O ry CUA Tanà

1. hery ( 13/01/2014 13:48)
Tsy azoko intsony ny zava-misy ao Tanà ao... Ny fako aloha iny efa tsy lazaina intsony fa dia isaorana ny orana manadio.
Izao indray dia lava-davahana ny ankamaroan'ny arabe fa hoe hambolena hazo hono. Tsy eny amin'ny trotoirs na eny amin'ny ronds points fa eny amin'ny arabe mihitsy. Amin'izay hono dia tsy misy fiara mijanonjanona eny grrrr
Fa angaha tsy mora ny manao lalàna hoe tsy azo ijanonana dia omena contraventions izay mijanona eny? (tahaka ny any amin'ny firenena mandroso rehetra)
Raha maniry ireo hazo ireo dia ahoana indray no hiarovana ireo arabe? Ny fakan-kazo manimba làlana. Na dia eny amin'ny trotoirs aza rehefa lehibe ny hazo dia manimba làlana ny fakany.
Tsy haiko e. Mampalahelo


Sary: Stand Up Tana
novalian'i jantina ny 16/07/2014 09:29
2. Noue ( 13/01/2014 14:12)
Miarahaba,

ka atao ahoana ry Hery fa zao hono no mba ataoan'ry zareo hoe fivoharana eee !

mety tsy hainy kosa angamba ny dikan'ny hoe mivoatra.

enganie ka tapahin'ny olona ataony kitay !

tena manaonao foana eee , dia hitritra avokoa ny arabe rehefa miha-lehibe ireo hazo ireo
3. saho ( 13/01/2014 15:20)
Salut daholo,
ny resaka fako b d b, ny antony voalohany dia tsy fisian ny volampanjakana hono, habaribary fa tsy manambola ny commune ao tana sy toerana rehetra izay be fako
zao zany le hoe miandry foana, asa miandry an iza, raha mahatsapa tena ny tsirairay dia mivondrona izay rehetra Amin ny toerana iray, tsy hiandry mana avy any andanitra foana, ny toetsaina no efa very e, very fanahy mbola velona gambany, na iza na iza ao tanana be fako ao, ny tompon andraikitra moa efa tsy vaky la tete fa efa lany henatra, ny mpanao Politika miady laharana sy miady ho be voninahitra, ny atao hoe voninahitra gambany diso fipetraka raha ny fomba fijery azy ankehitriny, ny voninahitra izany an, dia asa vita ifampitsarana ary voninahitra azo tamin ny hatsembohina sy fahaizana mampita azy Amin ny fiainana andavanandro, ohatra tiako lazaina eto tena voninahitra be ho an ny olona na vahoaka Amin ny toerana iray raha mifarimbona manadio tanana sy manala fako ny mponina ao aminy rehefa tsy mahavita ny commune, tsy hiandry an iza an iza, fa enao ihany no manadio ny fako narianao, ary enao ihany koa no tsy hampiely ny loto etsy sy eroa, izany hoe miainga aminao le izy dia mety hahitana vokatra misy sy hita maso azo tsapaintanana. Ary ho feno voninahitra be dia be ny olona nanao sy nanainga izany satria sady hita hoe madio ny tanana no tsy miparitaka ny loto miteraka aretina toa pesta izay mandringana sy mahafaty faomben olona.
Antony iray izay,ohatra maro moa ireo miteny hoe zahay noana ny kibo, tsiss sakafo , tsiss ninoninona azo atao sns....misy tokoa ny tena very hevitra fa mety eo ho eo 10% gambany
Antony hafa koa,ohatra zahay tsy hainay zany manangona fako izany, fa ny anay manary fako ihany no fantatray, ny commune no tompon andraikitra Amin izany, rehefa tsy hisy hanangona dia aleo zao sns....
Vokany dia ireo samy ireo iray tanana ihany no faombe ho fatin ny aretina etsy sy eroa vokatry ny fako mitontongana
dia raha za dia aleoko maty rahampitso toy izay maty androany, tsiss ny Quality of life satria kamo be tenda sy mandeha moramora eny foana ny life ve, na raiso ny fianarana mandray andraikitra akaiky eo manodidina anao, manadio ny toerana feno fako sns....izay ve dia tsy ho vita
ny resaka arabe koa toy izany, tsiss tompon andraikitra mahafantatra hoe ahoana ny Quality of life omeko ny mpamily fiarakodia sy ny fifandraisan ny samy olona mpivezivezy toerana iray, ahoana ny fandaharana ny jiro maintso mena mavo, ahoana ny fandaharana raha tsy mandeha ireo jiro maintso mena mavo ireo, polisy sy gendarme ve manao ny asany ara dalana, firy ny isan ny vam mivezivezy etsy sy eroa Amin ny fotoana iray (11h-12h) na heure de Pointe sns....
mbola be ezaka be nareo antanana zalahy, tsiss mahay, anefa ohatra betsaka ihany hoe milaza hoe mahay etsy sy eroa, ireo miandry solombavambahoaka sy miandry mpanao Politika
ataovy tsara ny fanadiadiana fa olombitsy no afaka nifidy teo, eo ho eo 7millions malagasy afaka nifidy teo, kanefa ny isan ny malagasy Amin izao fotoana izao efa 20millions mahery
DJ ihany no mbola tompon ny teny farany na dia vita aza ny fifidianana namboariny
tsiss fika. very ny malagasy ankehitriny
Miankina amintsika io e, miankina Amin ny tsirairay io, miainga avy amintsika ny finiavana rehetra hiarahana miala Amin ny tena krizy miseho endrika eo akaikinao eo sy ny manodidina anao
Mahamenatra raha izao vanimpotoana izao dia ny malagasy mbola miaina toa tamin ny taonjato miverina, mampalahelo. Tsy hitako izay fivoharana izao ary tsy hitako hoe ny voninahitra Amin izao, voninahitra diso toerana, tsiss mampahalala fa dia ohatrany jamba daholo ny mpiray tanindrazana sasany, indrindra ireo mpanao Politika tia vola sy tia tena , mamarina ny firenena any ankady sy ny vahoaka ao aminy
Mahaiza mandray andraikitra fa aza potehina ny toerana misy anao sy ny maha izy anao

