Ny lalàna sy ny famindram-po (fahasoavana)

1. Maranatha ( 09/04/2014 08:04)
Natao tsotra ny resaka mba hahazoan'ny rehetra azy tsara. Natao miendrika tantara.

Nametraka lalàna ny Mpanjaka mba hampiharina ao @ fitondram-panjakany. Raha mampihatra (mankato) izay voalazan'io lalàna io ny olona (na ny zavaboahary) izay ao anatin'io fanjakany io dia mihantona eo fotsiny io lalàna io satria tsy misy mpandika.
Fa raha misy mandika kosa io lalàna io dia efa misy sazy hampiharina ho an'izay mandika izany lalàna izany. (sazy= fahafatesana)
Ny hany hahafahana mampitony ilay lalàna sy manala ilay sazy noho ny fandikana azy dia tsy maintsy mila fandatsahan-drà. (Rà n'olona izay tsy nandika io lalàna io).

T@ toerana iray dia saika mpandika ilay lalàna avokoa ny olona rehetra tao.
Nalahelo ilay Mpanjaka nony nahita izany, satria tsy maintsy hiaran'ny sazy avokoa izany ireo olona mpandika lalàna ireo. Nikaon-doha ilay mpanjaka sy ireo mpanolon-tsaina azy mba hahafahana mamonjy ireo olona mpandika lalàna. Ny hany vaha-olana tokana hitan'izy ireo sy neken'ilay lalàna dia ny famonoana ilay zanaky ny mpanjaka izay tsy nandika ilay lalàna mba hitondrana ny ràny eo @ ilay lalàna.
Ny nahagaga dia tsy nanda ny handatsaka ny ainy mba hahafahana mamonjy iretsy mpandika lalàna ilay zanaky ny mpanjaka (noho ny fitiavan'izy sy ny rainy iretsy olona mpandika lalàna hono no antony).
Ny fepetra fotsiny dia hoe mila manaiky am-bava fa ho isan'ny ho vonjen'io zanaky ny mpanjaka io ny mpandika lalàna iray izay te ho afaka @ sazy, ary tsy mamerina intsony.

Nampahafantarina iretsy mpandika lalàna izany fanapahan-kevitra izany mba hahafahana mamonjy azy ireo. Faly iretsy mpandika lalàna fa tsy hiaran'ny sazy, tsy ho faty. Maro no nanaiky izany fanam-pahan-kevitra izany ka dia naniky tamin'ny vavany.

Rehafa tsy niharan'ny sazy vokatry ny fandikany ny lalàna ireo olona ireo fa novonjen'ny zanak'ilay mpanjaka MOA VE IZY IREO MBOLA HIVERINA HANDIKA LALANA INDRAY SATRIA EFA NOVONJENA ????
Mino aho fa hiombon-kevitra amiko hianao tsy hanao intsony izy, zarany aza efa afaka t@ ilay teo.

Toy izany koa ny namonjena antsika, efa nohafahana t@ fahotan-tsika isika ka mbola hiverina hanota indray ve ???? . Fa raha misy tafalatsaka @ fahotana izany hoe tsy nahy tsy antsitram-po dia mbola mitondra ny famamelana ilay zanaky ny Tsitoha.
novalian'i toriteny ny 10/04/2014 06:32
2. bor2lais ( 09/04/2014 11:48)
Matoa io lalàna io foana no atao ventin-dresaka sy ao an-doha marain-tsy hariva dia misy finiavana (mivantana na an-kolaka) te-handika azy ao izay ! :-)
Mbola ilay lalàna no mpitaiza @ izay fotoana izay ! :-)
Fomba fijery manokana ny ahy izay a ! ;-)
3. hery ( 09/04/2014 17:03)
Ny tsy nahy ve fahotana?
4. Maranatha ( 10/04/2014 05:34)

hery:

Ny tsy nahy ve fahotana?

Mipetraka ho fahotana foana io.
Oh: Nivoaka i Hery nitondra fiara, Tsy nanampo na inona na inona i Hery indro nisy ankizy niampita tampoka voahitsaka ka maty. Mazava be nahafaty olona i Hery , Nanota.
Eo no mihiiditra ilay famindram-po, Satria raha nofakafakaina dia tsy nana-kevitra ny hamono io ankizy io mihintsy i Hery, izy no noampita tampoka, nanao izay azo natao i Hery fa tsy nisy hevitra intsony.
Ny lanitra ihany no mahita io fa raha ny vahoaka eto antany (oh: eto M/car) dia tratry ny fitsaram-bahoaka ilay saofera raha tsy mandositra miala teo. Ny any @ tribunal ihany koa ho voasazy foana i Hery satria namono olona.
Ny ràn'i Kristy izany no manadio io olona io. Misy ohatra nomena toy io ao anaty baiboly mikasika ny tanana fandosirana Nomery 35:11 dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.
bor2lais:

.....

Tsy ilay lalàna intsony no mpitaiza fa mba tsy handikana io ka hanombohana foana ny zanaky ny Tsitoha dia mila fantarina sy tandremana izy io.
Mba hahafantaranao ihany koa fa nanota hianao dia mila hay tsara izy io. Satria matetika misy heverina fa tsy ota kay tena fahotana be
5. toriteny ( 10/04/2014 06:32)

Maranatha:

Tsy ilay lalàna intsony no mpitaiza fa mba tsy handikana io ka hanombohana foana ny zanaky ny Tsitoha dia mila fantarina sy tandremana izy io.

Ahitsiko kely ianao. Tsy tombohina à chaque fahotana hataon'ny olombelona iray akory Jesosy. Tsy mitsahatra tombohina Izy raha izany satria isiaka 1 milliard dia tsy maintsy hisy hanota par milliers par seconde. Indray mandeha ihany Izy no voahombo fa kosa ny ràny no évoquer na à chaque fois ka mila famelan-keloka ny olona.

Maranatha:

Mba hahafantaranao ihany koa fa nanota hianao dia mila hay tsara izy io.

Tsy mila hay hianarana tsianjery izany ka. Tsy hoe mandingana 1 pas zah d manontany tena foana hoe ota ary ty sa tsy hota. Misy sakafo tena tsy tianao mihitsy ve ? Za zao raha vao maheno vary stock mangotraka eny an-dalan tonga dia mandoha, tsy fanahy iniako an, tsy hoe hianarako tsara aloha hoe tsy tiako ny vary mangotraka dia rehefa maheno vary mangotraka aho eny an-dalana dia henoiko tsara hoe vary makalioka ary izany sa vary gasy sa stock dia rehefa stock izay aho vao mandoha.

Fa tena mandeha ho azy ilay mandoha. Dia ohatran'izany ihany koa ny ota sy ny mpanara-dia ny Tompo, tonga dia maharikoriko anao fotsiny tsotra izao ny fahotana dia tsy hataonao. Na dia tsy mahay lalàna aza ianao, na dia mbola tsy mamaky baiboly aza ianao, ilay Fanahy Masina vao nomena anao no mampahala anao ny fahotana.

izany akory tsy midika hoe tsy ilaina ny famakiana ny baiboly sy tsy fahafantarana ny lalàna fa balise sisa ny lalàna fa tsy chemin. Izany hoe ny chemin dia Jesosy Kristy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina fa ny Baiboly harofanina fotsiny rehefa tady hihaotra ny lalana ianao indraindray. Fa tsy ny lalàna akory no chemin handehanan'ny mpino.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3014