Efa hifarana tokoa ve ny andron'ny kristianina?

1. endriny ( 23/02/2014 00:54)
Miseho miandala ny zava-nafenina sy nodisoina...

Iray volana lasa izay dia naseho ho ren-tany ren-danitra ny dikan'ilay tabilao milaza fa tsy nisy fambofiaran'i Noa fa eritreritra nataony fotinsy iny...

Roa herinandro taty aorina dia nilaza ny mpikaroka tao Harvard, fa araka ny dikan'ny tabilao izay nasaina nadikany dia ilay hoe olona nanana ny lazany sy ny voninahiny akory i Abrahama fa ny olona taty aoriana no nanome laza azy...

Dia efa hiafarana tokoa ve ny andron'ny kristianina e
novalian'i endriny ny 13/04/2014 05:13
2. rainisalama ( 23/02/2014 19:27)
Salamelayukaum!
Efa nifarana ny andrun'ny kristianina,Efa nifarana tamin'ny namunuana tamin'ny bucher ireu sefu Templier tamin'ny andrun'ny pape Clément sy ny mpanjakan'i Frantsa Philippe le Bel taunjatou faha14. Saatria ireu Templier ireu dia nahafantatra fa mpaminany sanduka i Jesua, ka nihevitra ny hiverenana amin'ny finuana tukam-pu tuy ny Judaisma izy ireu. Saingy izay uluna tunga saina dia vunuin'ny mpanan-kerin'ny inkizisio. Amin'izau futuana izau dia ny uluna vuauzun'ny vazaha hanumpu azy ihany sisa mifikitra mafy amin'ny fivavahana kristiana. Dinihu cara fa vukatra dia vukatra mihicy ireu mainty mamenu ny fiangunana evanjelika eran'i afrika mainty, ary ny mainty afrikana eran'izau tuntulu izau. Jereu futsiny ireu mambra mainty au amin'ny sita kristiana Top chrétien point com.
Hitahy ancika anie ny Zanahary sy ny Razana.
3. Vony501 ( 24/02/2014 07:13)
Tompo ô! mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony.
4. rhaj0 ( 24/02/2014 19:50)
Raha mijery ny statistika @ sehatra siantifika, dia ity no salanisa voaangona efa h@ 1914 : mihena hatrany ny isan'ny mpino eo @ samy siantista.

http://freethoughtpedia.com/wiki/Percentage_of_atheists
BELIEF IN PERSONAL GOD 1914 1933 1998
Personal belief 27.7 15 7.0
Personal disbelief 52.7 68 72.2
Doubt or agnosticism 20.9 17 20.8
BELIEF IN IMMORTALITY 1914 1933 1998
Personal belief 35.2 18 7.9
Personal disbelief 25.4 53 76.7
Doubt or agnosticism 43.7 29 23.3

Disbelief in God and immortality among NAS biological scientists was 65.2% and 69.0%, respectively, and among NAS physical scientists it was 79.0% and 76.3%. Most of the rest were agnostics on both issues, with few believers.


Raha ny salanisa eran-tany kosany dia salasalany ...

Wikipedia:
http://en.wikipedia.org/wiki/Demographics_of_atheism
According to one study, the number of atheists is on the rise across the world, with religiosity generally declining. However, another global study has concluded that atheism is on a global decline due to continuing steady increases in religiosity in China...
- 2011... sampled 1,129 Canadian adults and came up 30% who do not believe in a god.
- 2011 Gallup poll, more than 9 in 10 Americans say "yes" when asked the basic question "Do you believe in God?"
- 2010... European Union citizens ... 20% that "they do not believe there is a spirit, God, nor life force"
fanamarihana: ny salanisan'ny tsy-mpino no nasehoko (azony misy karazany maro ny mpino)


Fa raha ny @ fiainana andavanandro, dia ..
Ny ao US, dia manomboka mivoaka ary miray hina ny atheists, fa laonin'ny fitsabahan'ny mpino (evanjelistra, born again christian sy catholic) @ raharaham-pirenena sy ny fianaran'ny ankizy. Dia tsikaritro in-1 mandeha fa manomboka manao fihaonana ny samy atheists (hotry ny any am-piangonana).
Ohatra hoe eto, Le Rally de la Raison: ils étaient 20-30k samedi dernier à Washington DC


Ny aty Kanada indray ohatra dia misy dokam-barotra atheist hitako eny ho eny. Fa ny tsikaritro koa dia ny beantitra sy ireo mpihavy no tena mpankany am-piangonana rahefa alahady. Anaty fonosana fa ny gasy aty dia manana ny fiangonany na katolika na protestanta na loterana na selam-pivavahana...


Ka efa hifarana ve hoy ianao ny andron'ny kristianisma ?


Raha ny hevitro manokana dia ... tsy hifarana fa hihena hatrany ny kristianisma. Izaho mihevitra fa ny siantista no mitondra ny lamaody.
5. rhaj0 ( 26/02/2014 18:13)
Tiako ho avoitrako kely ilay salanisa etsy ambony.

Eo @ samy siantista izany dia:
- 52.7% no TSY-mino t@ 1914
- 72.2% no TSY-mino t@ 1998, izany hoe nitombo 20.5% rahefa 84 taona aty aoriana.

Koa azo eritreretina ve, ohatra raha ny aty Kanada, eo anivon'ny fiaraha-monina ankapobeny
- 30% no TSY-mino @ 2011,
- ho 50% no TSY-hino @ 2095 ?

Izaho mihevitra hoe ENY.


