MANGOTRAKA

1. YDIFAS ( 29/03/2014 20:17)
Miarahaba antsika rehetra amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy indray, ry havana malala.
Ho amintsika mianakavy anie ny Fahasoavan’Andriamanitra sy ny Fiadanan’i Kristy omban’ny Fampiraisana avy amin’ny Fanahy Masina.

Fantatsika rehetra fa rehefa mangotraka ny rano (na tsiranoka hafa na firehetan-javatra hafa) dia tsy azo tsabahana sy tsy azo raisina amin’ny tànana fotsiny (“main nu”) izany. Torak’izany ihany koa ny miaramila, tsy mivadika amin’izay nanolorany tena izy fa mafàna fo amin’ny fanompoany ny tanindrazany, eny, na hamoizany ny aina aza.

Tsy misy valaka amin’izany ny miaraka amin’Andriamanitra, aina no fetra hoy ilay hirantsika. Raha “mangotraka” amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika dia tsy afaka hikitika antsika ilay ratsy (devoly, satana).
Hoy indrindra nefa Jesosy: “Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafàna ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafàna ianao. Fa satria matimaty ianao ka tsy mafàna na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao” Apokalypsy 3/15 – 16.
Eto dia miantefa amintsika izay efa manompo an’Andriamanitra ny Teny (eny, mampiomana ireo izay hisafidy ny hanompo Azy ihany koa) satria fanambaràna ho an’ny fiangonana no voalaza amin’izany.
Tian’Andriamanitra ho mangotraka amin’ny fanompoana Azy isika, tiany hitovy tadin-dokànga ny ao am-Pony sy ny ao am-potsika, tiany tena hifanaraka tsara amin’izay tanjòny ny làlana izorantsika miaraka Aminy.
Mitarika antsika hibanjina ny Toetran’Andriamanitra sy hahalàla misimisy kokoa ny tena ao am-Pony izany.
Ambara etoana fa matoa tonga amintsika ny Tenin’Andriamanitra dia fantaro fa Fitiavany antsika izany. Tsy hoe akory hiampangàna na itifirana n’izan’iza (na izay manoratra izao hafatra izao ihany koa aza dia mandray anatra avy amin’ny Teniny).

Tian’Andriamanitra isika hihazakazaka sy handeha amin’ny Teniny. Raha miteny Izy hoe “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao sy ny fanahinao ary ny herinao rehetra ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Lioka 10/27; Deotoronamia 6/5; Levitikosy 19/18) dia ataovy araka izany ary e!
Tian’Andriamanitra isika hanao araka izay voambàrany amintsika rehetra. Tiany ho Izy no hataontsika Lohalaharana sy Faratampony amin’izay rehetra sainintsika sy ataontsika. Koa mahereza ary!

Fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fanànana be aho ka tsy manan-java-mahory, kanjo, tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjakaApokalypsy 3/17.
Hevitra ara-panahy no ambarany eto: mety hilàza tokoa isika hoe efa manompo an’Andriamanitra amin’ny fo, efa manan-karena Tenin’Andriamanitra marobe (satria ny Tenin’Andriamanitra no Ilay Harena nafenina, hoy Izy), efa manao izay rehetra nambàra tamintsika (tamin’ny alalan’ny baiboly na toriteny re…), efa mahatakatra zava-panahy (mahiratra) ary efa mitafy an’i Kristy isika … toa reharehantsika mihitsy aza ny maha kristiana antsika, ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra. Araka ny fihevitsika ihany angamba izay.
Fa maninona tokoa moa no mbola voalaza fa mahantra sy ory sy mitanjaka sy malahelo ary jamba ity fiangonana ity?
Andriamanitra dia mahita ny zavatra rehetra ary tsy misy miafina Aminy ny ataontsika, eny, na izay ao am-potsika lalina ao aza. Angamba mbola misy zavatra hafa hazonintsika sy ataontsika ambony noho Andriamanitra? sao dia mbola misy fahalemena na fahotàna tsy fointsika ialàna no mahatonga antsika ho matimaty? Angamba mbola misy zavatra iankinan’ny fotsika sy tiantsika mihoatra an’Andriamanitra? Sao dia amin’ny herintsika fotsiny no andehanantsika rehefa manompo Azy isika? “Raha matimaty isika dia haloan’ny Vavan’i Jesosy”.

Koa “dia manoro hevitra anao Aho hividy volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafianao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary hodi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko, koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha” Apokalypsy 3/18 – 19.
Tian’Andriamanitra isika hiverina Aminy amin’ny fotsika rehetra. Ny hoe “mividy” eto dia ny “mahafoy” izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra ary manolotra ny fo amam-panahy ary ny momba antsika manontolo ho an’Andrimanitra. Milaza Izy eto fa “volamena voadio” no homeny, io ilay satro-boninahitra omaniny ho antsika ary koa hanitsaka ilay làlana volamena isika rahatrizay, lasa fananantsika izany (Inoako fa sambatra sahady isika eo am-pieritreretana izany e?).
Tian’Andriamanitra ho tsy misy fangarony isika (“pure”) na koa hoe masina ho Azy. Efa fantatsika ihany koa fa ny Tenin’Andriamanitra no manàsa (manadio) antsika (Jaona 17/17) ary arakaraka ny Tenin’Andriamanitra henontsika na vakiantsika no “mahamasina” antsika (Jaona 15/3). Tsy miandry ho faty akory vao ho lasa olomasina fa dieny eto (ety ambonin’ny tany) e! sa tsy izany?
Ny hoe koa: “Itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filàny” Romana 13/14. Marihina fa ezahin’ny devoly alaim-baràka isika izany hoe ampitanjahiny. Aza manaiky!
Koa ndeha hibebaka e! ndeha ialàna ny fahotàna sy ny fahalemena mangeja antsika. Angataho ny Fanahy Masina hanambara amintsika ny fahalementsika rehetra ary ny mba handevonany (hanongotany, satria Izy irery no afaka "hanaisotra izany, asany izany).
Tapaho ny hevitra fa “hangotraka” ho an’Andriamanitra isika manomboka eto, hiala amin’ny ratsy sy izay zavatra ianteherantsika ankoatra an’Andriamanitra. Ho tia an’Andriamanitra amin’ny fotsika, amin’ny saintsika, amin’ny fanahintsika ary ny herintsika manontolo (Romana 5/5)
Raha toa ka lavo isika, miarena indray fa ny Tànan’Andriamanitra mitsòtra mandray izay solafaka rehetra. Tsy mandàtsa Izy ary tsy mitahiry fahatezerana.
Raha lavitra an’Andriamanitra, miverena fa miandry Ilay Raintsika be fitia sy manan-karena famindram-po.

