Iza no mety ho nanapoaka baomba?

1. hery ( 25/01/2014 19:39)
Eritreritra mandalo momba ilay baomba vao nipoaka teny Anosy io hariva io. Iza no mety ho nanapoaka ny baomba?


  • Mety ho ny mpanohitra satria tsy faly tamin'ny tsy nanekena ny fitoriana nalefany izy fa mbola lasa filoham-pirenena ihany Hery R. dia iny no hitany fa azo atao.
  • Mety ho ny MAPAR (TGV) koa satria te hampiseho amin'i Hery R. izy hoe tandremo fa mbola azonay arodana io fitondrana io ka tsy maintsy manaiky ny fifanarahana amin'ny fandoavana ekolazy
  • Mety ho ry zalahy sady tsy MAPAR no tsy AVANA fa tsy faly fotsiny amin'ny zava-misy dia manakorontana.
  • Mety ho olona nanandrankandrana fotsiny ihany koa ka nanipy grenady...


Fa na iza na iza aloha dia tsy rariny ilay izy ka mila faizina raha tratra. Tsy tokony hisy mihitsy herisetra na avy amin'ny andaniny na avy amin'ny ankilany raha te hahita firenena ao anaty fifampihavanana.
novalian'i andrywui ny 29/01/2014 00:00
2. saho ( 25/01/2014 22:35)
vazaha fotsy hono ry hery an, izay no nanapoaka grenade tao
sady mahay manakorontana no mahay mandamina izany ny vazaha fotsy
asa indray fa betsaka ny mpanaraoraotra
arabaina aloha fa nifanantona ny andaniny sy ankilany, samy malagasy ireo, rehefa miray hina dia tafavoaka sy mampitovy laharana sy fahaizana mitondra, enga anie
Enga anie koa ka hitana ny ezaka mafy fototra tsy voahonzongozona sy mahazaka demokrasia sy mahazaka ny lanin ny be sy ny maro , sy manaraka ny marina (rariny sy hitsiny), ohatrany ho nofy izany hoe mahita fiainana milamina sy ampy fahendrena tsy misy taintaina any mada, milamina ny fiainana tsy hisy ny mpanendaka mpangalatra mpiady seza sy ireo tia vola sy mamarotra tanindrazana, mbola ho nofy izany ka ho Tonga Amin ny fitenenana hoe avy Amin ny tsy fisian ny fahaizana miaina sy fahaizana ny rehetra no mahatonga ny vokatra tsara tsy hisy. izany hoe ny fisian ireo fahaizana miaina aloha no voalohany dia ny fahaizana mitondra koa ka ho tanteraka le fiteny hoe ny asa vita no ifampitsarana
enga anie enga anie dia ho tany sambatra tokoa lay madagasikaranay
jereo ity lien ity http://www.tv5.org/cms/chaine-francophone/info/p-1911-Madagascar-un-mort-dans-l-explosion-d-une-grenade-le-jour-de-l-investiture.htm?&rub=6&xml=newsmlmmd.urn.newsml.afp.com.20140125.b06b0a36.bd5e.453e.9f38.a8a91f3fe234.xml

hery:

Eritreritra mandalo momba ilay baomba vao nipoaka teny Anosy io hariva io. Iza no mety ho nanapoaka ny baomba?


  • Mety ho ny mpanohitra satria tsy faly tamin'ny tsy nanekena ny fitoriana nalefany izy fa mbola lasa filoham-pirenena ihany Hery R. dia iny no hitany fa azo atao.
  • Mety ho ny MAPAR (TGV) koa satria te hampiseho amin'i Hery R. izy hoe tandremo fa mbola azonay arodana io fitondrana io ka tsy maintsy manaiky ny fifanarahana amin'ny fandoavana ekolazy
  • Mety ho ry zalahy sady tsy MAPAR no tsy AVANA fa tsy faly fotsiny amin'ny zava-misy dia manakorontana.
  • Mety ho olona nanandrankandrana fotsiny ihany koa ka nanipy grenady...


