Mandeha hono ny fiainana na iza no eo:mampionon-tena ve zany???

1. ronaldo09 ( 22/01/2014 15:11)
Gaga aho naheno ny namana fatra-panohana an-dRavalo tao nilaza fa mandeha foana hono ny fiainany na iza na iza no eo fa ny Malagasy no mampalahelo!!!!!de mba manontany aho hoe :Koa raha mandeha ny fiainana inona no nanohanana anDravalo? de nanoherana an'i Andry? De gasy iza no mampalahelo? Mandeha daholo ange ny fiainana aty e! Betsaka ny gasy mamoaka fiara 4*4 isan'andro!!!Fa inaove milaza fa tsy gasy ary ny aty Dago ve dia fadiranovana noho ny havana any ampita? Zaho tany no nody rehefa vita zay nianarako ary miasa ho an'ny fanjakana zao e! Mandeha ny fiainan'ny rehetra na any andafy na aty ary ny aty ary no tena mandeha ny fiainana klé!!
Mahereza fa aza mampionontena ry namana a!!!Misotroa rano mangatsiaka dia mba makà aina kely e! Resy ramamo lava ka inona no hatao? 2018 koa e!!!
novalian'i ronaldo09 ny 25/01/2014 14:55
2. hery ( 22/01/2014 21:21)
Raha mandeha ny fiainanareo any dia milay izany :-) Izany no irina.

Ny henonay aloha, fa angamba lainga, dia hoe misavovona izay tsy izy ny fako ao Antananarivo.
Misy pesta izany hono (angamba lainga)
Betsaka hono ny very asa (angamba lainga koa satria ronaldo09 izany tonga dia nahita asa)
Tsy ampy sakafo intsony ny Malagasy (angamba lainga fa mety voky be daholo ny any)

Milay mihitsy raha efa milamina sy miadana daholo ny Malagasy, izay no irina.

Mampalahelo fotsiny raha ny mpiondana vitsivitsy no lasa manan-karena tampoka. Ireny ilay miankina amin'ny fitondrana ny fiainany, rehefa Ravalo no eo dia mahantra satria tsy mandeha ny Bizna, fa rehefa Rajoel dia nody any Dago mihitsy fa mandeha ny afera.

Enga anie mba tsy tahaka izany ronaldo09

Ka averiko indray, ny anay ny fiainana tsy miankina amin'izay Prezidà-n'i Madagasikara. Na Ravalo no eo na Rajoelina na Ramora Favoris dia misosa foana ny fiainanay aty.
3. lefitatra ( 23/01/2014 05:12)
marina zany ,
ny fiainanay koa mandeha tsara na iza no mpitondra eo na iza, fa tsy zakan'ny feon'ny fieritreretana ny mahita ireo mpiray monina sy ny ankabeazan'ny mpiray firenena mahatra sy tsy ampy sakafo, fijaliana @ aretina nefa mba misy ihany ny opitaly manarapesta,
noho iza ? samy mandinika tsika hoe noho iza ,
4. andrywui ( 23/01/2014 11:18)
Noho iza ?????........

Iza no nanapoaka ny asan'ny vahoaka malagasy ka ni monopolisé ny asa rehetra teto amn tanana ka nahatonga ny vahoaka nitroatra ny farany tamn 2008 ??

Io lalana , lalana io no mody nandraikiraikena ny vahoaka teo nefa innn kou ,,,, lalana nga azo nafangaro ravimbomanga narapaka ???

Ho anareo any andafy efa milaza fa be vola , miadana ndray de tsara izany ! Tohizo ! Fa aleo zahay hanarina ny firenenay ,,hanao zay apisondrotra ny gasikaranay zahay fa tohizo ny kebab sy ny agogo sy ny kfc anareo any andafy ireo de isakin'ny mitelina iray amnireo de tadidio fa misy zaza malagasy mitsindroka vary masaka amn fako aty ,,!! De mazotoa
5. mpisotrtoaka ( 23/01/2014 12:33)
Raha izay d iraisanay sy andrywii ! Ny malagasy tena malagasy tsy mitsoaka any ivelan'ny tanana zany fa ao anaty tamboho ihany no miezaka miaro n voninahitry ny tananany ! Indrisy fa ireo tsy d mahay ny tenindrazana ankehitriny no lazaina fa tena manam-pahaizana sy nahita fianarana ary tena malagasy ! Aza afangaro ny manam-pahaizana sy ny manam-bola ! Samihafa izany !
6. ronaldo09 ( 25/01/2014 14:55)
Iza moa ny mahita na mpitsindroka fako ianao any? ary ianao ve hilaza fa mafy ady any!!Ny aty no hita fa tsy ny any !!!Na zahay anie manao va et viens fa ianao 20 tao tsy mahita an'i Dago noho ny inona>? Anjaranao mamaly azy!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2928