Lalana fifehezana mikasika ny fisarahana eo amin ny mpivady, lalana (droit de famille)fiseho eraky izao tontolo izao

1. saho ( 24/03/2014 18:51)
Raha atao ny fandinihina mikasika ny lalana (droit) momba ny fanambadiana, dia toa miseho endrika samihafa ny fisehoany erantany

Ny aty firenena lehibe, firenena manana endrika firenen dalana matotra sy enjana (pays de droit correct) dia ny droit na ny loi na ny justice no manana lanja lehibe sy enjana raha hoharina ny fiaraha monina (societe) sy ny manodidina

Ny tiako lazaina dia ny justice ara tantara no tena mitana sy manambara ny teny farany, izay voatsara eny trano tribonaly, efa niseho ary mbola mitohy ny fisehoany hatramin izao na any USA na eto Europe tandrefana

Misy isankarazany ireo droit , ao ny droit civil ao ny droit de circuit ao droit de taxes et impot ao ny droit de famille, ao ny droit de punit sns....tsy aiko ny mamadika azy Amin ny teny malagasy

Ny momba ny droit de famille any Gasikara, dia ara tantara hoe "lamban akoho ka ny faty no hisarahana", raha tena mitombona io, dia tokony tsy hisy ny sehatra tribonaly Amin ilay toerana, tsiss lalana tsiss mpitsara tsiss fitsipika sy fifehezana tsiss boky misy Codex sns...

Tantara marina ity ho tantaraiko ity, misy olona taloha , notolorana le vady fa tsy nofidiana, samy tsy nisy traikefa na experience momba ny fitiavana sns...izy ireo satria mbola tanora sady mankato rar. Teny dia niteraka maro be ry zareo, gambany 11 isa ny zanany
taty aoriana rehefa lehibe sy mahaleo tena ary efa manana zafikely aza ireo mpivady, nanomboka nanao sipa ra lehilahy, sipa vhv tanora no sipainy, efa nanomboka saraka toerana ireo mpivady, ramatoa vadiny moa efa antitra ihany ...mety hoe tsy maharaka, tsy aiko...
niterahany aza sipa kely, dia teny teny lehibe ihany le zaza, niova sipa kely njay ra lehilahy, niteraka njay, ary efa lehibe aza le zanaky ity sipakely faharoa ity, mianatra eny University le zanany
Raha tantara baiboly Testament taloha no arahana sy dinihina, dia Abrahama koa nanana vady kely maromaro sy nanana zanaka maro avy Amin vehivahy samihafa
Eo ihany iny testamenta taloha iny

Fa ny tiako lazaina, ilay lehilahy efa nametra ttasy fisarahana teny tribonaly malagasy, efa ela be, saingy ity ramatoa vadiny tsy manaiky hisaraka. Ny henoko fotsiny dia hoe mahalala olona ao fitsarana ambony ao sy manao risoriso le ramatoa vadiny...tsy nahazo rariny mihitsy ra lehilahy manana sipa vaovao sy manana zanaka hafa

Ny tena mahagaga dia tsy mitombona ny fitsarana eny tribonaly fa misy risoriso, procureur voavidy vola sns...tsy mety mamono ttasy fanambadiana, na dia efa manana sipa aza ra lehilahy

Natao mariage etsy sy eroa ny zafikely sns...mbola misoratra eny Invitation ihany hoe dadabe sy nenibe ra anona.....kanefa efa fantampoko fantampirenena fa tsy iray trano sy toerana intsony izy ireo

Matin ny voninahitra ve ny fomba fisainan ilay ramatoa vadiny tsy mety mamono ttasy sa ny tribonaly tsy manome rariny ny olona te hamono ttasy satria misy ny risoriso sy voavidimbola eny Amin ny fitsarana

Tsy manara dalana ve ny mpiasan ny tribonaly sa ny morale hoe rehefa misaraka ny mpivady dia misaraka tokoa ary vonoina eny tribonaly ny maha mpivady vita soratra, omena toerana ny manaraka, hanana safidy hanambady olonkafa tiany indray
Tantara marina io, ary efa olona be taona be zao ireo mpivady taloha ireo, saingy samy manana ny fiainany, tsy aiko ny vola retraiter le rangahy na ahoana na ahoana fa nanana ny maha izy azy io lehilahy be taona io ara asa taloha...

Amiko ny fahafahana (liberty) afaka misafidy toa ny aty firenena lehibe (USA, Europe) no hahitana hoe samy afaka mandray ny andraikiny ara dalana ny mpiasan ny tribonaly rehetra ary tena enjana sady handoavambola misy Tarif ny fangalana izany miala mpisolo vava ka hatramin ny mpitsara ambaratonga isankarazany...manao ny asany ara dalana izay miseho endrika code civil sns....