Noue:

Miarahaba,

ka atao ahoana ry Hery fa zao hono no mba ataoan'ry zareo hoe fivoharana eee !

mety tsy hainy kosa angamba ny dikan'ny hoe mivoatra.

enganie ka tapahin'ny olona ataony kitay !

tena manaonao foana eee , dia hitritra avokoa ny arabe rehefa miha-lehibe ireo hazo ireo
4. vahiny2004 ( 14/01/2014 07:31)

hery:

Tsy azoko intsony ny zava-misy ao Tanà ao... Ny fako aloha iny efa tsy lazaina intsony fa dia isaorana ny orana manadio.
Izao indray dia lava-davahana ny ankamaroan'ny arabe fa hoe hambolena hazo hono. Tsy eny amin'ny trotoirs na eny amin'ny ronds points fa eny amin'ny arabe mihitsy. Amin'izay hono dia tsy misy fiara mijanonjanona eny grrrr
Fa angaha tsy mora ny manao lalàna hoe tsy azo ijanonana dia omena contraventions izay mijanona eny? (tahaka ny any amin'ny firenena mandroso rehetra)
Raha maniry ireo hazo ireo dia ahoana indray no hiarovana ireo arabe? Ny fakan-kazo manimba làlana. Na dia eny amin'ny trotoirs aza rehefa lehibe ny hazo dia manimba làlana ny fakany.
Tsy haiko e. Mampalahelo


Sary: Stand Up Tana


Te hatao fotsiny hoe "manao zavatra" e, zavatra tsy voatery hoe ilaina fa toa vao maika aza manelingelina, tsy mifanaraka @ politikan'ny tanàna (raha misy izany) ... histoire de dire que j'ai fait quelque chose hoy ny vazaha, avy eo na ny kalitao na suivi tsy misy daholo ... dia gaga ianao raha misy ny fomba fitenenana hoe "vita gasy"
5. endriny ( 14/01/2014 19:44)
Nga moa voatery ho azo, fa rehefa bizn sy vola miodina izao no maha Dodona e
6. tsamisara ( 15/01/2014 08:19)

endriny:

Izao an, saika avoakako tao amin'ny Forum Mbola Ovy Otra Vendrana ity resaka ity fa voan'ny censure aho dia ato indray ny ady eo, sahala amin'ny hoe tsy misy intsony ny Internet Ry ...

Torohevitra ho an'ny CUA,

Am le lavaka voalohany, BOIS DE ROSE AMBOLENA AO, raha ny fandehany am zao fotoana izao, investissement azo antoka io, tena VOLA,

Am le lavaka faharoa, bozaka ambolena ao (bozaka araka ny Dictionnaire ambony tetezana io an)

Am le lavaka fahatelo, amboleo vary dia aza atao tapaka rano ohatra ilay rond point Antanimena, amin'izay tongan'ny FOZA ORANA
7. moi ( 15/01/2014 15:01)
toa hoe foanana indray ange hono iny fikasana iny e ! zany hoe sitrany ahay fotsiny nisy nahafahana mody nandany vola (efa tsikombakomba tamin'ny orinasa nandavaka).
Dia hanakarama mpanentsina lavaka indray zao ! mahay kosa aloha lay mpitady bizna e
8. shala ( 14/03/2014 08:45)
efa naniry ve zay ilay hazo sa nanao ahoana?.mba tena laseritreritra @ ti toe tsaina efa very ti mits ny tenako ka.
fa ny tena magaga tokoa aloha dia zao fako ao tana zao e!rehf mba miaino RDB ka mandeh le karajy iny d gaga&miomehy sis ny tenako aty mihaino azy.ory cua a!ory jirama!!!lol.
9. jantina ( 16/07/2014 09:08)
Nanahoana ny niafaran'ity tantara ity?
10. jantina ( 16/07/2014 09:29)
Raha zakarandah no nambolena teo dia simba tanteraka ny lalana rehefa kelikely
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2171