Empêchement du président vs Dissolution de l'assemblée

1. hery ( 23/02/2014 20:48)
Raha tena hiditra amin'ny krizy tokoa i Madagasikara ka hifanolana ny filoham-pirenena sy ny maro an'isa ao amin'ny solombavam-bahoaka dia ny iray amin'ireo zavatra roa ireo no hitranga. Dia ny fanonganana ny filoha ataon'ny antenimieram-pirenena na ny fandrodanana ny antenimieram-pirenena ataon'ny filoha.
Araka ny lalam-panorenana nefa dia hita fa ny mora kokoa ny fandrodanana ny antenimiera ataon'ny filoha. Saingy tsy hotanteraka vetivety izany.

Mila manendry praiminisitra aloha ny filoham-pirenena. Raha tsy eken'ny maro an'isa ao amin'ny antenimieram-pirenena ilay praiminisitra dia ataony ny "motion de censure" ka laviny io ka tsy maintsy mametra-pialàna. Dia manendry praiminisitra indray ny filoha (na manamafy ilay teo ihany) dia mbola afaka mandà indray ny antenimiera.

Raha toa ka tsy eken'ny antenimieram-pirenena hatrany ny soso-kevitra praiminisitra ataon'ny filoham-pirenena ka sakanany amin'ny alalan'ny "motion de censure" dia amin'ny fahatelony dia tsy maintsy horavàny ny antenimieram-pirenena. Matahotra an'io nefa ny antenimiera dia tsy maintsy hanaiky ny praiministra farany izay atolotry ny filoham-pirenena...

Mbola tsy tonga amin'izany krizy izany aloha isika satria mbola tsy nanendry praiminisitra akory ara ny filoha. Sady efa hita taratra fa miforitra ny MAPAR satria mahita hoe tsy ho eken'ny filoha raha tsy olona tena azony antoka fa ho ankatoavin'ny vondrona iraisam-pirenena. Izay no nahatonga an-dRajoel nanipy gant.
novalian'i andrywui ny 25/02/2014 08:26
2. andrywui ( 23/02/2014 23:10)
Mila député 107 minimum vao afaka miditra amn fanonganana ry Mapar e , mbola vitsy reo ,,ny tsy miankina ko tsy miditra amnio jeux ndry Mapar io ,,tsss tena inona ary ty latety be ty Rajoelina aa avelao amzay le firenena hiaina milamm ee
3. hadji ( 24/02/2014 03:59)
manao alahelo seza e ary efa niova ange i andrywui zany e!!!!!!!!!!!!!!!!!
4. ombelline ( 24/02/2014 08:43)

hadji:

manao alahelo seza e ary efa niova ange i andrywui zany e!!!!!!!!!!!!!!!!!


Aza rangitinao intsony i andrywui fa izy aza efa niova e, ny adala ihany tokoa no tsy miova ;-)

Ovay ilay anarana adrywui fa associer-ndrizalahy @ ilay slogan nareo taloha "Andry TGV hatrany a"

Efa miara-miaiky daholo izao fa i TGV no olan'ity firenena ity
5. hadji ( 24/02/2014 08:48)
aafa dy re ry akama miova ho amin'ny tsaratsara hatrany isika ny ratsy loha ihany no tavela farany eo
6. andrywui ( 24/02/2014 09:02)

hadji:

manao alahelo seza e ary efa niova ange i andrywui zany e!!!!!!!!!!!!!!!!!

Ahaa tsy oe niova ah fa za ane HVM no tohanako fa tsy olona e huhh
Fa ra mitetika hamotika vahoaka otrzao kosa reo mapar de hiainga ndray zahay hanapôka azy , tena tsy hainao marina zahay à ??? Manana double amn lakilen'itony fitondrana tony zahay ee " ... Tsy i Cl Charles sy Ralilyson iany akory no nanao copie la clé !!!!
7. andrywui ( 25/02/2014 08:26)
Misy lalàna tsotra be kou ane sady mazava be hoy i Gilbert Raharizatovo hoe afaka
Manana Fahefana Feno tsisy fepetra sady miaraka amn vava Mandrava an'io andrimpanjakana
hisehoandry Mapar milay io e ,,,hinanengannnlisany lisany.fa aporisihanoul de mivouvou ry Mapar . Ny an'i boay kely zavatra te hampiseho oe za mbola milay , sady mafy be !! Nefa raha ravain'ny.presida 2mn io de maty elah boay kely sy mapar .
Mitandrema iany e jereo le malagasy 20 tapitrisa fa filoha faratapony amn miaramila ane i presida e ,,, mbola mi gardé sang froid ny olona de mipetraha boay kely à , mihinana Tsiafahy eo vao tonga saina oe Dryy innn ary ty nataoko .
Ny vahoaka efa mahantra mbola noraofin'ny boay kely daholo ko ny vola retra tao amn BC .. heinnnn
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4515