Fa na iza na iza aloha dia tsy rariny ilay izy ka mila faizina raha tratra. Tsy tokony hisy mihitsy herisetra na avy amin'ny andaniny na avy amin'ny ankilany raha te hahita firenena ao anaty fifampihavanana.
3. hery ( 25/01/2014 22:38)
Mahalasa saina kely ny filazan'i Jentilisa azy ao amin'ny blaoginy

http://jentilisa.blaogy.com/post/122/8548
4. ronaldo09 ( 27/01/2014 07:18)
I Hery 'ty de tena miharihary ny tsy fitiavany an'ny MAPAR de inona no ekolazy ilaina eo? ny fahefana aza tany aminy no nomeny koa mbola hila ekolazy izy!! Ny tsy lany ihany no mamoatsampone !
5. mpisotrtoaka ( 27/01/2014 08:06)
Mandiniha alou fa gasy ! Am Malagasy d azo antoka ny zavatra atsangana fa mateza kokoa na maharitra kokoa raha milatsaka ny ra ! Nandona olona ny fiaran'i HVM d avy eo ilay baomba nahafaty zaza iny indray ! Misy pacte ambadika ao fa tsika tsy mahalala ! Mitandrema daholo
6. hery ( 27/01/2014 08:07)
Nisy hypothèses 4 nolazaiko teo fa i ronaldo09 ihany no mahita hoe tsy fitiavana MAPAR loll
7. andrywui ( 27/01/2014 09:50)
Huhihuhi hoy Ronaldo09 hoe "ny tsy lany ihany no mamoatsapona" huh afabaraka be i hery E letsy fa aoka à . Tokony ho avahana tsara kou ny fanoratra ny hery serasera sy hery président fa mampanonofy ratsy ndraindray az
Hery serasera = hery Ss
Hery président = hery ok

Namadika pataloha daolo tokou ane ry hery ss ny mpiondana fa nahagaga e ,hatramn Ravalo aza hono hanao mapar kou kale ,, aleo ry hery ss mba miova otran fanaon'ny olona kou à ,,raisina iany izy Ronaldo n'a tsy nandray ravindena nitolona aza à miovà hery ss a ,,,
8. andrywui ( 27/01/2014 12:18)
Ny nanapoaka bomba refa natao ny enquête de iza fa tsy ry zareo be sandry sy ny équipe n'y ihany e RY DADA SY IREO TOMPOMENAKELY niaraka taminy hatramzay eee ,,,
Tezitra amle oe tsy lany tamn fifidianana de arefotra ny tanana ,,,tsy mety hendry mintsy ,nefa i JLR aza efa nanaiky sy nanatrika ny investiture ,
fa ry dada io ee fombany io ,,izy sy ny ekipany tsy maty voalavo io tezidava io
9. milamm ( 27/01/2014 14:29)
vaovao akaiky momba iny zaraina eto

http://www.youtube.com/watch?v=_V2ZuLd3jCg&feature=share

Mamangy ny fahoriana sy ireo manamanjo @ zao fotoana fa vonomoka fa tsy fampihorohoroana no nahazo azy ireo tokony ho raisiny fanjakana antanana ny momba ny fikarakarana azy ireo sy ny fianakaviany
1. Nahoana no tsy tonga namangy na nitsapa faoriana i raforsa nefa eo akaiky ny hopitaly nisy azy ireo
2. Aiza ireo vola sy grady aloany mpandoa hetra an'ireo miaramila milaza miaro ny olompirenena eto Mkara
3.Famaizana mafy indrindra no sahaza izay nahavanona izao loza mahavaky fo izao
10. Tanora ( 27/01/2014 22:09)
mazava be fa MAPAR no nanapoaka ny grenady,te hanao aminy eo!!! tsy manaiky ny hevitry heryvaovao mantsy ny MAPAR fa mbola te hibaiko ao andamosina foana, tena te hanafaka an'i Madagasikara heryvaovao fa tsy mety ny tetika dia mbola ahita saribakoly indray isika fa saribakoly bakoly sady vaovao!!
11. andrywui ( 27/01/2014 22:20)

Tanora:

mazava be fa MAPAR no nanapoaka ny grenady,te hanao aminy eo!!! tsy manaiky ny hevitry heryvaovao mantsy ny MAPAR fa mbola te hibaiko ao andamosina foana, tena te hanafaka an'i Madagasikara heryvaovao fa tsy mety ny tetika dia mbola ahita saribakoly indray isika fa saribakoly bakoly sady vaovao!!


Nefa ny mpiondana sud aff sy ireo akamany no nanapoka ono e
Samy hafa ny mpiondana sud aff , sy ny mpiondana Jlr a
12. milamm ( 28/01/2014 11:34)
Mila esorina i risara baomba fa petatoko tsy mamely e ary atsahatra @ mahazandary azy
13. andrywui ( 29/01/2014 00:00)
Ny tariky dada ve no manapoapoaka de ny oul hafa no esorina amn asa ?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3249