Ny fahazoako ny antony isian'ny fironana ny TSY-hino teo @ samy siantista, dia noho ny fahalalAna norantovina teny @ Anjerimanontolo, sy ny fahalalahana mandray izany (tsisy anteritery avy @ sasany).

Ka @izao fotoana izao, dia ... ilay fahalalana izao dia mora rantovina tokoany moa izany izao, eraky ny internety, ary misy tokoany ny fahalalahana mitsikaroka (tsisy anteritery, censure, mihintsiny).

Koa "mino" akoriny aza aho fa ho haingana kokoa ny fironana any @ TSY-finoana. Indrindra moa fa ny tanora dia tena kingakinga @ internety (saika ny beantitra sy ny mpihavy ihany no mankany ampiangonana).
6. Nehemiah ( 27/02/2014 14:09)
Hihihi, izay koa no mba nolazain'i Voltaire, kanjo, 50 taona taorian'ny nahafatesany, ny fanontàna printy t@ tranony ihany no nampiasain'ny Fikambanana Ara-Baibolin'i Genève hanontàna Baiboly be dia be :)
7. rhaj0 ( 27/02/2014 18:07)
Ny tiako ho fantatra, dia ahoana ny fandraisanao, Nehemiah na ianao mpamaky eto, ireo salanisa ireo? Nitombo isa nandritra izay taona rehetra izay, ary efa ho tonga h@ 79% ny isan'ny fizisista tsy mino an'Andriamanitra. TSY mino. TSY mino an'Andriamanitra.

Asa raha tonga hatrany aminareo any ilay tantara mitohy @ fahita lavitra hoe "The Big Bang Theory", fa ry Sheldon sy ry Leonard santionan'ny atheist hiringiriny. I Amy aza moa neorolozista fa tena mamely koa. Io tantara mitohy io dia malaza eo anivon'ny ankizy sy ny tanora (jereo ny awards azony isan-taona). Ito izao, raha ny fahitako azy, no anisan'ny hanafaingana ny fihanaky ny TSY-finoana.
8. rhaj0 ( 28/02/2014 19:04)
Ilay fahalalana (savoir) sy fahalalahana (liberte) ahafahana mandranto sy manovo eto @ internety, hoy aho teo, no tena (anisan'ny) hanafaingana ny fironana (indrindra ny tanora) mankamamy ny TSY-finoana.

Fa ny hitako zava-dehibe koa dia ilay fahafantarana na fahalalana fa TSY irery, ary TSY ianao irery, anie no mirona mankamamy izany fiovana na fivoarana izany.

Hafa mantsy ny taloha. Mihidy ao @ fiaraha-monina kelinao tao ianao. Tsy mahalala izay any ivelany any. Dia rahefa nandinika lalina anefa ianao, dia tonga aminao ny fisalasalana (doute) ohatra. Fanefa dia poretin'ny mpitondra (fivavahana) sy ny fiara-monina kelinao tao ianao; ary dia lasa ohatry ny ianao, ianao irery, indray aza no lozabe. Satria TSY fantatrao fa misy (ary maro) koa anie no toa anao, ao anatin'ilay fisalasalana. Satria TSY fantatrao fa misy (ary maro) aza no efa nihoatra ny fisalasalana (doute) ary niampita rano. Ary dia voatery sy voahidy tao @ ilay fiaraha-monina kelinao tao ianao.

9. Annih ( 01/03/2014 13:36)

rainisalama:

Salamelayukaum!
Efa nifarana ny andrun'ny kristianina,Efa nifarana tamin'ny namunuana tamin'ny bucher ireu sefu Templier tamin'ny andrun'ny pape Clément sy ny mpanjakan'i Frantsa Philippe le Bel taunjatou faha14. Saatria ireu Templier ireu dia nahafantatra fa mpaminany sanduka i Jesua, ka nihevitra ny hiverenana amin'ny finuana tukam-pu tuy ny Judaisma izy ireu. Saingy izay uluna tunga saina dia vunuin'ny mpanan-kerin'ny inkizisio. Amin'izau futuana izau dia ny uluna vuauzun'ny vazaha hanumpu azy ihany sisa mifikitra mafy amin'ny fivavahana kristiana. Dinihu cara fa vukatra dia vukatra mihicy ireu mainty mamenu ny fiangunana evanjelika eran'i afrika mainty, ary ny mainty afrikana eran'izau tuntulu izau. Jereu futsiny ireu mambra mainty au amin'ny sita kristiana Top chrétien point com.
Hitahy ancika anie ny Zanahary sy ny Razana.

Laviko ankitsorano izany hevitrao izany, tsy ny fivavahana Kristianinina no foana fa ny kristiananina no miena. Varina @ rendrarendra an' izao tontolo izao.
10. rhaj0 ( 04/03/2014 15:16)
Raha raisinao ho "rendrarendra" ny fahalalana (savoir) sy fahalalahana (liberte), ary ny firaisan-tsaina sy fo @ olona hafa finoana aminao (na TSY-mino ny marimarina kokoa), dia ... eranao ihany izany.


Raha ny hevitro manokana dia samia fotsiny mampiroborobo ny finoany ao anatiny ao e.. tsara anie izany e... ary rahefa manao tsara fotsiny ianao dia basy.
Ny hevitro dia tsisy mitana ny "marina tanteraka"... fa samia fotsiny mivelona dia avelao ny olona ivelona e.. (vivre et laisser vivre)
11. endriny ( 13/04/2014 05:13)
Ary toa lasa hoe misy vadiny indray ilay Jesoa eh...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.186