Fandrika fotsiny i Resampa?

1. hery ( 27/02/2014 08:37)
Efa noeritreretiko ihany ary nohamafisin'ny L'Express de Madagascar fa hoe mety fandrika fotsiny ho an'i Hery Rajao ilay resaka Resampa. Tifitra mahavoa roa hoy ny fitenenana. Hitandry zalah fa tena tsy mety aminy ilay "Mitsipa-doha laka-nitàna" ataon'i Rajao dia mitady hevitra ry zalahy hanonganana azy. Raha manendry an'i REsampa moa Rajao dia azony ny toerana, moa raha tsy manendry dia hiditra amin'ilay fanonganana ry zareo.
Jereo eto ny lahatsoratry ny L'Express

Ho sarotra ihany nefa ny hanonganana an-dRajao hoe tsy manaraka lalam-panorenana satria manan-jo, araka ny lalam-panorenana ny hanendry izay tiany izy fa manolotra olona no ataon'ny maro an'isa. Fa ny mety ho vitany dia mitsipaka amin'ny "motion de censure" ny praiminisitra vaovao tsy mifanaraka amin'ny safidiny.

Fa na izany na tsy izany dia mohaka ihany ilay Rajao. Firy andro izao tsy misy Praministra.
novalian'i moi ny 04/03/2014 11:49
2. saho ( 27/02/2014 15:34)
Mety tsiss mpanohana matanjaka toa an dra8 izy, tsy ampy traikefa, tsiss bagages natanjaka
Voafandriky ny vaky tavoahangy naparitaky i rajoelina etsy sy eroa, vaky tavoahangy sady mandratra no tsy mahatafa Amin ny toerana hafa
Iza zao no hamafa sy hanadio ireo vaky tavoahangy etsy sy eroa ireo

Lasa modely eraky ny faritra rehetra, ny fomba sy zavabitan i rajoelina, jiolahamboto, adin ny be sandry, mpanongampanjakana, tsy mahay loi, tsy manaja fitsipika sy fifehezana

Be dia be ny jiolahamboto kely eraky ny nosy, modely rajoelina

Tsy aleo ve rangahy modely ra8 etsy sy eroa, raha teo foana zao iny, efa lasa lavitra gasikara

Mety hain ny malagasy mpandinika tsara zao ny vokan ny fanonganampanjaka niaraka tamin ny jiolahamboto sady DJ tsy anino tsy aninona, ny henoko fotsiny dia hoe lasany daholo njay ny vola tao banky centrale malagasy, tena tsy matahotra leiry an

ahoana ny amnesty international, sy ireo tribunaly international, toa tsiss heno etsy sy eroa....

Be dia be zao ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa any mada any....misy matin ny jiolahy foana, fanafihana epicerie kely sy lehibe
Mangataka vola ny gendarme eny aeroport.....tena tsy misy fanajana asa intsony zao, mangala tahaka an i rajoelina daholo, feno rajoelina eraky ny Nosy hatramin ny taona 2009 nankaty....

Vonona hiaritra foana ve ny mpiray tanindrazana na inona no miseho eo na inona, ohatrany tany tsy misy olomboafidy, mandeha moramora foana ny fomba malagasy, tsy maika, tsy taitra...
Betsaka anefa ireo zavamiseho ratsy toa halatra vono olona sns....etsy sy eroa zao isika miteny izao
hery:

Efa noeritreretiko ihany ary nohamafisin'ny L'Express de Madagascar fa hoe mety fandrika fotsiny ho an'i Hery Rajao ilay resaka Resampa. Tifitra mahavoa roa hoy ny fitenenana. Hitandry zalah fa tena tsy mety aminy ilay "Mitsipa-doha laka-nitàna" ataon'i Rajao dia mitady hevitra ry zalahy hanonganana azy. Raha manendry an'i REsampa moa Rajao dia azony ny toerana, moa raha tsy manendry dia hiditra amin'ilay fanonganana ry zareo.
Jereo eto ny lahatsoratry ny L'Express

Ho sarotra ihany nefa ny hanonganana an-dRajao hoe tsy manaraka lalam-panorenana satria manan-jo, araka ny lalam-panorenana ny hanendry izay tiany izy fa manolotra olona no ataon'ny maro an'isa. Fa ny mety ho vitany dia mitsipaka amin'ny "motion de censure" ny praiminisitra vaovao tsy mifanaraka amin'ny safidiny.

Fa na izany na tsy izany dia mohaka ihany ilay Rajao. Firy andro izao tsy misy Praministra.

3. andrywui ( 28/02/2014 09:38)

saho:

Be dia be ny jiolahamboto kely eraky ny nosy, modely rajoelina

Tsy aleo ve rangahy modely ra8 etsy sy eroa, raha teo foana zao iny, efa lasa lavitra gasikara

[/quote]
saho --) enao aza mieritreritra ravalo zany tsony ,,,iny ary vao maika modely ratsy be lavitra noho i rajoelina ko , satria nen'i ravalo de tena ny fiainambahoaka ankapobeny mihitsy no nasiany vaki tavoahangy fa tsy mba otran'ireo oe izy samy mpiady seza no mifandratra vakitavoahangy !! ze nifanena tamin'i ravalo de naratra be daholo , zze tsy maty nifofo volo
4. milamm ( 03/03/2014 11:57)
sali daoly atsika jiaby, maro fikasagna loatsa sy tetika nivoagna lavanify nanagno fahatany MAPAR sarotro magnamboatra trano ambognigny fasika. Ambela azavaiko kely

. Fitaovana natao anageazana fahefana @ andrimpanjakana Tsimbazaza A.N sy anendrena ny P.M nefa diso kajy nahoana?

- fatatsika tsara be fa tsy antoko na vondron'antoko politika ny mapar araky volavolandalana mifehy ny antoko politika 2012 fa natsangatsanga ftsn satria tsy manana statut akory na tetika fampandrosoagna fiarahamonina na toekarena na sosialy noho izany na ireo solombavambahoaka natolotry mapar aza azo levonina(dissout) tsara antony 1 nanovana ny filoha ny HCC izay nanaiky ireny tsy fanarahandalana nataony mapar ireny

voalazany volavolandalana faha117 ao anaty lalampanorenana tsara fa « ireo lalana anatiny mifehy ny A.N de arahina maso tsara hatrany ny fanarahandalana mihatra ao aminy» izay tsy nisy fa petatoko nataony mapar raha nifidy ny birao maharitra ny A.N farany teo.

Azo foanany regime presidentiel tsara izany sy ny HCC ra io lojika io no arahina ny birao A.N ary tsy itombona ny P.M atolotry ny mapar na aona na aona
5. andrywui ( 03/03/2014 20:31)
haa ary toa niva didela tampoka teo ko ty ramlamm !!! nahagaga !!sa lasa MAPAR kou !,,
6. andrywui ( 04/03/2014 01:21)
ny baolina maty ihany ry mapar no mikonty faza mbola maika alou aa !!

7. moi ( 04/03/2014 11:49)
Raha Ra8 ve no filoha teo ka ireo MAPAR ireo no eo dia efa nanaiky an'i Resampa zany izy ?
Sa samy mohaka i Ra8 sy Rajao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2829