka an-dRavalo

Dia nisy ny mpampandry tany e ! :-)
18. andrywui ( 14/04/2014 11:42)
H.S. Ny Gasy ihany no nihoby an-dRavalo dia ny Gasy ihany koa no nanendaka an-dRavalo??? Ravalo namosavy taigna kou !!

O ringah hery à tena otran miaramila Romana no itako somebiseby maka fantsika rezatra sy martou itako ato am jésus de Nazareth ato io à ,,tsy maita jiosy rebareba akonjo mitsy ah
19. andrywui ( 14/04/2014 11:49)
Sa ve mety hoe jiosy nanao akanjo n'a miaramila Romana reo manme vinaingitra ny Tompo sy nanindrona ny lanivohony sy manesoeso Azy reo ????? Zay anga ,,,fa de miaramila tokou reo itako reo
20. hery ( 14/04/2014 11:49)
andrywui> Eny , ny miaramila romana no namantsika azy fa ny Jiosy no nangataka hoe "Fantsiho". Ny Romana no mpampandry tany dia tsy maintsy miteny aminy ny Jiosy rehefa hanameloka olona.

H.S. Ny miaramila Romana otran'ny CAPSAT ihany. Omena vola hampandry tany sy hanongam-panjakana fa ny Jiosy TGV no tena fositra loll
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077