Ary “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy Amiko.” Apokalypsy 3/20
Averina eto indray fa ho an’ny fiangonana ity fanambaràna ity ary ho ahy sy ho anao ihany koa, koa sokafy ary ilay varavarana e! ilay varavaran’ny fotsika (hetsika avy aty amintsika no mahavoha ilay varavaran'ny fiainantsika), efa mijoro efa ela eo ala-trano Jesosy, miandry, mihazona eny an-Tànany izay rehetra ilaintsika hahatonga antsika ho “mangotraka” amin’ny fiarahana Aminy (fanompoana Azy).
Efa eny Aminy ihany koa ireo harena (harem-panahy) tsy hita lany sy ilay akanjo fotsy nampanantenainy hotafiantsika (ireo no toetr’Andriamanitra tiany hananantsika satria “Kristy = toe-panahy” ihany koa) ary ny hodimaso hahosony ny maso mba hahitantsika ny Voninahiny sy hahatakarantsika ny fanambaràny.

Koa mahereza, ry havana, miverena amin’Andriamanitra fa Izy irery ihany no “Vahaolana” ("solution") ahafaka ny olona rehetra amin’ny fangatsiahana ara-panahy; Izy no “Valin-teny” (“Réponse”) andrasantsika sy antenaintsika hanokatra ny masom-panahintsika hahatakarantsika izay tiany hambàra amintsika; Izy no manafy (mampitafy) antsika mba tsy ho hita mitanjaka isika (tao amin'ny saha Edena dia tsy nahatsiaro nitanjaka i Adama (fony izy mbola tsy lavo) satria nosaronan'ny Voninahitr'Andriamanitra. Izany hoe: Izay mangotraka dia tsy ananan’ny devoly fahefàna.
Te hangotraka ho an’Andriamanitra ve isika? Aza varimbariana àry fa antomotra ny andro, hoy Izy. Isika sisa no andrasany hanapa-kevitra hahatomombana izay voambara rehetra teo.

Hafatra: “Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita TSY MANAN-TSINY AMAM-PONDRO EO ANATREHAN’NY TOMPO amin’ny fihavanana
2 Petera 3 / 14

Ho an'Andriamanitra irery anie ny Voninahitra mandrakizay mandrakizay, ary ho amintsika mangetaheta ny fahamarinany anie ny "fangotrahana" ara-panahy.
novalian'i toriteny ny 02/04/2014 15:22
2. moustaraf ( 02/04/2014 06:55)
"Averina eto indray fa ho an’ny fiangonana ity fanambaràna ity ary ho ahy sy ho anao ihany koa, koa sokafy ary ilay varavarana e! ilay varavaran’ny fotsika "
Ny famaritana omen'y baiboly ny hoe fiangonana:
"Lazao amin'ny FIANGONANA , dia ny Israely rehetra"
Eo imason' i Tsitoha, tsy tranno fivavahana akory ny fiangonana, tsy ny hafa firenena ihany koa, ary tsy izaho sy ianao (ihay koa); tokana ny fiangoanana dia ny Israely rehetra

Ny hafatra ho an'y Israely (firenena hebreo) dia tsy ho an'ny hafa firenena, ary tsy azo sandohana ihany koa.
"ho avy ny andro izay hanavaozako ny fanekekoa @ Joda sy Israely"
Ary ilay Jerosalema vaovao dia misy vavahady 12, samy misy ny anaran'y fokon'ny Israely, aiza isika no miditraa??
3. bor2lais ( 02/04/2014 14:33)
Te-ho may angaha i moustaraf no milalao rano mangotraka ? :-)
4. toriteny ( 02/04/2014 15:22)

moustaraf:

Ny hafatra ho an'y Israely (firenena hebreo) dia tsy ho an'ny hafa firenena, ary tsy azo sandohana ihany koa.
"ho avy ny andro izay hanavaozako ny fanekekoa @ Joda sy Israely"
Ary ilay Jerosalema vaovao dia misy vavahady 12, samy misy ny anaran'y fokon'ny Israely, aiza isika no miditraa??



Ataonao aiza ny Kol 3:13: "Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa [Grika] sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo , fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra."

sy ny

Apo 5:9: "Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe : Ianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny ; fa voavono Ianao , ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny ,
sy ny olona ary ny firenena rehetra ;";

sy ny ny Mat 25:32 sy ny Ny asan'ny Apostoly iray manontolo sy ny ny Testamenta Vaovao iray manontolo?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.79