Ny an ny malagasy ve dia ireo fomban ny ntaolo ireo, mbola miteny foana. Mety misy aza fisehoany samihafa Amin izao fotoana izao na aty firenena lehibe aza
Misy mpisipa miara miteraka, tsy voatery manambady, samy velona eny saingy samihafa ny fisehoany any mada sy ivelan ny mada

misaotra namaky sy manome valiny ho an izay te hamaly
novalian'i saho ny 25/03/2014 17:32
2. 5laody ( 25/03/2014 15:25)

Miarahaba ny rehetra ary misaotra ny mpitondra hevitra mizara,

Raha ny hevitro manokana dia misy karazana fefy moraly tsara ihany ireny fomban'ny Ntaolo ireny.
Tsy tongatonga foana ohatra ilay hoe "mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana dia lasa rangahy na ramatoa" izay no haniriana ny tokan-tranony ho toy ny lamban'akoho.

Misy anatranatra maro koa anie lazaina amin'ny mpivady vao mitokantrano fa ilay lamban'akoho fotsiny no tenenina azy fa mety izay no manan-danja amintsika.

Misy fetrany ihany amin'ny maha-olona: raha sendra olona mpamono vady ve dia hiaritra eo? mety ho faty ihany no isarahana....

Ohatra iray manaraka indray ny kitay telo andalana, ohatran'ny tsy rariny io e?
Raha mbola tsy mitovy ny karaman'ny lehilahy sy vehivavy nefa asa mitovy sy zava-bita mitovy dia azo lazaina fa tsy mitovy eo anatrehan'ny lalàna ny olon-drehetra.



Ny tsy mampitovy ny lalàna amin'ny toerana samihafa dia satria novolavolaina araka ny fomba sy ny toe-tsain'ny olona ary ny zava-misy eo an-toerana ilay izy.

ohatra raha mihjanona amin'ny resaka fanambadiana na fisarahana ihany isika: misy tany any Eoropa mety maharitra 7 taona izay te hanao dihy vaorisa dia mbola mifampitady eny ihany, manandrana mampihavana ny tribonaly .Misy kosa tany hafa, samy ao Eoropa ihany nefa, herintaona monja dia vita.

PS: Tiako ho fantatra ny famaritrao ilay hoe "pays de droit correct".






3. saho ( 25/03/2014 17:32)
5laody> ny tiako lazaina Amin ilay "pays de droit correct" dia ireo firenena tandrefana na any USA , manana fitsarana mitombona sy mitsara ny rariny araka ny voalaza anaty Codex momba ny droit misy Amin ny fireneny

Izany hoe raha oharina Amin ny firenena hafa ireo firenena voalazako ireo, dia ohatrany tsy dia miteny sy manandanja loatra ny justice na ny momba2 izany any firenena hafa (Russie= ohatran i Poutine no tompon ny teny farany fa tsy ny fitsarana faratampony, ambony ny toerana misy an i poutine mihoatra ny lalana (loi), toa izay no saika fisehoany Amin ny toerana na firenena maro erantany. Raha ny firenena manome lanja ny lalana (droit) dia mitovy daholo ny olona monina ao Amin ilay toerana na firenena, samy ambany lalana (droit) hatramin ny filoha ka hatramin ny mpamafa lalana...

Izay hoe raha misy manao pin pin ka mandika lalana (droit) dia voafehin ny fitsipika sy fifehezana momba izany, ka arakaraka ny seho io, mety hoe afaka tamin ny fandoavambola fotsiny ary mety miafara any antranomaizina koa

Tsy mitovy ny fisehoan ny fitsarana ireo olona mpamono olona Amin ny firenena lehibe. Ohatra ny sazy any USA dia sazy faty, eo ambony seza elektrika , vonoina ho faty
Ny aty aminay njay raha mamono olona enao, ny sazy azonao, tranomaizina fotsiny, fa ny lanjan ny sazy tsy mandoa hetra mbola betsaka noho ny sazin ny olona mpamono olona. Ohatrany samy manana ny lanjany ny sazy tsirairay, samy miseho Amin ny fomba hafa na dia samy firenena lehibe aza, fa ny tena tsapako dia izay, correct, tsiss risoriso, tsiss voavidy vola na raha sendra havana na olompantatra no mety hitsara anao, dia misy Codex izany koa hoe miala Amin ny seho olona fantatra ianao (mpitsara) fa omena olona mpitsara hafa le seho

Mino za fa mazava ny fanazavako

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.351